1 ULB Mosesy nandeha ary niteny ireo teny ireo tamin'i Israely rehetra. BSB BSB: When Moses had finished speaking these words to all Israel,
2 ULB Hoy izy tamin'izy ireo: "Roapolo amby zato taona aho ankehitriny; tsy afaka mandeha mivoaka sy miditra intsony aho; hoy Yaveh tamiko hoe: 'Tsy hita an'i Jordana ianao.' BSB BSB: he said to them, “I am now a hundred and twenty years old; I am no longer able to come and go, and the LORD has said to me, ‘You shall not cross the Jordan.’
3 ULB Yaveh Andriamanitrao, dia handeha manoloana anao; hamotika ireo firenena eo anoloanao Izy, ka ho azonao ireny. Josoa, handeha eo anoloanao izy, araka izay nolazain'i Yaveh. BSB BSB: The LORD your God Himself will cross over ahead of you. He will destroy these nations before you, and you will dispossess them. Joshua will cross ahead of you, as the LORD has said.
4 ULB Yaveh dia hanao amin'izy ireny toy izay nataony tamin'i Sihona sy Oga, mpanjakan'ireo Amorita, sy amin'ireo tanin'izy ireo, izay nosimbainy. BSB BSB: And the LORD will do to them as He did to Sihon and Og, the kings of the Amorites, when He destroyed them along with their land.
5 ULB Yaveh dia hanome fandresenareo azy ireo rehefa miady ianareo, ka hanao izay rehetra nandidiako anareo amin'izy ireo ianareo. BSB BSB: The LORD will deliver them over to you, and you must do to them exactly as I have commanded you.
6 ULB Matanjaha ary mahereza tsara, aza matahotra, ary aza raiki-tahotra azy ireo; satria Yaveh Andriamanitrao, Izy izay mandeha miaraka aminao; tsy hanary anao na koa hahafoy anao Izy." BSB BSB: Be strong and courageous; do not be afraid or terrified of them, for it is the LORD your God who goes with you; He will never leave you nor forsake you.”
7 ULB Niantso an'i Josoa i Mosesy ary niteny taminy teo imason'Israely rehetra hoe: "Matanjaha ary mahereza tsara, satria handeha hiaraka amin'ireo vahoaka ireo any amin'ny tany izay nampanantenain'i Yaveh tamin'ny razan'izy ireo fa homeny azy ireo ianao; hahatonga azy ireo handova izany ianao. BSB BSB: Then Moses called for Joshua and said to him in the presence of all Israel, “Be strong and courageous, for you will go with this people into the land that the LORD swore to their fathers to give them, and you shall give it to them as an inheritance.
8 ULB Yaveh, Izy no handeha eo anoloanao; hiaraka aminao Izy; tsy hanary anao na hahafoy anao Izy; aza matahotra, aza kivy." BSB BSB: The LORD Himself goes before you; He will be with you. He will never leave you nor forsake you. Do not be afraid or discouraged.”
10 ULB Nandidy azy ireo Mosesy ary niteny hoe: "Isaky ny faran'ny fito taona, amin'ny fotoana voatondro amin'ny fanafoanana ireo trosa, mandritry ny Firavoravoan'ny Fialofana, BSB BSB: Then Moses commanded them, “At the end of every seven years, at the appointed time in the year of remission of debt, during the Feast of Tabernacles,
11 ULB rehefa tonga hiseho eo anatrehan'i Yaveh Andriamanitrao eo amin'ny toerana izay safidiany ho fitoerany masina ny Israely rehetra, dia hamaky io lalàna io manoloana an'Israely rehetra eo an-tsofin'izy ireo ianao. BSB BSB: when all Israel comes before the LORD your God at the place He will choose, you are to read this law in the hearing of all Israel.
12 ULB Vorio ny olona, ny lehilahy, ny vehivavy, ny zaza, ary ny vahininao izay ao amin'ny vavahadin'ny tanànanao, mba ho afaka handre sy hianatra izy ireo, ary mba ho afaka hanome voninahitra an'i Yaveh Andriamanitrareo sy hitandrina ny teny rehetra amin'io lalàna io izy ireo. BSB BSB: Assemble the people—men, women, children, and the foreigners within your gates—so that they may listen and learn to fear the LORD your God and to follow carefully all the words of this law.
