1 ULB Ary Yaveh niteny tamin'i Mosesy hoe: "Mandehana any amin'i Farao ary lazao izy hoe: 'Izao no lazain'i Yaveh: "Aoka ny vahoakako handeha mba hahafahan'izy ireo manompo ahy. BSB BSB: Then the LORD said to Moses, “Go to Pharaoh and tell him that this is what the LORD says: ‘Let My people go, so that they may worship Me.
2 ULB Raha tsy mamela azy ireo handeha ianao, dia hampahory ny firenenao manontolo amin'ny sahona Aho. BSB BSB: But if you refuse to let them go, I will plague your whole country with frogs.
3 ULB Ho feno sahona ny renirano. Hiakatra ireo ary hiditra ao an-tranonao, ny efitrano fatorianao, sy ny fandrianao. Ho any amin'ny tranon'ireo mpanomponao ireo. Ho any amin'ny olonao, ny lafaoronao, ary ireo lovia jobo fanaovanao mofo. BSB BSB: The Nile will teem with frogs, and they will come into your palace and up to your bedroom and onto your bed, into the houses of your officials and your people, and into your ovens and kneading bowls.
4 ULB Hanafika anao, ny vahoakanao, ary ny mpanomponao rehetra ireo sahona."'" BSB BSB: The frogs will come up on you and your people and all your officials.’”
5 ULB Hoy Yaveh tamin'i Mosesy hoe: "Lazao i Arona hoe: 'Ahinjiro eo ambonin'ny renirano, ny lakan-drano, sy ireo dobo ny tananao sy ny tehinao, ary ento hanenika ny tany Egypta ny sahona."' BSB BSB: And the LORD said to Moses, “Tell Aaron, ‘Stretch out your hand with your staff over the rivers and canals and ponds, and cause the frogs to come up onto the land of Egypt.’”
6 ULB Dia nahinjitr'i Arona teo amin'ny ranon'i Egypta ny tanany, ka tonga ireo sahona ary nandrakotra ny tany Egypta. BSB BSB: So Aaron stretched out his hand over the waters of Egypt, and the frogs came up and covered the land of Egypt.
7 ULB Nefa nanao torak'izany ihany koa ireo ombiasy tamin'ny odin'izy ireo: nitondra sahona niakatra ny tany Egypta izy ireo. BSB BSB: But the magicians did the same thing by their magic arts, and they also brought frogs up onto the land of Egypt.
8 ULB Ary niantso an'i Mosesy sy Arona i Farao ka nilaza hoe: "Mivavaha amin'i Yaveh mba hanaisotra ny sahona eto amiko sy amin'ireo vahoakako. Dia hamela ny olona handeha aho, mba hahafahan'izy ireo manao sorona ho Azy." BSB BSB: Pharaoh summoned Moses and Aaron and said, “Pray to the LORD to take the frogs away from me and my people. Then I will let your people go, that they may sacrifice to the LORD.”
9 ULB Hoy Mosesy tamin'i Farao hoe: "Ianao dia manana fahafahana hilaza amiko hoe rahoviana aho no tokony hivavaka ho anao, ireo mpanomponao, ary ireo vahoakanao aho, mba hanesorana ireo sahona eo aminao sy ny ankohonanao ka hijanona any an-drenirano ihany." BSB BSB: Moses said to Pharaoh, “You may have the honor over me. When shall I pray for you and your officials and your people that the frogs (except for those in the Nile) may be taken away from you and your houses?”
10 ULB Farao nilaza hoe: "Rahampitso." Ary Mosesy nilaza hoe: "Aoka hatao araka ny teninao izany, mba hahalalanao fa tsy misy tahaka an'i Yaveh, ilay Andriamanitray. BSB BSB: “Tomorrow,” Pharaoh answered. “May it be as you say,” Moses replied, “so that you may know that there is no one like the LORD our God.
11 ULB Hiala eo aminao, ny tranonao, ireo mpanomponao, ary ireo vahoakanao ny sahona. Fa hijanona eo amin'ny renirano ihany. BSB BSB: The frogs will depart from you and your houses and your officials and your people; they will remain only in the Nile.”
