1 ULB Antsoy ho eo aminao i Arona rahalahinao sy ireo zanany—dia i Nadaba, Abiho, Eleazara, ary Itamara—hiala eo amin'ireo Israelita mba hahafahan'izy ireo manompo Ahy ho mpisorona. BSB BSB: “Next, have your brother Aaron brought to you from among the Israelites, along with his sons Nadab, Abihu, Eleazar, and Ithamar, to serve Me as priests.
2 ULB Tsy maintsy manamboatra akanjo voatokana ho Ahy, ho an'i Arona rahalahinao ianao. Ho voninahiny sy ho famirapiratana ho azy ireo akanjo ireo. BSB BSB: Make holy garments for your brother Aaron, to give him glory and splendor.
3 ULB Tsy maintsy miteny amin'ireo olona izay hendry am-po, dia ireo izay nofenoiko ny Fanahin'ny fahendrena ianao, mba hahafahan'izy ireo manamboatra ny akanjon'i Arona hanokanana azy hanompo Ahy ho mpisoroko. BSB BSB: You are to instruct all the skilled craftsmen, whom I have filled with a spirit of wisdom, to make garments for Aaron’s consecration, so that he may serve Me as priest.
4 ULB Ny akanjo izay tsy maintsy amboarin'izy ireo dia saron-tratra, efoda, akanjo lava, akanjo tenom-boaroy, hamama, ary fehin-kibo. Tsy maintsy manamboatrra ireo akanjo izay hanokanana azy ho Ahy izy ireo. Atao ho an'i Arona rahalahinao sy ireo zanany izany mba hanompoany Ahy ho mpisorona. BSB BSB: These are the garments that they shall make: a breastpiece, an ephod, a robe, a woven tunic, a turban, and a sash. They are to make these holy garments for your brother Aaron and his sons, so that they may serve Me as priests.
5 ULB Tsy maintsy mampiasa rongony fotsy madinika izay volamena, manga, volomparasy, ary jaky mena ireo mpanao tao-zavatra. BSB BSB: They shall use gold, along with blue, purple, and scarlet yarn, and fine linen.
6 ULB Aoka izy ireo hanamboatra ny efoda amin'ny volamena, manga, volomparasy ary volon'ondry jaky, ary rongony fotsy madinika voatenona. Tsy maintsy asan'ny mpanao tao-zavatra za-draharaha izany. BSB BSB: They are to make the ephod of finely spun linen embroidered with gold, and with blue, purple, and scarlet yarn.
7 ULB Aoka hisy saron-tsoroka roa miraikitra eo amin'ireo sisiny ambony. BSB BSB: It shall have two shoulder pieces attached at two of its corners, so it can be fastened.
8 ULB Ny fehin-kibo tenona madinika dia tsy maintsy hatao tahaka ilay efoda; tsy maintsy atao amin'ny ampahan-damba avy amin'ilay efoda, vita amin'ny rongony fotsy madinika izay volamena, manga, volomparasy ary jaky mena izany. BSB BSB: And the skillfully woven waistband of the ephod must be of one piece, of the same workmanship—with gold, with blue, purple, and scarlet yarn, and with finely spun linen.
9 ULB Aoka haka vato beryla roa ianao ka handrakitra ny anaran'ireo zanak'Israely roa ambin'ny folo lahy eo amin'izany. BSB BSB: Take two onyx stones and engrave on them the names of the sons of Israel:
10 ULB Ny enina amin'ny anaran'izy ireo dia tsy maintsy hatao eo amin'ny vato iray, ary ny enina hafa kosa dia eo amin'ny vato iray hafa, samy araka ny filaharan'ny nahaterahany avy. BSB BSB: six of their names on one stone and the remaining six on the other, in the order of their birth.