13 ULB Ataovy izany mba ho afaka handre sy hianatra hanome voninahitra an'i Yaveh Andriamanitrareo, ny zanak'izy ireo, izay tsy mahafantatra, raha mbola mipetraka ao amin'ny tany izay hitànareo ho any Jordana ho fanananareo ianareo. BSB BSB: Then their children who do not know the law will listen and learn to fear the LORD your God, as long as you live in the land that you are crossing the Jordan to possess.”
14 ULB Hoy Yaveh tamin'i Mosesy hoe: "Indro, ho avy ny andro izay tsy maintsy hahafatesanao; antsoy Josoa ary manolora tena ao amin'ny lay fihaonana, mba hahafahako manome baiko azy." Dia nandeha Mosesy sy Josoa ary nanolotra ny tenan'izy ireo tao amin'ny lay fihaonana. BSB BSB: Then the LORD said to Moses, “Behold, the time of your death is near. Call Joshua and present yourselves at the Tent of Meeting, so that I may commission him.” So Moses and Joshua went and presented themselves at the Tent of Meeting.
15 ULB Niseho tao amin'ny lay tamin'ny andry rahona i Yaveh; ny andrin-drahona nitsangana teo amin'ny varavaran'ny lay. BSB BSB: Then the LORD appeared at the tent in a pillar of cloud, and the cloud stood over the entrance to the tent.
16 ULB Hoy Yaveh tamin'i Mosesy: "Indro, hiara-handry amin'ireo razanao ianao; io vahoaka io dia hitsangana ka hanao tahaka ny mpijangajanga manaraka andriamanitra hafa izay eo amin'izy ireo ao amin'ny tany izay handehanan'izy ireo. Hahafoy Ahy izy ireo ary handrava ny fanekeko izay nataoko tamin'izy ireo. BSB BSB: And the LORD said to Moses, “You will soon rest with your fathers, and these people will rise up and prostitute themselves with the foreign gods of the land they are entering. They will forsake Me and break the covenant I have made with them.
17 ULB Ary, amin'io andro io, dia hirehitra amin'izy ireo ny hatezerako ary handao azy ireo Aho. Hanafina ny tavako amin'izy ireo Aho ka ho levona izy ireo. Aretina maro sy korontana no ho hitan'izy ireo mba hiteny toy izao izy ireo amin'io andro io hoe: 'Tsy tonga eto anivontsika ve ireo aretina ireo satria tsy eto afovoantsika ny Andriamanitsika?' BSB BSB: On that day My anger will burn against them, and I will abandon them and hide My face from them, so that they will be consumed, and many troubles and afflictions will befall them. On that day they will say, ‘Have not these disasters come upon us because our God is no longer with us?’
18 ULB Hanafina ny tavako amin'izy ireo tokoa Aho amin'io andro io nohon'ny ratsy rehetra izay nataon'izy ireo, satria nitodika tany amin'ireo andriamani-kafa izy ireo. BSB BSB: And on that day I will surely hide My face because of all the evil they have done by turning to other gods.
19 ULB Ankehitriny ary dia soraty ho an'ny tenanareo ity hira ity ary ampianaro ny vahoakan'Israely izany. Ataovy ao am-bavan'izy ireo izany, ka mety ho fijoroana vavolombelona ho Ahy amin'ireo vahoakan'Israely izany hira izany. BSB BSB: Now therefore, write down for yourselves this song and teach it to the Israelites; have them recite it, so that it may be a witness for Me against them.
20 ULB Satria rehefa hitondra azy ireo any amin'ny tany izay nampanantenaiko homena ireo razamben'izy ireo Aho, tany izay tondra-dronono sy tantely, ary rehefa avy nihinana ka voky sy afa-po izy ireo, dia hitodika any amin'ireo andriamani-kafa sy hanompo azy ireo ary hanao tsinontsinona Ahy sy handrava ny fanekeko. BSB BSB: When I have brought them into the land that I swore to give their fathers, a land flowing with milk and honey, they will eat their fill and prosper. Then they will turn to other gods and worship them, and they will reject Me and break My covenant.
