1 ULB Ary izao no tsy maintsy ataonareo mba hanokananareo azy ireo ho ahy mba hanompoan'izy ireo Ahy ho mpisorona. Mangalà vantotr'ombilahy sy ondrilahy roa tsy misy kilema, BSB BSB: “Now this is what you are to do to consecrate Aaron and his sons to serve Me as priests: Take a young bull and two rams without blemish,
2 ULB mofo tsy misy lalivay, ary mofomamy tsy misy lalivay nasiana menaka. Mangalà ihany koa mofo manify tsy misy lalivay voahoso-menaka. Manaova mofo manify amin'ny fampiasana ny lafarinina varim-bazaha. BSB BSB: along with unleavened bread, unleavened cakes mixed with oil, and unleavened wafers anointed with oil. Make them out of fine wheat flour,
3 ULB Ataovy anaty harona iray ireo, ento anaty ny harona ireo, ary atolory miaraka amin'ilay vantontr'ombilahy sy ireo ondrilahy roa. BSB BSB: put them in a basket, and present them in the basket, along with the bull and the two rams.
4 ULB Tsy maintsy mitondra an'i Arona sy ireo zanany eo amin'ny fidirana amin'ny lay fihaonana ianareo. Tsy maintsy manasa an'i Arona sy ireo zanany amin'ny rano ianareo. BSB BSB: Then present Aaron and his sons at the entrance to the Tent of Meeting and wash them with water.
5 ULB Tsy maintsy manala ireo akanjo ary mampitafy an'i Arona amin'ny akanjo lava, akanjo misy ny efoda, ny efoda, ary ny saron-tratra ianareo, mampiraikitra ny fehikibo vita amin'ny tenona-manify efoda manodidina azy. BSB BSB: Take the garments and clothe Aaron with the tunic, the robe of the ephod, the ephod itself, and the breastplate. Fasten the ephod on him with its woven waistband.
6 ULB Tsy maintsy mametraka ny satroka amin'ny lohany ary mametraka ny satro-boninahitra masina eo ambonin'ilay satroka. BSB BSB: Put the turban on his head and attach the holy diadem to the turban.
7 ULB Avy eo dia makà ny menaka fanosorana ary araraho eo amin'ny lohany, izany no fomba hanosorana azy. BSB BSB: Then take the anointing oil and anoint him by pouring it on his head.
8 ULB Ianareo dia tsy maintsy mitondra ireo zanany ary mampiakanjo lava azy ireo. BSB BSB: Present his sons as well and clothe them with tunics.
9 ULB Tsy maintsy mampiakanjo an'i Arona sy ireo zanany amin'ny saron-tratra ary mametraka fehiloha amin'izy ireo ianareo. Ho azy ireo amin'ny alalan'ny lalàna mandrakizay ny asa fisoronana. Amin'zany fomba izany dia tsy maintsy hanokana an'i Aarona sy ireo zanany mba hanompo Ahy ianareo. BSB BSB: Wrap the sashes around Aaron and his sons and tie headbands on them. The priesthood shall be theirs by a permanent statute. In this way you are to ordain Aaron and his sons.
10 ULB Tsy maintsy hitondra ny vantotr'ombilahy eo anatrehan'ny lay fihaonana ianareo rehetra, ary i Arona sy ireo zanany dia tsy maintsy mametraka ny tanan'izy ireo amin'ny lohan'izany. BSB BSB: You are to present the bull at the front of the Tent of Meeting, and Aaron and his sons are to lay their hands on its head.
11 ULB Tsy maintsy mamono ny vantotr'ombilahy eo anatrehan'i Yaveh eo amin'ny fidirana amin'ny lay fihaonana ianareo. BSB BSB: And you shall slaughter the bull before the LORD at the entrance to the Tent of Meeting.
12 ULB Tsy maintsy maka ampahany amin'ny ràn'ny vantotr'ombilahy ianareo ary mametraka izany amin'ny rantsan-tananareo amin'ireo tandroky ny alitara, ary tsy maintsy mandraraka ny ambin'ny rà eo amin'ny fototry ny alitara. BSB BSB: Take some of the blood of the bull and put it on the horns of the altar with your finger; then pour out the rest of the blood at the base of the altar.
