1 ULB Koa dia nandeha nanao firavoravoana niaraka tamin'i Estera Mpanjaka ny mpanjaka sy Hamana. BSB BSB: So the king and Haman went to dine with Esther the queen,
2 ULB Tamin'io andro faharoa io, raha iny izy ireo nandroso divay iny, dia hoy ny mpanjaka tamin'i Estera hoe: "Inona no fanirianao, ry Estera Mpanjaka? Ho tanterahina aminao izany. Inona no fangatahanao? Hatramin'ny antsasaky ny fanjakana, dia ho tanterahina izany." BSB BSB: and as they drank their wine on that second day, the king asked once more, “Queen Esther, what is your petition? It will be given to you. What is your request? Even up to half the kingdom, it will be fulfilled.”
3 ULB Dia namaly Estera Mpanjaka hoe: "Raha nahita fitia teo imasonao aho, ry mpanjaka, ary raha ankasitrahanao, dia aoka homena ahy ny aiko—izany no faniriako, ary mangataka izany ho an'ny vahoakako ihany koa aho. BSB BSB: Queen Esther replied, “If I have found favor in your sight, O king, and if it pleases the king, grant me my life as my petition, and the lives of my people as my request.
4 ULB Fa namidy izahay, izaho sy ny vahoakako, mba ho potehina, ho vonoina, ary ho ringanina. Raha namidy ho amin'ny fanandevozana fotsiny mantsy izahay, mba ho andevo lahy sy vavy, dia ho nangina aho, satria tsy ho nisy fahoriana tahaka izao afaka hanamarina ny fanelingelenana ny mpanjaka." BSB BSB: For my people and I have been sold out to destruction, death, and annihilation. If we had merely been sold as menservants and maidservants, I would have remained silent, because no such distress would justify burdening the king.”
5 ULB Dia hoy i Ahasoerosy Mpanjaka tamin'i Estera mpanjakavavy hoe: "Iza izany? Aiza no hahitana ilay olona nanesitsesika ny fony hanao zavatra tahaka izany?" BSB BSB: Then King Xerxes spoke up and asked Queen Esther, “Who is this, and where is the one who would devise such a scheme?”
6 ULB Hoy Estera hoe: "Ilay lehilahy rafy, izany fahavalo izany, dia ilay Hamana ratsy iny!" Dia nihorohoro teo anatrehan'ny mpanjaka lahy sy ny mpanjaka vavy i Hamana. BSB BSB: Esther replied, “The adversary and enemy is this wicked man—Haman!” And Haman stood in terror before the king and queen.
7 ULB Nitsangana tamin-katezerana avy teo amin'ny fisotroan-divay tao amin'ny fanasana ny mpanjaka ka nandeha tao amin'ny zaridainan'ny lapa, saingy nijanona mba hitalaho ny amin'ny ainy tamin'i Estera Mpanjaka i Hamana. Tsinjony fa efa nisy loza tapaky ny mpanjaka ho azy. BSB BSB: In his fury, the king arose from drinking his wine and went to the palace garden, while Haman stayed behind to beg Queen Esther for his life, for he realized that the king was planning a terrible fate for him.
8 ULB Dia niverina avy tany an-jaridainan'ny lapa ny mpanjaka ka niditra tao amin'ny efitrano izay nandrosoana ny divay. Teo dia nianjera teo amin'ny seza lava nisy an'i Estera i Hamana. Hoy ny mpanjaka hoe: "Hamely ny mpanjaka vavy eo anatrehako ato amin'ny tranoko mihitsy ve izy?" Vantany vao nivoaka avy tao am-bavan'ny mpanjaka izany fehezanteny izany, dia nosaronan'ireo mpanompo ny tavan'i Hamana. BSB BSB: Just as the king returned from the palace garden to the banquet hall, Haman was falling on the couch where Esther was reclining. The king exclaimed, “Would he actually assault the queen while I am in the palace?” As soon as the words had left the king’s mouth, they covered Haman’s face.
9 ULB Avy eo dia niteny Harbona, iray tamin'ireo tandapa nanompo ny mpanjaka hoe: "Misy hazo fanantonana dimampolo hakiho miorina eo akaikin'ny tranon'i Hamana. Naoriny ho an'i Mordekay io, ilay iray izay niteny mafy mba hiaro ny mpanjaka." Dia hoy ny mpanjaka hoe: "Ahantony eo amin'izany izy." BSB BSB: Then Harbonah, one of the eunuchs attending the king, said: “There is a gallows fifty cubits high at Haman’s house. He had it built for Mordecai, who gave the report that saved the king.” “Hang him on it!” declared the king.
10 ULB Koa dia nahanton'izy ireo teo amin'ilay hazo fanantonana izay nomaniny ho an'i Mordekay i Hamana. Avy eo dia lefy ny fahatezeran'ny mpanjaka. BSB BSB: So they hanged Haman on the gallows he had prepared for Mordecai. Then the fury of the king subsided.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.