1 ULB "Ary ireto no didy izay tsy maintsy hapetrakao eo anoloan'izy ireo: BSB BSB: “These are the ordinances that you are to set before them:
3 ULB Raha izy tenany no tonga, dia tsy maintsy mandeha an-kalalahana ny tenany; raha manambady izy, ny vadiny dia tsy maintsy mandeha an-kalalahana miaraka aminy. BSB BSB: If he arrived alone, he is to leave alone; if he arrived with a wife, she is to leave with him.
4 ULB Raha nanome vady ho azy ny tompony ka niteraka zazalahy na zazavavy taminy izy, dia ny vadiny sy ireo zanany dia ho an'ny tompony, ary tsy maintsy mandeha an-kalalahana ny tenany. BSB BSB: If his master gives him a wife and she bears him sons or daughters, the woman and her children shall belong to her master, and only the man shall go free.
5 ULB Fa raha miteny mazava tsara ilay mpanompo hoe: "Tiako ny tompoko, ny vadiko, sy ireo zanako; tsy handeha am-pahalalahana aho," BSB BSB: But if the servant declares, ‘I love my master and my wife and children; I do not want to go free,’
6 ULB dia aoka hitondra azy ho eo amin'Andriamanitra ny tompony. Tsy maintsy hitondra azy eo am-baravarana na tolam-baravarana ilay tompo, ka tsy maintsy tevehin'ny tompony amin'ny haolo ny sofiny. Ary dia hanompo azy mandra-pahatapitry ny ainy ilay manompo. BSB BSB: then his master is to bring him before the judges. And he shall take him to the door or doorpost and pierce his ear with an awl. Then he shall serve his master for life.
7 ULB Raha misy lehilahy mivarotra ny zanany vavy ho mpanompo vavy, dia tsy handeha an-kahalalahana toy ilay mpanompo lahy izy. BSB BSB: And if a man sells his daughter as a servant, she is not to go free as the menservants do.
8 ULB Fa raha tsy mahafaly ny tompony izy, izay nifidy azy ho an'ny tenany, dia aoka izy hamela azy hovidiana indray. Tsy manan-jo hivarotra azy amin'ny vahiny izy. Tsy manan-jo toy izany izy, satria namitaka azy. BSB BSB: If she is displeasing in the eyes of her master who had designated her for himself, he must allow her to be redeemed. He has no right to sell her to foreigners, since he has broken faith with her.
9 ULB Raha fidian'ny tompony ho toy ny vady ho an'ny zanany lahy izy, dia tsy maintsy hitondra azy toy ny zanany vavy izy. BSB BSB: And if he chooses her for his son, he must deal with her as with a daughter.
10 ULB Raha maka vady hafa ho azy izy, dia tsy tokony hampihena ny sakafony, ny fitafiany, na ny zo ara-panambadiany. BSB BSB: If he takes another wife, he must not reduce the food, clothing, or marital rights of his first wife.
11 ULB Fa raha tsy manome azy ireo zavatra telo ireo, dia afaka mandeha ankahalalahana izy ary tsy mandoa vola. BSB BSB: If, however, he does not provide her with these three things, she is free to go without monetary payment.
12 ULB Na iza na iza mamono olona ka mahafaty azy, dia aoka ho vonoina tokoa izany olona izany. BSB BSB: Whoever strikes and kills a man must surely be put to death.
13 ULB Fa raha tsy nanomana mialoha izany ilay lehilahy, fa tsy fanahiniana kosa, dia hanondro toerana hahafahany mandositra aho. BSB BSB: If, however, he did not lie in wait, but God allowed it to happen, then I will appoint for you a place where he may flee.
14 ULB Raha manafika an-tsitrapo ny mpiara-belona aminy ny olona iray ka mamono azy amin'ny hevi-petsy, dia tsy aoka halainao izy mba ho faty, na dia any amin'ny alitara an'Andriamanitra aza izy. BSB BSB: But if a man schemes and acts willfully against his neighbor to kill him, you must take him away from My altar to be put to death.
15 ULB Na iza na iza mamely ny rainy na ny reniny dia tsy maintsy hovonoina izy. BSB BSB: Whoever strikes his father or mother must surely be put to death.
17 ULB Na iza na iza manozona ny rainy na ny reniny dia aoka ho vonoina tokoa izy. BSB BSB: Anyone who curses his father or mother must surely be put to death.
18 ULB Raha miady ireo lehilahy ka mamely ny iray amin'ny vato na totondry, ka tsy maty izany olona izany, nefa tsy afa miala eo am-pandrinany; BSB BSB: If men are quarreling and one strikes the other with a stone or a fist, and he does not die but is confined to bed,
19 ULB ary raha sitrana izy ka afaka mandeha amin'ny fampiasana ny tehiny, dia tsy maintsy manonitra ilay fotoanany very ilay olona izay namely azy; ary tsy maintsy miantoka ny fanasitranana azy tanteraka ihany koa izy. Fa izany olona izany dia tsy meloka amin'ny famonoana. BSB BSB: then the one who struck him shall go unpunished, as long as the other can get up and walk around outside with his staff. Nevertheless, he must compensate the man for his lost work and see that he is completely healed.
