1 ULB Tamin'izany andro izany dia nomen'i Ahasoerosy Mpanjaka an'i Estera Mpanjaka vavy ny fananan'i Hamana, ilay fahavalon'ny Jiosy, ary Mordekay nanomboka nanompo teo anatrehan'ny mpanjaka, fa nolazain'i Estera tamin'ny mpanjaka ny fomba nifandraisan'i Mordekay taminy. BSB BSB: That same day King Xerxes awarded Queen Esther the estate of Haman, the enemy of the Jews. And Mordecai entered the king’s presence because Esther had revealed his relation to her.
2 ULB Nesorin'ny mpanjaka ny peratra tombo-kaseny, izay nalainy indray tamin'i Hamana, ary natolony an'i Mordekay izany. Nanendry an'i Mordekay ho mpiandraikitra ny fananan'i Hamana i Estera. BSB BSB: The king removed the signet ring he had recovered from Haman and presented it to Mordecai. And Esther appointed Mordecai over the estate of Haman.
3 ULB Dia niresaka tamin'ny mpanjaka indray i Estera. Niankohoka tamin'ny tany izy ka nitomany raha niangavy taminy ny mba hanafoanana ny hevi-dratsin'i Hamana ilay Agagita, amin'ny tetika izay noheveriny hanoherana ireo Jiosy. BSB BSB: And once again, Esther addressed the king. She fell at his feet weeping and begged him to revoke the evil scheme of Haman the Agagite, which he had devised against the Jews.
4 ULB Dia nanondro an'i Estera tamin'ny tehina volamena ny mpanjaka, dia niarina izy ary nijoro nanoloana ny mpanjaka. BSB BSB: The king extended the gold scepter toward Esther, and she arose and stood before the king.
5 ULB Hoy izy hoe: "Raha sitraky ny mpanjaka, ary raha nahita fitia teo imasonao aho, raha marina eo anatrehan'ny mpanjaka izany, ary mahita sitraka eo imasonao aho, dia aoka ho soratana ny didy mba hanafoanana ireo taratasy nosoratan'i Hamana zanak'i Hamedata Agagita, ireo taratasy izay nosoratany mba hamono ireo Jiosy izay any amin'ireo faritanin'ny mpanjaka rehetra. BSB BSB: “If it pleases the king,” she said, “and if I have found favor in his sight, and the matter seems proper to the king, and I am pleasing in his sight, may an order be written to revoke the letters that the scheming Haman son of Hammedatha, the Agagite, wrote to destroy the Jews in all the king’s provinces.
6 ULB Fa hataoko ahoana no fijery ny loza miantraika amin'ny vahoakako? Hataoko ahoana ny haharitra hijery ny fandringanana ireo havako?" BSB BSB: For how could I bear to see the disaster that would befall my people? How could I bear to see the destruction of my kindred?”
7 ULB Niteny tamin'i Estera mpanjaka sy tamin'i Mordekay ilay Jiosy i Ahasoerosy mpanjaka hoe: "Indro, efa nomeko an'i Estera ny tranon'i Hamana, ary nahanton'izy ireo tamin'ny hazo fanantonana izy, satria nandeha nanafika ireo Jiosy. BSB BSB: So King Xerxes said to Esther the Queen and Mordecai the Jew, “Behold, I have given Haman’s estate to Esther, and he was hanged on the gallows because he attacked the Jews.
8 ULB Manoràta didy hafa amin'ny anaran'ny mpanjaka ho an'ireo Jiosy ka tomboy amin'ny peratry ny mpanjaka izany. Fa ny didy izay efa voasoratra tamin'ny anaran'ny mpanjaka ary voatomboka tamin'ny peratry ny mpanjaka dia tsy afaka foanana." BSB BSB: Now you may write in the king’s name as you please regarding the Jews, and seal it with the royal signet ring. For a decree that is written in the name of the king and sealed with the royal signet ring cannot be revoked.”
