1 ULB Dia hoy i Yaveh tamin'i Mosesy hoe: "Mankanesa any amin'i Farao ary lazao izy hoe: 'Ry Yaveh, Andriamanitry ny Hebreo, milaza izao: "Avelao ny vahoakako handeha mba hahafahan'izy ireo manompo Ahy." BSB BSB: Then the LORD said to Moses, “Go to Pharaoh and tell him that this is what the LORD, the God of the Hebrews, says: ‘Let My people go, so that they may worship Me.
2 ULB Fa raha mandà ny hamela azy ireo handeha ianao, raha mbola mitazona azy ireo ianao, BSB BSB: But if you continue to restrain them and refuse to let them go,
3 ULB dia ho eo amin'ny biby fiompinao eny an-tsaha ary ho eo amin'ireo soavaly, ampondra, rameva, omby, ary ireo ondry aman'osy ny tanan'i Yaveh, ary hiteraka areti-mandoza izany. BSB BSB: then the hand of the LORD will bring a severe plague on your livestock in the field—on your horses, donkeys, camels, herds, and flocks.
4 ULB Samy hafa no hitondran'i Yaveh ny biby fiompin'i Israely sy ny biby fiompin'i Egypta: tsy hisy ho faty ny biby izay an'ireo Israelita. BSB BSB: But the LORD will make a distinction between the livestock of Israel and the livestock of Egypt, so that no animal belonging to the Israelites will die.’”
5 ULB Efa nanendry fotoana i Yaveh; hoy Izy hoe: "Rahampitso no hanaovako izany zavatra izany eo amin'ny tany.'"" BSB BSB: The LORD set a time, saying, “Tomorrow the LORD will do this in the land.”
6 ULB Nataon'i Yaveh izany ny ampitso: maty ny biby fiompin'i Egypta rehetra. Nefa tsy nisy maty kosa ireo bibin'ireo Israelita, na biby iray aza. BSB BSB: And the next day the LORD did just that. All the livestock of the Egyptians died, but not one animal belonging to the Israelites died.
7 ULB Nanadihady i Farao, ary indro, tsy nisy maty na dia iray aza ireo bibin'ny Israelita. Fa mafy fo izy, ka tsy navelany handeha ireo vahoaka. BSB BSB: Pharaoh sent officials and found that none of the livestock of the Israelites had died. But Pharaoh’s heart was hardened, and he would not let the people go.
8 ULB Ary hoy i Yaveh tamin'i Mosesy sy Arona hoe: "Makà lavenona eran'ny tanana avy ao amin'ny lafaoro. Ianao, ry Mosesy, no tsy maintsy hanipy ireo lavenona eny amin'ny rivotra raha i Farao mijery iny. BSB BSB: Then the LORD said to Moses and Aaron, “Take handfuls of soot from the furnace; in the sight of Pharaoh, Moses is to toss it into the air.
9 ULB Ho lasa vovoka madinika manerana ny tany Egypta rehetra izany. Hahatonga vay sy fery hipoitra amin'ireo vahoaka sy ireo biby manerana ny tany Egypta rehetra izany." BSB BSB: It will become fine dust over all the land of Egypt, and festering boils will break out on man and beast throughout the land.”
10 ULB Koa dia naka lavenona avy tao amin'ny lafaoro i Mosesy sy Arona ary nijoro teo anoloan'i Farao. Dia natsipin'i Mosesy teny amin'ny rivotra ny lavenona. Nahatonga vay sy fery nipoitra tamin'ireo olona sy ireo biby ilay lavenona. BSB BSB: So they took soot from the furnace and stood before Pharaoh. Moses tossed it into the air, and festering boils broke out on man and beast.
11 ULB Tsy nahatohitra an'i Mosesy ireo ombiasy noho ireo vay, satria namely azy ireo sy ireo Egyptiana hafa rehetra ny vay. BSB BSB: The magicians could not stand before Moses, because the boils had broken out on them and on all the Egyptians.
12 ULB Nanamafy ny fon'i Farao i Yaveh, ka tsy nihaino an'i Mosesy sy Arona i Farao. Izany dia araka ny nolazain'i Yaveh tamin'i Mosesy fa ho ataon'i Farao. BSB BSB: But the LORD hardened Pharaoh’s heart, and he would not listen to them, just as the LORD had said to Moses.
