1 ULB Aoka hataonao amin'ny lamba folo vita amin'ny rongony fotsy madinika sy manga, volomparasy, ary volon'ondry jaky miaraka amin'ireo soratry ny kerobima ny tabernakely. Izany dia ho asan'ny mpanao asa tanana tena mahay. BSB BSB: “You are to construct the tabernacle itself with ten curtains of finely spun linen, each with blue, purple, and scarlet yarn, and cherubim skillfully worked into them.
2 ULB Ny halavan'ny lamba tsirairay dia tsy maintsy roa ambin'ny folo hakiho, ny sakany efatra hakiho. Ny lamba rehetra dia tsy maintsy mitovy habe. BSB BSB: Each curtain shall be twenty-eight cubits long and four cubits wide—all curtains the same size.
3 ULB Tsy maintsy havitrana ny lamba dimy, ary ny lamba dimy hafa ihany koa dia tsy maintsy avitrana. BSB BSB: Five of the curtains are to be joined together, and the other five joined as well.
4 ULB Manaova tadivavarana manga manaraka ny sisiny ivelan'ny rambon'ny lamba navitrana iray ianao. Toy izany koa, no tsy maintsy anaovanao mitovy manaraka ny sisiny ivelan'ny moron'ny lamba amin'ny vitrana faharoa. BSB BSB: Make loops of blue material on the edge of the end curtain in the first set, and do the same for the end curtain in the second set.
5 ULB Aoka hanao tadivavarana dimampolo eo amin'ny lamba voalohany ianao, ary manaova tadivavarana dimampolo eo amin'ny moron'ny lamba amin'ny vitrana faharoa. Ataovy izany mba hifanatrika ireo tadivavarana. BSB BSB: Make fifty loops on one curtain and fifty loops on the end curtain of the second set, so that the loops line up opposite one another.
6 ULB Manaova farango volamena dimampolo ianao ary akambano ireo lamba miaraka amin'ireo mba ho lasa iray ny tabernakely. BSB BSB: Make fifty gold clasps as well, and join the curtains together with the clasps, so that the tabernacle will be a unit.
7 ULB Aoka hanao lamba volon'osy ho lay manerana ny tabernakely ianao. Manaova iraika ambin'ny folo amin'ireo lamba ireo ianao. BSB BSB: You are to make curtains of goat hair for the tent over the tabernacle—eleven curtains in all.
8 ULB Ny halavan'ny lamba tsirairay dia tsy maintsy telopolo hakiho, ary ny sakan'ny lamba tsirairay dia tsy maintsy efatra hakiho. Ny tsirairay amin'ireo lamba iraika ambin'ny folo dia tsy maintsy mitovy habe. BSB BSB: Each of the eleven curtains is to be the same size—thirty cubits long and four cubits wide.
9 ULB Manakambàna lamba dimy sy lamba enina hafa miaraka. Aforetonao ny lamba enina manoloana ny lay. BSB BSB: Join five of the curtains into one set and the other six into another. Then fold the sixth curtain over double at the front of the tent.
10 ULB Manaova tadivavarana dimampolo eo amin'ny faran'ny lamba amin'ny vitrana iray, ary tadivavarana dimampolo eo amin'ny sisin'ny faran'ny lamba izay mikambana amin'ny vitrana faharoa. BSB BSB: Make fifty loops along the edge of the end curtain in the first set, and fifty loops along the edge of the corresponding curtain in the second set.
11 ULB Manaova farango varahina dimampolo ianao ary apetrahonao anatin'ny tadivavarana ireo. Dia anakambana ny lay miaraka ianao mba ho iray ihany izany. BSB BSB: Make fifty bronze clasps and put them through the loops to join the tent together as a unit.
12 ULB Ny ambin'ny antsasaky ny lamba, izany hoe, ny ambin'ny ampahiny mihoatra amin'ireo lamban'ny lay, dia tsy maintsy ahantona ao an-damosin'ny tabernakely. BSB BSB: As for the overlap that remains of the tent curtains, the half curtain that is left over shall hang down over the back of the tabernacle.
