2 ULB Mamporisika anareo aho mba hanana fanetren-tena lehibe sy fahatsorana ary faharetana, mifandefitra amin'ny fitiavana. BSB BSB: with all humility and gentleness, with patience, bearing with one another in love,
5 ULB Ary iray ihany ny Tompo, iray ny finoana, iray ny batisa, BSB BSB: one Lord, one faith, one baptism;
6 ULB ary iray ihany Andriamanitra sy ny Rain'ny rehetra, izay ambonin'ny zavatra rehetra ary amin'ny alalan'ny zavatra rehetra sy ao amin'ny zavatra rehetra. BSB BSB: one God and Father of all, who is over all and through all and in all.
7 ULB Isika tsirairay avy dia nomena fahasoavana araka ny haben'ny fanomezan'i Kristy. BSB BSB: Now to each one of us grace has been given according to the measure of the gift of Christ.
8 ULB Araka ny tenin'ny Soratra Masina izany hoe: "Rehefa niakatra tany amin'ny avo Izy, dia nitondra ireo babo ho amin'ny fahababoana, ary nanolotra fanomezana ho an'ny vahoaka Izy." BSB BSB: This is why it says: “When He ascended on high, He led captives away, and gave gifts to men.”
9 ULB Inona ny hevitry ny hoe: "Niakatra Izy," raha tsy hoe nidina tany amin'ny faritra ambanin'ny tany ihany koa Izy? BSB BSB: What does “He ascended” mean, except that He also descended to the lower parts of the earth?
10 ULB Izy Ilay nidina ihany ilay olona niakatra ambony tany an-danitra, mba afahany mameno ny zavatra rehetra. BSB BSB: He who descended is the very One who ascended above all the heavens, in order to fill all things.
11 ULB Kristy dia nanolotra ny sasany ho apostôly, ny sasany ho mpaminany, ny sasany ho evanjelista, ary ny sasany ho pasitera sy mpampianatra. BSB BSB: And it was He who gave some to be apostles, some to be prophets, some to be evangelists, and some to be pastors and teachers,
12 ULB Nanome ireo asa ireo Izy mba hanampiana ireo vahoakany masina ho amin'ny asa fanompoana, amin'ny fanorenana ny vatan'i Kristy. BSB BSB: to equip the saints for works of ministry and to build up the body of Christ,
13 ULB Manohy manorina ny vatany Izy mandra-pahatrarantsika rehetra ny firaisam-pinoana sy ny fahalalana ny Zanak'Andriamanitra, ary mba hahatonga antsika ho matotra ka mba hahatratra ny haben'ny fahafenoan'i Kristy. BSB BSB: until we all reach unity in the faith and in the knowledge of the Son of God, as we mature to the full measure of the stature of Christ.
14 ULB Manorina antsika Kristy mba tsy ho toy ny zaza izay atopatopan'ny onja intsony isika, ary tsy ho entin'ny rivotry ny fampianarana sy ny hafetsen'ireo olona amin'ny tetika feno fitaka. BSB BSB: Then we will no longer be infants, tossed about by the waves and carried around by every wind of teaching and by the clever cunning of men in their deceitful scheming.
15 ULB Fa isika kosa, amin'ny filazana ny fahamarinana amin'ny fitiavana, dia tokony hitombo amin'ny fomba rehetra ao amin'Izy izay loha, izany hoe, Kristy. BSB BSB: Instead, speaking the truth in love, we will in all things grow up into Christ Himself, who is the head.
16 ULB Kristy dia manangana ny tena rehetra, ary nakambana sy natambatra tamin'ny isan-tonony izany, ary rehefa miasa miaraka ireo, dia mahatonga ny vatana hitombo mba hampiorina ny tenany amin'ny fitiavana. BSB BSB: From Him the whole body, fitted and held together by every supporting ligament, grows and builds itself up in love through the work of each individual part.
17 ULB Noho izany, dia milaza sy manindry mafy izany ao amin'ny Tompo aho, mba tsy hiaina tahaka ny Jentilisa intsony ianareo, amin'ny fahafoanan'ny fisainan'izy ireo. BSB BSB: So I tell you this, and insist on it in the Lord, that you must no longer walk as the Gentiles do, in the futility of their thinking.
