1 ULB Taorian'ny nitrangan'ireo zavatra ireo, dia nandeha tany amin'i Farao i Mosesy sy Arona ary niteny hoe: "Izao no lazain'i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely, hoe: 'Avelao ny oloko andeha, mba hanaovan'izy ireo firavoravona ho Ahy any an'efitra.'" BSB BSB: After that, Moses and Aaron went to Pharaoh and said, “This is what the LORD, the God of Israel, says: ‘Let My people go, so that they may hold a feast to Me in the wilderness.’”
2 ULB Hoy Farao hoe: "Fa iza moa izany Yaveh izany? Nahoana aho no tokony hihaino ny teniny ary hamela an'Israely handeha? Tsy mahafantatra an'i Yaveh aho; ary fanampin'izany, tsy hamela an'Israely handeha aho." BSB BSB: But Pharaoh replied, “Who is the LORD that I should obey His voice and let Israel go? I do not know the LORD, and I will not let Israel go.”
3 ULB Hoy izy ireo hoe: "Efa nihaona taminay ny Andriamanitr'ireo Hebreo. Avelao izahay andeha hateloana any an'efitra ary hanao sorona ho an'i Yaveh Andriamanitray mba tsy hanafihany anay amin'ny loza na amin'ny sabatra." BSB BSB: “The God of the Hebrews has met with us,” they answered. “Please let us go on a three-day journey into the wilderness to sacrifice to the LORD our God, or He may strike us with plagues or with the sword.”
4 ULB Fa hoy ny mpanjakan'i Egypta tamin'izy ireo hoe: "Ry Mosesy sy Arona, nahoana ianareo no manala ny olona amin'ny asan'izy ireo? Miverena amin'ny asanareo." BSB BSB: But the king of Egypt said to them, “Moses and Aaron, why do you draw the people away from their work? Get back to your labor!”
5 ULB Hoy ihany koa izy hoe: "Ankehitriny misy vahoaka Hebreo maro eto amn'ny taninay, ary mampitsahatra azy ireo amin'ny asany ianareo." BSB BSB: Pharaoh also said, “Look, the people of the land are now numerous, and you would be stopping them from their labor.”
6 ULB Tamin'io andro io ihany, dia nanome baiko tamin'ireo mpampiasa sy ireo mpiambina i Farao. Hoy izy hoe: BSB BSB: That same day Pharaoh commanded the taskmasters of the people and their foremen:
8 ULB Na izany aza, dia tokony mbola hitaky ny isan-biriky mitovy tamin'ny nataon'izy ireo teo aloha ihany ianareo. Aza manaiky izay vitsy noho izany, satria kamo izy ireo. Izany no mahatonga azy ireo miantso mafy sy miteny hoe: 'Avelao izahay andeha sy hanao sorona ho an'ny Andriamanitray.' BSB BSB: But require of them the same quota of bricks as before; do not reduce it. For they are lazy; that is why they are crying out, ‘Let us go and sacrifice to our God.’
9 ULB Ampitomboy ny ora hiasana ho an'ireo lehilahy mba hifantohan'izy ireo amin'izany ka tsy hihaino teny fitaka intsony." BSB BSB: Make the work harder on the men so they will be occupied and pay no attention to these lies.”
10 ULB Koa dia nandeha nampahafantatra ny vahoaka ny olon'ny mpampiasa sy ireo mpiambina. Hoy izy ireo hoe: "Izao no lazain'i Farao hoe: 'Tsy hanome mololo ho anareo intsony aho. BSB BSB: So the taskmasters and foremen of the people went out and said to them, “This is what Pharaoh says: ‘I am no longer giving you straw.
11 ULB Aoka ianareo ihany no handeha ka haka mololo na aiza na aiza ahitanareo izany, saingy tsy hihena ny asanareo'" BSB BSB: Go and get your own straw wherever you can find it; but your workload will in no way be reduced.’”
12 ULB Koa dia niely nanerana ny tany Egypta manontolo ireo olona mba hanangona vodivary hatao mololo. BSB BSB: So the people scattered all over the land of Egypt to gather stubble for straw.
