1 ULB Ry rahalahy, raha misy olona azon'ny ota, ianareo izay ara-panahy no tokony hamerina azy indray amin'ny fahamoram-panahy. Mihevera ny tenanao, mba tsy ho halaim-panahy koa ianao. BSB BSB: Brothers, if someone is caught in a trespass, you who are spiritual should restore him with a spirit of gentleness. But watch yourself, or you also may be tempted.
3 ULB Fa raha misy olona mihevitra ny tenany ho zavatra kanefa tsinotsinona, dia mamitaka ny tenany izy. BSB BSB: If anyone thinks he is something when he is nothing, he deceives himself.
4 ULB Tokony handinika ny asany avy ny tsirairay, mba ho amin'ny tenany ihany ny antony hireharehany fa tsy amin'ny olon-kafa. BSB BSB: Each one should test his own work. Then he will have reason to boast in himself alone, and not in someone else.
5 ULB Fa samy hitondra ny entany avy ny olona tsirairay. BSB BSB: For each one should carry his own load.
6 ULB Ny olona izay nampianarina ny teny dia tsy maintsy mizara ny zavatra tsara rehetra amin'izay mampianatra. BSB BSB: Nevertheless, the one who receives instruction in the word must share in all good things with his instructor.
8 ULB Izay mamboly voa amin'ny Fanahy, amin'ny Fanahy no hijinjany ny fiainana mandrakizay. BSB BSB: The one who sows to please his flesh, from the flesh will reap destruction; but the one who sows to please the Spirit, from the Spirit will reap eternal life.
9 ULB Aoka isika mba tsy ho reraka amin'ny fanaovan-tsoa, fa hijinja ny vokatra isika amin'ny fotoana mety, raha tsy milavo lefona isika. BSB BSB: Let us not grow weary in well-doing, for in due time we will reap a harvest if we do not give up.
10 ULB Koa noho izany, satria manana fahafahana isika, dia aoka hanao ny tsara amin'ny olona rehetra, indrindra fa amin'ny fianakavian'ny finoana. BSB BSB: Therefore, as we have opportunity, let us do good to everyone, and especially to the family of faith.
11 ULB Jereo ny halehiben'ny soratra izay nosoratan'ny tanako ho anareo. BSB BSB: See what large letters I am using to write to you with my own hand!
12 ULB Ireo izay te hiseho ho tsara ao amin'ny nofo no miezaka manery anareo mba hoforaina. Manao izany izy ireo mba hialana amin'ny fanenjehana nohon'ny amin'ny hazofijalian'i Kristy. BSB BSB: Those who want to make a good impression outwardly are trying to compel you to be circumcised. They only do this to avoid persecution for the cross of Christ.
13 ULB Na ireo izay tsy voafora aza dia tsy mitandrina ny lalàna, nefa tian'izy ireo hoforaina ianareo mba hireharehan'izy ireo amin'ny nofonareo. BSB BSB: For the circumcised do not even keep the law themselves, yet they want you to be circumcised that they may boast in your flesh.
15 ULB Fa ny famorana na ny tsy famorana dia samy tsy misy dikany, fa ny fiainam-baovao no misy dikany. BSB BSB: For neither circumcision nor uncircumcision means anything. What counts is a new creation.
16 ULB Ho an'ny ireo rehetra izay miaina araka izany fomba izany, dia ho amin'izy ireo anie ny fiadanana sy ny famindram-po, na amin'ny Israelin'Andriamanitra aza. BSB BSB: Peace and mercy to all who walk by this rule, even to the Israel of God.
17 ULB Manomboka izao dia aoka tsy hisy hanadala ahy, fa mitondra ireo marik'i Jesosy eo amin'ny vatako aho. BSB BSB: From now on let no one cause me trouble, for I bear on my body the marks of Jesus.
18 ULB Ho amin'ny fanahinareo anie ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompontsika, ry rahalahy. Amena. BSB BSB: The grace of our Lord Jesus Christ be with your spirit, brothers. Amen.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.