11 ULB Amin'ny asan'ny mpisokitra vato, tahaka ny sari-sokitra amin'ny tombokase, no tsy maintsy handraketanao ny anaran'ireo zanak'Israely roa ambin'ny folo lahy eo amin'ireo vato anankiroa. Aoka hakambanao amin'ny randram-bolamena ireo vato ireo. BSB BSB: Engrave the names of the sons of Israel on the two stones the way a gem cutter engraves a seal. Then mount the stones in gold filigree settings.
12 ULB Aoka ho ataonao eo amin'ireo saron-tsoroka efoda ireo vato anankiroa, mba ho vato fampatsiahivana an'i Yaveh ny amin'ireo zanak'Israely. Arona no hitondra ny anaran'izy ireo eo an-tsorony eo anatrehan'i Yaveh ho fampatsiahivana Azy. BSB BSB: Fasten both stones on the shoulder pieces of the ephod as memorial stones for the sons of Israel. Aaron is to bear their names on his two shoulders as a memorial before the LORD.
13 ULB Manaova fitoerana vita amin'ny volamena BSB BSB: Fashion gold filigree settings
14 ULB sy rojo volamena tsy mifangaro roa narandrana tahaka ny tady, ary hafatory eo amin'ireo fitoerana ireo rojo. BSB BSB: and two chains of pure gold, made of braided cord work; and attach these chains to the settings.
15 ULB Manaova saron-tratra ho an'ny fanapahan-kevitra, asan'ny mpiasa za-draharaha, namboarina tahaka ny efoda. Amboary amin'ny volamena, manga, volomparasy ary volon'ondry jaky, sy amin'ny rongony fotsy madinika izany. BSB BSB: You are also to make a breastpiece of judgment with the same workmanship as the ephod. Construct it with gold, with blue, purple, and scarlet yarn, and with finely spun linen.
16 ULB Tokony ho efa-joro izany. Haforeto roa ireo saron-tratra. Tokony ho iray njehiny ny halavany ary iray njehiny ny velarany. BSB BSB: It must be square when folded over double, a span long and a span wide.
17 ULB Asio andalam-batosoa sarobidy efatra eo amin'izany. Ny andalana voalohany dia tsy maintsy misy karnelia, topaza, ary emeralda mena. BSB BSB: And mount on it a setting of gemstones, four rows of stones: In the first row there shall be a ruby, a topaz, and an emerald;
18 ULB Ny andalana faharoa kosa dia tsy maintsy misy emeralda, safira, ary diamondra. BSB BSB: in the second row a turquoise, a sapphire, and a diamond;
19 ULB Ny andalana fahatelo dia tsy maintsy asiana opla, agata, ary ametysta. BSB BSB: in the third row a jacinth, an agate, and an amethyst;
20 ULB Ny andalana fahefatra dia tsy maintsy misy beryla, sy krysolita ary jaspy. Tsy maintsy hampifanaingenana amin'ny randram-bolamena izany. BSB BSB: and in the fourth row a beryl, an onyx, and a jasper. Mount these stones in gold filigree settings.
21 ULB Halaharo araka ny anaran'ireo zanak'Israely roa ambin'ny folo lahy, samy araka ny anarany avy ireo vato. Tokony ho tahaka ny sari-sokitra eo amin'ny peratra fitomboka ireo, ary ny anarany tsirairay avy dia manambara ny iray amin'ireo foko roa ambin'ny folo. BSB BSB: The twelve stones are to correspond to the names of the sons of Israel, each engraved like a seal with the name of one of the twelve tribes.
22 ULB Asio rojo volamena madio voarandrana tahaka ny tady, eo amin'ny saron-tratra. BSB BSB: For the breastpiece, make braided chains like cords of pure gold.
23 ULB Manamboara mason-drojo volamena roa ho an'ny saron-tratra ary apetao eo amin'ny zoron'ny saron-tratra anankiroa ireo. BSB BSB: You are also to make two gold rings and fasten them to the two corners of the breastpiece.