18 ULB Maizina ny fahalalan'izy ireo, tafasaraka amin'ny fiainan'Andriamanitra nohon'ny tsy fahalalana ao amin'izy ireo, nohon'ny fahamafisam-pon'izy ireo. BSB BSB: They are darkened in their understanding and alienated from the life of God because of the ignorance that is in them due to the hardness of their hearts.
19 ULB Tsy mahalala menatra izy ireo ary nanolotra ny tenan'izy ireo ho amin'ny filan'ny nofo, ary manohy manao izao karazam-pahalotoana rehetra izao. BSB BSB: Having lost all sense of shame, they have given themselves over to sensuality for the practice of every kind of impurity, with a craving for more.
20 ULB Fa tsy izany no fomba nianaranareo ny momban'i Kristy. BSB BSB: But this is not the way you came to know Christ.
21 ULB Inoako fa naheno ny momba Azy ianareo, ary nampianarina tao aminy, satria ny fahamarinana dia ao amin'i Jesosy. BSB BSB: Surely you heard of Him and were taught in Him—in keeping with the truth that is in Jesus—
22 ULB Nampianarina ianareo mba hanary ny fomba fiainanareo taloha, mba hanary ny toetra taloha. Ilay toetra taloha izay simba nohon'ny fitaky ny filany. BSB BSB: to put off your former way of life, your old self, which is being corrupted by its deceitful desires;
23 ULB Nampianarina ianareo mba hihavao ao amin'ny fanahin'ny sainareo, BSB BSB: to be renewed in the spirit of your minds;
24 ULB ary hitafy ilay olom-baovao izay nohariana araka ny endrik'Andriamanitra_ ao amin'ny tena fahamarinana sy fahamasinana. BSB BSB: and to put on the new self, created to be like God in true righteousness and holiness.
25 ULB Noho izany, ialao ny lainga, ary aoka ny tsirairay aminareo hifampilaza ny marina amin'ny namany, satria samy isan'ny rantsan'ny rehetra isika. BSB BSB: Therefore each of you must put off falsehood and speak truthfully to his neighbor, for we are all members of one another.
26 ULB Mitezera fa aza manota. Aza avela ho tratrin'ny masoandro mody ny hatezeranao. BSB BSB: “Be angry, yet do not sin.” Do not let the sun set upon your anger,
27 ULB Aza manome hirika ho an'ny devoly. BSB BSB: and do not give the devil a foothold.
28 ULB Izay nangalatra dia tsy tokony hangalatra intsony. Tsy maintsy miasa izy, manao asa tsara amin'ny tanany, mba hananany zavatra ho zaraina ho an'ireo ao anatin'ny tsy fahampiana. BSB BSB: He who has been stealing must steal no longer, but must work, doing good with his own hands, that he may have something to share with the one in need.
29 ULB Aza avela hisy teny maloto hivoaka avy amin'ny vavanareo. Mampiasà teny izay ilaina amin'ny fanorenana ny hafa, araka izay ilain'izy ireo, mba tena hanampy ireo izay mihaino anareo ny teninareo. BSB BSB: Let no unwholesome talk come out of your mouths, but only what is helpful for building up the one in need and bringing grace to those who listen.
30 ULB Ary aza mampalahelo ny Fanahy Masin'Andriamanitra, fa avy aminy no nanaovana tombo-kase anareo ho amin'ny andron'ny fanavotana. BSB BSB: And do not grieve the Holy Spirit of God, in whom you were sealed for the day of redemption.
31 ULB Ialao ny lolom-po rehetra, haromontana, ny hatezerana, ny fifamaliana, ary ny fifampitenenan-dratsy, miaraka amin'ireo karazan'asa ratsy rehetra. BSB BSB: Get rid of all bitterness, rage and anger, outcry and slander, along with every form of malice.
32 ULB Manàna fahalemem-panahy amin'ny tsirairay avy, fahatsoram-po, mifamelà heloka, toy ny namelan'Andriamanitra anareo tao amin'i Kristy. BSB BSB: Be kind and tenderhearted to one another, forgiving each other just as in Christ God forgave you.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.