20 ULB Raha misy olona mikapoka ny mpanompony lahy na ny mpanompo vaviny amin'ny tehina, ka raha maty nohon'ny ny ratra ilay mpanompo, dia tsy maintsy ho faizina tokoa izany olona izany. BSB BSB: If a man strikes his manservant or maidservant with a rod, and the servant dies by his hand, he shall surely be punished.
21 ULB Kanefa, raha miaina mandritra ny andro iray na roa ilay mpanompo, dia tsy tokony ho sazina ilay tompony, satria hijaly amin'ilay fahaverezan'ny mpanompony izy. BSB BSB: However, if the servant gets up after a day or two, the owner shall not be punished, since the servant is his property.
22 ULB Raha miady sy mandratra vehivavy bevohoka ireo lehilahy, ka afa-jaza izy, nefa tsy misy ratra hafa eny aminy, dia ilay lehilahy meloka dia tsy maintsy manantanteraka izay sitrapony vadin'ilay vehivavy avy aminy, ary tsy maintsy manonitra izay araka ny famaritan'ny mpitsara izy. BSB BSB: If men who are fighting strike a pregnant woman and her child is born prematurely, but there is no further injury, he shall surely be fined as the woman’s husband demands and as the court allows.
24 ULB dia tsy maintsy manome aina ho solon'ny aina, maso ho solon'ny maso, nify ho solon'ny nify, tanana ho solon'ny tanana, tongotra ho solon'ny tongotra, BSB BSB: eye for eye, tooth for tooth, hand for hand, foot for foot,
25 ULB may ho soloin'ny may, ratra ho solon'ny ratra, na mangana ho solon'ny mangana izy. BSB BSB: burn for burn, wound for wound, and stripe for stripe.
27 ULB Ary raha manala ny nifin'ny mpanompo lahiny na mpanompo vaviny izy, dia tsy maintsy hamela ilay mpanompo handeha an-kahalalahana ho fanonerana ny nify. BSB BSB: And if he knocks out the tooth of his manservant or maidservant, he must let the servant go free as compensation for the tooth.
28 ULB Raha misy omby manoto lehilahy na vehivavy ka nahafaty azy, dia tsy maintsy ho toraham-bato ilay omby, ary ny nofony dia tsy azo hohanina; dia tsy ho meloka tompon'ilay omby. BSB BSB: If an ox gores a man or woman to death, the ox must surely be stoned, and its meat must not be eaten. But the owner of the ox shall not be held responsible.
29 ULB Fa raha nanam-pahazarana nanoto ilay omby taloha, ary efa nampitandremana ny tompony nefa tsy nihaino izany, ka nahafaty lehilahy na vehivavy ilay omby, dia tsy maintsy ho toraham-bato izany omby izany, ary tsy maintsy hovonoina koa ny tompony. BSB BSB: But if the ox has a habit of goring, and its owner has been warned yet does not restrain it, and it kills a man or woman, then the ox must be stoned and its owner must also be put to death.
30 ULB Raha ilaina ny fandoavana vola ho solon'ny ainy, dia tsy maintsy handoa izay takiany izy. BSB BSB: If payment is demanded of him instead, he may redeem his life by paying the full amount demanded of him.
31 ULB Raha misy omby nanoto zazalahy na zazavavy, dia tsy maintsy manao izay takian'ny didy ho atao ilay tompon'ny omby. BSB BSB: If the ox gores a son or a daughter, it shall be done to him according to the same rule.
32 ULB Raha manoto mpanompo lahy na mpanompo vavy ilay omby, dia tsy maintsy mandoa sekely vola fotsy telopolo ny tompon'ilay omby, ary tsy maintsy ho toraham-bato ilay omby. BSB BSB: If the ox gores a manservant or maidservant, the owner must pay thirty shekels of silver to the master of that servant, and the ox must be stoned.
33 ULB Raha misy olona manokatra lavaka iray, na misy olona mihady lavaka nefa tsy manarona izany, ka misy omby na boriky latsaka ao amin'izany, BSB BSB: If a man opens or digs a pit and fails to cover it, and an ox or a donkey falls into it,
34 ULB dia tsy maintsy mamerina ny fatiantoka ny tompon'ilay lavaka. Tsy maintsy manome vola ho an'ny tompon'ny biby maty izy, ary ireo biby maty dia ho lasany. BSB BSB: the owner of the pit shall make restitution; he must pay its owner, and the dead animal will be his.
35 ULB Raha misy ombin'olona mandratra ny ombin'ny hafa ka mahafaty azy, dia tsy maintsy hamidin'izy ireo ny omby velona ka hozaraina ny vidiny, ary tsy maintsy zarainy izy ireo ihany koa ny omby maty. BSB BSB: If a man’s ox injures his neighbor’s ox and it dies, they must sell the live one and divide the proceeds; they also must divide the dead animal.
36 ULB Fa raha fantatra fa efa zatra nanoto ilay omby teo aloha, ka tsy nitandrina izany ny tompony, dia tsy maintsy hanonitra omby ho solon'ny omby izy, ary ilay biby maty dia ho lasany. BSB BSB: But if it was known that the ox had a habit of goring, yet its owner failed to restrain it, he shall pay full compensation, ox for ox, and the dead animal will be his.