1 ULB Noho izany aoka mba ho mpaka tahaka an' Andriamanitra, tahaka ny zanaka malala. BSB BSB: Be imitators of God, therefore, as beloved children,
2 ULB Ary mandehana amin'ny fitiavana, araka ny nitiavan'i Kristy antsika ihany koa sy nanomezany ny tenany ho antsika, fanatitra manim-pofona sy sorona ho an'Andriamanitra. BSB BSB: and walk in love, just as Christ loved us and gave Himself up for us as a fragrant sacrificial offering to God.
3 ULB Fa tsy tokony hisy na dia resaka fijangajangana na karazana fahalotoana na tsy fahononan-tena aza eo aminareo, fa tsy mendrika ny olo-masin'Andriamanitra ireo. BSB BSB: But among you, as is proper among the saints, there must not be even a hint of sexual immorality, or of any kind of impurity, or of greed.
4 ULB Aoka tsy hisy mamoafady, resaka adaladala, ary hanihany tafahoatra_ fa tsy mendrika ny rehetra amin'ireo. Fa kosa tokony hisy fankasitrahana. BSB BSB: Nor should there be obscenity, foolish talk, or crude joking, which are out of character, but rather thanksgiving.
5 ULB Fa afaka mahazo antoka ny amin'izao ianareo, fa tsy hisy mpijangajanga, maloto, na ny mpierina_ izany hoe, mpanompo sampy_ manana lova ao amin'ny fanjakan'i Kristy sy Andriamanitra. BSB BSB: For of this you can be sure: No immoral, impure, or greedy person (that is, an idolater) has any inheritance in the kingdom of Christ and of God.
6 ULB Aoka tsy hisy hamitaka anareo amin'ny teny foana, satria noho ireo zavatra ireo dia tonga amin'ny zanaky ny tsy fankatoavana ny hatezeran'Andriamanitra. BSB BSB: Let no one deceive you with empty words, for because of such things the wrath of God is coming on the sons of disobedience.
7 ULB Noho izany, aza mikambana amin'izy ireo. BSB BSB: Therefore do not be partakers with them.
8 ULB Fa maizina ianareo fahiny, fa izao ianareo dia fahazavana ao amin'ny Tompo. Mandehana tahaka ny zanaky ny mazava, BSB BSB: For you were once darkness, but now you are light in the Lord. Walk as children of light,
9 ULB (fa ny vokatry ny fahazavana dia ao amin'ny fahatsarana rehetra, fahitsiana, sy fahamarinana). BSB BSB: for the fruit of the light consists in all goodness, righteousness, and truth.
10 ULB ary tadiavo izay mahafinaritra ny Tompo. BSB BSB: Test and prove what pleases the Lord.
11 ULB Aza mikambana amin'ireo asa tsy mamokatry ny haizina, fa ampiharihario kosa ireo. BSB BSB: Have no fellowship with the fruitless deeds of darkness, but rather expose them.
12 ULB Fa mahamenatra na dia ny manonona ireo zavatra ataon'izy ireo any amin'ny miafina aza. BSB BSB: For it is shameful even to mention what the disobedient do in secret.
13 ULB Fa rehefa hazavain'ny fahazavana ny zavatra iray, dia lasa miharihary. BSB BSB: But everything exposed by the light becomes visible, for everything that is illuminated becomes a light itself.
14 ULB Fa ny zavatra rehetra izay miharihary dia fahazavana. Noho izany dia voalaza hoe: "Mifohaza, ianao matory, ary mitsangàna amin'ny toeran'ny maty, dia hamiratra aminao Kristy." BSB BSB: So it is said: “Wake up, O sleeper, rise up from the dead, and Christ will shine on you.”
15 ULB Mitandrema amin'ny fomba fiainanao_ tsy tahaka ny tsy hendry fa tahaka ny hendry. BSB BSB: Pay careful attention, then, to how you walk, not as unwise but as wise,
16 ULB Araraoty ny fotoana satria izao andro izao dia ratsy. BSB BSB: redeeming the time, because the days are evil.
17 ULB Noho izany, aza miadaladala, fa takaro hoe inona no sitrapon'ny Tompo. BSB BSB: Therefore do not be foolish, but understand what the Lord’s will is.