13 ULB Ary ireo mpampiasa nanohy nandrisika azy ireo ka niteny hoe: "Vitao ny asanareo, tahaka ny tamin'ny fotoana nanomezana mololo anareo." BSB BSB: The taskmasters kept pressing them, saying, “Fulfill your quota each day, just as you did when straw was provided.”
14 ULB Nikapoka ny mpiambina Israelita ireo mpampiasan'i Farao, ireo lehilahy izay efa nampiandraiketin'izy ireo an'ireo mpiasa ihany. Nanontany azy ireo hatrany ny mpampiasa hoe: "Nahoana ianareo no tsy namokatra ny biriky rehetra izay notakiana taminareo, na omaly na androany, toy ny fanaonareo taloha?" BSB BSB: Then the Israelite foremen, whom Pharaoh’s taskmasters had set over the people, were beaten and asked, “Why have you not fulfilled your quota of bricks yesterday or today, as you did before?”
15 ULB Koa dia nanatona an'i Farao ireo mpiambina Israelita ka nitaraina taminy hoe: "Nahoana ianao no mitondra ireo mpanomponao tahaka izao? BSB BSB: So the Israelite foremen went and appealed to Pharaoh: “Why are you treating your servants this way?
16 ULB Tsy hisy mololo homena ireo mpanomponao intsony, kanefa izy ireo dia mbola miteny anay hoe: 'Manamboara biriky!' Izahay, mpanomponao, dia kapohina mihitsy aza ankehitriny, kanefa fahadisoan'ny vahoakanao ihany izany." BSB BSB: No straw has been given to your servants, yet we are told, ‘Make bricks!’ Look, your servants are being beaten, but the fault is with your own people.”
17 ULB Fa hoy Farao hoe: "Kamo ianareo! Kamo ianareo! Hoy ianareo hoe: 'Avelao izahay handeha hanao sorona ho an'i Yaveh.' BSB BSB: “You are slackers!” Pharaoh replied. “Slackers! That is why you keep saying, ‘Let us go and sacrifice to the LORD.’
18 ULB Koa ankehitriny mandehana miverina amin'ny asanareo. Tsy hisy mololo homena anareo intsony, fa tsy maintsy mbola manao isam-biriky mitovy ihany ianareo." BSB BSB: Now get to work. You will be given no straw, yet you must deliver the full quota of bricks.”
19 ULB Hitan'ireo mpiambina Israelita fa tafalatsaka tanaty kizo izy ireo rehefa nolazaina hoe: "Tsy mahazo mampihena ny isam-biriky vokarina isan'andro ianareo." BSB BSB: The Israelite foremen realized they were in trouble when they were told, “You must not reduce your daily quota of bricks.”
20 ULB Nihaona tamin'i Mosesy sy Arona izy ireo, izay nijoro tany ivelan'ny lapa, raha nandeha avy tao amin'i Farao izy ireo. BSB BSB: When they left Pharaoh, they confronted Moses and Aaron, who stood waiting to meet them.
21 ULB Hoy izy ireo tamin'i Mosesy sy Arona hoe: "Hijery anareo anie i Yaveh ary hanasazy anareo, satria nataonareo nangidy hoditra teo imason'i Farao sy ireo mpanompony izahay. Nasianareo sabatra ny tanan'izy ireo mba hamonoana anay." BSB BSB: “May the LORD look upon you and judge you,” the foremen said, “for you have made us a stench before Pharaoh and his officials; you have placed in their hand a sword to kill us!”
22 ULB Nandeha niverina tany amin'i Yaveh i Mosesy ary niteny hoe: "Ry Tompo, nahoana Ianao no nampidi-doza ireo olona ireo? Nahoana aho no nalefanao voalohany? BSB BSB: So Moses returned to the LORD and asked, “Lord, why have You brought trouble upon this people? Is this why You sent me?
23 ULB Isaky ny nanatona an'i Farao hitondra ny hafatrao aho, dia nitondra fikorontanana ho an'ireo olona izy, ary tsy nanafaka ny olonao mihitsy Ianao." BSB BSB: Ever since I went to Pharaoh to speak in Your name, he has brought trouble on this people, and You have not delivered Your people in any way.”