1 ULB Paoly, apostolin'i Kristy Jesosy araka ny sitrapon'Andriamanitra, ho an'ireo olo-masin'Andriamanitra any Efesosy, izay mahatoky ao amin'i Kristy Jesosy. BSB BSB: Paul, an apostle of Christ Jesus by the will of God, To the saints in Ephesus, the faithful in Christ Jesus:
2 ULB Ho aminareo ny fahasoavana sy fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo. BSB BSB: Grace and peace to you from God our Father and the Lord Jesus Christ.
3 ULB Deraina anie ny Andriamanitra sy Rain'i Jesosy Kristy Tompontsika, izay nitahy antsika tao amin'i Kristy tamin'ny fitahim-panahy rehetra avy any an-danitra ao amin'i Kristy. BSB BSB: Blessed be the God and Father of our Lord Jesus Christ, who has blessed us in Christ with every spiritual blessing in the heavenly realms.
5 ULB Andriamanitra dia nisafidy antsika mialoha ho amin'ny fananganana ho zanaka tamin'ny alalan'i Jesosy Kristy, araka ny sitrapony. BSB BSB: He predestined us for adoption as His sons through Jesus Christ, according to the good pleasure of His will,
6 ULB Ny fananganana antsika dia mitondra amin'ny fiderana ny fahasoavany be voninahitra izay nomeny antsika maimaimpoana tao amin'ilay Iray izay tiany. BSB BSB: to the praise of His glorious grace, which He has freely given us in the Beloved One.
7 ULB Ao amin'i Jesosy Kristy dia mahazo fanavotana amin'ny ràny sy ny famelan-keloka isika, araka ny harem-pahasoavany. BSB BSB: In Him we have redemption through His blood, the forgiveness of our trespasses, according to the riches of His grace
8 ULB Narotsany tamintsika tamin'ny fahendrena sy fahalalana rehetra izany fahasoavana izany. BSB BSB: that He lavished on us with all wisdom and understanding.
9 ULB Nataon'Andriamanitra fantatra tamintsika ny zava-miafin'ny sitrapony, araka izay tiany, sy izay nasehony tao amin'i Kristy, BSB BSB: And He has made known to us the mystery of His will according to His good pleasure, which He purposed in Christ
10 ULB niaraka tamin'ny fandaharana iray amin'ny fahafenoan'ny fotoana, hanangonana ny zavatra rehetra, ety an-tany sy any an-danitra, ho loha iray, na Kristy aza. BSB BSB: as a plan for the fullness of time, to bring all things in heaven and on earth together in Christ.
11 ULB Ao amin'i Kristy dia voatendry ho mpandova isika. Nofidiana mialoha araka fandaharan'ilay mampiasa ny zavatra rehetra araka ny tanjon'ny sitrapony isika. BSB BSB: In Him we were also chosen as God’s own, having been predestined according to the plan of Him who works out everything by the counsel of His will,
12 ULB Andriamanitra nanendry antsika ho mpandova mba ho isika no manana fahatokiana voalohany ao amin'i Kristy, mba ho fiderana ny voninahiny isika. BSB BSB: in order that we, who were the first to hope in Christ, would be for the praise of His glory.
13 ULB Tao amin'i Kristy, ianareo koa, rehefa naheno ny tenin'ny fahamarinana, dia ny filazantsaran'ny famonjena anareo, dia nino Azy ianareo ary voatomboka tamin'ilay Fanahy Masina nampanantenaina, BSB BSB: And in Him, having heard and believed the word of truth—the gospel of your salvation—you were sealed with the promised Holy Spirit,
14 ULB izay antoka ho an'ny lovantsika mandra-pahazoantsika tanteraka izany, ho fiderana ny voninahiny. BSB BSB: who is the pledge of our inheritance until the redemption of those who are God’s possession, to the praise of His glory.
15 ULB Noho izany antony izany, hatramin'ny nahenoako ny finoanareo ny Tompo Jesosy ary ny fitiavanareo ireo olo-masiny rehetra, BSB BSB: For this reason, ever since I heard about your faith in the Lord Jesus and your love for all the saints,
16 ULB dia tsy nitsahatra ny nisaotra an'Andriamanitra aho noho ny aminareo ary tsaroako am-bavaka ianareo. BSB BSB: I have not stopped giving thanks for you, remembering you in my prayers,
17 ULB Mivavaka aho mba ny Andriamanitr'i Jesosy Kristy Tompontsika, ilay Rain'ny voninahitra, hanome anareo ny fanahin'ny fahendrena sy fanambarana amin'ny fahalalana Azy. BSB BSB: that the God of our Lord Jesus Christ, the glorious Father, may give you a spirit of wisdom and revelation in your knowledge of Him.
18 ULB Mivavaka aho mba hanazavana ny mason'ny fonareo, mba hahafantaranareo ny toky izay niantsoany anareo sy ny haren'ny voninahitry ny lovany eo amin'ireo olo-masin'Andriamanitra rehetra. BSB BSB: I ask that the eyes of your heart may be enlightened, so that you may know the hope of His calling, the riches of His glorious inheritance in the saints,
19 ULB Ao amin'ny fivavako dia mangataka aho mba hahafantaranareo ny fihoaran'ny halehiben'ny heriny ao amintsika izay mino, araka ny fiasan'ny heriny lehibe. BSB BSB: and the surpassing greatness of His power to us who believe. These are in accordance with the working of His mighty strength,
20 ULB Izany hery izany ihany no nampiasain'Andriamanitra tao amin'i Kristy rehefa natsangany tamin'ny maty Izy ary napetrany teo an-tanany ankavanana tany an-danitra. BSB BSB: which He exerted in Christ when He raised Him from the dead and seated Him at His right hand in the heavenly realms,
21 ULB Kristy dia napetrany ho ambonin'ny lalàna sy ny fahefana ary ny hery sy fitsarana, ary ny anarana rehetra izay misy. Hanapaka Kristy, tsy ho amin'izao vanim-potoana izao ihany, fa ho amin'ny vanim-potoana ho avy koa. BSB BSB: far above all rule and authority, power and dominion, and every name that is named, not only in the present age but also in the one to come.
22 ULB Napetrak'Andriamanitra ho ao ambanin'ny tongotr'i Kristy avokoa ny zavatra rehetra ary natolony ho lohan'ny zavatra rehetra ao amin'ny fiangonana Izy. BSB BSB: And God put everything under His feet and made Him head over everything for the church,
23 ULB Ny fiangonana no vatany, ilay fahafenoin'Ilay mameno ny zavatra rehetra amin'ny endriny rehetra. BSB BSB: which is His body, the fullness of Him who fills all in all.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.