1 ULB Tandremo ny fitondran-tenanao rehefa mankany an-tranon'Andriamanitra ianao. Mandehana any mba hihaino. Ny mihaino dia tsara noho ny adala manolotra sorona nefa tsy mahalala fa ratsy ny ataon'izy ireo eo amin'ny fiainana. BSB BSB: Guard your steps when you go to the house of God. Draw near to listen rather than to offer the sacrifice of fools, who do not know that they do wrong.
2 ULB Aza malaky loatra miteny amin'ny vavanao, ary aoka ny fonao tsy halaky loatra hampiakatra izay raharaha rehetra eo anoloan'Andriamanitra. Any an-danitra Andriamanitra, fa ianao ety an-tany, koa aoka ho vitsy ireo teninao. BSB BSB: Do not be quick to speak, and do not be hasty in your heart to utter a word before God. For God is in heaven and you are on earth. So let your words be few.
3 ULB Raha be loatra ny zavatra ataonao sy mampiahiahy anao, dia hanofy ratsy tokoa ianao. Ny habetsak'ireo teny lazainao, no habetsaky ny fahadalana mety ho lazainao. BSB BSB: As a dream comes through many cares, so the speech of a fool comes with many words.
4 ULB Rehefa mivoady amin'Andriamanitra ianao, dia aza mitaredretra amin'ny fanaovana izany, fa tsy sitrak'Andriamanitra ireo adala. Ataovy izay nanaovanao voady fa ho ataonao. BSB BSB: When you make a vow to God, do not delay in fulfilling it, because He takes no pleasure in fools. Fulfill your vow.
5 ULB Aleo tsy mivoady toy izay manao voady izay tsy tanterakao akory. BSB BSB: It is better not to vow than to make a vow and not fulfill it.
6 ULB Aza avela hampanota ny nofonao ny vavanao. Aza miteny amin'ny iraky ny mpisorona hoe: "Fahadisoana iny voady iny." Nahoana no mampatezitra an'Andriamanitra amin'ny fanaovana voady tsy izy, mihantsy an'Andriamanitra hanimba ny asan'ny tananao? BSB BSB: Do not let your mouth cause your flesh to sin, and do not tell the messenger that your vow was a mistake. Why should God be angry with your words and destroy the work of your hands?
7 ULB Fa ao amin'ny nofy maro, tahaka ny ao amin'ny teny maro, dia misy entona tsy misy dikany. Koa matahora an'Andriamanitra. BSB BSB: For as many dreams bring futility, so do many words. Therefore, fear God.
8 ULB Raha hitanao ampahoriana sy robaina amin'ny fitondrana marina sy mahitsy ao amin'ny faritaninao ny mahantra, dia aza gaga raha tsy misy olona mahalala, satria misy olona mahery izay miambina ireo eo ambany fahefan'izy ireo, ary misy olona ambony kokoa aza manapaka azy ireo. BSB BSB: If you see the oppression of the poor and the denial of justice and righteousness in the province, do not be astonished at the matter; for one official is watched by a superior, and others higher still are over them.
9 ULB Fanampin'izany, an'ny olon-drehetra ny vokatry ny tany, ary ny mpanjaka mihitsy no maka ny vokatra amin'ireo saha. BSB BSB: The produce of the earth is taken by all; the king himself profits from the fields.
10 ULB Ny olona rehetra izay tia volafotsy dia tsy ho afa-po amin'ny volafotsy, ary ny olona rehetra izay tia harena dia mitady mihoatra lalandava. Izany, ihany koa, dia entona. BSB BSB: He who loves money is never satisfied by money, and he who loves wealth is never satisfied by income. This too is futile.
11 ULB Tahaka ny hitomboan'ny fanambinana, dia tahaka izany ihany koa ny olona izay mihinana izany. Inona no tombon-tsoa an'ny tompony amin'ny harena afa-tsy ny mijery izany amin'ny masony? BSB BSB: When good things increase, so do those who consume them; what then is the profit to the owner, except to behold them with his eyes?
12 ULB Mamy ny torimason'ny olona miasa, na mihinana kely na betsaka izy, fa ny haren'ny olona mpanan-karena dia tsy mamela azy hatory tsara. BSB BSB: The sleep of the worker is sweet, whether he eats little or much, but the abundance of the rich man permits him no sleep.
13 ULB Misy ratsy mahory izay efa hitako tety ambany masoandro: dia harena angonin'ny tompony, fa miafara amin'ny fahoriany ihany. BSB BSB: There is a grievous evil I have seen under the sun: wealth hoarded to the harm of its owner,
14 ULB Raha very amin'ny vintan-dratsy ny haren'ny olona mpanan-karena, ny zanany lahy, ilay naterany, dia tavela tsy manana na inona na inona eo an-tanany. BSB BSB: or wealth lost in a failed venture, so when that man has a son there is nothing to pass on.
15 ULB Tahaka ny olona teraka nitanjaka avy ao an-kibon-dreniny, dia mitanjaka toy izany ihany koa no hialany amin'ity fiainana ity. Tsy afaka hitondra na inona na inona eny an-tanany avy amin'ny asany izy. BSB BSB: As a man came from his mother’s womb, so he will depart again, naked as he arrived. He takes nothing for his labor to carry in his hands.
16 ULB Ny ratsy mahory hafa dia tahaka ny olona tonga tokoa, koa toy izany koa no tsy maintsy handehanany. Koa inona ny tombony azon'ny olona amin'ny fiasana ho an'ny rivotra? BSB BSB: This too is a grievous affliction: Exactly as a man is born, so he will depart. What does he gain as he toils for the wind?
17 ULB Mandritry ny androny dia mihinana amin'ny aizina izy ary ory fatratra amin'ny aretina sy hatezerana. BSB BSB: Moreover, all his days he eats in darkness, with much sorrow, sickness, and anger.
18 ULB Indro, izay efa hitako ho tsara sy mety dia ny mihinana sy misotro ary mankafy ny tombony avy amin'ny asantsika rehetra, raha miasa ambanin'ny masoandro mandritry ity androm-piainana izay efa nomen'Andriamanitra antsika ity. Fa izany no anjaran'ny olona. BSB BSB: Here is what I have seen to be good and fitting: to eat and drink, and to find satisfaction in all the labor one does under the sun during the few days of life that God has given him—for this is his lot.
19 ULB Ny olona izay nomen'Andriamanitra fananana sy harena ary fahaizana mba handray ny anjarany ka hifaly amin'ny asany—fanomezana avy amin'Andriamanitra izany. BSB BSB: Furthermore, God has given riches and wealth to every man, and He has enabled him to enjoy them, to accept his lot, and to rejoice in his labor. This is a gift from God.
20 ULB Fa tsy mahatsiaro matetika ireo androm-piainany izy, satria ataon'Andriamanitra sasatra amin'ireo zavatra izay tiany atao. BSB BSB: For a man seldom considers the days of his life, because God keeps him occupied with the joy of his heart.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.