13 ULB Tsy maintsy misy iray hakiho amin'ny lamba eo amin'ny andaniny, ary iray hakiho amin'ny lamba eo amin'ny ankilany—izay ambin'ny halavan'ny lain'ny lamba dia tsy maintsy ahantona amin'ireo lafin'ny tabernakely amin'ny andaniny sy amin'ny ankilany, mba handrakotra izany. BSB BSB: And the tent curtains will be a cubit longer on either side, and the excess will hang over the sides of the tabernacle to cover it.
14 ULB Manaova fandrakofana vita amin'ny hoditr'ondrilahy nolokoina mena ho an'ny tabernakely, ary fandrakofana iray hafa vita amin'ny hoditra tsara mba ho eo ambonin'izany. BSB BSB: Also make a covering for the tent out of ram skins dyed red, and over that a covering of fine leather.
15 ULB Manaova zana-kazo mahitsy amin'ny hazo akasia ho an'ny tabernakely. BSB BSB: You are to construct upright frames of acacia wood for the tabernacle.
16 ULB Ny halavan'ny zana-kazo tsirairay dia tsy maintsy folo hakiho, ary ny sakan'izany dia tsy maintsy iray sy sasany hakiho. BSB BSB: Each frame is to be ten cubits long and a cubit and a half wide.
17 ULB Tsy maintsy misy fihantonana hazo roa amin'ny zana-kazo tsirairay hanakambanana ireo zana-kazo. Hanao ireo zana-kazon'ny tabernakely rehetra toy izany ianao. BSB BSB: Two tenons must be connected to each other for each frame. Make all the frames of the tabernacle in this way.
18 ULB Rehefa manao ireo zana-kazo ho an'ny tabernakely ianao, dia manaova zana-kazo roapolo ho an'ny lafiny atsimo. BSB BSB: Construct twenty frames for the south side of the tabernacle,
19 ULB Manaova faladiany volafotsy efapolo ao ambanin'ireo zanakazo roapolo ianao. Tsy maintsy misy faladiany roa ambanin'ny zana-kazo voalohany mba ho faladia roan'izany, ary faladiany roa ihany koa ambanin'ireo zanakazo hafa tsirairay avy ho faladia roan'ireo. BSB BSB: with forty silver bases under the twenty frames—two bases for each frame, one under each tenon.
20 ULB Ho an'ny lafiny faharoan'ny tabernakely, ao amin'ny lafiny avaratra, manaova zana-kazo roapolo BSB BSB: For the second side of the tabernacle, the north side, make twenty frames
21 ULB sy ny faladia volafotsin'ireo efapolo ianao. Tsy maintsy misy faladiany roa ambanin'ny zana-kazo voalohany, faladiany roa ambanin'ny zana-kazo manaraka, ary dia toy izany hatrany. BSB BSB: and forty silver bases—two bases under each frame.
22 ULB Ho an'ny lafiny ambadiky ny tabernakely ao amin'ny lafiny andrefana, manaova zana-kazo enina ianao. BSB BSB: Make six frames for the rear of the tabernacle, the west side,
23 ULB Manaova zana-kazo roa ho an'ny zoro an-damosin'ny tabernakely. BSB BSB: and two frames for the two back corners of the tabernacle,
24 ULB Ireo zana-kazo ireo dia tsy maintsy sarahina any amin'ny ambany, fa akambana any amin'ny tampony eo amin'ny mason-drojo iray ihany. Tsy maintsy toy izany ho an'ireo zoro roa ao an-damosina. BSB BSB: coupled together from bottom to top and fitted into a single ring. These will serve as the two corners.
25 ULB Tsy maintsy misy zana-kazo valo, miaraka amin'ireo faladiany volafotsy. Tsy maintsy misy fototra enina ambin'ny folo ny fitambarany, faladiany roa ambanin'ny zana-kazo voalohany, faladiany roa ambanin'ny zana-kazo manaraka, ary toy izany hatrany. BSB BSB: So there are to be eight frames and sixteen silver bases—two under each frame.
