1 ULB Ary mbola niandry ny ondry aman'osin'i Jetro rafozany, ilay mpisoron'ny Midiana ihany i Mosesy. Dia nentin'i Mosesy tany ankoatry ny efitra ny ondry aman'osy ka tonga tany Horeba, ilay tendrombohitr'Andriamanitra. BSB BSB: Meanwhile, Moses was shepherding the flock of his father-in-law Jethro, the priest of Midian. He led the flock to the far side of the wilderness and came to Horeb, the mountain of God.
2 ULB Teo no nisehoan'ilay anjelin'i Yaveh taminy tamin'ny lelan'afo tao anaty voaroy. Nijery i Mosesy, ary indro, nirehitra ilay voaroy, nefa ilay voaroy dia tsy nety levona. BSB BSB: There the angel of the LORD appeared to him in a blazing fire from within a bush. Moses saw the bush ablaze with fire, but it was not consumed.
3 ULB Dia hoy Mosesy hoe: "Hanatona akaiky aho mba hizahako izao zava-mahagaga izao, nahoana no tsy levona ilay voaroy." BSB BSB: So Moses thought, “I must go over and see this marvelous sight. Why is the bush not burning up?”
4 ULB Koa rehefa hitan'i Yaveh fa nanatona akaiky izy mba hizaha, dia niantso azy avy eo amin'ilay voaroy Andriamanitra ka nanao hoe: "Mosesy, Mosesy." Dia hoy Mosesy hoe: "Inty aho." BSB BSB: When the LORD saw that he had gone over to look, God called out to him from within the bush, “Moses, Moses!” “Here I am,” he answered.
5 ULB Dia hoy Andriamanitra hoe: "Aza manakaiky loatra! Esory eny an-tongotrao ny kiraronao, fa ny toerana izay ijoroanao dia tany efa voatokana ho Ahy." BSB BSB: “Do not come any closer,” God said. “Take off your sandals, for the place where you are standing is holy ground.”
6 ULB Nampiany hoe: "Izaho no Andriamanitry ny razanao, Andriamanitr'i Abrahama, Andriamanitr'Isaka, ary Andriamanitr'i Jakoba." Dia nanarona ny tavany iMosesy, satria natahotra ny hijery an'Andriamanitra izy. BSB BSB: Then He said, “I am the God of your father, the God of Abraham, the God of Isaac, and the God of Jacob.” At this, Moses hid his face, for he was afraid to look at God.
7 ULB Hoy Yaveh hoe: "Hitako tokoa ny fahorian'ny vahoakako izay tao Egypta. Efa reko ny fitarainan'izy ireo nohon'ny amin'ireo mpifehy azy, satria fantatro ny momban'ny fijalian'izy ireo. BSB BSB: The LORD said, “I have indeed seen the affliction of My people in Egypt. I have heard them crying out because of their oppressors, and I am aware of their sufferings.
8 ULB Koa nidina aho mba hanafaka azy ireo amin'ny fahefan'ireo Egyptiana ary hitondra azy ireo hiakatra avy amin'izany tany izany ho any amin'ny tany soa, sy midadasika, ho any amin'ny tany tondra-dronono sy tantely; ho any amin'ny faritr'ireo Kananita, Hetita, Amorita, Perizita, Hivita, ary ireo Jebosita. BSB BSB: I have come down to rescue them from the hand of the Egyptians and to bring them up out of that land to a good and spacious land, a land flowing with milk and honey—the home of the Canaanites, Hittites, Amorites, Perizzites, Hivites, and Jebusites. 9 ULB Ankehitriny efa tonga aty amiko ireo fitarainan'ny vahoakan'i Israely. Ary koa, efa hitako ny fampahoriana nataon'ireo Egyptiana. BSB BSB: And now the cry of the Israelites has reached Me, and I have seen how severely the Egyptians are oppressing them.
10 ULB Noho izany, haniraka anao ho any amin'i Farao Aho mba hahafahanao hitondra ny vahoakako, ireo Israelita, hiala ao Egypta." BSB BSB: Therefore, go! I am sending you to Pharaoh to bring My people the Israelites out of Egypt.”
11 ULB Saingy hoy i Mosesy tamin'Andriamanitra hoe: "Iza moa aho, no handeha any amin'i Farao ka hitondra ireo Israelita hiala ao Egypta?" BSB BSB: But Moses asked God, “Who am I, that I should go to Pharaoh and bring the Israelites out of Egypt?”
12 ULB Dia namaly Andriamanitra hoe: "Homba anao tokoa Aho. Izao no famantarana ho anao fa efa naniraka anao Aho. Rehefa tafavoakanao avy ao Egypta ny vahoaka, dia hanompo Ahy eto amin'ity tendrombohitra ity ianareo." BSB BSB: “I will surely be with you,” God said, “and this will be the sign to you that I have sent you: When you have brought the people out of Egypt, all of you will worship God on this mountain.”
