1 ULB Ataovy amin'ny hazo akasia ny alitara, dimy hakiho ny halavany ary dimy hakiho ny sakany. Ho efa-joro ny alitara ary telo hakiho ny haavony. BSB BSB: “You are to build an altar of acacia wood. The altar must be square, five cubits long, five cubits wide, and three cubits high.
3 ULB Manamboara fitaovana ho an'ny alitara: dia vilanin-davenona, ary koa fandraofana, koveta lehibe, sotro rovitra, ary vilany fitondrana afo. Varahina avokoa no hanaovanao ireo fitaovana rehetra ireo. BSB BSB: Make all its utensils of bronze—its pots for removing ashes, its shovels, its sprinkling bowls, its meat forks, and its firepans.
4 ULB Manamboara makarakara ho an'ny alitara, harato varahina. Manamboara mason-drojo varahina ho an'ireo zoro efatry ny makarakara. BSB BSB: Construct for it a grate of bronze mesh, and make a bronze ring at each of the four corners of the mesh.
5 ULB Ataovy eo ambanin'ny rindrin'ny alitara ny makarakara, avy eo antenantenany hatrany ambany. BSB BSB: Set the grate beneath the ledge of the altar, so that the mesh comes halfway up the altar.
6 ULB Manaova bao ho an'ny alitara, bao vita amin'ny hazo akasia, ary rakofy amin'ny varahina ireo. BSB BSB: Additionally, make poles of acacia wood for the altar and overlay them with bronze.
7 ULB Tsy maintsy atao anaty mason-drojo ny bao, ary ny bao dia ho eo amin'ny lafiny roa amin'ny alitara, mba hilanjana azy. BSB BSB: The poles are to be inserted into the rings so that the poles are on two sides of the altar when it is carried.
8 ULB Ataovy poakaty ny alitara, amin'ny hazo fisaka. Ataovy araka izay naseho anao tao an-tendrombohitra izany. BSB BSB: Construct the altar with boards so that it is hollow. It is to be made just as you were shown on the mountain.
9 ULB Manaova kianja ho an'ny tabernakely. Eo amin'ny lafiny atsimon'ny kianja dia hisy fefy lamba, fefy lamba rongony fotsy madinika voatenona mirefy zato hakiho. BSB BSB: You are also to make a courtyard for the tabernacle. On the south side of the courtyard make curtains of finely spun linen, a hundred cubits long on one side,
10 ULB Asio andry roapolo ireo fefy lamba, miaraka amin'ny faladia varahina roapolo. Hisy farango ihany koa apetaka eo amin'ireo andry, ary koa fihantonana volafotsy. BSB BSB: with twenty posts and twenty bronze bases, and silver hooks and bands on the posts.
11 ULB Ho tahaka izany koa amin'ny lafiny avaratra, hisy fefy lamba mirefy zato hakiho misy andry roapolo, faladia varahina roapolo, farango apetaka eo amin'ireo andry, ary fihantonana volafotsy. BSB BSB: Likewise there are to be curtains on the north side, a hundred cubits long, with twenty posts and twenty bronze bases, and with silver hooks and bands on the posts.
12 ULB Amin'ny lafiny andrefana amin'ny kianja dia hisy lamba mirefy dimampolo hakiho ny halavany. Dia manaova andry folo, ary faladia folo. BSB BSB: The curtains on the west side of the courtyard shall be fifty cubits wide, with ten posts and ten bases.
13 ULB Ataovy dimam-polo hakiho ihany koa ny halavan'ny kianja any amin'ny lafiny atsinanana. BSB BSB: The east side of the courtyard, toward the sunrise, is to be fifty cubits wide.
14 ULB Ny fefy lamba amin'ny lafiny iray amin'ny fidirana dia tsy maintsy atao dimy ambin'ny folo hakiho ny halavany. Tsy maintsy miaraka amin'ny andry telo sy faladia telo ireo. BSB BSB: Make the curtains on one side fifteen cubits long, with three posts and three bases,
15 ULB Eo amin'ny lafiny iray koa dia hisy fefy lamba mirefy dimy ambiny folo hakiho ny halavany. Tsy maintsy miaraka amin'ireo andriny telo sy faladiany telo ireo. BSB BSB: and the curtains on the other side fifteen cubits long, with three posts and three bases.
16 ULB Lamba mirefy roapolo hakiho no atao vavahadin'ny kianja. Fitaovana manga, volomparasy, ary mena sy rongony fotsy madinika voatenona, asan'ny mpanao peta-kofehy no hanaovana ny lamba. Tsy maintsy miaraka amin'ny andry efatra sy faladia efatra izany. BSB BSB: The gate of the courtyard shall be twenty cubits long, with a curtain embroidered with blue, purple, and scarlet yarn, and finely spun linen. It shall have four posts and four bases.
17 ULB Ny andrin'ny kianja rehetra dia tsy maintsy hasiana fihantonana volafotsy, farango volafotsy, ary faladia varahina. BSB BSB: All the posts around the courtyard shall have silver bands, silver hooks, and bronze bases.
18 ULB Ho zato hakiho ny halavan'ny kianja, dimam-polo hakiho ny sakany, ary ho dimy hakiho kosa ny haavony miaraka amin'ny fefy lamba rongony fotsy madinika, ary faladia varahina. BSB BSB: The entire courtyard shall be a hundred cubits long and fifty cubits wide, with curtains of finely spun linen five cubits high, and with bronze bases.
19 ULB Ny fitaovana rehetra izay hampiasaina ao amin'ny tabernakely, sy ny fihantonan-day rehetra amin'ny tabernakely sy ny kianja dia tsy maintsy atao amin'ny varahina. BSB BSB: All the utensils of the tabernacle for every use, including all its tent pegs and the tent pegs of the courtyard, shall be made of bronze.
20 ULB Aoka ianao handidy ny vahoakan'i Israely mba hitondra menaka oliva, madio sady nofihazina, ho an'ny jiro mba hirehetan'ireo mandrakariva. BSB BSB: And you are to command the Israelites to bring you pure oil of pressed olives for the light, to keep the lamps burning continually.
21 ULB Ao an-trano lay fihaonana, eo ivelan'ny lamba izay manoloana ny tabernakely izay misy ny fiaran'ny vavolombelona, no handrehetan'i Arona sy ireo zanany lahy jiro eo anatrehan'i Yaveh, manomboka ny hariva mandra-maraina. Izany fepetra izany dia ho lalàna maharitra manerana ny taranaky ny vahoakan'i Israely. BSB BSB: In the Tent of Meeting, outside the veil that is in front of the Testimony, Aaron and his sons are to tend the lamps before the LORD from evening until morning. This is to be a permanent statute for the Israelites for the generations to come.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.