21 ULB Rehefa tonga eo anivon'io vahoaka io ny ratsy sy ny korontana maro, dia ho vavolombelona eo anatrehan'izy ireo io hira io (satria tsy ho adino eo ambavan'ireo taranak'izy ireo izany). Satria fantatro ny tetikasa izay foronin'izy ireo ankehitriny, na dia nentiko tany amin'ny tany izay nampanantenaiko azy ireo aza izy ireo." BSB BSB: And when many troubles and afflictions have come upon them, this song will testify against them, because it will not be forgotten from the lips of their descendants. For I know their inclination, even before I bring them into the land that I swore to give them.”
22 ULB Noho izany dia nanoratra io hira io tamin'io andro io ihany i Mosesy ary nampianatra izany an'ireo vahoakan'Israely. BSB BSB: So that very day Moses wrote down this song and taught it to the Israelites.
23 ULB Nanome didy an'i Josoa zanaka lahin'i Nona i Yaveh nanao hoe: "Matanjaha ary mahereza tsara; satria ianao no hitondra ny vahoakan'Israely ao amin'ny tany izay nampanantenaiko azy ireo, ary hiaraka aminao Aho." BSB BSB: Then the LORD commissioned Joshua son of Nun and said, “Be strong and courageous, for you will bring the Israelites into the land that I swore to give them, and I will be with you.”
24 ULB Izao no niseho rehefa nahavita nanoratra ireo tenin'ny lalàna tao anaty boky i Mosesy, BSB BSB: When Moses had finished writing in a book the words of this law from beginning to end,
25 ULB fa handidy an'ireo Levita izay mitondra ny fiaran'ny faneken'i Yaveh izy, manao hoe: BSB BSB: he gave this command to the Levites who carried the ark of the covenant of the LORD:
26 ULB "Raiso ity bokin'ny lalàna ity ary apetraho eo ankilan'ny fiaran'ny faneken'i Yaveh Andriamanitrareo, mba ho eo tahaka ny vavolombelona manohitra anao izany. BSB BSB: “Take this Book of the Law and place it beside the ark of the covenant of the LORD your God, so that it may remain there as a witness against you.
27 ULB Satria fantatro ny fikomianareo sy ny fahamafisan-dohanareo; indro, raha mbola velona miaraka aminareo aho androany, dia mpikomy manohitra an'i Yaveh ianareo; mainka fa rehefa maty aho? BSB BSB: For I know how rebellious and stiff-necked you are. If you are already rebelling against the LORD while I am still alive, how much more will you rebel after my death!
28 ULB Vorio eto amiko ireo loholon'ny fokonareo rehetra, sy ireo manam-boninahitra, mba hahafahako miteny ireo teny ireo eo an-tsofin'izy ireo sy miantso ny lanitra sy ny tany ho vavolombelona manohitra azy ireo. BSB BSB: Assemble before me all the elders of your tribes and all your officers so that I may speak these words in their hearing and call heaven and earth to witness against them.
29 ULB Satria fantatro fa aorian'ny hahafatesako ianareo dia hamitaka ny tenanareo tokoa ka hiala amin'ny lalana izay nandidiako anareo; ho avy aminareo ny aretina amin'ny andro manaraka izany. Hiseho izany satria hanao izay ratsy eo imason'i Yaveh ianareo, izay hahatonga Azy ho tezitra amin'ireo asan'ny tananareo." BSB BSB: For I know that after my death you will become utterly corrupt and turn from the path I have commanded you. And in the days to come, disaster will befall you because you will do evil in the sight of the LORD to provoke Him to anger by the work of your hands.”
30 ULB Dia nolazain'i Mosesy teo an-tsofin'ireo vahoakan'Israely rehetra ny tonon'izany hira izany mandrapa-tapitrany. BSB BSB: Then Moses recited aloud to the whole assembly of Israel the words of this song from beginning to end:
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.