13 ULB Ary hoy i Yaveh tamin'i Mosesy hoe: "Mifohaza maraim-be, mijoroa eo anoloan'i Farao, ary teneno izy hoe: "Yaveh, Andriamanitry ny Hebreo, niteny izao: "Avelao ny vahoakako handeha mba hahafahan'izy ireo manompo Ahy." BSB BSB: Then the LORD said to Moses, “Get up early in the morning, stand before Pharaoh, and tell him that this is what the LORD, the God of the Hebrews, says: ‘Let My people go, so that they may worship Me.
14 ULB Fa amin'izany fotoana izany dia handefa ireo areti-mandringana rehetra amin'ny tenanao, amin'ireo mpanomponao, sy amin'ireo vahoakanao Aho. Hataoko izao mba hahafantaranao fa tsy misy toa Ahy amin'ny tany rehetra. BSB BSB: Otherwise, I will send all My plagues against you and your officials and your people, so you may know that there is no one like Me in all the earth.
15 ULB Fa ankehitriny dia afaka naninjitra ny tanako ary namely anao sy ny vahoakanao tamin'ny aretina aho, ary ho lany ritra eto amin'ny tany ianareo. BSB BSB: For by this time I could have stretched out My hand and struck you and your people with a plague to wipe you off the earth.
16 ULB Fa izao no antony namelako anareo ho velona: mba hanehoako aminareo ny heriko, mba hanambarana ny anarako manerana ny tany rehetra. BSB BSB: But I have raised you up for this very purpose, that I might display My power to you, and that My name might be proclaimed in all the earth.
17 ULB Mbola manandratra ny tenanao manohitra ireo vahoakako ihany ianao amin'ny tsy famelana azy ireo handeha. BSB BSB: Still, you lord it over My people and do not allow them to go.
18 ULB Henoy! Rahampitso amin'ny ora toy izao dia hitondra havandra mivatravatra be aho, izay mbola tsy nisy toa izany hita teto Egypta hatramin'ny niandohan'ny andro mandraka ankehitriny. BSB BSB: Behold, at this time tomorrow I will rain down the worst hail that has ever fallen on Egypt, from the day it was founded until now.
19 ULB Ankehitriny dia, maniraha lehilahy ary angony ireo biby fiompinareo sy ny zavatra rehetra anananareo eny an-tsaha ho amin'ny toerana azo antoka. Ny olona rehetra sy ny biby izay eny an-tsaha ary tsy nentina nody—hilatsaka eo amin'izy ireo ny havandra, ary ho faty izy ireo.'"" BSB BSB: So give orders now to shelter your livestock and everything you have in the field. Every man or beast that remains in the field and is not brought inside will die when the hail comes down upon them.’”
20 ULB Ary ireo mpanompon'i Farao izay nino ny hafatr'i Yaveh dia nitondra haingana ireo mpanompo sy ireo biby fiompin'izy ireo nankany an-trano. BSB BSB: Those among Pharaoh’s officials who feared the word of the LORD hurried to bring their servants and livestock to shelter,
21 ULB Fa ireo izay tsy nandray ny hafatr'i Yaveh am-pamatorana dia namela ireo mpanompo sy ny biby fiompin'izy ireo teny an-tsaha. BSB BSB: but those who disregarded the word of the LORD left their servants and livestock in the field.
22 ULB Dia hoy i Yaveh tamin'i Mosesy hoe: "Ahinjiro mankany amin'ny lanitra ny tananao mba hisian'ny havandra amin'ny tany Egypta rehetra, amin'ny vahoaka, amin'ny biby, ary amin'ny zava-maniry rehetra eny an-tsaha manerana ny tany Egypta rehetra." BSB BSB: Then the LORD said to Moses, “Stretch out your hand toward heaven, so that hail may fall on all the land of Egypt—on man and beast and every plant of the field throughout the land of Egypt.”
23 ULB Naninjitra ny tehiny nankany amin'ny lanitra i Mosesy, ary Yaveh nandefa kotrok'orana, havandra, tselatra tamin'ny tany. Nandatsaka havandra tamin'ny tany Egypta ihany koa Izy. BSB BSB: So Moses stretched out his staff toward heaven, and the LORD sent thunder and hail, and lightning struck the earth. So the LORD rained down hail upon the land of Egypt.