12 ULB Nivoaka niala teo amin'ny Farao i Mosesy sy Arona. Ary Mosesy nihiaka mafy tamin'i Yaveh mahakasika ny sahona izay nentiny teo amin'ny Farao. BSB BSB: After Moses and Aaron had left Pharaoh, Moses cried out to the LORD for help with the frogs that He had brought against Pharaoh.
13 ULB Ary Yaveh nanao araka izay nangatahin'i Mosesy: maty tao amin'ireo trano, tokotany, sy saha ireo sahona. BSB BSB: And the LORD did as Moses requested, and the frogs in the houses, the courtyards, and the fields died.
14 ULB Nangonin'ireo vahoaka nitsitokotoko ireo, ka dia namofona ny tany. BSB BSB: They were piled into countless heaps, and there was a terrible stench in the land.
15 ULB Nony hitan'i Farao fa nisy fitoniana, dia nohamafisiny ny fony ary tsy nihaino an'i Mosesy sy Arona izy, araka ny nolazain'i Yaveh fa ho ataony. BSB BSB: When Pharaoh saw that there was relief, however, he hardened his heart and would not listen to Moses and Aaron, just as the LORD had said.
16 ULB Yaveh nilaza tamin'i Mosesy hoe: "Lazao i Aarona hoe: 'Ahinjiro ny tehinao ary kapohy ny vovoka eo amin'ny tany, mba ho tonga moka manerana ny tany Egypta rehetra."' BSB BSB: Then the LORD said to Moses, “Tell Aaron, ‘Stretch out your staff and strike the dust of the earth, that it may turn into swarms of gnats throughout the land of Egypt.’”
17 ULB Nanao toy izao izy ireo: Nahinjitr'i Arona ny tanany sy ny tehiny. Nokapohiny ny vovoka teo amin'ny tany. Ary tonga teo amin'ny olona ny moka sy ny biby. Tonga moka avokoa ny vovoka rehetra nanerana ny tany Egypta. BSB BSB: This they did, and when Aaron stretched out his hand with his staff and struck the dust of the earth, gnats came upon man and beast. All the dust of the earth turned into gnats throughout the land of Egypt.
18 ULB Ireo ombiasy dia niezaka ny hampisy moka tamin'ny odin'izy ireo, fa tsy afaka izy ireo. Nisy moka teo amin'ny olona sy ny biby. BSB BSB: The magicians tried to produce gnats using their magic arts, but they could not. And the gnats remained on man and beast.
19 ULB Dia hoy ireo ombiasy tamin'i Farao hoe: "Tanan'Andriamanitra izao." Fa nihamafy kosa ny fon'i Farao, ka nandà ny hihaino azy ireo izy. Izany dia tahaka ny efa nolazain'i Yaveh fa hataon'i Farao. BSB BSB: “This is the finger of God,” the magicians said to Pharaoh. But Pharaoh’s heart was hardened, and he would not listen to them, just as the LORD had said.
20 ULB Hoy Yaveh tamin'i Mosesy: "Mifohaza maraina be ary mitsangana manoloana an'i Farao rehefa miala ho any amin'ny renirano izy. Lazao izy hoe: 'Izao no nolazain'i Yaveh: "Aoka ny oloko handeha mba hahafahan'izy ireo manompo Ahy. BSB BSB: Then the LORD said to Moses, “Get up early in the morning, and when Pharaoh goes out to the water, stand before him and tell him that this is what the LORD says: ‘Let My people go, so that they may worship Me.
21 ULB Fa raha tsy avelanao handeha ny oloko, dia handefa andian-dalitra eo aminao, ireo mpanomponao, sy ireo olonao, ary ireo izay ao an-tranonao Aho. Ny tranon'ireo Egyptiana dia ho feno andian-dalitra, ary na ny tany izay hitsanganan'izy ireo aza dia ho feno lalitra. BSB BSB: But if you will not let My people go, I will send swarms of flies upon you and your officials and your people and your houses. The houses of the Egyptians and even the ground where they stand will be full of flies.
