1 ULB Hoy Yaveh tamin'i Mosesy hoe: "Mandehana any amin'i Farao, fa efa nohamafisiko ny fony sy ny fon'ireo mpanompony. Nataoko izany mba hanehoana ireo famantarana ny heriko eo amin'izy ireo. BSB BSB: Then the LORD said to Moses, “Go to Pharaoh, for I have hardened his heart and the hearts of his officials, that I may perform these miraculous signs of Mine among them,
2 ULB Nataoko ihany koa izany mba hanambaranao amin'ireo zanakao sy zafikelinao izay zavatra vitako, ny hamafin'ny fomba nitondrako an'i Egypta, sy ny fomba nanomezako famantarana ny heriko isan-karazany teo amin'izy ireo. Amin'izany fomba izany no hahafantaranao fa Izaho no Yaveh." BSB BSB: and that you may tell your children and grandchildren how severely I dealt with the Egyptians when I performed miraculous signs among them, so that all of you may know that I am the LORD.”
3 ULB Koa dia nankany amin'i Farao i Mosesy sy Arona ka nanao taminy hoe: "Yaveh, ilay Andriamanitr'ireo Hebreo, dia nilaza izao: 'Hafiriana no handavanao tsy hanetry ny tenanao eo anatrehako? Avelao andeha ny oloko mba hanompoan'izy ireo Ahy. BSB BSB: So Moses and Aaron went to Pharaoh and told him, “This is what the LORD, the God of the Hebrews, says: ‘How long will you refuse to humble yourself before Me? Let My people go, so that they may worship Me.
4 ULB Fa raha mandà tsy handefa ny oloko ianao, dia indro, hahatonga valala any amin'ny taninao Aho rahampitso. BSB BSB: But if you refuse to let My people go, I will bring locusts into your territory tomorrow.
5 ULB Handrakotra ny tany rehetra ireo ka tsy hisy afaka hahita ny tany. Hihinana izay sisa navelan'ny havandra ireo. Hihinana ny hazo rehetra eny an-tsaha izay maniry ho anao ihany koa ireo. BSB BSB: They will cover the face of the land so that no one can see it. They will devour whatever is left after the hail and eat every tree that grows in your fields.
6 ULB Hameno ireo tranonao, sy ny tranon'ireo mpanomponao, ary ny an'ireo Egyptiana rehetra ireo—zavatra tsy mbola fahitan'ny rainao na ny raibenao, tsy mbola fahita hatramin'ny andro naha-teto ambonin'ny tany azy ireo ka hatramin'izao.'" Avy eo dia lasa Mosesy ka niala teo amin'i Farao. BSB BSB: They will fill your houses and the houses of all your officials and every Egyptian—something neither your fathers nor your grandfathers have seen since the day they came into this land.’” Then Moses turned and left Pharaoh’s presence.
7 ULB Hoy ireo mpanompon'i Farao taminy hoe: "Mandra-pahoviana io lehilahy io no ho fampitahorana ho antsika? Avelao andeha ireo Israelita mba hanompoan'izy ireo an'i Yaveh Andriamanitr'izy ireo. Tsy mbola hitanao fa efa rava ve Egypta?" BSB BSB: Pharaoh’s officials asked him, “How long will this man be a snare to us? Let the people go, so that they may worship the LORD their God. Do you not yet realize that Egypt lies in ruins?”
8 ULB Dia nentina tany amin'i Farao indray Arona sy Mosesy, izay nilaza tamin'izy ireo hoe: "Mandehana manompo an'i Yaveh Andriamanitrareo. Saingy iza avy ireo olona handeha?" BSB BSB: So Moses and Aaron were brought back to Pharaoh. “Go, worship the LORD your God,” he said. “But who exactly will be going?”
