1 ULB Ary Yaveh niteny tamin'i Mosesy hoe: "Anio no hahitanao izay ho ataoko amin'i Farao. Ho hitanao izany, fa hamela azy ireo handeha izy nohon'ny tanako mahery. Noho ny tanako mahery, handroaka azy ireo hiala amin'ny taniny izy." BSB BSB: But the LORD said to Moses, “Now you will see what I will do to Pharaoh, for because of My mighty hand he will let the people go; because of My strong hand he will drive them out of his land.”
2 ULB Andriamanitra niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: "Izaho no Yaveh, BSB BSB: God also told Moses, “I am the LORD.
3 ULB Amin'ny maha-Ray Tsitoha Ahy no nisehoako tamin'i Abrahama, Isaka ary Jakoba; fa amin'ny anarako, Yaveh, dia tsy nahalala Ahy izy ireo. BSB BSB: I appeared to Abraham, to Isaac, and to Jacob as God Almighty, but by My name the LORD I did not make Myself known to them.
4 ULB Nametraka fifanekena tamin'izy ireo ihany koa Aho, mba hanomezana azy ireo ny tanin'i Kanana, tany izay nitoeran'izy ireo amin'ny maha mpiavy azy, tany izay nivezivezen'izy ireo. BSB BSB: I also established My covenant with them to give them the land of Canaan, the land where they lived as foreigners.
5 ULB Ary koa, nahare ny fitarainan'ny Israelita izay nandevozin'ny Egyptianina ihany koa Aho, ka tsaroako ny fanekeko. BSB BSB: Furthermore, I have heard the groaning of the Israelites, whom the Egyptians are enslaving, and I have remembered My covenant.
6 ULB Noho izany, lazao ireo Israelita hoe: 'Izaho no Yaveh. Hanafaka anareo amin'ny fanandevozan'ny Egyptiana Aho, ary ho afahako amin'ny heriny ianareo. Hanavotra anareo amin'ny fampisehoana ny heriko Aho, ary amin'ireo asa fitsarana mafy. BSB BSB: Therefore tell the Israelites: ‘I am the LORD, and I will bring you out from under the yoke of the Egyptians and deliver you from their bondage. I will redeem you with an outstretched arm and with mighty acts of judgment.
7 ULB Ho alaiko ho vahoakako ianareo, ary Izaho ho Andriamanitrareo. Ho fantatrareo fa Izaho no Yaveh Andriamanitrareo, izay nanafaka anareo teo ambanin'ny fanandevozan'ny ireo Egyptiana. BSB BSB: I will take you as My own people, and I will be your God. Then you will know that I am the LORD your God, who brought you out from under the yoke of the Egyptians.
8 ULB Ho entiko any amin'ny tany izay efa nampanantenaiko tamin'i Abrahama, Isaka, ary Jakoba ianareo. Dia homeko ho fanananareo izany. Izaho no Yaveh.'" BSB BSB: And I will bring you into the land that I swore to give to Abraham, Isaac, and Jacob. I will give it to you as a possession. I am the LORD!’”
9 ULB Rehefa niteny izany tamin'ireo Israelita i Mosesy, dia tsy nihaino azy izy ireo nohon'ny hakivian'izy ireo mahakasikany fanandevozana mafy azy ireo. BSB BSB: Moses relayed this message to the Israelites, but on account of their broken spirit and cruel bondage, they did not listen to him.
10 ULB Koa niteny tamin'i Mosesy i Yaveh ka nanao hoe: BSB BSB: So the LORD said to Moses,
11 ULB "Andeha lazao i Farao, mpanjakan'i Egypta, mba hamela ny vahoakan'Israely hiala ao amin'ny taniny. BSB BSB: “Go and tell Pharaoh king of Egypt to let the Israelites go out of his land.”
12 ULB Hoy i Mosesy niteny tamin'i Yaveh hoe: "Raha tsy nihaino Ahy ireo Israelita, nahoana i Farao no hihaino ahy, satria tsy dia mahay mandaha-teny aho?" BSB BSB: But in the LORD’s presence Moses replied, “If the Israelites will not listen to me, then why would Pharaoh listen to me, since I am unskilled in speech?”
13 ULB Dia niteny tamin'i Mosesy sy Arona i Yaveh. Nanome baiko azy ireo ho an'ireo Israelita sy ho an'i Farao, mpanjakan'i Egypta Izy, mba hitondra ireo Israelita hiala ny tany Egypta. BSB BSB: Then the LORD spoke to Moses and Aaron and gave them a charge concerning both the Israelites and Pharaoh king of Egypt, to bring the Israelites out of the land of Egypt.
14 ULB Ireto no lohan'ny fianakavian'ny razamben'izy ireo: ireo zanaka lahin-dRobena, lahimatoan'Israely, dia i Hanoka, Palo, Hezrona, ary Karmy. Ireto no fokon'ny razamben'i Robena. BSB BSB: These were the heads of their fathers’ houses: The sons of Reuben, the firstborn of Israel, were Hanoch and Pallu, Hezron and Carmi. These were the clans of Reuben.
