1 ULB Manamboara alitara handorana ditin-kazo manitra. Ataovy amin'ny hazo akasia izany. BSB BSB: “You are also to make an altar of acacia wood for the burning of incense.
2 ULB Tokony iray hakio ny halavany, ary iray hakio ny sakany. Tokony ho efa-joro izany, ary ny hahavony dia tokony ho roa hakio. Ary tokony hatao iray aminy ny tandrony. BSB BSB: It is to be square, a cubit long, a cubit wide, and two cubits high. Its horns must be of one piece.
3 ULB Rakofy ditin-kazo manitra ny alitara miaraka amin'ny volamena madio—ny tampony, ireo sisiny, ary ireo tandrony. Asio sisim-bolamena ny manodidina azy. BSB BSB: Overlay with pure gold the top and all the sides and horns, and make a molding of gold around it.
4 ULB Manaova mason-drojo volamena roa hafatotra aminy ao ambanin'ny sisiny amin'ireo sisiny roa mifanadrify aminy. Ilay mason-drojo dia tokony hitazona ireo bao mba hilanjana ilay alitara. BSB BSB: And make two gold rings below the molding on opposite sides to hold the poles used to carry it.
5 ULB Manaova bao amin'ny hazo akasia, ary fonosy amin'ny volamena ireo. BSB BSB: Make the poles of acacia wood and overlay them with gold.
6 ULB Tokony apetrakao eo alohan'ny lamba izay akaiky ny fiaran'ny vavolombelona ny alitaran'ny ditin-kazo manitra. Izany ho eo alohan'ny saronam-panavotana izay eo amin'ny fiaran'ny vavolombelona, izay hihaonako aminareo. BSB BSB: Place the altar in front of the veil that is before the ark of the Testimony—before the mercy seat that is over the Testimony—where I will meet with you.
7 ULB Aoka handoro ditin-kazo manitra isa-maraina i Arona. Aoka rehefa mitazona ireo jiro no handoro izany izy, BSB BSB: And Aaron is to burn fragrant incense on it every morning when he tends the lamps.
8 ULB ary handrehitra ny jiro indray i Arona amin'ny hariva mba hirehitra tsy tapaka eo anatrehan'i Yaveh ny ditin-kazo manitra, hatramin'ireo taranakao. BSB BSB: When Aaron sets up the lamps at twilight, he must burn the incense perpetually before the LORD for the generations to come.
9 ULB Fa aoka tsy hanolotra ditin-kazo manitra hafa eo amin'ny alitaran'ny ditin-kazo manitra ianao, na koa fanatitra dorana na fanatitra vary. Aza mandraraka fanatitra fisotro eo amin'izany ianao. BSB BSB: On this altar you must not offer unauthorized incense or a burnt offering or grain offering; nor are you to pour a drink offering on it.
10 ULB Aoka hanao fanavotana indray mandeha isan-taona eo amin'ireo tandroka ireo i Arona. Amin'ny alalan'ny ràn'ny fanatitra nohon'ny ota no hanaovany fanavotana indray mandeha isan-taona ho an'izany ho amin'ny taranakao fara-mandimby. Izany dia voatokana tanteraka ho an'i Yaveh." BSB BSB: Once a year Aaron shall make atonement on the horns of the altar. Throughout your generations he shall make atonement on it annually with the blood of the sin offering of atonement. The altar is most holy to the LORD.”
11 ULB Yaveh niteny tamin'ny Mosesy nanao hoe: BSB BSB: Then the LORD said to Moses,
12 ULB "Raha maka ny fanisana an'ireo Israelita ianao, dia tokony manome vidim-panavotana ny ainy ho an'i Yaveh avy ny olona tsirairay. Ataonao izany rehefa avy manisa azy ireo ianao, mba tsy hisian'ny areti-mandringana eo amin'izy ireo rehefa manisa azy ireo ianao. BSB BSB: “When you take a census of the Israelites to number them, each man must pay the LORD a ransom for his life when he is counted. Then no plague will come upon them when they are numbered.