22 ULB Fa amin'izany andro izany dia hitondra ny tanin'i Gosena amin'ny fomba hafa aho, ilay tany izay onenan'ny oloko, mba tsy hisy andian-dalitra any. Izany dia hiseho mba hahalalanao fa Izaho no Yaveh eo afovoan'ity tany ity. BSB BSB: But on that day I will give special treatment to the land of Goshen, where My people live; no swarms of flies will be found there. In this way you will know that I, the LORD, am in the land.
23 ULB Hanao fanavahana eo amin'ny vahoakako sy ny vahoakanao Aho. Izany famatarana ny heriko izany dia hitranga rahampitso."'" BSB BSB: I will make a distinction between My people and your people. This sign will take place tomorrow.’”
24 ULB Nanao izany i Yaveh, ka tonga tao an-tranon'i Farao sy ireo manompony ireo andian-dalitra matevina. Nanerana ny tany Egypta rehetra, simba ny tany noho ireo andian-dalitra. BSB BSB: And the LORD did so. Thick swarms of flies poured into Pharaoh’s palace and into the houses of his officials. Throughout Egypt the land was ruined by swarms of flies.
25 ULB Nampiantso an'i Mosesy sy Arona i Farao ka nilaza hoe: "Mandehana, manaova sorona ho an'Andriamanitrareo ao amin'ny taninareo manokana." BSB BSB: Then Pharaoh summoned Moses and Aaron and said, “Go, sacrifice to your God within this land.”
26 ULB Hoy i Mosesy hoe: "Tsy mety aminay ny manao izany, fa ireo sorona izay ataonay ho an'i Yaveh Andriamanitray dia maharikoriko ho an'ireo Egyptiana. Raha manao sorona marina eo imason'izy ireo izahy izay maharikoriko an'ireo Egyptiana, tsy ho torahan'izy ireo vato va izahay? BSB BSB: But Moses replied, “It would not be right to do that, because the sacrifices we offer to the LORD our God would be detestable to the Egyptians. If we offer sacrifices that are detestable before the Egyptians, will they not stone us?
27 ULB Tsia, ny mandeha hateloana makany an-efitra no tsy maintsy hataonay, mba hanaovana sorona ho an'i Yaveh Andriamanitray, araka ny nandidiany anay." BSB BSB: We must make a three-day journey into the wilderness and sacrifice to the LORD our God as He commands us.”
28 ULB Hoy i Farao hoe: "Hamela anareo handeha sy hanao sorona ho an'i Yaveh andriamanitrareo any an-efitra aho. Fa aoka kosa tsy handeha lavitra loatra ianareo. Mivavaha ho ahy." BSB BSB: Pharaoh answered, “I will let you go and sacrifice to the LORD your God in the wilderness, but you must not go very far. Now pray for me.”
29 ULB Hoy i Mosesy hoe: "Vantany vao mivoaka avy ato aminao aho, dia hivavaka amin'i Yaveh mba hialan'ny andian-dalitra eo aminao, ry Farao, sy ireo mpanomponao ary ny vahoakanao rahampitso. Fa aoka ianao tsy hamitaka intsony amin'ny tsy famelana ny olonay handeha hanao sorona ho an'i Yaveh." BSB BSB: “As soon as I leave you,” Moses said, “I will pray to the LORD, so that tomorrow the swarms of flies will depart from Pharaoh and his officials and his people. But Pharaoh must not act deceitfully again by refusing to let the people go and sacrifice to the LORD.”
30 ULB Nivoaka avy tao amin'ny Farao i Mosesy ary nivavaka tamin'i Yaveh. BSB BSB: Then Moses left Pharaoh and prayed to the LORD,
31 ULB Nataon'i Yaveh izay nangatahin'i Mosesy: nanaisotra ny andian-dalitra teo amin'ny Farao, sy ireo mpanompony, ary ireo vahoakany Izy. Tsy nisy na iray aza tavela. BSB BSB: and the LORD did as Moses requested. He removed the swarms of flies from Pharaoh and his officials and his people; not one fly remained.
32 ULB Nefa Nanamafy ny fony ihany koa i Farao tamin'izany fotoana izany, ary tsy namela ny vahoaka handeha. BSB BSB: But Pharaoh hardened his heart this time as well, and he would not let the people go.