9 ULB Hoy Mosesy hoe: "Handeha hiaraka amin'ny tanora sy ny antitray izahay, miaraka amin'ny zanaka lahy sy zanaka vavinay. Handeha hiaraka amin'ireo ondry aman'osy sy ombinay izahay, satria tsy maintsy manao firavoravoana ho an'i Yaveh." BSB BSB: “We will go with our young and old,” Moses replied. “We will go with our sons and daughters, and with our flocks and herds, for we must hold a feast to the LORD.”
10 ULB Hoy i Farao tamin'izy ireo hoe: "Homba anareo tokoa anie i Yaveh, raha handefa anareo sy ny zanakareo aho. Indro, manana sainan--dratsy ianareo. BSB BSB: Then Pharaoh told them, “May the LORD be with you if I ever let you go with your little ones. Clearly you are bent on evil.
11 ULB Tsia! Mandehana, ny lehilahy eo aminareo ihany, ka manompoa an'i Yaveh, satria izay no tadiavinareo." Dia nentina nivoaka teo anatrehan'i Farao i Mosesy sy i Arona. BSB BSB: No, only the men may go and worship the LORD, since that is what you have been requesting.” And Moses and Aaron were driven from Pharaoh’s presence.
12 ULB Dia hoy Yaveh tamin'i Mosesy hoe: "Ahinjiro amin'ny tanin'i Egypta ny tananao ho an'ireo valala, mba hanafihan'ireo ny tanin'i Egypta ka hihinana ny zava-maniry ao amin'izany, ny zavatra rehetra izay sisa tsy potiky ny havandra." BSB BSB: Then the LORD said to Moses, “Stretch out your hand over the land of Egypt, so that the locusts may swarm over it and devour every plant in the land—everything that the hail has left behind.”
13 ULB Dia naninjitra ny tehiny tamin'ny tanin'i Egypta i Mosesy, ka nitondra rivotra avy any atsinanana tamin'ny tany Egypta i Yaveh nandritra ny andro sy alina iny. Nony maraina, dia nentin'ny rivotra avy any atsinanana ireo valala. BSB BSB: So Moses stretched out his staff over the land of Egypt, and throughout that day and night the LORD sent an east wind across the land. By morning the east wind had brought the locusts.
14 ULB Nandeha nanerana ny tany Egypta iray manontolo ireo valala ka nanenika ny faritra rehetra tao amin'izany. Tsy mbola nisy andiam-balala tahaka izany tao amin'ilay tany taloha, ary tsy hisy zavatra tahaka ity ho tonga aorian'ity. BSB BSB: The locusts swarmed across the land and settled over the entire territory of Egypt. Never before had there been so many locusts, and never again will there be.
15 ULB Nandrakotra ny tany iray manontolo ireo ka maizina ny tany. Nohanin'ireo avokoa ny zava-maniry tao amin'ilay tany sy ny voankazo rehetra teny amin'ny hazo izay sisa navelan'ny havandra. Nanerana ny tany Egypta manontolo, dia tsy nisy tafajanona na zava-maitso, na hazo na zava-maniry teny an-tsaha. BSB BSB: They covered the face of all the land until it was black, and they consumed all the plants on the ground and all the fruit on the trees that the hail had left behind. Nothing green was left on any tree or plant in all the land of Egypt.
16 ULB Avy eo i Farao dia nampiantso faingana an'i Mosesy sy Arona ka nanao hoe: "Nanota tamin'i Yaveh Andriamanitrareo sy taminareo aho. BSB BSB: Pharaoh quickly summoned Moses and Aaron and said, “I have sinned against the LORD your God and against you.
17 ULB Koa ankehitriny, mamelà ny heloko amin'izao fotoana izao; ary mivavaha amin'i Yaveh Andriamanitrareo mba hanalany amiko ity fahafatesana ity." BSB BSB: Now please forgive my sin once more and appeal to the LORD your God, that He may remove this death from me.”
18 ULB Koa nivoaka avy tao amin'i Farao i Mosesy ary nivavaka tamin'i Yaveh. BSB BSB: So Moses left Pharaoh’s presence and appealed to the LORD.