13 ULB Ireo olona rehetra izay voaisa ao amin'ny fanisam-bahoaka dia handoa antsasaky ny sekely volafotsy, araka ny lanjan'ny sekelin'ny fitoerana masina (ny sekely dia mitovy amin'ny gera roa-polo). Io antsasaka sekely io dia hatao ho fanatitra ho an'i Yaveh. BSB BSB: Everyone who crosses over to those counted must pay a half shekel, according to the sanctuary shekel, which weighs twenty gerahs. This half shekel is an offering to the LORD.
14 ULB Ireo olona rehetra izay voaisa, hatramin'ny roa-polo taona miakatra, no tsy maintsy mandoa io fanatitra io ho Ahy. BSB BSB: Everyone twenty years of age or older who crosses over must give this offering to the LORD.
15 ULB Rehefa hanome izany fanatitra izany ho Ahy ny olona hanaovana fanavotana ny ain'izy ireo, dia tsy tokony handoa mihoatra ny antsasaka sekely ny manan-karena, ary ny mahantra tsy handoa latsaka. BSB BSB: In making the offering to the LORD to atone for your lives, the rich shall not give more than a half shekel, nor shall the poor give less.
16 ULB Tokony handray izany vola fanavotana avy amin'ireo Israelita izany ianareo ary tokony hitondra izany amin'ny asa ao amin'ny trano lay fihaonana. Aoka ho fampatsiahivana ho an'ireo Israelita eo anatrehako izany, mba hanaovana fanavotana ho an'ny ainareo." BSB BSB: Take the atonement money from the Israelites and use it for the service of the Tent of Meeting. It will serve as a memorial for the Israelites before the LORD to make atonement for your lives.”
17 ULB Yaveh niresaka tamin'ny Mosesy ary niteny hoe: BSB BSB: And the LORD said to Moses,
18 ULB "Manaova koveta lehibe varahina ihany koa miaraka amin'ny tsanganam-barahina iray, kovetabe iray ho fisasana. Apetrakareo eo anelanelan'ny trano lay fihaonana sy ny alitara izany, ary asio rano ao anatiny. BSB BSB: “You are to make a bronze basin with a bronze stand for washing. Set it between the Tent of Meeting and the altar, and put water in it,
19 ULB Ary Arona sy ireo zanany lahy dia tokony hanasa ny tanany sy ny tongotr'izy ireo amin'ny rano ao anatiny izany. BSB BSB: with which Aaron and his sons are to wash their hands and feet.
20 ULB Rehefa handeha ho ao amin'ny trano lay fihaonana izy ireo na rehefa handeha hanakaiky ny alitara mba hanompo Ahy amin'ny alalan'ny fandorana fanatitra, dia tsy maintsy misasa amin'ny rano izy ireo mba tsy ho faty. BSB BSB: Whenever they enter the Tent of Meeting or approach the altar to minister by presenting a food offering to the LORD, they must wash with water so that they will not die.
21 ULB Tsy maintsy manasa ny tanany sy ny tongony izy ireo mba tsy ho faty. Aoka ho lalàna maharitra ho an'ny Arona sy ireo taranany ary hatramin'ireo taranaka fara-mandimbin'izy ireo izany. BSB BSB: Thus they are to wash their hands and feet so that they will not die; this shall be a permanent statute for Aaron and his descendants for the generations to come.”
22 ULB Niresaka tamin'ny Mosesy Yaveh niteny hoe: BSB BSB: Then the LORD said to Moses,
23 ULB "Raiso ireto zava-manitra tsara ireto: miora-mitete diman-jato sekely, kanelina manim-pofona 250 sekely, fary manim-pofona 250 sekely, BSB BSB: “Take the finest spices: 500 shekels of liquid myrrh, half that amount (250 shekels) of fragrant cinnamon, 250 shekels of fragrant cane,
24 ULB kasia diman-jato sekely, norefesina tamin'ny lanjan'ny sekely ny fitoerana masina, sy menaka oliva iray hina. BSB BSB: 500 shekels of cassia—all according to the sanctuary shekel—and a hin of olive oil.
25 ULB Manaova menaka fanosorana masina miaraka amin'ireo fangaro ireo, izay asan'ny mpangaroharo zava-manitra. Ho menaka fanosorana masina izany, voatokana ho Ahy. BSB BSB: Prepare from these a sacred anointing oil, a fragrant blend, the work of a perfumer; it will be a sacred anointing oil.