24 ULB Apetaho eo amin'ny zoron'ny saron-tratra roa ireo rojom-bolamena roa. BSB BSB: Then fasten the two gold chains to the two gold rings at the corners of the breastpiece,
25 ULB Hapetao eo amin'ireo fametraham-bato roa ny horin'ny rojo voarandrana. Avy eo apetaho eo amin'ireo saron-tsoroky ny efoda eo alohany izany. BSB BSB: and fasten the other ends of the two chains to the two filigree settings, attaching them to the shoulder pieces of the ephod at the front.
26 ULB Manamboara mason-drojo volamena roa, ary apetaho eo amin'ny zoron'ny saron-tratra roa hafa izany, eo amin'ny sisiny akaikin'ny zorony anatiny. BSB BSB: Make two more gold rings and attach them to the other two corners of the breastpiece, on the inside edge next to the ephod.
27 ULB Manamboara mason-drojo volamena roa hafa ianao, hapetaho eo amin'ny farany ambanin'ireo saron-tsoroka roa eo alohan'ny efoda, manakaiky ny zaitra fikambanany eo ambonin'ny fehin-kibo voatenon'ny efoda izany. BSB BSB: Make two additional gold rings and attach them to the bottom of the two shoulder pieces of the ephod, on its front, near its seam just above its woven waistband.
28 ULB Afatory eo amin'ny mason-drojony amin'ny mason-drojon'ny efoda, amin'ny alalan'ny kofehy manga ny saron-tratra, mba hiraiketan'izany eo ambonin'ny fehikibo vaotenon'ny efoda. Natao izany mba tsy hiongotra amin'ny efoda ny saron-tratra. BSB BSB: The rings of the breastpiece shall be tied to the rings of the ephod with a cord of blue yarn, so that the breastpiece is above the waistband of the ephod and does not swing out from the ephod.
29 ULB Rehefa mankao amin'ny fitoerana masina i Arona, dia tsy maintsy mitondra ny anaran'ireo vahoakan'Israely eo amin'ny fony ao amin'ny saron-tratra fanapahan-kevitra, mba ho fahatsiarovana maharitra eo anatrehan'i Yaveh. BSB BSB: Whenever Aaron enters the Holy Place, he shall bear the names of the sons of Israel over his heart on the breastpiece of judgment, as a continual reminder before the LORD.
30 ULB Aoka apetrakao ao amin'ny saron-tratra fanapahan-kevitra ny Orima sy ny Tomima, mba ho eo amin'ny fon'i Arona izany rehefa miditra eo anatrehan'i Yaveh izy. Amin'izany i Arona dia hitondra ny fomba entina manapa-kevitra ho an'ny vahoakan'Israely eo am-pony lalandava eo anatrehan'i Yaveh. BSB BSB: And place the Urim and Thummim in the breastpiece of judgment, so that they will also be over Aaron’s heart whenever he comes before the LORD. Aaron will continually carry the judgment of the sons of Israel over his heart before the LORD.
31 ULB Ataovy amin'ny lamba volomparasy tanteraka ny akanjo lavan'i efoda. Tsy maintsy misy fitsofohan'ny loha eo afovoan'izany. BSB BSB: You are to make the robe of the ephod entirely of blue cloth,
32 ULB Aoka hisy morony voatenona manodidina ny vozon'izany mba tsy hitriatra. Tsy maintsy anjaran'ny mpanenona izany asa izany. BSB BSB: with an opening at its top in the center. Around the opening shall be a woven collar with an opening like that of a garment, so that it will not tear.
33 ULB Eo amin'ny moron-tongony, dia aoka asianao sarin'apongaben-danitra manga, volomparasy, ary jaky mena manodidina azy. Ireo lakolosin'Andriamanitra dia tsy maintsy mielanelana manodidina izany. BSB BSB: Make pomegranates of blue, purple, and scarlet yarn all the way around the lower hem, with gold bells between them,
34 ULB Tsy maintsy misy lakolosy volamena dia apongaben-danitra, lakolosy volamena dia apongamben-danitra—ary toy izany hatrany—manodidina ny moron-tongotry ny akanjo lava. BSB BSB: alternating the gold bells and pomegranates around the lower hem of the robe.
