1 ULB Hoy Yaveh tamin'i Mosesy hoe: "Indro, nanao anao toy ny andriamanitra ho an'i Farao Aho. Arona rahalahinao no ho mpaminaninao. BSB BSB: The LORD answered Moses, “See, I have made you like God to Pharaoh, and your brother Aaron will be your prophet.
2 ULB Ianao no hilaza ny zavatra rehetra izay handidiako anao ho teneninao. Hiresaka amin'i Farao i Arona rahalahinao mba hamelany ny vahoakan'Israely hiala amin'ny taniny. BSB BSB: You are to speak all that I command you, and your brother Aaron is to tell Pharaoh to let the Israelites go out of his land.
3 ULB Fa hanamafy ny fon'i Farao aho, ary izaho haneho famantarana ny heriko maro, sy fahagagana maro, any amin'ny tany Egypta. BSB BSB: But I will harden Pharaoh’s heart, and though I will multiply My signs and wonders in the land of Egypt,
4 ULB Nefa tsy hihaino anao i Farao, noho izany dia hametraka ny tanako ao Egypta aho ary hamoaka ireo vondrona lehilahy mpiady, ny vahoakako, sy ireo zanak'i Israely, hiala ny tany Egypta amin'ny famaizana lehibe. BSB BSB: Pharaoh will not listen to you. Then I will lay My hand on Egypt, and by mighty acts of judgment I will bring the divisions of My people the Israelites out of the land of Egypt.
5 ULB Dia ho fantatry ny Egyptiana fa izaho no Yaveh rehefa hanatsotra ny tanako amin'ny Egypta sy hanafaka ireo Israelita tsy ho eo amin'izy ireo Aho." BSB BSB: And the Egyptians will know that I am the LORD, when I stretch out My hand against Egypt and bring the Israelites out from among them.”
6 ULB Dia nanao toy izany i Mosesy sy Arona; araka izay nandidian'i Yaveh azy ireo. BSB BSB: So Moses and Aaron did just as the LORD had commanded them.
7 ULB Valopolo taona i Mosesy, ary telo amby valopolo taona i Arona rehefa niresaka tamin'i Farao izy ireo. BSB BSB: Moses was eighty years old and Aaron was eighty-three when they spoke to Pharaoh.
8 ULB Hoy Yaveh tamin'i Mosesy sy tamin'i Arona hoe: BSB BSB: The LORD said to Moses and Aaron,
9 ULB "Rehefa miteny aminao i Farao hoe: 'Manaova fahagagana,' dia hiteny an'i Arona ianao hoe: 'Raiso ny tehinanao ary atsipazo eo anoloan'i Farao, mba hivadika bibilava izany.'" BSB BSB: “When Pharaoh tells you, ‘Perform a miracle,’ you are to say to Aaron, ‘Take your staff and throw it down before Pharaoh,’ and it will become a serpent.”
10 ULB Dia nankany amin'i Farao i Mosesy sy i Arona, ary nanao araka izay nandidin' Yaveh izy ireo. Natsipin'i Arona teo anoloan'i Farao sy ireo mpanompony ilay tehiny, ka lasa bibilava izany. BSB BSB: So Moses and Aaron went to Pharaoh and did just as the LORD had commanded. Aaron threw his staff down before Pharaoh and his officials, and it became a serpent.
11 ULB Nantsoin'i Farao ihany koa ireo olon-kendriny sy ireo mpanao ody. Ka nanao toy izany koa izy ireo tamin'ny alalan'ny odin'izy ireo. BSB BSB: But Pharaoh called the wise men and sorcerers and magicians of Egypt, and they also did the same things by their magic arts.
12 ULB Nanipy ny tehiny ny lehilahy tsirairay, ary lasa bibilava ireo tehina ireo. Nefa natelin'ny tehin'i Arona ny bibilavan'izy ireo. BSB BSB: Each one threw down his staff, and it became a serpent. But Aaron’s staff swallowed up the other staffs.
13 ULB Nihamafy ny fon'i Farao, ary tsy nihaino izy, araka ny efa nolazain'i Yaveh mialoha. BSB BSB: Still, Pharaoh’s heart was hardened, and he would not listen to them, just as the LORD had said.
14 ULB Hoy Yaveh tamin'i Mosesy hoe: "Mafy ny fon'i Farao, ary tsy manaiky ny handehan'ireo vahoaka. Mandehana vao maraina any amin'i Farao rehefa mivoka ho any amin'ny rano izy. BSB BSB: Then the LORD said to Moses, “Pharaoh’s heart is unyielding; he refuses to let the people go.