26 ULB Manaova bara hazo Akasia ianao—dimy ho an'ireo zana-kazo amin'ny andanin'ny tabernakely, BSB BSB: You are also to make five crossbars of acacia wood for the frames on one side of the tabernacle,
27 ULB bara dimy ho an'ireo zanakazo amin'ny ankilan'ny tabernakely, ary bara dimy ho an'ireo zana-kazo amin'ny lafiny an-damosin'ny tabernakely eo andrefana. BSB BSB: five for those on the other side, and five for those on the rear side of the tabernacle, to the west.
28 ULB Ny bara eo afovoan'ireo zana-kazo, izay, antenantenany ambony, dia tsy maintsy mahatratra ny farany avy. BSB BSB: The central crossbar in the middle of the frames shall extend from one end to the other.
29 ULB Rakofanao amin'ny volamena ireo zana-kazo. Ataonao ho volamena ny mason-drojon'ireo, mba hampiasaina ho fihazonana ny bara ireo, ary rakofanao amin'ny volamena ireo bara. BSB BSB: Overlay the frames with gold and make gold rings to hold the crossbars. Also overlay the crossbars with gold.
30 ULB Manangana ny tabernakely amin'ny fanarahana ny drafitra naseho anao teny an-tendrombohitra. BSB BSB: So you are to set up the tabernacle according to the pattern shown you on the mountain.
31 ULB Manaova lamba manga, volomparasy, ary volon'ondry jaky, sy rongony fotsy madinika, miaraka amin'ny soratra Kerobima, asan'ny mpiasa tena mahay. BSB BSB: Make a veil of blue, purple, and scarlet yarn, and finely spun linen, with cherubim skillfully worked into it.
32 ULB Ahantony eo amin'ireo andry hazo akasia efatra voarakotra volamena izany. Ireo andry ireo dia tsy maintsy manana fihantonana volamena voapetaka eo amin'ireo faladiany volafotsy efatra. BSB BSB: Hang it with gold hooks on four posts of acacia wood, overlaid with gold and standing on four silver bases.
33 ULB Ahantony ambanin'ny farango ny lamba, ary ampidironao ao ny fiaran'ny vavolombelona. Ny lamba dia natao hanasaraka ny toerana masina amin'ny toerana masina indrindra. BSB BSB: And hang the veil from the clasps and place the ark of the Testimony behind the veil. So the veil will separate the Holy Place from the Most Holy Place.
34 ULB Apetrahonao eo amin'ny fiaran'ny vavolombelona ny sarom-panavotana, izay ao amin'ny toerana masina indrindra. BSB BSB: Put the mercy seat on the ark of the Testimony in the Most Holy Place.
35 ULB Apetrahonao ivelan'ny lamba ny latabatra. Apetrahonao tandrifin'ny latabatra eo amin'ny lafiny atsimon'ny tabernakely ny fanaovan-jiro. Ny latabatra dia tsy maintsy ao amin'ny lafiny avaratra. BSB BSB: And place the table outside the veil on the north side of the tabernacle, and put the lampstand opposite the table, on the south side.
36 ULB Manaova fefy lamba ho fidirana amin'ny lay ianao. Ataonao amin'ny manga, volomparasy, sy mena ary rongony fotsy madinika voatenona izany, izay asan'ny mpanao peta-kofehy. BSB BSB: For the entrance to the tent, you are to make a curtain embroidered with blue, purple, and scarlet yarn, and finely spun linen.
37 ULB Ho an'ny fefy lamba, manaova andry akasia dimy ary mandrakofa ireo amin'ny volamena. Ny farangon'ireo dia tsy maintsy volamena, mandrendreha faladiany varahina dimy ho an'ireo ianao. BSB BSB: Make five posts of acacia wood for the curtain, overlay them with gold, use hooks of gold, and cast five bronze bases for them.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.