35 ULB Tokony hanaovan'i Arona ilay akanjo lava rehefa manompo izy, mba ho re ny feon'izany rehefa miditra ao amin'ny fitoerana masina eo anatrehan'i Yaveh sy mivoaka izy. Natao izany mba tsy ho faty izy. BSB BSB: Aaron must wear the robe whenever he ministers, and its sound will be heard when he enters or exits the sanctuary before the LORD, so that he will not die.
36 ULB Manamboara takela-bolamena tsy mifangaro ka hanisy soratra eo amin'izany, tahaka ny soratra eo amin'ny tombokase hoe: "Masina ho an'i Yaveh." BSB BSB: You are to make a plate of pure gold and engrave on it as on a seal: HOLY TO THE LORD.
37 ULB Apetaho amin'ny kofehy manga eo anoloan'ny hamama io takela-bolamena io. BSB BSB: Fasten to it a blue cord to mount it on the turban; it shall be on the front of the turban.
38 ULB Aoka ho eo amin'ny tampon-kandrin'i Arona izany; tsy maintsy mitondra izay fahamelohana rehetra mety hiaraka amin'ny fanatitry ny fanomezana masina izay hatokan'ny Israelita ho an'i Yaveh hatrany izy. Aoka ho eo amin'ny tampon-kandriny lalandava ny hamama mba haneken'i Yaveh ny fanatitr'izy ireo. BSB BSB: And it will be worn on Aaron’s forehead, so that he may bear the iniquity of the holy things that the sons of Israel consecrate with regard to all their holy gifts. It shall always be on his forehead, so that they may be acceptable before the LORD.
39 ULB Manamboara akanjo vita amin'ny rongony fotsy madinika ianao, ary manamboara hamama vita amin'ny rongony fotsy madinika. Aoka ihany koa ianao hanao fehin-kibo, izay anjara asan'ny mpanao peta-kofehy. BSB BSB: You are to weave the tunic with fine linen, make the turban of fine linen, and fashion an embroidered sash.
40 ULB Ho an'ireo zanak'i Arona kosa dia tsy maintsy manamboatra fitafiana, fehin-kibo, ary fehiloha ianao ho voninahitra sy famirapiratan'izy ireo. BSB BSB: Make tunics, sashes, and headbands for Aaron’s sons, to give them glory and splendor.
41 ULB Aoka ampitafianao i Arona rahalahinao, mbamin'ireo zanany. Tsy maintsy manosotra azy ireo, manamasina azy ireo, ary manokana azy ireo ho Ahy ianao, mba hanompoan'izy ireo Ahy ho mpisorona. BSB BSB: After you put these garments on your brother Aaron and his sons, anoint them, ordain them, and consecrate them so that they may serve Me as priests.
42 ULB Manamboara atin'akanjo vita amin'ny rongony ho azy ireo mba hanaronana ny nofo mitanjak'izy ireo, ary hanarona azy ireo manomboka avy eo amin'ny valahana ka hatreo amin'ny fe. BSB BSB: Make linen undergarments to cover their bare flesh, extending from waist to thigh.
43 ULB Tsy maintsy manao ireo akanjo ireo i Arona sy ireo zanany rehefa miditra ao amin'ny trano-lay fihaonana na rehefa manatona ny alitara mba hanompo ao amin'ny fitoerana masina. Tsy maintsy manao izany izy ireo mba tsy ho meloka, raha tsy izany izy ireo dia ho faty. Lalàna maharitra ho an'i Arona sy ireo taranaka mandimby azy izany. BSB BSB: Aaron and his sons must wear them whenever they enter the Tent of Meeting or approach the altar to minister in the Holy Place, so that they will not incur guilt and die. This is to be a permanent statute for Aaron and his descendants.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.