1 ULB Namaly Mosesy hoe: "Saingy ahoana raha tsy mino ahy izy ireo na tsy mihaino ahy fa hiteny kosa hoe: 'Tsy niseho taminao ve Yaveh'?" BSB BSB: Then Moses answered, “What if they do not believe me or listen to my voice? For they may say, ‘The LORD has not appeared to you.’”
2 ULB Hoy Yaveh taminy: "Inona iny an-tananao iny?" Namaly Mosesy hoe: "Tehina." BSB BSB: And the LORD asked him, “What is that in your hand?” “A staff,” he replied.
3 ULB Hoy Yaveh hoe: "Atsipazo eo amin'ny tany izany." Nanipy izany tamin'ny tany i Mosesy, ary nivadika bibilava izany. Nandositra izany i Mosesy. BSB BSB: “Throw it on the ground,” said the LORD. So Moses threw it on the ground, and it became a snake, and he ran from it.
4 ULB Hoy Yaveh tamin'i Mosesy hoe: "Ahinjiro ny tananao ary raiso amin'ny rambony io." Koa dia naninjitra izy ary nandray ilay bibilava. Dia lasa tehina teny an-tanany indray izany. BSB BSB: “Stretch out your hand and grab it by the tail,” the LORD said to Moses, who reached out his hand and caught the snake, and it turned back into a staff in his hand.
5 ULB "Izany dia mba hahafahan'izy ireo mino fa Yaveh, ilay Andriamanitry ny razan'izy ireo, Andriamanitr'i Abrahama, Andriamanitr'Isaka, ary Andriamanitr'i Jakoba, no efa niseho taminao." BSB BSB: “This is so that they may believe that the LORD, the God of their fathers—the God of Abraham, the God of Isaac, and the God of Jacob—has appeared to you.”
6 ULB Hoy ihany Yaveh taminy hoe: "Izao dia atsofohy ao anaty akanjonao ny tananao." Dia natsofok'i Mosesy tao anaty akanjony ny tanany. Rehefa namoaka izany izy, indro, boka ny tanany, fotsy tahaka ny oram-panala. BSB BSB: Furthermore, the LORD said to Moses, “Put your hand inside your cloak.” So he put his hand inside his cloak, and when he took it out, his hand was leprous, white as snow.
7 ULB Hoy Yaveh: "Atsofohy ao anaty akanjonao indray ny tananao." Dia natsofok'i Mosesy tao anaty akanjony ny tanany, ary rehefa navoakany izany, dia hitany fa sitrana indray izany, toy ny ambin'ny nofony rehetra. BSB BSB: “Put your hand back inside your cloak,” said the LORD. So Moses put his hand back inside his cloak, and when he took it out, it was restored, like the rest of his skin.
8 ULB Hoy Yaveh hoe: "Raha tsy mino anao izy ireo—raha tsy miraharaha ny famantarana voalohany ny heriko na tsy mino izany izy ireo, dia hino ny famantarana faharoa. BSB BSB: And the LORD said, “If they refuse to believe you or heed the witness of the first sign, they may believe that of the second.
9 ULB Raha tsy mino na dia ireo famantarana ny heriko roa ireo aza izy ireo, na tsy mihaino anao, dia manovoza rano any amin'ny renirano ary hararaho amin'ny tany maina izany. Ny rano izay ho alainao dia hivadika rà eo amin'ny tany maina." BSB BSB: But if they do not believe even these two signs or listen to your voice, take some water from the Nile and pour it on the dry ground. Then the water you take from the Nile will become blood on the ground.”
10 ULB Dia hoy Mosesy tamin'i Yaveh hoe: "Ry Tompo, tsy mahay mandaha-teny aho, na tamin'ny lasa na hatramin'ny niresahanao tamin'ny mpanomponao. Miadam-piteny sy miraiki-dela aho." BSB BSB: “Please, Lord,” Moses replied, “I have never been eloquent, neither in the past nor since You have spoken to Your servant, for I am slow of speech and tongue.”
11 ULB Hoy Yaveh taminy hoe: "Iza ilay nanamboatra ny vavan'ny olona? Izay nanao ny olona ho moana na marenina na mahiratra na jamba? Moa tsy Izaho, Yaveh? BSB BSB: And the LORD said to him, “Who gave man his mouth? Or who makes the mute or the deaf, the sighted or the blind? Is it not I, the LORD?
12 ULB Noho izany mandehana, ary Izaho momban'ny vavanao ary hampianatra anao izay ho lazaina." BSB BSB: Now go! I will help you as you speak, and I will teach you what to say.”
13 ULB Fa hoy Mosesy: "Ry Tompo, maniraha olona hafa, izay sitrakao hirahina." BSB BSB: But Moses replied, “Please, Lord, send someone else.”
14 ULB Dia tezitra tamin'i Mosesy Yaveh. Hoy Izy hoe: "Ahoana ny momba an'i Arona rahalahinao, ilay Levita? Fantatro fa afaka miteny tsara izy. Fanampin'izany, ho avy hihaona aminao izy, ary rehefa mahita anao izy, dia ho faly ao am-pony. BSB BSB: Then the anger of the LORD burned against Moses, and He said, “Is not Aaron the Levite your brother? I know that he can speak well, and he is now on his way to meet you. When he sees you, he will be glad in his heart.
15 ULB Hiteny aminy ianao ary hametraka ny teny hotenenina eo am-bavany. Izaho homba ny vavanao sy ny vavany, ary hasehoko anareo roa izay hatao. BSB BSB: You are to speak to him and put the words in his mouth. I will help both of you to speak, and I will teach you what to do.
