1 ULB Ary ny momba anareo, dia maty tao anatin'ny fahadisoanareo sy ny fahotanareo ianareo. BSB BSB: And you were dead in your trespasses and sins,
2 ULB Tao amin'ireny fahadisoana ireny no niainanareo taloha araka ny fomban'izao tontolo izao. Niaina araka ny mpanapaka ireo fahefana eny amin'ny rivotra ianareo, ilay fanahy izay miasa ao amin'ireo zanaky ny tsy fankatoavana. BSB BSB: in which you used to walk when you conformed to the ways of this world and of the ruler of the power of the air, the spirit who is now at work in the sons of disobedience.
3 ULB Niaina teo amin'ireny olona ireny avokoa isika taloha, nanatanteraka ireo filan-dratsin'ny nofontsika, ary nanatanteraka ny fanirian'ny nofo sy ny saina. Efa voahary ho zanaky ny fahatezerana, toy ny zanak'olombelona sisa isika. BSB BSB: All of us also lived among them at one time, fulfilling the cravings of our flesh and indulging its desires and thoughts. Like the rest, we were by nature children of wrath.
4 ULB Saingy manan-karena famindram-po Andriamanitra noho ilay fitiavany lehibe izay nitiavany antsika. BSB BSB: But because of His great love for us, God, who is rich in mercy,
5 ULB Tamintsika mbola maty tao anatin'ny fahadisoana, dia novelominy niaraka tamin'i Kristy_ tamin'ny fahasoavana no namonjena anareo. BSB BSB: made us alive with Christ even when we were dead in our trespasses. It is by grace you have been saved!
6 ULB Niara-natsangan'Andriamanitra isika, ary niara-napetrany tao an-danitra ao amin'i Kristy Jesosy, BSB BSB: And God raised us up with Christ and seated us with Him in the heavenly realms in Christ Jesus,
7 ULB mba afahany mampiseho antsika amin'ny vanim-potoana ho avy ny halehiben'ny haren'ny fahasoavany izay tsy azo refesina asehony amin'ny hatsaram-panahiny amintsika ao amin'i Kristy Jesosy. BSB BSB: in order that in the coming ages He might display the surpassing riches of His grace, demonstrated by His kindness to us in Christ Jesus.
9 ULB Tsy avy amin'ny asa ny fahasoavana mba tsy hisy hirehareha. BSB BSB: not by works, so that no one can boast.
10 ULB Fa asan'Andriamanitra isika, noforonina tao amin'i Kristy Jesosy mba hanao asa izay fandaharan'Andriamanitra efa ela ho antsika, mba handehanantsika ao amin'ireo. BSB BSB: For we are God’s workmanship, created in Christ Jesus to do good works, which God prepared in advance as our way of life.
11 ULB Noho izany tadidio fa Jentilisa tao amin'ny nofo ianareo taloha. Ianareo dia antsoina hoe "tsy voafora" eo amin'ireo izay antsoina hoe "voafora" ao amin'ny nofo nataon'ny tanan'olombelona. BSB BSB: Therefore remember that formerly you who are Gentiles in the flesh and called uncircumcised by the so-called circumcision (that done in the body by human hands)—
12 ULB Satria mbola tafasaraka tamin'i Kristy ianareo tamin'izany fotoana izany. Mpivahiny ianareo teo amin'ny vahoakan'ny Israely. Ary vahiny tamin'ny faneken'ny fampanantenana ianreo. Tsy mbola nanana fanantenana ny amin'ny ho avy ianareo. Tsy niaraka tamin'Andriamanitra ianareo teto amin'izao tontolo izao. BSB BSB: remember that at that time you were separate from Christ, alienated from the commonwealth of Israel, and strangers to the covenants of the promise, without hope and without God in the world.
15 ULB Izany hoe, nofoanany ny lalàn'ny didy sy ny fitsipika mba hanaovany olom-baovao iray ao Aminy, sy mba hanaovana fampihavanana. BSB BSB: by abolishing in His flesh the law of commandments and decrees. He did this to create in Himself one new man out of the two, thus making peace
16 ULB Kristy dia mampihavana ny vahoaka roa tonta ho vatana iray amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny hazofijaliana, ka mamono ny fanoherana. BSB BSB: and reconciling both of them to God in one body through the cross, by which He put to death their hostility.
17 ULB Fa tonga Jesosy ary nitory fihavanana ho anareo izay lavitra ary fihavanana ho an'ireo izay akaiky. BSB BSB: He came and preached peace to you who were far away and peace to those who were near.
18 ULB Fa amin'ny alalan'i Jesosy no hananantsika roa tonta fifandraisana amin'ny Fanahy iray mankany amin'ny Ray. BSB BSB: For through Him we both have access to the Father by one Spirit.
19 ULB Noho izany, tsy vahiny sy mpivahiny intsony ianareo Jentilisa izao. Fa vao maika aza mpiray firenena miaraka amin'ireo izay olo-masin'Andriamanitra ianareo sady isan'ny ankohonan'Andriamanitra. BSB BSB: Therefore you are no longer strangers and foreigners, but fellow citizens with the saints and members of God’s household,
20 ULB Efa naorina teo amin'ny fototra fanorenan'ireo apostoly sy ireo mpaminany ianareo, ary Kristy Jesosy mihintsy no vato fehizoro. BSB BSB: built on the foundation of the apostles and prophets, with Christ Jesus Himself as the cornerstone.
21 ULB Ao Aminy no hikambanan'ny fanorenana rehetra ary hitomboany toy ny tempoly ao amin'ny Tompo. BSB BSB: In Him the whole building is fitted together and grows into a holy temple in the Lord.
22 ULB Ao Aminy ihany no hananganana anareo miaraka ho fitoerana ho an'Andriamanitra ao amin'ny Fanahy. BSB BSB: And in Him you too are being built together into a dwelling place for God in His Spirit.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.