15 ULB Mijanona eny amin'ny amoron'ny renirano mba hihaona aminy, ary raiso eny an-tananao ilay tehina izay nivadika bibilava. BSB BSB: Go to Pharaoh in the morning as you see him walking out to the water. Wait on the bank of the Nile to meet him, and take in your hand the staff that was changed into a snake.
16 ULB Lazao izy hoe: 'Yaveh, Andriamanitr'ireo Hebreo, no efa nandefa ahy aty aminareo hiteny hoe: "Avelao ny oloko handeha, mba hanompoan'izy ireo ahy any an-tany efitra. Efa tsy nihaino ianao mandraka ankehitriny." BSB BSB: Then say to him, ‘The LORD, the God of the Hebrews, has sent me to tell you: Let My people go, so that they may worship Me in the wilderness. But until now you have not listened.
17 ULB Izao no lazain'i Yaveh: "Amin'izao no hahalalanao fa izaho no Yaveh. Hikapoka ny reniranon'i Neily amin'ny tehina izay ety an-tanako aho, ka hivadika rà ny renirano. BSB BSB: This is what the LORD says: By this you will know that I am the LORD. Behold, with the staff in my hand I will strike the water of the Nile, and it will turn to blood.
18 ULB Ny trondro izay ao anatin'ny renirano dia ho faty, ary dia hamofona maimbo ny renirano. Tsy ho afaka ny hisotro ny rano avy amin'ny renirano ireo Egyptiana.'"' BSB BSB: The fish in the Nile will die, the river will stink, and the Egyptians will be unable to drink its water.’”
19 ULB Ary hoy Yaveh tamin'i Mosesy hoe: "Teneno i Arona hoe: 'Raiso ny tehinao ary ahinjiro miaraka amin'ny tananao eo amin'ny ranon'ny Egypta, ary eo amin'ireo reniranon'izy ireo, ireo rano mandeha, ny farihy, sy ny dobo izy ireo rehetra, mba hivadika rà ireo rano ireo. Ataovy izany mba hisy rà manerana ny tany Egypta rehetra, na ao amin'ny fitoeran-kazo sy vato aza.'" BSB BSB: And the LORD said to Moses, “Tell Aaron, ‘Take your staff and stretch out your hand over the waters of Egypt—over their rivers and canals and ponds and all the reservoirs—that they may become blood.’ There will be blood throughout the land of Egypt, even in the vessels of wood and stone.”
20 ULB Nanao araka izay nandidian'i Yaveh i Mosesy sy Arona. Nanandratra ny tehiny Arona ary nokapohiny ilay rano teny amin'ny renirano, teo imason'i Farao sy ireo mpanompony. Ary nivadika rà ny rano rehetra teny amin'ny renirano. BSB BSB: Moses and Aaron did just as the LORD had commanded; in the presence of Pharaoh and his officials, Aaron raised the staff and struck the water of the Nile, and all the water was turned to blood.
21 ULB Maty ireo hazandrano tao anaty renirano, ary nanomboka namofona maimbo ny renirano. Tsy afaka nisotro rano avy tao amin'ny renirano ireo Egyptiana, ary feno rà maneranany tany Egypta. BSB BSB: The fish in the Nile died, and the river smelled so bad that the Egyptians could not drink its water. And there was blood throughout the land of Egypt.
22 ULB Fa nanao toy izany tamin'ny odin'izy ireo ihany koa ireo mpanao odin'i Egypta. Koa dia nihamafy ny fon'i Farao, ary nandà tsy hihaino an'i Mosesy sy Arona izy, araka izay efa nolazain'i Yaveh fa hiseho. BSB BSB: But the magicians of Egypt did the same things by their magic arts. So Pharaoh’s heart was hardened, and he would not listen to Moses and Aaron, just as the LORD had said.
23 ULB Dia nitodika i Farao ary niverina tao an-tranony. Tsy norarahiany akory izany. BSB BSB: Instead, Pharaoh turned around, went into his palace, and did not take any of this to heart.
24 ULB Nandavaka rano ho sotroina nanodidina ny renirano ireo Egyptiana rehetra, nefa tsy afaka misotro ny ranon'ny ony izy ireo. BSB BSB: So all the Egyptians dug around the Nile for water to drink, because they could not drink the water from the river.
25 ULB Fito andro no lasa taorian'ny namelezan'i Yaveh ny renirano. BSB BSB: And seven full days passed after the LORD had struck the Nile.