1 ULB Tsarovy ihany koa ny Mpahary anao amin'ny andron'ny fahatanoranao, mialohan'ny hiavian'ny andro sarotra, ary mialohan'ny hiavian'ny taona izay hitenenanao hoe: "tsy manana fankasitrahana ho azy ireo aho," BSB BSB: Remember your Creator in the days of your youth, before the days of adversity come and the years approach of which you will say, “I find no pleasure in them,”
2 ULB ataovy izany dieny mbola tsy hody aizina ny hazavan'ny masoandro sy ny volana ary ireo kintana, ary dieny mbola tsy miverina ny raho-mainty aorian'ny orana. BSB BSB: before the light of the sun, moon, and stars is darkened, and the clouds return after the rain,
3 ULB Amin'izany fotoana izany dia mangovitra ny mpiambina ny lapa, sy manjoko ny lehilahy mahery, ary mitsahatra ny vehivavy izay mitoto satria vitsy izy ireo, ary ireo izay mitazana eo am-baravaran-kely dia tsy mahita tsara intsony. BSB BSB: on the day the keepers of the house tremble and the strong men stoop, when those grinding cease because they are few and those watching through windows see dimly,
4 ULB Amin'izany fotoana izany dia mirindrina ny varavaram-be eny amin'ny lalana, ary mijanona ny feon'ny fikosoham-bary, ho taitran'ny feom-borona ny lehilahy, ary malazo ny fihiran'ny feon'ny tovovavy. BSB BSB: when the doors to the street are shut and the sound of the mill fades away, when one rises at the sound of a bird and all the daughters of song grow faint,
5 ULB Amin'izany fotoana izany dia manomboka matahotra ny hahavo sy ireo loza eny an-dalana ny lehilahy, ary mamelana ny hazo amygdala, sy miaraka mifampitarika ireo valala, ary tsy mandaitra ireo faniriana voajanahary. Mandeha any amin'ny tranony mandrakizay ny lehilahy ary midina an-dalambe ireo mpisaona. BSB BSB: when men fear the heights and dangers of the road, when the almond tree blossoms, the grasshopper loses its spring, and the caper berry shrivels—for then man goes to his eternal home and mourners walk the streets.
6 ULB Tsarovy ny Mpahary anao mialohan'ny hahatapahan'ny kofehy volafotsy, na hahavaky ny lovia volamena, na hahatorotoro ny siny amin'ny lohataona, na hahatapaka ny kodian-drano eo amin'ny lava-drano, BSB BSB: Remember Him before the silver cord is snapped and the golden bowl is crushed, before the pitcher is shattered at the spring and the wheel is broken at the well,
8 ULB "Ny enton-javona," hoy ny Mpitoriteny: "zava-poana dia zava-poana ny zavatra rehetra." BSB BSB: “Futility of futilities,” says the Teacher. “Everything is futile!”
9 ULB Ny Mpitoriteny dia hendry ary nampianatra fahalalana ny olona izy. Nianatra sy nandinika ary nandrindra ohabolana maro izy. BSB BSB: Not only was the Teacher wise, but he also taught the people knowledge; he pondered, searched out, and arranged many proverbs.
10 ULB Ny Mpitoriteny dia nitady ny hanoratra fampiasana mazava tsara, teny mahitsin'ny fahamarinana. BSB BSB: The Teacher searched to find delightful sayings and to record accurate words of truth.
11 ULB Ireo tenin'ny olon-kendry dia tahaka ny tsindrona. Tahaka ireo fantsika tsara lentika ireo tenin'ireo tompo ao amin'ny fanangonan' ohabolan'izy ireo, izay nampianarin'ny mpiandry ondry iray. BSB BSB: The words of the wise are like goads, and the anthologies of the masters are like firmly embedded nails driven by a single Shepherd.
12 ULB Anaka, mahafantara zavatra bebe kokoa: ny fanamboarana boky maro, izay tsy misy fiafarany ary ny fianarana be dia mitondra faharerahana ho an'ny vatana. BSB BSB: And by these, my son, be further warned: There is no end to the making of many books, and much study wearies the body.
13 ULB Efa re ny fiafaran'ny raharaha aorian'ny zava-drehetra, dia tsy maintsy matahotra an'Andriamanitra ianao ary mitandrina ireo didiny, fa izany no andraikitra manontolon'ny olombelona. BSB BSB: When all has been heard, the conclusion of the matter is this: Fear God and keep His commandments, because this is the whole duty of man.
14 ULB Fa Andriamanitra hitondra ny asa rehetra ho amin'ny fitsarana, hatramin'ny zava-miafina rehetra, na tsara izany na ratsy. BSB BSB: For God will bring every deed into judgment, along with every hidden thing, whether good or evil.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.