1 ULB Ary nisy lehilahy iray avy amin'ny fokon'i Levy nanambady zanaka vavin'i Levy. BSB BSB: Now a man of the house of Levi married a Levite woman,
2 ULB Nitoe-jaza ilay vehivavy ka niteraka zazalahy. Rehefa hitany fa zazalahy salama izy, dia nafeniny nandritra ny telo volana. BSB BSB: and she conceived and gave birth to a son. When she saw that he was a beautiful child, she hid him for three months.
3 ULB Fa rehefa tsy afaka nanafina azy intsony izy, dia naka sobika norariana tamin'ny ahitra ary noraiketiny tamin'ny ditin-tany sy dity izany. Avy eo dia nampidiriny tao ilay zazakely ka napetrany teny amoron'ny volotara manaraka ny moron'ny ony izany. BSB BSB: But when she could no longer hide him, she got him a papyrus basket and coated it with tar and pitch. Then she placed the child in the basket and set it among the reeds along the bank of the Nile.
4 ULB Nijoro avy lavitra ny anabaviny mba hijery izay hanjo azy. BSB BSB: And his sister stood at a distance to see what would happen to him.
5 ULB Nidina nandro teny amin'ny ony ny zanakavavin'i Farao raha nandehandeha nanaraka ny moron'ny ony ireo mpanompony. Nahita ny sobika teo amin'ny volotara izy ka naniraka ny mpanompony haka izany. BSB BSB: Soon the daughter of Pharaoh went down to bathe in the Nile, and her attendants were walking along the riverbank. And when she saw the basket among the reeds, she sent her maidservant to retrieve it.
6 ULB Rehefa nanokatra izany izy, dia nahita ilay zazakely. Indro, nitomany ilay zaza. Nangoraka azy izy ka hoy izy hoe: "Azo antoka fa iray amin'ireo zanaky Hebreo ity." BSB BSB: When she opened it, she saw the child, and behold, the little boy was crying. So she had compassion on him and said, “This is one of the Hebrew children.”
7 ULB Ary hoy ny anabavin'ilay zazakely tamin'ny zanaka vavin'i Farao hoe: "Tokony handeha ary hitady vehivavy Hebreo mba hitaiza ilay zaza ho anao ve aho?" BSB BSB: Then his sister said to Pharaoh’s daughter, “Shall I go and call one of the Hebrew women to nurse the child for you?”
8 ULB Dia hoy ny zanaka vavin'i Farao taminy hoe: "Mandehana." Koa dia nandeha ilay tovovavy ary naka ny renin'ilay zaza. BSB BSB: “Go ahead,” Pharaoh’s daughter told her. And the girl went and called the boy’s mother.
9 ULB Hoy ny zanaka vavin'i Farao tamin'ny renin'ilay zazak hoe: "Raiso ity zaza ity ka tezao ho ahy, ary homeko karama ianao." Dia noraisin'ilay vehivavy ilay zaza ary notazainy. BSB BSB: Pharaoh’s daughter said to her, “Take this child and nurse him for me, and I will pay your wages.” So the woman took the boy and nursed him.
10 ULB Rehefa nihalehibe ilay zaza, dia nentiny tany amin'ny zanaka vavin'i Farao, ka dia lasa zanany. Nomeny ny anarana hoe Mosesy izy ary hoy izy hoe: "Satria namoaka azy avy teny amin'ny rano aho." BSB BSB: When the child had grown older, she brought him to Pharaoh’s daughter, and he became her son. She named him Moses and explained, “I drew him out of the water.”
11 ULB Rehefa lehibe i Mosesy, dia nivoaka teny amin'ireo vahoakany ary nanara-maso ny asa mafin'izy ireo. Nahita Egyptiana iray namono Hebreo iray izy, iray amin'ireo vahoakany. BSB BSB: One day, after Moses had grown up, he went out to his own people and observed their hard labor. He saw an Egyptian beating a Hebrew, one of his own people.
12 ULB Nijery tetsy sy teroa izy, ary rehefa hitany fa tsy nisy olona teo, dia novonoiny ilay Egyptiana ary nafeniny tao anaty fasika ny fatiny. BSB BSB: After looking this way and that and seeing no one, he struck down the Egyptian and hid his body in the sand.
13 ULB Nivoaka izy ny ampitso, ary, indro, nisy Hebreo roa lahy niady. Hoy izy tamin'ilay iray izay diso hoe: "Nahoana ianao no mikapoka ny namanao?" BSB BSB: The next day Moses went out and saw two Hebrews fighting. He asked the one in the wrong, “Why are you attacking your companion?”
