1 ULB Aoka ho tananareo ireo didy rehetra izay omeko anareo androany, mba ho velona sy hihamaro ianareo, ary handeha ka hahazo ny tany izay nianianan'i Yaveh tamin'ireo razambenareo. BSB BSB: You must carefully follow every commandment I am giving you today, so that you may live and multiply, and enter and possess the land that the LORD swore to give your fathers.
2 ULB Aoka ho tsaroanao ny lalana rehetra izay nitarihan'i Yaveh Andriamanitrao anao tamin'ny efapolo taona tany an'efitra, mba hampietreny anao, mba hitsapany anao hahafantarana izay ao am-ponao, raha hitàna ireo didiny ianao na tsia. BSB BSB: Remember that these forty years the LORD your God led you all the way in the wilderness, so that He might humble you and test you in order to know what was in your heart, whether or not you would keep His commandments.
3 ULB Nampietry anao Izy, sy nampanoana anao, ary namoky mana anao, izay tsy fantatrao ary tsy fantatr'ireo razanao. Nataony izany mba hahafantaranao fa tsy ny mofo ihany no hiveloman'ny olona; fa kosa, ny zavatra rehetra izay aloakan'ny vavan'i Yaveh dia iveloman'ny olona. BSB BSB: He humbled you, and in your hunger He gave you manna to eat, which neither you nor your fathers had known, so that you might understand that man does not live on bread alone, but on every word that comes from the mouth of the LORD.
4 ULB Tsy rovitra ary tsy niala taminao ny akanjonao, ary tsy nivonto ny tongotrao nandritr'ireny efapolo taona ireny. BSB BSB: Your clothing did not wear out and your feet did not swell during these forty years.
5 ULB Aoka ianao hihevitra ao am-ponao, ny fomba hifehezan'ny ny olona ny zanany, dia tahaka izany no hifehezan'i Yaveh Andriamanitrao anao. BSB BSB: So know in your heart that just as a man disciplines his son, so the LORD your God disciplines you.
6 ULB Hotànanao ireo didin'i Yaveh Andriamanitrao, mba handehananao amin'ny lalany sy hanajanao Azy. BSB BSB: Therefore you shall keep the commandments of the LORD your God, walking in His ways and fearing Him.
7 ULB Fa Yaveh Andriamanitrao dia mitondra anao amin'ny tany soa, tanin-dohasahan-driaka, loharano, mikoriana avy amin'ireo lohasaha ary eny anivon'ny havoana; BSB BSB: For the LORD your God is bringing you into a good land, a land of brooks and fountains and springs that flow through the valleys and hills;
8 ULB tanim-barim-bazaha sy vary hordea, voaloboka, hazon'aviavy, ary ampongaben-danitra; tanin'oliva sy tantely. BSB BSB: a land of wheat, barley, vines, fig trees, and pomegranates; a land of olive oil and honey;
9 ULB Tany izay hihinananao hanina tsy lany laniana, ary izay handehananao tsy hisy zava-mahory; tany izay misy vy ny vatony, ary avy ao amin'ny havoany no hiadianao varahina. BSB BSB: a land where you will eat food without scarcity, where you will lack nothing; a land whose rocks are iron and whose hills are ready to be mined for copper.
10 ULB Hihinana ianao ary ho voky, ary hisaotra an'i Yaveh Andriamanitrao ianao nohon'ny tany soa izay efa nomeny anao. BSB BSB: When you eat and are satisfied, you are to bless the LORD your God for the good land that He has given you.
11 ULB Tandremo mba tsy hanadino an'i Yaveh Andriamanitrao ianao, ary tsy hanao tsinontsinona ireo didiny, ireo fitsipiny, ary ireo lalàny izay handidiko anao androany, BSB BSB: Be careful not to forget the LORD your God by failing to keep His commandments and ordinances and statutes, which I am giving you this day.
12 ULB raha tsy izany, rehefa mihinana ianao ary voky, ary rehefa manorina trano tsara tarehy ary mipetraka ao amin'izany, dia hirehareha ny fonao. BSB BSB: Otherwise, when you eat and are satisfied, when you build fine houses in which to dwell,
13 ULB Tandremo rehefa mihamaro ny ombinao sy ny ondry aman'osinao ary mitombo ny volafotsy sy ny varahinao, ary mitombo izay rehetra hanananao, BSB BSB: and when your herds and flocks grow large and your silver and gold increase and all that you have is multiplied,
14 ULB dia hirehareha ny fonao ary adinonao i Yaveh Andriamanitrao, izay nitondra anao nivoaka avy tao amin'ny tany Egypta, avy tao amin'ny trano fanandevozana. BSB BSB: then your heart will become proud, and you will forget the LORD your God who brought you out of the land of Egypt, out of the house of slavery.
15 ULB Aza manadino Azy izay nitarika anao tany amin'ny tany efitra lehibe sy mampatahotra, miaraka amin'ny menarana misy poizina sy maingoka ary tany ngazana izay tsy nisy rano, izay namoaka rano ho anao avy tao amin'ny vatolampy afovato. BSB BSB: He led you through the vast and terrifying wilderness with its venomous snakes and scorpions, a thirsty and waterless land. He brought you water from the rock of flint.
16 ULB Namoky mana anao tany an'efitra Izy izay tsy mba fantatr'ireo razambenao, mba hahafahany mampietry anao sy mitsapa anao, mba hanasoa anao amin'ny farany, BSB BSB: He fed you in the wilderness with manna that your fathers had not known, in order to humble you and test you, so that in the end He might cause you to prosper.
17 ULB fa ianao mety hiteny ao am-ponao hoe: 'Ny heriko sy ny herin'ny tanako no nahazoako ireto harena rehetra ireto.' BSB BSB: You might say in your heart, “The power and strength of my hands have made this wealth for me.”
18 ULB Fa aoka hahatsiaro an'i Yaveh Andriamanitrao ianao, satria Izy no manome anao ny hery hahazoana harena; mba hanorenany ny fanekeny izay nianianany tamin'ireo razanao, tahaka izao anio izao. BSB BSB: But remember that it is the LORD your God who gives you the power to gain wealth, in order to confirm His covenant that He swore to your fathers even to this day.
19 ULB Ary raha hanadino an'i Yaveh Andriamanitrao ianao ary hanaraka andriamanin-kafa, hanompo azy ireo, ary hiankohoka amin'izy ireo, dia mijoro vavolombelona aminareo aho anio fa ho faty tokoa ianareo. BSB BSB: If you ever forget the LORD your God and go after other gods to worship and bow down to them, I testify against you today that you will surely perish.
20 ULB Tahaka ireo firenena izay nataon'i Yaveh ringana teo anatrehanareo, dia ho toy izany no haharingana anareo, satria tsy mihaino ny feon'i Yaveh Adriamanitrareo ianareo. BSB BSB: Like the nations that the LORD has destroyed before you, so you will perish if you do not obey the LORD your God.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.