16 ULB Hiteny amin'ny vahoaka ho anao izy. Ho vavanao izy, ary aminy ianao dia ho tahaka Ahy, Andriamanitra. BSB BSB: He will speak to the people for you. He will be your spokesman, and it will be as if you were God to him.
17 ULB Ho entinao eo an-tananao io tehina io. Amin'izany no hanaovanao ireo famantarana." BSB BSB: But take this staff in your hand so you can perform signs with it.”
18 ULB Dia niverina tany amin'i Jetro rafozan-dahiny i Mosesy ary niteny taminy hoe: "Avelao aho handeha mba hahafahako miverina any amin'ireo havako izay any Egypta ary hijery raha mbola velona izy ireo." Hoy Jetro tamin'i Mosesy hoe: "Mandehana amim-piadanana." BSB BSB: Then Moses went back to his father-in-law Jethro and said to him, “Please let me return to my brothers in Egypt to see if they are still alive.” “Go in peace,” Jethro replied.
19 ULB Hoy Yaveh tamin'i Mosesy tany Midiana hoe: "Mandehana, miverena any Egypta, fa efa maty ireo lehilahy rehetra izay nikasa haka ny ainao." BSB BSB: Now the LORD had said to Moses in Midian, “Go back to Egypt, for all the men who sought to kill you are dead.”
20 ULB Naka ny vadiny sy ireo zanany lahy i Mosesy ary nametraka azy ireo teo ambon'ny boriky. Niverina tany amin'ny tanin'i Egypta izy, ary noraisiny teny an-tanany ny tehin'Andriamanitra. BSB BSB: So Moses took his wife and sons, put them on a donkey, and headed back to Egypt. And he took the staff of God in his hand.
21 ULB Hoy Yaveh tamin'i Mosesy hoe: "Rehefa miverina any Egypta ianao, aoka ho ataonao eo anatrehan'i Farao ireo fahagagana rehetra izay efa napetrako teo amin'ny fahefanao. Saingy hanamafy ny fony Aho, ary tsy hamela ireo vahoaka handeha izy. BSB BSB: The LORD instructed Moses, “When you go back to Egypt, see that you perform before Pharaoh all the wonders that I have put within your power. But I will harden his heart so that he will not let the people go.
22 ULB Tsy maintsy hiteny an'i Farao ianao hoe: 'Izao no nolazain'i Yaveh: Israely dia zanako lahy, lahimatoako, BSB BSB: Then tell Pharaoh that this is what the LORD says: ‘Israel is My firstborn son,
23 ULB ary milaza aminao Aho: "Avelao handeha ny zanako, mba hahafahany manompo Ahy." Fa satria nandà ny hamela azy andeha ianao, dia hovonoiko tokoa ny zanakao lahy, dia ny lahimatoanao.'" BSB BSB: and I told you to let My son go so that he may worship Me. But since you have refused to let him go, behold, I will kill your firstborn son!’”
24 ULB Ary teny an-dalana, rehefa nijanona ho amin'ny alina izy ireo, dia nihaona tamin'i Mosesy ary nikasa hamono azy Yaveh. BSB BSB: Now at a lodging place along the way, the LORD met Moses and was about to kill him.
25 ULB Dia naka fiharatra vato i Zipora ary namora ny zanany lahy, ary nanakasoka izany tamin'ny tongony. Dia hoy izy: "Azo antoka fa vady amin'ny alalan'ny rà amiko ianao." BSB BSB: But Zipporah took a flint knife, cut off her son’s foreskin, and touched it to Moses’ feet. “Surely you are a bridegroom of blood to me,” she said.
26 ULB Dia namela azy irery Yaveh. Hoy izy hoe: "Vady amin'ny alalan'ny rà ianao" nohon'ilay famorana. BSB BSB: So the LORD let him alone. (When she said, “bridegroom of blood,” she was referring to the circumcision.)
27 ULB Hoy Yaveh tamin'i Arona hoe: "Mandehana any an'efitra mba hihaona amin'i Mosesy." Nandeha i Arona, nihaona taminy tany an-tendrombohitr'Andriamanitra, ary nanoroka azy. BSB BSB: Meanwhile, the LORD had said to Aaron, “Go and meet Moses in the wilderness.” So he went and met Moses at the mountain of God and kissed him.
28 ULB Nolazain'i Mosesy tamin'i Arona avokoa ireo Tenin'i Yaveh izay nanirahany azy ho lazaina sy ny momba ireo famantaran'ny fahefan'i Yaveh rehetra izay nandidiany azy ho ataony. BSB BSB: And Moses told Aaron everything the LORD had sent him to say, and all the signs He had commanded him to perform.
29 ULB Dia nandeha i Mosesy sy Arona ary namory ireo loholon'ireo Israelita rehetra. BSB BSB: Then Moses and Aaron went and assembled all the elders of the Israelites,
30 ULB Nambaran'i Arona avokoa ireo teny rehetra izay nolazain'i Yaveh tamin'i Mosesy. Nampiharihariany teo imason'ireo vahoaka ihany koa ireo famantaran'ny herin'i Yaveh. BSB BSB: and Aaron relayed everything the LORD had said to Moses. And Moses performed the signs before the people,
31 ULB Dia nino ny vahoaka. Rehefa henon'izy ireo fa efa nandinika ireo Israelita Yaveh ary efa nahita ny fampahoriana azy ireo, dia nampiankohoka ny lohany izy ireo ary nanompo Azy. BSB BSB: and they believed. And when they heard that the LORD had attended to the Israelites and had seen their affliction, they bowed down and worshiped.