26 ULB Aoka hosoranao amin'io menaka io ny trano lay fihaonana, toy izany koa ny fiaran'ny vavolombelona, BSB BSB: Use this oil to anoint the Tent of Meeting, the ark of the Testimony,
27 ULB ireo latabatra mbamin'ny fanaka rehetra eo amboniny, ny fitoeran-jiro ary ireo fitaovana, ary ny alitaran'ny ditin-kazo manitra, BSB BSB: the table and all its utensils, the lampstand and its utensils, the altar of incense,
28 ULB ny alitaran'ireo fanatitra dorana mbamin'ny fitaovana rehetra, ary ny kovetabe miaraka amin'ny tongony. BSB BSB: the altar of burnt offering and all its utensils, and the basin with its stand.
29 ULB Atokany ho Ahy ireo mba ho masina ho Ahy. Izay rehetra mikasika azy ireo ihany koa dia ho masina. BSB BSB: You are to consecrate them so that they will be most holy. Whatever touches them shall be holy.
30 ULB Aoka hosoranao i Arona sy ireo zanany lahy ka atokany ho Ahy izy ireo mba hanompo Ahy ho mpisorona. BSB BSB: Anoint Aaron and his sons and consecrate them to serve Me as priests.
31 ULB Aoka ho lazainao amin'ireo Israelita hoe: 'Aoka ho menaka fanosorana voatokana ho an'i Yaveh ho an'ireo taranaky ny olona ity. BSB BSB: And you are to tell the Israelites, ‘This will be My sacred anointing oil for the generations to come.
32 ULB Tsy azo hosorana amin'ny hoditry ny olona izany, na manao menaka toy izany amin'ny raikipohy mitovy, satria izany dia voatokana ho an'i Yaveh. Fa tokony hijery izany amin'izany fombany izany ianao. BSB BSB: It must not be used to anoint an ordinary man, and you must not make anything like it with the same formula. It is holy, and it must be holy to you.
33 ULB Na iza na iza manao ditin-kazo manitra toy izany, na na iza na iza manisy izany eo amin'ny olona, dia tsy maintsy hesorina hiala amin'ny fireneny izany olona izany.'" BSB BSB: Anyone who mixes perfume like it or puts it on an outsider shall be cut off from his people.’”
34 ULB Hoy Yaveh tamin'ny Mosesy: "Makà zava-manitra—natafa, sekeleta, ary lebona-zava-manitra mamy izay miaraka amin'ny ditin-kazo madio, ataovy mitovy fatra izany. BSB BSB: The LORD also said to Moses, “Take fragrant spices—gum resin, onycha, galbanum, and pure frankincense—in equal measures,
35 ULB Ataovy ho toy ny ditin-kazo manitra izany, nafangaron'ny mpanao zava-manitra, miaraka amin'ny sira, madio ary voatokana. BSB BSB: and make a fragrant blend of incense, the work of a perfumer, seasoned with salt, pure and holy.
36 ULB Hotorotoroinao hifangaro tsara izany. Apetraho eo alohan'ny fiaran'ny vavolombelona izany, izay ao amin'ny trano lay fihaonana, izay hihaonako aminao. Ary ianareo dia handray izany ho toy ny masina indrindra ho Ahy. BSB BSB: Grind some of it into fine powder and place it in front of the Testimony in the Tent of Meeting, where I will meet with you. It shall be most holy to you.
37 ULB Ny amin'ity ditin-kazo manitra izay hataonao ity, dia tsy tokony hanao raikipohy mitovy ho an'ny tenanao ianao. Tokony ho masina indrindra ho anao izany. BSB BSB: You are never to use this formula to make incense for yourselves; you shall regard it as holy to the LORD.
38 ULB Na iza na iza manao zavatra tahaka izany hampiasana ho toy ny rano manitra dia tsy maintsy hesorina hiala amin'ny fireneny izany olona izany." BSB BSB: Anyone who makes something like it to enjoy its fragrance shall be cut off from his people.”
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.