14 ULB Fa hoy ilay lehilahy hoe: "Iza no nametraka anao ho mpitarika ka hitsara anay? Mitetika ny hamono ahy tahaka ny namonoanao ilay Egyptiana ve ianao?" Avy eo dia niha-natahotra i Mosesy ka nanao hoe: "Lasa fantatr'ireo hafa tokoa ny zavatra nataoko." BSB BSB: But the man replied, “Who made you ruler and judge over us? Are you planning to kill me as you killed the Egyptian?” Then Moses was afraid and thought, “This thing I have done has surely become known.”
15 ULB Ary rehefa ren'i Farao ny mahakasika izany, dia nitady ny hamono an'i Mosesy izy. Saingy nandositra an'i Farao i Mosesy ka nipetraka tany amin'ny tanin'ny Midiana. Ary nipetraka teo akaikin'ny lava-drano tany izy. BSB BSB: When Pharaoh heard about this matter, he sought to kill Moses. But Moses fled from Pharaoh and settled in the land of Midian, where he sat down beside a well.
16 ULB Ary nanana zanaka fito vavy ilay mpisoron'ny Midiana. Tonga izy ireo, naka rano, ary nameno ny tavy fisotroana mba hanomezana rano ny ondry aman'osin'ny rain'izy ireo. BSB BSB: Now the priest of Midian had seven daughters, and they came to draw water and fill the troughs to water their father’s flock.
17 ULB Tonga ireo mpiandry ondry ka niezaka nandroaka azy ireo, saingy nandeha ary nanampy azy ireo i Mosesy. Rehefa izay dia nampisotroiny rano ireo ondry aman'osin'izy ireo. BSB BSB: And when some shepherds came along and drove them away, Moses rose up to help them and watered their flock.
18 ULB Rehefa nandeha tany amin'i Regoela rainy ireo vehivavy, dia hoy izy hoe: "Nahoana no tonga aloha aty an-trano ianareo androany?" BSB BSB: When the daughters returned to their father Reuel, he asked them, “Why have you returned so early today?”
19 ULB Ary hoy izy ireo hoe: "Nisy Egyptiana iray nanavotra anay tamin'ireo mpiandry ondry. Mbola naka rano ho anay sy nampisotro rano ireo ondry aman'osy aza izy." BSB BSB: “An Egyptian rescued us from the shepherds,” they replied. “He even drew water for us and watered the flock.”
20 ULB Dia hoy izy tamin'ireo zanany vavy hoe: "Dia aiza ary izy? Nahoana no nilaozanareo ralehilahy? Antsoy izy mba hiara-hisakafo amintsika." BSB BSB: “So where is he?” their father asked. “Why did you leave the man behind? Invite him to have something to eat.”
21 ULB Nanaiky hiara-hipetraka tamin'ilay lehilahy i Mosesy, izay nanome azy an'i Zipora zanany vavy ihany koa mba ho vadiny. BSB BSB: Moses agreed to stay with the man, and he gave his daughter Zipporah to Moses in marriage.
22 ULB Niteraka zazalahy izy, ary nantsoin'i Mosesy hoe Gersoma ny anarany; hoy izy hoe: "Efa vahiny aty amin'ny tanin'ny firenena hafa aho." BSB BSB: And she gave birth to a son, and Moses named him Gershom, saying, “I have become a foreigner in a foreign land.”
23 ULB Fotoana maro taty aoriana, dia maty ny mpanjakan'i Egypta. Nisento nohon'ny asa fanandevozana ireo Israelita. Niantso vonjy izy ireo, ary niakatra tany amin'Andriamanitra ny fitarainan'izy ireo nohon'ny fanandevozana azy ireo. BSB BSB: After a long time, the king of Egypt died. The Israelites groaned and cried out under their burden of slavery, and their cry for deliverance from bondage ascended to God.
24 ULB Rehefa ren'Andriamanitra ny senton'izy ireo, dia nahatsiaro ny fanekeny tamin'i Abrahama, tamin'i Isaka, ary tamin'i Jakoba Andriamanitra. BSB BSB: So God heard their groaning, and He remembered His covenant with Abraham, Isaac, and Jacob.
25 ULB Hitan'Andriamanitra ireo Israelita, ka tsapany ny nahazo azy ireo. BSB BSB: God saw the Israelites and took notice.