9 ULB Dia voaantso ireo mpanora-dalànan'ny mpanjaka tamin'izany fotoana izany, tamin'ny volana fahatelo, izay volan'ny Sivàna, tamin'ny andro fahatelo amby roa-polon'ny volana. Ny didy voasoratra dia mirakitra izay rehetra nandidian'i Mordekay mahakasika ireo Jiosy. Izany dia nosoratana ho an'ireo governoram-paritra, ireo governora sy manam-boninahitry ny faritra izay hatreo India ka hatrany Etiopia, faritany 127, ho an'ny isam-paritany nosoratana araka ny fiteniny avy, ary ho an'ireo Jiosy amin'ny soratra sy fitenin'izy ireo. BSB BSB: At once the royal scribes were summoned, and on the twenty-third day of the third month (the month of Sivan), they recorded all of Mordecai’s orders to the Jews and to the satraps, governors, and princes of the 127 provinces from India to Cush—writing to each province in its own script, to every people in their own language, and to the Jews in their own script and language.
10 ULB Nanoratra tamin'ny anaran'i Ahasoerosy Mpanjaka i Mordekay ary nanomboka izany tamin'ny peratra fitomboan-kasen'ny mpanjaka. Ny taratasy dia nalefany tamin'ny alalan'ny iraka mitaingin-tsoavaly haingam-pandeha izay nampiasaina ho amin'ny fanompoana ny mpanjaka, nalaina tao amin'ny tranon-tsoavalin'ny mpanjaka. BSB BSB: Mordecai wrote in the name of King Xerxes and sealed it with the royal signet ring. He sent the documents by mounted couriers riding on swift horses bred from the royal mares.
11 ULB Nanome fahefana ireo Jiosy isaky ny tanàna ny mpanjaka mba hiara-hivory sy hiady mba hiarovana ny ain'izy ireo: mba handringanana, mba hamonoana, ary mba hamotehana izay herim-piadiana avy amin'ireo vahoaka na faritany izay mety hanafika azy ireo, ao anatin'izany ireo zaza amam-behivavy, na handrobana ny fananan'izy ireo. BSB BSB: By these letters the king permitted the Jews in each and every city the right to assemble and defend themselves, to destroy, kill, and annihilate all the forces of any people or province hostile to them, including women and children, and to plunder their possessions.
12 ULB Tokony niantraika tamin'ireo faritanin'i Ahasoerosy Mpanjaka rehetra izany, amin'ny andro fahatelo ambin'ny folo amin'ny volana faha-roa ambin'ny folo, izay volan'i Adara. BSB BSB: The single day appointed throughout all the provinces of King Xerxes was the thirteenth day of the twelfth month, the month of Adar.
13 ULB Ny dika mitovy tamin'ny didy dia tokony navoaka ho lalàna sy naseho am-pahibemaso ho an'ireo vahoaka rehetra. Ireo Jiosy dia tokony ho vonona hamaly faty ireo fahavalon'izy ireo. BSB BSB: A copy of the text of the edict was to be issued in every province and published to all the people, so that the Jews would be ready on that day to avenge themselves on their enemies.
14 ULB Dia nitaingina ny soavalin'ny mpanjaka izay nampiasaina ho amin'ny fanompoana ny mpanjaka ireo iraka. Nandeha tsy nisy hatak'andro izy ireo. Navoaka avy tao amin'ny lapa tany Sosana ihany koa ny didin'ny mpanjaka. BSB BSB: The couriers rode out in haste on their royal horses, pressed on by the command of the king. And the edict was also issued in the citadel of Susa.
15 ULB Ary Mordekay niala teo anatrehan'ny mpanjaka nanao akanjo fiandrianana manga sy fotsy, sy satro-boninahitra volamena lehibe ary akanjo lava rongony fotsy madinika volom-parasy, ka dia nihiaka sy nifaly ny tanànan'i Sosana. BSB BSB: Mordecai went out from the presence of the king in royal garments of blue and white, with a large gold crown and a purple robe of fine linen. And the city of Susa shouted and rejoiced.
16 ULB Nisy hazavana sy haravoana, ary hafaliana sy voninahitra teo amin'ireo Jiosy. BSB BSB: For the Jews it was a time of light and gladness, of joy and honor.
17 ULB Tany amin'ny faritany tsirairay sy tany amin'ny tanàna tsirairay, na taiza na taiza nahatongavan'ny didin'ny mpanjaka, dia nisy hafaliana sy haravoana tamin'ireo Jiosy, fanasàna sy andro fifaliana. Maro tamin'ireo karazan'olona tamin'ny tany no lasa Jiosy, satria nilatsaka teo amin'izy ireo ny tahotran'ireo Jiosy. BSB BSB: In every province and every city, wherever the king’s edict and decree reached, there was joy and gladness among the Jews, with feasting and celebrating. And many of the people of the land themselves became Jews, because the fear of the Jews had fallen upon them.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.