15 ULB Ireo zanaka lahin'i Simeona dia Jemoela, Jaminasy, Ohada, Jakinasy, Zohara, ary Saoly_ny zanak'ilay vehivavy Kananita. Ireo no razamben'ny fokon'i Simeona. BSB BSB: The sons of Simeon were Jemuel, Jamin, Ohad, Jachin, Zohar, and Shaul, the son of a Canaanite woman. These were the clans of Simeon.
16 ULB Ireto tanisaina ireto no zanaka lahin'i Levy, miaraka amin'ny taranak'izy ireo. Izy ireo dia i Gersona, Kehata, ary i Merary. Niaina hatramin'ny faha 137 taonany i Levy. BSB BSB: These were the names of the sons of Levi according to their records: Gershon, Kohath, and Merari. Levi lived 137 years.
17 ULB Ireo zanaka lahin'i Gersona dia i Libny sy i Simey. BSB BSB: The sons of Gershon were Libni and Shimei, by their clans.
18 ULB Ireo zanaka lahin'i Kehata dia i Amrama, Jizara, Hebrona, ary i Oziela. Niaina hatramin'ny faha telo amby telopolo amby zato taonany i Kehata. BSB BSB: The sons of Kohath were Amram, Izhar, Hebron, and Uzziel. Kohath lived 133 years.
19 ULB Ireo zanaka lahin'i Merary dia i Maly sy Mosy. Ireo no lasa razamben'ny fokon'ireo Levita, miaraka amin'ireo taranany. BSB BSB: The sons of Merari were Mahli and Mushi. These were the clans of the Levites according to their records.
20 ULB Dia nanambady an'i Jekebeda i Amrama, anabavin'ny rainy. Niteraka an'i Arona sy i Mosesy taminy izy. Niaina 137 taona i Amrama dia maty avy eo. BSB BSB: And Amram married his father’s sister Jochebed, and she bore him Aaron and Moses. Amram lived 137 years.
21 ULB Ireo zanaka lahin'i Jezara dia i Nafega, sy i Zikry. BSB BSB: The sons of Izhar were Korah, Nepheg, and Zichri.
22 ULB Ireo zanaka lahin'i Oziela dia i Misaela, Elzafana, ary i Sitry. BSB BSB: The sons of Uzziel were Mishael, Elzaphan, and Sithri.
23 ULB Nanambady an'i Eliseba i Arona, zanaka vavin'i Aminadaba, anabavin' i Nasona. Niteraka an' i Nadaba, Abiho, Eleazara, ary i Itamara taminy izy. BSB BSB: And Aaron married Elisheba, the daughter of Amminadab and sister of Nahshon, and she bore him Nadab and Abihu, Eleazar and Ithamar.
24 ULB Ireo zanaka lahin'i Kora dia i Asira, Elkana, ary i Abiasafa. Ireo no razamben'ny fokon'ny Koraita. BSB BSB: The sons of Korah were Assir, Elkanah, and Abiasaph. These were the clans of the Korahites.
25 ULB Eleazara, zanaka lahin'i Arona, nanambady ny iray tamin'ireo zanaka vavin'i Potiela. Niteraka an'i Fineasa taminy izy. Ireo no lohan'ny fianakaviana teo amin'ireo Levita, miaraka amin'ireo taranany. BSB BSB: Aaron’s son Eleazar married one of the daughters of Putiel, and she bore him Phinehas. These were the heads of the Levite families by their clans.
26 ULB Ireo lehilahy roa ireo dia i Arona sy Mosesy izay nitenenan'i Yaveh hoe: "Ento miala ny tany Egypta ireo Israelita, amin'ny alalan'ireo vondron-dehilahy mpiady." BSB BSB: It was this Aaron and Moses to whom the LORD said, “Bring the Israelites out of the land of Egypt by their divisions.”
27 ULB Arona sy Mosesy niteny tamin'i Farao, mpanjakan'i Egypta, mba hamela azy ireo hamoaka ireo Israelita avy ao Egypta. Ilay Mosesy sy Arona ihany ireo. BSB BSB: Moses and Aaron were the ones who spoke to Pharaoh king of Egypt in order to bring the Israelites out of Egypt.
28 ULB Rehefa niteny tamin'i Mosesy tao amin'ny tany Egypta Yaveh, BSB BSB: Now on the day that the LORD spoke to Moses in Egypt,
29 ULB dia hoy Izy taminy hoe: "Izaho no Yaveh. Lazao amin'i Farao, mpanjakan'i Egypta, izay rehetra holazaiko aminao." BSB BSB: He said to him, “I am the LORD; tell Pharaoh king of Egypt everything I say to you.”
30 ULB Fa Mosesy niteny tamin'i Yaveh hoe: "Tsy dia mahay miteny aho, ka ahoana no hihainoan'i Farao ahy?" BSB BSB: But in the LORD’s presence Moses replied, “Since I am unskilled in speech, why would Pharaoh listen to me?”