1 ULB Aza manome tatitra diso na momban'iza na momban'iza. Aza mikambana amin'ny olona ratsy fanahy mba ho vavolombelona tsy marina. BSB BSB: “You shall not spread a false report. Do not join the wicked by being a malicious witness.
2 ULB Aza manaraka ny maro hanao ratsy, na aza mety hijoro vavolombelona raha manaraka ny maro mba hamadika ny rariny. BSB BSB: You shall not follow the crowd in wrongdoing. When you testify in a lawsuit, do not pervert justice by siding with the crowd.
3 ULB Aza miangatra amin'ny mahantra any amin'ny fitsarana azy. BSB BSB: And do not show favoritism to a poor man in his lawsuit.
4 ULB Raha hitanao mania ny ombin'ny fahavalonao na ny borikiny, haverenonao any aminy izany. BSB BSB: If you encounter your enemy’s stray ox or donkey, you must return it to him.
5 ULB Raha hitanao lavo voatsindrin'ny entany amin'ny tany ny borikin'ny olona izay mankahala anao, aza mandao izany olona izany. Aoka hanampy azy amin'izany borikiny izany tokoa ianao. BSB BSB: If you see the donkey of one who hates you fallen under its load, do not leave it there; you must help him with it.
6 ULB Aza mamadika ny rariny raha tokony ho an'ny olona malahelo any amin'ny adin'ny malahelo izany. BSB BSB: You shall not deny justice to the poor in their lawsuits.
7 ULB Aza mikambana amin'ny fanaovana fiampangana lainga, ary aza mamono ny tsy manan-tsiny na ny olo-marina, fa tsy hanamarina ny ratsy fanahy Aho. BSB BSB: Stay far away from a false accusation. Do not kill the innocent or the just, for I will not acquit the guilty.
8 ULB Aza mandray kolikoly, fa ny kolikoly mahajamba ireo izay mahiratra, ary mamily ny tenin'ny olo-marina. BSB BSB: Do not accept a bribe, for a bribe blinds those who see and twists the words of the righteous.
9 ULB Aza mampahory ny hafa firenena, satria fantatrao ny fiainan'ny vahiny, fa vahiny ianareo tany amin'ny tany Egypta. BSB BSB: Do not oppress a foreign resident, since you yourselves know how it feels to be foreigners; for you were foreigners in the land of Egypt.
10 ULB Hamafy voa amin'ny tany ary hanangona ny vokatra avy aminy ianao mandritra ny enin-taona. BSB BSB: For six years you are to sow your land and gather its produce,
11 ULB Fa amin'ny taona fahafito dia havelanao tsy hovolena sy hajanonao eo izany, mba hahafahan'ireo mahantra amin'ny vahoakanao hihinana. Ny sisan'izy ireo, dia hohanin'ireo bibidia. Hanao tahaka izany amin'ireo tanim-boalobokao sy ireo tanin'olivanao ianao. BSB BSB: but in the seventh year you must let it rest and lie fallow, so that the poor among your people may eat from the field and the wild animals may consume what they leave. Do the same with your vineyard and olive grove.
12 ULB Mandritry ny enina andro dia hanao ny asanao ianao, fa amin'ny andro fahafito dia tsy maintsy mitsahatra ianao. Ataovy izany mba hahafahan'ny ombinao sy ny borikinao mitsahatra, ary mba hahafahan'ny zanaka lahin'ny andevo vavinao sy ny vahiny mitsahatra sy maka aina. BSB BSB: For six days you are to do your work, but on the seventh day you must cease, so that your ox and your donkey may rest and the son of your maidservant may be refreshed, as well as the foreign resident.
13 ULB Tandremo ireo zavatra rehetra izay voalazako anao. Aza manonona anaran'andriamanitra hafa, na hamela ny anaran'izy ireo ho heno avy amin'ny vavanao. BSB BSB: Pay close attention to everything I have said to you. You must not invoke the names of other gods; they must not be heard on your lips.
14 ULB Tsy maintsy mandeha intelo isan-taona ianao hanao andro firavoravoana ho ahy. BSB BSB: Three times a year you are to celebrate a feast to Me.
15 ULB Tandremonao ny andro Firavoravoana ho amin'ny mofo tsy misy masirasira. Araka ny nandidiako anao, hihinana mofo tsy misy masirasira ianao mandritra ny fito andro. Amin'izany fotoana izany, hiseho eo anatrehako ianao amin'ny volana Abiba, izay voatendry ho an'izany tanjona izany. Tamin'izany volana izany no nivoahanao avy tany Egypta. Nefa aza miseho eo anatrehako tanam-polo ianao. BSB BSB: You are to keep the Feast of Unleavened Bread as I commanded you: At the appointed time in the month of Abib you are to eat unleavened bread for seven days, because that was the month you came out of Egypt. No one may appear before Me empty-handed.
17 ULB Ireo lahinao rehetra dia tsy maintsy miseho eo anatrehan'ny Tompo Yaveh intelo isan-taona BSB BSB: Three times a year all your males are to appear before the Lord GOD.