13 ULB Tsy maintsy esorinareo ny sabora rehetra izay mandrakotra ny ao anatiny, esory ihany koa ny sabora izay mandrakotra ny aty sy ireo voa roa; dory eo amin'ny alitara izany rehetra izany. BSB BSB: Take all the fat that covers the entrails and the lobe of the liver, and both kidneys with the fat on them, and burn them on the altar.
14 ULB Fa ny nofon'ny vantotr'ombilahy kosa, ny hodiny sy ny tain-drorohany, dia tsy maintsy doranareo any ivelan'ny toby. Ho sorona nohon'ny fahotana izany. BSB BSB: But burn the flesh of the bull and its hide and dung outside the camp; it is a sin offering.
15 ULB Tsy maintsy maka ny ondry lahy ihany koa ianareo, ary i Arona sy ireo zanany dia tsy maintsy mametraka ny tanan'izy ireo eo amin'ny lohan'izany. BSB BSB: Take one of the rams, and Aaron and his sons shall lay their hands on its head.
16 ULB Tsy maintsy vonoinareo ny ondry lahy, ary maka ny ràny sy mamafy izany amin'ny sisin'ny alitara rehetra. BSB BSB: You are to slaughter the ram, take its blood, and splatter it on all sides of the altar.
17 ULB Tsy maintsy tetehinareo ilay ondrilahy ary sasainareo ny ao anatiny sy ny tongony, ary tsy maintsy apetrakareo, miaraka amin'ireo efa voatetika sy ny lohany, eo amin'ny alitarany tao anatiny. BSB BSB: Cut the ram into pieces, wash the entrails and legs, and place them with its head and other pieces.
18 ULB Avy eo dory manontolo ilay ondry. Ho fanatitra dorana ho an'i Yaveh izany, hanitra mamerovero, fanatitra natao tamin'ny afo ho an'i Yaveh. BSB BSB: Then burn the entire ram on the altar; it is a burnt offering to the LORD, a pleasing aroma, a food offering to the LORD.
19 ULB Tsy maintsy maka ilay ondrilahy hafa ianareo avy eo, ary Arona sy ireo zanany dia tsy maintsy mametraka ny tanan'izy ireo eo amin'ny lohan'izany. BSB BSB: Take the second ram, and Aaron and his sons are to lay their hands on its head.
20 ULB Ary tsy maintsy mamono ilay ondrilahy sy maka ampahany amin'ny ràny ianareo. Ataovy eo amin'ny tendron'ny ravin-tsofina ankavanan'i Arona izany, ary eo amin'ny tendron'ny ravin-tsofina ankavanan'ireo zanany, eo amin'ny ankihiben'ny tanana ankavanan'izy ireo, sy eo amin'ny ankihiben-tongotra ankavanan'izy ireo. Avy eo dia tsy maintsy mamafy ny rà amin'ny sisin'ny alitara rehetra ianareo. BSB BSB: Slaughter the ram, take some of its blood, and put it on the right earlobes of Aaron and his sons, on the thumbs of their right hands, and on the big toes of their right feet. Splatter the remaining blood on all sides of the altar.
21 ULB Tsy maintsy maka ampahany amin'ny rà izay eo amin'ny alitara sy ampahany amin'ny menaka fanosorana ianareo, ary mamafy izany rehetra izany amin'i Arona sy ny akanjony, amin'ireo zanany sy ny akanjon'izy ireo ihany koa. Dia ho voatokana ho Ahy i Arona, mbamin'ireo fitafiany, ireo zanany sy ireo fitafian'izy ireo. BSB BSB: And take some of the blood on the altar and some of the anointing oil and sprinkle it on Aaron and his garments, as well as on his sons and their garments. Then he and his garments will be consecrated, as well as his sons and their garments.
22 ULB Tsy maintsy esorinareo ny saboran'ilay ondrilahy, ny saboran'ny rambony, ny sabora izay mandrakotra ny ao anatiny, ny saboran'ny aty, ireo voa roa sy ny saboran'izany, ary ny fe ankavanana-satria io ondrilahy io dia ho an'ny mpisorona izay nohamasinina ho Ahy. BSB BSB: Take the fat from the ram, the fat tail, the fat covering the entrails, the lobe of the liver, both kidneys with the fat on them, and the right thigh (since this is a ram for ordination),
23 ULB Mandraisa mofo iray, mofo iray misy menaka, ary mofo manify iray ao amin'ny harona izay misy ireo mofo tsy misy lalivay izay eo anatrehan'i Yaveh. BSB BSB: along with one loaf of bread, one cake of bread made with oil, and one wafer from the basket of unleavened bread that is before the LORD.