13 ULB Dia hoy Mosesy tamin'Andriamanitra hoe: "Raha ho any amin'ireo Israelita aho ka hilaza amin'izy ireo hoe: 'Ny Andriamanitry ny razanareo no naniraka ahy ho aty aminareo,' ka raha hoy izy ireo amiko hoe: 'Iza no anarany?' Dia inona no ho lazaiko amin'izy ireo?" BSB BSB: Then Moses asked God, “Suppose I go to the Israelites and say to them, ‘The God of your fathers has sent me to you,’ and they ask me, ‘What is His name?’ What should I tell them?”
15 ULB Dia hoy ihany koa Andriamanitra tamin'i Mosesy hoe: 'Yaveh, Andriamanitry ny razanareo, Andriamanitr'i Abrahama, Andriamanitr'Isaka, Andriamanitr'i Jakoba, no naniraka ahy ho aty aminareo. Izany no anarako mandrakizay, izany no hatsiarovana Ahy hatramin'ny taranaka fara-mandimby rehetra.' BSB BSB: God also told Moses, “Say to the Israelites, ‘The LORD, the God of your fathers—the God of Abraham, the God of Isaac, and the God of Jacob—has sent me to you.’ This is My name forever, and this is how I am to be remembered in every generation.
16 ULB Mandehana ka vorio miaraka ireo loholon'ny Israely. Lazao amin'izy ireo hoe: "Yaveh, Andriamanitry ny razanareo, Andriamanitr'i Abrahama, Andriamanitr'Isaka, Andriamanitr'i Jakoba, efa niseho tamiko ka nanao hoe: "Efa nandinika anareo tokoa aho, ary nahita izay natao taminareo tany Egypta." BSB BSB: Go, assemble the elders of Israel and say to them, ‘The LORD, the God of your fathers—the God of Abraham, Isaac, and Jacob—has appeared to me and said: I have surely attended to you and have seen what has been done to you in Egypt.
17 ULB Efa nampanantena Aho fa hitondra anareo hiala amin'ny fampahoriana ao Egypta ho any amin'ny tanin'ireo Kananita, Hetita, Amorita, Perizita, Hivita, ary ireo Jebosita, tany tondra-dronono sy tantely." BSB BSB: And I have promised to bring you up out of your affliction in Egypt, into the land of the Canaanites, Hittites, Amorites, Perizzites, Hivites, and Jebusites—a land flowing with milk and honey.’
18 ULB Hihaino anao izy ireo. Tsy maintsy mankany amin'ny mpanjakan'i Egypta ianao sy ireo loholon'Israely, ka izao no tsy maintsy ho lazainareo aminy hoe: "Yaveh, Andriamanitry ny Hebreo, dia efa nihaona taminay. Koa aoka izahay handeha hateloana any an'efitra, mba hahafahanay hanao sorona ho an'i Yaveh, Andriamanitray.' BSB BSB: The elders of Israel will listen to what you say, and you must go with them to the king of Egypt and tell him, ‘The LORD, the God of the Hebrews, has met with us. Now please let us take a three-day journey into the wilderness, so that we may sacrifice to the LORD our God.’
19 ULB Nefa fantatro fa tsy hamela anareo handeha ny mpanjakan'i Egypta, raha tsy hoterena izy. BSB BSB: But I know that the king of Egypt will not allow you to go unless a mighty hand compels him.
20 ULB Haninjitra ny tanako Aho ary hanafika ireo Egyptiana amin'ireo fahagagana izay ho ataoko eo amin'izy ireo. Rehefa afaka izany dia hamela anareo handeha izy. BSB BSB: So I will stretch out My hand and strike the Egyptians with all the wonders I will perform among them. And after that, he will release you.
21 ULB Dia hampahitako fitia amin'ny Egyptiana ireo vahoaka ireo, koa rehefa handeha ianareo, dia tsy handeha amin'ny tanam-polo. BSB BSB: And I will grant this people such favor in the sight of the Egyptians that when you leave, you will not go away empty-handed.
22 ULB Ny vehivavy rehetra dia hangataka firavaka volafotsy sy volamena ary fitafiana amin'ireo Egyptiana mpiara-monina aminy sy izay vehivavy rehetra mitoetra ao an-tranon'ireo mpiara-monina aminy. Hampitondranareo ny zanakareo lahy sy ny zanakareo vavy izany. Izany no fomba handrobanareo ny Egyptiana." BSB BSB: Every woman shall ask her neighbor and any woman staying in her house for silver and gold jewelry and clothing, and you will put them on your sons and daughters. So you will plunder the Egyptians.”