1 ULB Noho izany, izaho Paoly, dia gadran'i Kristy Jesosy ho anareo Jentilisa. BSB BSB: For this reason I, Paul, the prisoner of Christ Jesus for the sake of you Gentiles...
2 ULB Ataoko fa naheno ny fitantanana ny fahasoavan'Andriamanitra izay nomena ahy ho anareo ianareo. BSB BSB: Surely you have heard about the stewardship of God’s grace that was given to me for you,
3 ULB Manoratra araka ny fanambarana nampahafantarina ahy aho. Izany no marina miafina momba izay nosoratako fohifohy taminareo. BSB BSB: that is, the mystery made known to me by revelation, as I have already written briefly.
4 ULB Rehefa mamaky izany ianareo, dia ho afaka ny hahazo ny fomba fahazoako izany marina miafina momban'i Kristy izany. BSB BSB: In reading this, then, you will be able to understand my insight into the mystery of Christ,
5 ULB Tamin'ireo taranaka hafa dia tsy natao fantatry ny zanak'olombelona izany marina izany. Fa ankehitriny kosa izany dia nambara tamin'ny alalan'ny Fanahy tamin'ireo Apostôly sy ireo mpaminaniny izay voatokana ho amin'ity asa ity. BSB BSB: which was not made known to men in other generations as it has now been revealed by the Spirit to God’s holy apostles and prophets.
6 ULB Izany marina miafina izany dia milaza fa ireo Jentilisa dia mpiara-mandova, sy mpiara-miombona amin'ny vatana, ary mizara ny fampanantenana ao amin'i Kristy Jesosy amin'ny alalan'ny filazantsara izy ireo. BSB BSB: This mystery is that through the gospel the Gentiles are fellow heirs, fellow members of the body, and fellow partakers of the promise in Christ Jesus.
7 ULB Fa lasa mpanompon'izany filazantsara izany aho tamin'ny fahasoavan'Andriamanitra nomena ahy tamin'ny alalan'ny fiasan'ny heriny. BSB BSB: I became a servant of this gospel by the gift of God’s grace, given me through the working of His power.
8 ULB Nomen'Andriamanitra ahy izany fanomezana izany, na dia izaho aza no farany kely indrindra amin'ireo olo-masin'Andriamanitra. Izany fanomezana izany dia ny mba hitoriako amin'ireo Jentilisa ny filazantsaran'ny haren'i Kristy saro-katsahina. BSB BSB: Though I am less than the least of all the saints, this grace was given me: to preach to the Gentiles the unsearchable riches of Christ,
9 ULB Ny fanomezam-pahasoavan'Andriamanitra ho ahy dia ny hitondrako fanazavana amin'ny olon-drehetra ny fandaharan'Andriamanitra. Io fandaharana io dia nafenin'Andriamanitra, ilay nahary ny zavatra rehetra, nandritra ny taona maro taloha. BSB BSB: and to illuminate for everyone the stewardship of this mystery, which for ages past was kept hidden in God, who created all things.
10 ULB Nampahafantarina tamin'ny fiangonana izany fandaharana izany mba hahatonga ireo mpanapaka sy ireo manam-pahefana any an-danitra hahalala ny toetra maron'ny fahendren'Andriamanitra. BSB BSB: His purpose was that now, through the church, the manifold wisdom of God should be made known to the rulers and authorities in the heavenly realms,
11 ULB Nitranga araka ny fandaharana mandrakizay izay tanterany tao amin'i Kristy Jesosy Tompontsika izany. BSB BSB: according to the eternal purpose that He accomplished in Christ Jesus our Lord.
12 ULB Fa ao amin'i Kristy no ananantsika fahasahiana sy lalana am-pahatokiana nohon'ny finoantsika Azy. BSB BSB: In Him and through faith in Him we may enter God’s presence with boldness and confidence.
13 ULB Noho izany miangavy anareo aho mba tsy ho kivy nohon'ny fijaliako ho anareo, izay voninahitrareo. BSB BSB: So I ask you not to be discouraged because of my sufferings for you, which are your glory.
14 ULB Noho izany dia mandohalika eo anatrehan'ny Ray aho, BSB BSB: ... for this reason I bow my knees before the Father,
15 ULB izay nanome anarana ny fianakaviana rehetra any an-danitra sy eto an-tany. BSB BSB: from whom every family in heaven and on earth derives its name.
16 ULB Mivavaka aho mba hanomezany anareo, araka ny haren'ny voninahiny, mba hatanjaka amin-kery amin'ny alalan'ny Fanahy Masina, izay ao aminareo. BSB BSB: I ask that out of the riches of His glory He may strengthen you with power through His Spirit in your inner being,
17 ULB Mivavaka aho mba hitoetra ao am-ponareo amin'ny finoana Kristy, mba hifototra sy hiorina ao amin'ny fitiavany ianareo. BSB BSB: so that Christ may dwell in your hearts through faith. Then you, being rooted and grounded in love,
18 ULB Hahazo hery anie ianareo ka ho afa-mahatakatra, miaraka amin'ireo mpino rehetra, ny sakany, ny halavany, ny hahavony, ary ny halaliny, BSB BSB: will have power, together with all the saints, to comprehend the length and width and height and depth
19 ULB ary mba hahalala ny fitiavan'i Kristy, izay mihoatra ny fahalalana rehetra, ka mba ho fenon'ny fahafenoan'Andriamanitra rehetra ianareo. BSB BSB: of the love of Christ, and to know this love that surpasses knowledge, that you may be filled with all the fullness of God.
20 ULB Ary ho Azy izay mahavita manao mihoatra izay rehetra angatahintsika na eritreretintsika, araka ny hery izay miasa ao anatintsika, BSB BSB: Now to Him who is able to do immeasurably more than all we ask or imagine, according to His power that is at work within us,
21 ULB ho Azy ny voninahitra ao amin'ny fiangonana ary ao amin'i Kristy Jesosy hatramin'ny taranaka rehetra mandrakizay doria. Amena. BSB BSB: to Him be the glory in the church and in Christ Jesus throughout all generations, forever and ever. Amen.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.