1 ULB Fa ny zava-drehetra dia efa voatondro amin'ny fotoany, ary ny vanim-potoana ho amin'ny tanjona tsirairay ambany lanitra. BSB BSB: To everything there is a season, and a time for every purpose under heaven:
2 ULB Misy fotoana ahaterahana ary fotoana ahafatesana, fotoana hambolena ary fotoana hamokarana, BSB BSB: a time to be born and a time to die, a time to plant and a time to uproot,
3 ULB fotoana hamonoana ary fotoana hanasitranana, fotoana handravana ary fotoana hananganana. BSB BSB: a time to kill and a time to heal, a time to break down and a time to build,
4 ULB Misy fotoana hitomaniana ary fotoana hihomehezana, fotoana hisaonana ary fotoana handihizana, BSB BSB: a time to weep and a time to laugh, a time to mourn and a time to dance,
5 ULB fotoana hanariam-bato ary fotoana hanangonam-bato, fotoana hamihinana olon-kafa, ary fotoana handrarana ny famihinana. BSB BSB: a time to cast away stones and a time to gather stones together, a time to embrace and a time to refrain from embracing,
6 ULB Misy fotoana hitadiavan-javatra ary fotoana hitsaharana mitady, fotoana hifikirana amin-javatra ary fotoana hanariana izany, BSB BSB: a time to search and a time to count as lost, a time to keep and a time to discard,
7 ULB fotoana handrovitana ary fotoana hanjairana, fotoana hanginana ary fotoana hitenenana. BSB BSB: a time to tear and a time to mend, a time to be silent and a time to speak,
8 ULB Misy fotoana hitiavana ary fotoana hankahalana, fotoana hiadiana ary fotoana hihavanana. BSB BSB: a time to love and a time to hate, a time for war and a time for peace.
9 ULB Inona no tombony azon'ny mpiasa amin'ny asany? BSB BSB: What does the worker gain from his toil?
10 ULB Efa hitako ny asa izay nomen'Andriamanitra ho tanterahan'ny olombelona. BSB BSB: I have seen the burden that God has laid upon the sons of men to occupy them.
11 ULB Efa nanao ny zava-drehetra hifanaraka amin'ny fotoany Andriamanitra. Efa nampitoetra ny mandrakizay tao am-pon'ireo ihany koa Izy. Nefa tsy afaka hahatakatra ny asa lehibe izay nataon'Andriamanitra ny olombelona, hatramin'ny fiatombohany ka hatramin'ny fiafarany. BSB BSB: He has made everything beautiful in its time. He has also set eternity in the hearts of men, yet they cannot fathom the work that God has done from beginning to end.
12 ULB Fantatro fa tsy misy zavatra tsara ho an'ny olona noho ny mifaly sy manao zava-tsoa hatrany raha mbola velona koa izy— BSB BSB: I know that there is nothing better for them than to rejoice and do good while they live,
13 ULB ary ny olon-drehetra dia tokony hihinana sy hisotro, ary tokony hahay hifaly amin'ny tsara izay avy amin'ny asany rehetra. Fanomezana avy amin'Andriamanitra izany. BSB BSB: and also that every man should eat and drink and find satisfaction in all his labor—this is the gift of God.
14 ULB Fantatro fa izay rehetra ataon'Andriamanitra dia maharitra mandrakizay. Tsy afaka ampiana izany na analana, satria Andriamanitra no efa nanao izany mba anatonan'ny olona Azy amin'ny voninahitra. BSB BSB: I know that everything God does endures forever; nothing can be added to it or taken from it. God does it so that they should fear Him.
15 ULB Izay rehetra misy dia efa nisy, izay rehetra hisy dia efa nisy. Andriamanitra dia nanao ny olombelona hitady ireo zava-miafina. BSB BSB: What exists has already been, and what will be has already been, for God will call to account what has passed.
16 ULB Efa nahita ny faharatsiana izay ety ambany masoandro aho, izay tokony hisy ny rariny, ary eo amin'ny toeran'ny fahamarinana, dia ny faharatsiana no tao. BSB BSB: Furthermore, I saw under the sun that in the place of judgment there is wickedness, and in the place of righteousness there is wickedness.
17 ULB Hoy aho anakampo hoe: "Ho tsarain'Andriamanitra amin'ny fotoany ny olo-marina sy ny ratsy fanahy ny amin'ny raharaha sy ny asany rehetra." BSB BSB: I said in my heart, “God will judge the righteous and the wicked, since there is a time for every activity and every deed.”
18 ULB Hoy aho anakampo hoe: "Mizaha toetra ny olombelona Andriamanitra mba hanehoana azy ireo fa tahaka ny biby izy ireo." BSB BSB: I said to myself, “As for the sons of men, God tests them so that they may see for themselves that they are but beasts.”
19 ULB Fa amin'izy ireo dia sahala ny manjo ny zanak'olombelona sy ny manjo ny biby. Ny fahafatesan'ny iray dia tahaka ny fahafatesan'ny iray hafa. Mitovy ny fofon'ain'izy rehetra. Tsy misy tombony ho an'ny olombelona eo amin'ny biby. Fa moa ve tsy fofon'aina fotsiny ihany ny zava-drehetra? BSB BSB: For the fates of both men and beasts are the same: As one dies, so dies the other—they all have the same breath. Man has no advantage over the animals, since everything is futile.
20 ULB Ny zava-drehetra dia samy mizotra amin'ny toerana iray. Ny zava-drehetra dia avy amin'ny vovoka, ary ny zava-drehetra dia hody vovoka. BSB BSB: All go to one place; all come from dust, and all return to dust.
21 ULB Iza no mahalala na miakatra any ambony ny fanahin'ny olombelona ary midina any amin'ny tany ny fanahin'ny biby? BSB BSB: Who knows if the spirit of man rises upward and the spirit of the animal descends into the earth?
22 ULB Ka dia tsapako indray fa tsy misy zavatra tsara ho an'ny olona noho ny mifaly amin'ny asany, fa izany no asa nanendrena azy. Iza no afaka hitondra azy miverina mba hijery izay mitranga aoriany? BSB BSB: I have seen that there is nothing better for a man than to enjoy his work, because that is his lot. For who can bring him to see what will come after him?
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.