24 ULB Tsy maintsy apetrakareo eo amin'ny tanan'i Arona sy ny tanan'ireo zanany izany ary ataovy mihevaheva eto anatrehako ireo mba ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan'i Yaveh. BSB BSB: Put all these in the hands of Aaron and his sons and wave them before the LORD as a wave offering.
25 ULB Tsy maintsy maka ny sakafo avy eo amin'ny tanan'izy ireo ianareo avy eo ary mandoro izany miaraka amin'ny fanatitra dorana eo amin'ny alitara. Hamoaka hanitra mamerovero izany; ho fanatitra natao tamin'ny afo ho Ahy izany. BSB BSB: Then take them from their hands and burn them on the altar atop the burnt offering as a pleasing aroma before the LORD; it is a food offering to the LORD.
26 ULB Tsy maintsy maka ny tratran'ny ondrilahin'ny fanokanana an'i Arona ianareo ary manevaheva izany ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan'i Yaveh, ka ho anjaranareo izany. BSB BSB: Take the breast of the ram of Aaron’s ordination and wave it before the LORD as a wave offering, and it will be your portion.
27 ULB Tsy maintsy atokanareo ho Ahy ny tratran'ny fanatitra izay nahevaheva, ary ny fe izay anjaran'ireo mpisorona—ny tratra izay nahevaheva sy ny fe izay anjaran'i Arona sy ireo zanany. BSB BSB: Consecrate for Aaron and his sons the breast of the wave offering that is waved and the thigh of the heave offering that is lifted up from the ram of ordination.
28 ULB Ho didy mandrakizay ho an'i Arona sy ireo zanany izany. Ho fandraisana anjaran'ireo olon'Israely ny manome amin'ny fanati-pihavanana ho an'i Yaveh. BSB BSB: This will belong to Aaron and his sons as a regular portion from the Israelites, for it is the heave offering the Israelites will make to the LORD from their peace offerings.
29 ULB Ireo fitafiana masin'i Arona dia tsy maintsy voatokana ho an'ireo zanany mandimby azy. Izy ireo dia ho voahosotra ao amin'izy ireo ary voatokana ho Ahy ao amin'izy ireo. BSB BSB: The holy garments that belong to Aaron will belong to his sons after him, so they can be anointed and ordained in them.
30 ULB Ny mpisorona izay mandimby azy eo amin'ireo zanany, izay tonga ao amin'ny lay fihaonana mba hanompo Ahy ao amin'ny toerana masina, dia tokony hanao ireo fitafiana ireo mandritra ny fito andro. BSB BSB: The son who succeeds him as priest and enters the Tent of Meeting to minister in the Holy Place must wear them for seven days.
31 ULB Tsy maintsy maka ny ondrilahy ho an'ny fametrahana ny mpisorona ho Ahy sy mahandro ny henan'izany ao amina toerana masina ianareo. BSB BSB: You are to take the ram of ordination and boil its flesh in a holy place.
32 ULB Arona sy ireo zanany dia tsy maintsy mihinana ny henan'ny ondrilahy sy ny mofo izay tao anatin'ny harona teo amin'ny fidirana mankao amin'ny lay fihaonana. BSB BSB: At the entrance to the Tent of Meeting, Aaron and his sons are to eat the meat of the ram and the bread that is in the basket.
33 ULB Izy ireo dia tsy maintsy mihinana ny hena sy ny mofo izay nomena mba hanonerana azy ireo sy hanokanana azy ireo, mba ho voatokana ho Ahy. Tsy misy olon-kafa tokony hihinana ny sakafo, satria izy ireo dia tsy maintsy manao izany tahaka ny hoe nohamasinina ho Ahy, natokana ho Ahy. BSB BSB: They must eat those things by which atonement was made for their ordination and consecration. But no outsider may eat them, because these things are sacred.
34 ULB Raha misy ambiny amin'ny maraina ireo henan'ny fanatitra fanokanana, na izay mofo rehetra, dia tsy maintsy doranareo izany. Tsy azo hohanina intsony izany satria efa natokana ho Ahy. BSB BSB: And if any of the meat of ordination or any bread is left until the morning, you are to burn up the remainder. It must not be eaten, because it is sacred.