18 ULB Ary aza manao mamon'ny divay, fa mitondra any amin'ny fahasimban-toetra izany. Fa kosa, aoka ho fenon'ny Fanahy Masina, BSB BSB: Do not get drunk on wine, which leads to reckless indiscretion. Instead, be filled with the Spirit.
19 ULB mifampiresaha aminareo samy ianareo amin'ny salamo sy fihirana ary hiram-panahy, mihirà ary mikaloa amin'ny Tompo amin'ny fonareo rehetra. BSB BSB: Speak to one another with psalms, hymns, and spiritual songs. Sing and make music in your hearts to the Lord,
20 ULB Misaora mandrakariva amin'ny zavatra rehetra, amin'ny anaran'i Jesosy Kristy Tompontsika ho an' Andriamanitra ilay Ray, BSB BSB: always giving thanks to God the Father for everything in the name of our Lord Jesus Christ.
21 ULB mifanolora tena amim-panajana ho an'i Kristy. BSB BSB: Submit to one another out of reverence for Christ.
22 ULB Ry vehivavy, maneke ny vadinareo, tahaka ny amin'ny Tompo. BSB BSB: Wives, submit to your husbands as to the Lord.
23 ULB Fa ny lehilahy no lohan'ny vavy tahaka an'i Kristy koa lohan'ny fiangonana, ary Kristy tenany no mpamonjy. BSB BSB: For the husband is the head of the wife as Christ is the head of the church, His body, of which He is the Savior.
24 ULB Fa tahaka ny haneken'ny fiangonana an'i Kristy, dia toy izany koa no tokony haneken'ny vehivavy ny vadiny amin'ny zavatra rehetra. BSB BSB: Now as the church submits to Christ, so also wives should submit to their husbands in everything.
26 ULB Nanolotra ny tenany ho an'ny fiangonana Kristy mba afahany manamasina azy, tamin'ny fanadiovana azy tamin'ny rano fanasana amin'ny teny, BSB BSB: to sanctify her, cleansing her by the washing with water through the word,
27 ULB mba afahany mampiseho azy ho be voninahitra eo aminy, tsy misy pentina na kentrona na zavatra toy izany, fa masina sady tsy misy diso. BSB BSB: and to present her to Himself as a glorious church, without stain or wrinkle or any such blemish, but holy and blameless.
28 ULB Tahaka izany ihany koa ny lehilahy dia tokony ho tia ny vadin'izy ireo avy tahaka ny tenan'izy ireo. Izy izay tia ny vadiny dia tia ny tenany ihany koa. BSB BSB: In the same way, husbands ought to love their wives as their own bodies. He who loves his wife loves himself.
29 ULB Tsy mbola nisy nankahala ny tenany, fa mamahana sy mikarakara izany tsara, tahaka an'i Kristy mamahana ny fiangonana sy mikarakara azy ihany koa, BSB BSB: Indeed, no one ever hated his own body, but he nourishes and cherishes it, just as Christ does the church.
30 ULB satria isika dia ratsam- batany. BSB BSB: For we are members of His body.
31 ULB Noho izany antony izany ny lehilahy dia handao ny ray sy ny reniny ka hikambana amin'ny vadiny, ary izy roa dia ho tonga nofo iray ihany." BSB BSB: “For this reason a man will leave his father and mother and be united to his wife, and the two will become one flesh.”
32 ULB Lehibe izany fahamarinana miafina izany_ fa Izaho dia miresaka momban'i Kristy sy ny fiangonana. BSB BSB: This mystery is profound, but I am speaking about Christ and the church.
33 ULB Kanefa, ny tsirairay aminareo ihany koa dia tokony ho tia ny vadiny avy tahaka ny tenany, ary ny vehivavy dia tokony hanaja ny vadiny. BSB BSB: Nevertheless, each one of you also must love his wife as he loves himself, and the wife must respect her husband.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.