24 ULB Ary dia nisy havandra sy tselatra miharo havandra, nahery vaika, izay mbola tsy nisy tao amin'ny tany Egypta hatramin'ny naha firenena azy. BSB BSB: The hail fell and the lightning continued flashing through it. The hail was so severe that nothing like it had ever been seen in all the land of Egypt from the time it became a nation.
25 ULB Nanerana ny tany Egypta rehetra, namely ny zavatra rehetra tany an-tsaha, ary ny olona sy ireo biby ny havandra. Namely ny zava-maniry rehetra teny an-tsaha ary nanapaka ireo hazo izany. BSB BSB: Throughout the land of Egypt, the hail struck down everything in the field, both man and beast; it beat down every plant of the field and stripped every tree.
26 ULB Tao amin'ny tany Gosena ihany, izay nipetrahan'ireo Israelita, no tsy nisy havandra. BSB BSB: The only place where it did not hail was in the land of Goshen, where the Israelites lived.
27 ULB Ary Farao naniraka lehilahy hiantso an'i Mosesy sy Arona. Hoy izy tamin'ireo hoe: "Efa nanota aho ankehihitriny. Yaveh dia marina, ary izaho sy ny vahoakako dia ratsy fanahy. BSB BSB: Then Pharaoh summoned Moses and Aaron. “This time I have sinned,” he said. “The LORD is righteous, and I and my people are wicked.
28 ULB Mivavaha amin'i Yaveh, satria betsaka loatra ny varatra mahery sy ny havandra. Havelako handeha ianareo, ary tsy hijanona eto intsony ianareo." BSB BSB: Pray to the LORD, for there has been enough of God’s thunder and hail. I will let you go; you do not need to stay any longer.”
29 ULB Hoy Mosesy taminy hoe: "Raha vantany vao miala eto amin'ity tanàna ity aho, hasandratro any amin'i Yaveh ny tanako. Hitsahatra ny kotroka, ary tsy hisy havandra intsony. Izany ny fomba hahafantaranao fa an'i Yaveh ny tany. BSB BSB: Moses said to him, “When I have left the city, I will spread out my hands to the LORD. The thunder will cease, and there will be no more hail, so that you may know that the earth is the LORD’s.
30 ULB Fa ny aminao sy ireo mpanomponao, fantatro fa tsy mbola tena manome voninahitra an'i Yaveh Andriamanitra ianareo." BSB BSB: But as for you and your officials, I know that you still do not fear the LORD our God.”
31 ULB Dia simba ny rongony sy ny vary hordea, fa ny vary hordea dia masaka am-potony, ary namony ny rongony. BSB BSB: (Now the flax and barley were destroyed, since the barley was ripe and the flax was in bloom;
32 ULB Fa ny varim-bazaha sy ny apemby dia tsy naninona satria ireo dia efa vokatra taty aoriana. BSB BSB: but the wheat and spelt were not destroyed, because they are late crops.)
33 ULB Rehefa nandao an'i Farao sy ny tanàna i Mosesy, dia nasandrany ho amin'i Yaveh ny tanany; nitsahatra ny kotroka sy ny havandra, ary tsy nilatsaka intsony ny orana. BSB BSB: Then Moses departed from Pharaoh, went out of the city, and spread out his hands to the LORD. The thunder and hail ceased, and the rain no longer poured down on the land.
34 ULB Rehefa hitan'i Farao fa nitsahatra ny orana, ny havandra, ary ny kotroka, dia nanota indray izy ary nanamafy ny fony, niaraka tamin'ireo mpanompony. BSB BSB: When Pharaoh saw that the rain and hail and thunder had ceased, he sinned again and hardened his heart—he and his officials.
35 ULB Nihamafy ny fon'i Farao, ka tsy namela ny vahoakan'Israely nandeha izy. Izany dia araka ny nolazain'i Yaveh tamin'i Mosesy fa ho ataon'i Farao. BSB BSB: So Pharaoh’s heart was hardened, and he would not let the Israelites go, just as the LORD had said through Moses.