35 ULB Amin'izany fomba izany, amin'ny alalan'ny fanarahana izay rehetra nodidiako ho ataonareo, no tsy maintsy hitondranareo an'i Arona sy ireo zanany. Mandritra ny fito andro ireo no tsy maintsy homaninareo. BSB BSB: This is what you are to do for Aaron and his sons based on all that I have commanded you, taking seven days to ordain them.
36 ULB Isan'andro ianareo dia tsy maintsy manolotra ombilahy ho fanatitra nohon'ny fahotanareo mba ho fanavotana. Tsy maintsy manadio ny alitara amin'ny alalan'ny fanaovana fanavotana eo amin'izany ianareo, ary ianareo dia tsy maintsy manosotra izany mba hanokanana izany ho Ahy. BSB BSB: Sacrifice a bull as a sin offering each day for atonement. Purify the altar by making atonement for it, and anoint it to consecrate it.
37 ULB Mandritra ny fito andro dia tsy maintsy manao fanavotana eo amin'ny alitara sy manokana izany ho an'i Yaveh ianareo. Ka ho voatokana manontolo ho Ahy ny alitara. Izay rehetra mikasika ny alitara dia ho voatokana ho an'i Yaveh. BSB BSB: For seven days you shall make atonement for the altar and consecrate it. Then the altar will become most holy; whatever touches the altar will be holy.
38 ULB Tsy maintsy hatolotrareo eo amin'ny alitara isan'andro tsy tapaka ny zanak'ondry herintaona ro. BSB BSB: This is what you are to offer regularly on the altar, each day: two lambs that are a year old.
39 ULB Ny zanak'ondry iray dia tsy maintsy atolotra amin'ny maraina, ary ny zanak'ondry iray hafa dia tsy maintsy atolotra eo ho eo amin'ny filentehan'ny masoandro. BSB BSB: Offer one lamb in the morning and the other at twilight.
40 ULB Amin'ilay zanak'ondry voalohany, dia manolora koba manify impolon'ny efaha nafangaro tamin'ny diloilo ampahefatry ny hina avy amin'ny oliva nofihazina, ary divay ampahefatry ny hina mba ho zava-pisotro fanatitra. BSB BSB: With the first lamb offer a tenth of an ephah of fine flour, mixed with a quarter hin of oil from pressed olives, and a drink offering of a quarter hin of wine.
41 ULB Tsy maintsy manolotra ny zanak'ondry faharoa ianareo eo ho eo amin'ny fiposahan'ny masoandro. Ianareo dia tsy maintsy manolotra fanatitra hohanina tahaka tamin'ny maraina, sy zava-pisotro fanatitra. Hiteraka hanitra mamerovero ho Ahy ireo; ho fanatitra natao tamin'ny afo ho Ahy izany. BSB BSB: And offer the second lamb at twilight with the same grain offering and drink offering as in the morning, as a pleasing aroma, a food offering to the LORD.
42 ULB Tsy maintsy fanatitra dorana tsy tapaka amin'ny taranakareo ireo, eo amin'ny fidirana ao amin'ny lay fihaonana eo anatrehan'i Yaveh, izay hihaonako aminao sy hiresahako aminao. BSB BSB: For the generations to come, this burnt offering shall be made regularly at the entrance to the Tent of Meeting before the LORD, where I will meet you to speak with you.
43 ULB Any no hihaonako amin'ireo Israelita, ny lay dia ho atokana ho Ahy amin'ny alalan'ny voninahitro. BSB BSB: I will also meet with the Israelites there, and that place will be consecrated by My glory.
44 ULB Hanokana ny lay fihaonana sy ny alitara ho an'ireo izay Ahy manokana aho. Hanokana an'i Arona sy ireo zanany mba hanompo Ahy ho ny mpisorona ihany koa Aho. BSB BSB: So I will consecrate the Tent of Meeting and the altar, and I will consecrate Aaron and his sons to serve Me as priests.
45 ULB Hiaina eo amin'ireo Israelita Aho ary ho Andriamanitr'izy ireo. BSB BSB: Then I will dwell among the Israelites and be their God.
46 ULB Ho fantatr'izy ireo fa Izaho no Yaveh, Andriamanitr'izy ireo, izay nitondra azy ireo nivoaka ny tany Egypta mba hahafahako miaina eo amin'izy ireo. Izaho no Yaveh, Andriamanitr'izy ireo. BSB BSB: And they will know that I am the LORD their God, who brought them out of the land of Egypt so that I might dwell among them. I am the LORD their God.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.