18 ULB Aza manolotra ny rà avy amin'ireo sorona natao ho Ahy miaraka amin'ny mofo misy lalivay ianao. Aza avela hijanona mandritra ny alina hatramin'ny maraina ny jabora avy amin'ireo sorona tamin'ny andro firavoravoako. BSB BSB: You must not offer the blood of My sacrifices with anything leavened, nor may the fat of My feast remain until morning.
19 ULB Ny voaloham-bokatra voafantina indrindra avy amin'ny taninao dia tsy maintsy aterinao ao an-tranoko, dia tranon'i Yaveh Andriamanitrao. Aoka tsy hahandro ny zanak'osy amin'ny rononon-dreniny ianao. BSB BSB: Bring the best of the firstfruits of your soil to the house of the LORD your God. You must not cook a young goat in its mother’s milk.
20 ULB Izaho handeha haniraka anjely eo alohanao mba hiaro anao eny an-dalana, ary mba hitondra anao any amin'ny toerana izay nomaniko. BSB BSB: Behold, I am sending an angel before you to protect you along the way and to bring you to the place I have prepared.
21 ULB Mihainoa azy ary ankatoavy izy. Aza mihantsy azy, fa tsy hamela ireo fahotanao izy. Ny anarako no ao aminy. BSB BSB: Pay attention to him and listen to his voice; do not defy him, for he will not forgive rebellion, since My Name is in him.
22 ULB Raha mankatoa ny feony tokoa ianao ary manao ny zavatra rehetra izay lazaiko aminao, dia ho fahavalon'ireo fahavalonao Aho ary ho mpifanandrina amin'ireo mpifanandrina aminao. BSB BSB: But if you will listen carefully to his voice and do everything I say, I will be an enemy to your enemies and a foe to your foes.
23 ULB Handeha eo alohanao ny anjeliko ary hitondra anao any amin'ireo Amorita, Hetita, Perisita, Kananita, Hivita, ary ireo Jebosita. Handringana azy ireo Aho. BSB BSB: For My angel will go before you and bring you into the land of the Amorites, Hittites, Perizzites, Canaanites, Hivites, and Jebusites, and I will annihilate them.
24 ULB Aza miankohoka amin'ny andriamanitr'izy ireo, manompo azy ireo, na manao izay hataon'izy ireo ianao. Fa kosa, tsy maintsy ravanao tanteraka ireo ary torotoroy ireo tsangam-baton'izy ireo. BSB BSB: You must not bow down to their gods or serve them or follow their practices. Instead, you are to demolish them and smash their sacred stones to pieces.
25 ULB Manompoa an'i Yaveh Andriamanitrao, dia hitahy ny mofonao sy ny ranonao Izy. Hesoriko aminao ny aretina. BSB BSB: So you shall serve the LORD your God, and He will bless your bread and your water. And I will take away sickness from among you.
26 ULB Tsy hisy vehivavy ho momba na ho afa-jaza any amin'ny taninao. Homeko andro lava hiainana ianao. BSB BSB: No woman in your land will miscarry or be barren; I will fulfill the number of your days.
27 ULB Handefa ny tahotra ny tenako amin'ireo izay tany alehanao Aho. Hamono ireo olona rehetra izay mifanena aminao Aho. Hampiamboho ireo fahavalonao rehetra amin'ny tahotra Aho. BSB BSB: I will send My terror ahead of you and throw into confusion every nation you encounter. I will make all your enemies turn and run.
28 ULB Handefa fanenitra ho eo anoloanao mba handroaka ireo Hivita, Kananita, ary Hetita tsy ho eo alohanao Aho. BSB BSB: I will send the hornet before you to drive the Hivites and Canaanites and Hittites out of your way.
29 ULB Tsy handroaka azy ireo eo alohanao anatin'ny taona iray Aho, fandrao ho foana ny tany, ary ho maro loatra aminao ireo bibidia. BSB BSB: I will not drive them out before you in a single year; otherwise the land would become desolate and wild animals would multiply against you.
30 ULB Fa kosa, horoahiko tsikelikely tsy ho eo anoloanao ireo mandra-pahatonga anao mamokatra ka handova ny tany. BSB BSB: Little by little I will drive them out ahead of you, until you become fruitful and possess the land.
31 ULB Hataoko hatrany amin'ny ranomasina Mena ka hatrany amin'ny ranomasin'ny Filistina ny sisin-taninao, ary hatrany an'efitra ka hatrany amin'ny ony Eofrata. Izaho hanome anao fandresena amin'ny mponin'ny tany. Horoahinao eo anatrehanao izy ireo. BSB BSB: And I will establish your borders from the Red Sea to the Sea of the Philistines, and from the desert to the Euphrates. For I will deliver the inhabitants into your hand, and you will drive them out before you.
32 ULB Aza manao fanekena amin'izy ireo na amin'ireo andriamaniny ianao. BSB BSB: You shall make no covenant with them or with their gods.
33 ULB Tsy mahazo mipetraka eo amin'ny taninao izy ireo, raha tsy izany izy ireo dia hampanota anao amiko. Raha manompo ireo andriamanitr'izy ireo ianao, dia hivadika ho fandrika ho anao tokoa izany.'" BSB BSB: They must not remain in your land, lest they cause you to sin against Me. For if you serve their gods, it will surely be a snare to you.”