1 ULB Rehefa fantatr'i Mordekay izay efa vita rehetra, dia norovitiny ny akanjony ka nitafy lamba fisaonana sady nihoson-davenona izy. Nandeha nivoaka teo afovoan'ny tanàna izy, ary nihikiaka sy nidradradradra mafy. BSB BSB: When Mordecai learned of all that had happened, he tore his clothes, put on sackcloth and ashes, and went out into the middle of the city, wailing loudly and bitterly.
2 ULB Tonga lavitra teo amin'ny vavahadin'ny mpanjaka fotsiny izy, satria tsy nisy olona nahazo alalana andeha eo amin'izany miaraka amin'ny akanjo fisaonana. BSB BSB: But he went only as far as the king’s gate, because the law prohibited anyone wearing sackcloth from entering that gate.
3 ULB Ary tany amin'ny faritra rehetra, na taiza na taiza tongan'ny baiko sy lalàn'ny mpanjaka, dia nisy fisaonana lehibe teo amin'ireo Jiosy, niaraka tamin'ny fifadian-kanina, fitomaniana, ary fitarainana. Maro amin'izy ireo no nandry teo amin'ny lamba fisaonana aman-davenona. BSB BSB: In every province to which the king’s command and edict came, there was great mourning among the Jews. They fasted, wept, and lamented, and many lay in sackcloth and ashes.
4 ULB Rehefa tonga ny ankizivavin'i Estera sy ireo mpanompony ary niteny taminy, dia nalahelo mafy ilay mpanjaka vavy. Nandefa fitafy hampiankanjoana an'i Mordekay izy (mba afahany manala ny akanjo fisaonany), saingy tsy hanaiky ireo izy. BSB BSB: When Esther’s maidens and eunuchs came and told her about Mordecai, the queen was overcome with distress. She sent clothes for Mordecai to wear instead of his sackcloth, but he would not accept them.
5 ULB Avy eo Estera niantso an'i Hatàka, iray amin'ireo tsindranolahin'ny mpanjaka izay notendrena hanompo azy. Nibaiko azy mba handeha any amin'i Mordekay izy mba hahafantarana izay nitranga sy izay anton'izany. BSB BSB: Then Esther summoned Hathach, one of the king’s eunuchs appointed to her, and she dispatched him to Mordecai to learn what was troubling him and why.
6 ULB Noho izany dia nankany amin'i Mordekay any amin'ny tanàna eo anoloan'ny vavahadin'ny mpanjaka i Hakàta. BSB BSB: So Hathach went out to Mordecai in the city square in front of the king’s gate,
7 ULB Nolazain'i Mordekay taminy izay rehetra nitranga taminy, sy ny fitambaran'ny volafotsy izay nampanantenain'i Hamana haloa sy hapetraka ao amin'ny trano fitehirizan'ny mpanjaka mba hamonoana ireo Jiosy. BSB BSB: and Mordecai told him all that had happened to him, including the exact amount of money that Haman had promised to pay into the royal treasury in order to destroy the Jews.
8 ULB Nomeny azy koa ny dika mitovy tamin'ny lalàna izay navoaka tany Sosana ny amin'ny fanapotehana ny Jiosy. Nataony izany mba afahan'i Hatàka mampiseho izany amin'i Estera, sy mba hanomezany azy ny andraikitra amin'ny fandehanana any amin'ny mpanjaka mba hitalaho ny fankasitrahany, ary hitalaho aminy amin'ny anaran'ny vahoakany. BSB BSB: Mordecai also gave Hathach a copy of the written decree issued in Susa for the destruction of the Jews, to show and explain to Esther, urging her to approach the king, implore his favor, and plead before him for her people.
9 ULB Koa dia nandeha i Hatàka ary nilaza tamin'i Estera izay nolazain'i Mordekay. BSB BSB: So Hathach went back and relayed Mordecai’s response to Esther.
10 ULB Avy eo Estera niresaka tamin'i Hatàka ary nilaza taminy mba hiverina any amin'i Mordekay. BSB BSB: Then Esther spoke to Hathach and instructed him to tell Mordecai,
11 ULB Hoy izy hoe: "Fantatr'ireo mpanompon'ny mpanjaka rehetra sy ny vahoakan'ireo mpanjaka any amin'ny faritra fa raha misy lehilahy na vehivavy mankany amin'ny mpanjaka ao anatin'ny kianja nefa tsy nampanantsoina, dia misy lalàna iray fotsiny: dia ny hamonoana azy ho faty—ankoatr'izay tondroin'ny mpanjaka amin'ilay tehim-bolamena mba afahany ho velona. Tsy nantsoina hankany amin'ny mpanjaka aho izay telopolo andro izay." BSB BSB: “All the royal officials and the people of the king’s provinces know that one law applies to every man or woman who approaches the king in the inner court without being summoned—that he be put to death. Only if the king extends the gold scepter may that person live. But I have not been summoned to appear before the king for the past thirty days.”
12 ULB Noho izany dia notaterin'i Hatàka tamin'i Mordekay ireo tenin'i Estera. BSB BSB: When Esther’s words were relayed to Mordecai,
13 ULB Nandefa izao hafatra izao Mordekay hoe: "Tsy tokony hieritreritra ianao fa ao amin'ny lapan'ny mpanjaka, no afahanao mihoatra noho ireo Jiosy hafa rehetra. BSB BSB: he sent back to her this reply: “Do not imagine that because you are in the king’s palace you alone will escape the fate of all the Jews.
14 ULB Raha mangina ianao amin'izao fotoana izao, dia hisy fanafahana sy famonjena hiseho amin'ireo Jiosy any amin'ny toerana hafa, fa ianao sy ny tranon'ny rainao kosa ho ringana. Iza no mahalala raha ho amin'ny fotoana tahaka izao no nahatongavanao ho amin'ny toerana maha-mpanjaka?" BSB BSB: For if you remain silent at this time, relief and deliverance for the Jews will arise from another place, but you and your father’s house will perish. And who knows if perhaps you have come to the kingdom for such a time as this?”
15 ULB Avy eo Estera nandefa izao hafatra izao tamin'i Mordekay hoe: BSB BSB: Then Esther sent this reply to Mordecai:
16 ULB "Mandehana, angony hiaraka ny Jiosy rehetra izay monina any Sosana, ary mifadia hanina ho ahy. Aza misotro na mihinana mandritry ny telo andro, alina sy andro. Izaho sy ireo ankizivaviko ihany koa dia hifady tahaka izany. Avy eo aho handeha any amin'ny mpanjaka, na dia mandika ny lalàna aza izany, ary raha maty aho, dia maty." BSB BSB: “Go and assemble all the Jews who can be found in Susa, and fast for me. Do not eat or drink for three days, night or day, and I and my maidens will fast as you do. After that, I will go to the king, even though it is against the law. And if I perish, I perish!”
17 ULB Lasa Mordekay ary nanao izay rehetra nolazain'i Estera azy mba hatao. BSB BSB: So Mordecai went and did all that Esther had instructed him.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.