19 ULB Nitondra rivotra mahery vaika avy any andrefana i Yaveh izay nitondra ireo valala ka namarina ireo ho any amin'ny Ranomasina Mena; tsy nisy na dia valala iray aza tavela tao amin'ny fari-tanin'i Egypta rehetra. BSB BSB: And the LORD changed the wind to a very strong west wind that carried off the locusts and blew them into the Red Sea. Not a single locust remained anywhere in Egypt.
20 ULB Fa nohamafisin'i Yaveh ny fon'i Farao, ka tsy navelan'i Farao handeha ireo Israelita. BSB BSB: But the LORD hardened Pharaoh’s heart, and he would not let the Israelites go.
21 ULB Dia hoy i Yaveh tamin'i Mosesy hoe: "Ahinjiro mankany amin'ny lanitra ny tananao, mba hisy haizina eo amin'ny tany Egypta, haizina izay azo tsapaina." BSB BSB: Then the LORD said to Moses, “Stretch out your hand toward heaven, so that darkness may spread over the land of Egypt—a palpable darkness.”
22 ULB Naninjitra ny tanany nankany amin'i lanitra Mosesy, ka dia nisy haizina matevina teo amin'ny tany nanerana an'i Egypta nandritra ny telo andro. BSB BSB: So Moses stretched out his hand toward heaven, and total darkness covered all the land of Egypt for three days.
23 ULB Tsy nisy nifankahita ny olona; tsy nisy nivoaka tao an-tranony nandritra ny telo andro. Kanefa, nanana fahazavana kosa ireo Israelita teo amin'ny toerana nipetrahan'izy ireo. BSB BSB: No one could see anyone else, and for three days no one left his place. Yet all the Israelites had light in their dwellings.
24 ULB Nampiantso an'i Mosesy i Farao ka nanao hoe: "Mandehana manompo an'i Yaveh. Afaka mandeha miaraka aminao na ny fianakavianao aza, fa ireo ondry aman'osinao sy ireo omby kosa dia tsy maintsy hajanona." BSB BSB: Then Pharaoh summoned Moses and said, “Go, worship the LORD. Even your little ones may go with you; only your flocks and herds must stay behind.”
25 ULB Fa hoy Mosesy hoe: "Tsy maintsy homenao biby atao sorona sy fanatitra dorana ihany koa izahay mba hanaovanay sorona azy ireo ho an'i Yaveh Andriamanitray. BSB BSB: But Moses replied, “You must also provide us with sacrifices and burnt offerings to present to the LORD our God.
26 ULB Tsy maintsy miaraka aminay ihany koa ireo biby fiompinay; ka tsy hisy havela na dia kitro iray amin'ireo aza, fa tsy maintsy entinay hanompoana an'i Yaveh Andriamanitray ireo. Satria tsy fantatray hoe amin'ny inona no tsy maintsy hanompoanay an'i Yaveh mandra-pahatonganay any. BSB BSB: Even our livestock must go with us; not a hoof will be left behind, for we will need some of them to worship the LORD our God, and we will not know how we are to worship the LORD until we arrive.”
27 ULB Fa nohamafisin'i Yaveh ny fon'i Farao, ka tsy hamela azy ireo andeha izy. BSB BSB: But the LORD hardened Pharaoh’s heart, and he was unwilling to let them go.
28 ULB Hoy Farao tamin'i Mosesy hoe: "Mialà amiko! Fa mitandrema amin'ny zavatra iray, dia ny tsy hahitanao ahy intsony, satria amin'ny andro hahitanao ny tavako, dia ho faty ianao." BSB BSB: “Depart from me!” Pharaoh said to Moses. “Make sure you never see my face again, for on the day you see my face, you will die.”
29 ULB Hoy Mosesy hoe: "Voalazanao mihitsy. Tsy hahita ny tavanao intsony aho." BSB BSB: “As you say,” Moses replied, “I will never see your face again.”