1 ULB Bezalila nanao ilay fiara tamin'ny hazo akasia. Roa hakiho sy sasany ny halavany; iray hakiho sy sasany ny velarany; ary iray hakiho sy sasany ny hahavony. BSB BSB: Bezalel went on to construct the ark of acacia wood, two and a half cubits long, a cubit and a half wide, and a cubit and a half high.
2 ULB Nanarona izany tao anatiny sy tao ivelany izy niaraka tamin'ny volamena tsy miharo ary nanao izany ho sisim-bolamena manodidina ny tampony. BSB BSB: He overlaid it with pure gold, both inside and out, and made a gold molding around it.
3 ULB Nanefy mason-drojo volamena efatra izy ho an'ny tongony efatra, niaraka tamin'ny mason-drojo roa tamin'ny ilany iray, ary mason-drojo roa tamin'ny ilany hafa. BSB BSB: And he cast four gold rings for its four feet, two rings on one side and two on the other.
4 ULB Nataony tamin'ny hazo akasia ny bao ary nanarona izany tamin'ny volamena izy. BSB BSB: Then he made poles of acacia wood and overlaid them with gold.
5 ULB Nametraka ilay bao tao amin'ny mason-drojo teo amin'ireo sisin'ny fiara izy, mba hilanjana ny sambo fiara. BSB BSB: He inserted the poles into the rings on the sides of the ark in order to carry it.
6 ULB Nanao saronam-panavotana volamena tsy miharo izy. Roa hakiho sy sasany ny halavany, ary iray hakiho sy sasany ny sakany. BSB BSB: He constructed a mercy seat of pure gold, two and a half cubits long and a cubit and a half wide.
7 ULB Bezalila nanao kerobima volamena roa ho an'ny tendron'ny saronam-panavotana roa. BSB BSB: He made two cherubim of hammered gold at the ends of the mercy seat,
8 ULB Ny kerobima iray dia ho an'ny tendron'ny saronam-panavotana iray, ary ny kerobima iray hafa dia ho an'ny tendron'ny saronam-panavotana iray hafa. Natao ho ampahany iray ihany ireo miaraka amin'ny saronam-panavotana. BSB BSB: one cherub on one end and one on the other, all made from one piece of gold.
9 ULB Namelatra ireo elany ilay kerobima ary nanaloka ny saronam-panavotana niaraka tamin'ireo. Mifanatrika sy mitodika any afovoan'ny saronam-panavotana ireo kerobima. BSB BSB: And the cherubim had wings that spread upward, overshadowing the mercy seat. The cherubim faced each other, looking toward the mercy seat.
10 ULB Bezalila nanao ny latabatra vita tamin'ny hazo akasia. Roa hakiho sy sasany ny halavany, iray hakiho sy sasany ny sakany, ary iray akiho sy sasany ny hahavony. BSB BSB: He also made the table of acacia wood two cubits long, a cubit wide, and a cubit and a half high.
11 ULB Nandrakotra izany tamin'ny volamena tsy miharo izy ary nametraka sisim-bolamena tsy miharo nanodidina ny tampony. BSB BSB: He overlaid it with pure gold and made a gold molding around it.
12 ULB Nanisy rafitra nanodidina vodivoam-pelatanany iray manontolo izy, niaraka tamin'ny sisim-bolamena nanodidina ilay rafitra. BSB BSB: And he made a rim around it a handbreadth wide and put a gold molding on the rim.
13 ULB Nanefy mason-drojo volamena efatra ho an'izany izy ary namatotra ireo mason-drojo tamin'ireo zorony efatra, izay nisy ireo tongotra efatra. BSB BSB: He cast four gold rings for the table and fastened them to the four corners at its four legs.
14 ULB Voafatotra tamin'ny ireo zorony efatra ireo mason-drojo, mba hanomezana toerana ho an'ireo bao, mba hilanjana ilay latabatra. BSB BSB: The rings were placed close to the rim, to serve as holders for the poles used to carry the table.
15 ULB Nanao ireo bao tamin'ny hazo akasia izy ary nanarona ireo tamin'ny volamena, mba hilanjana ilay latabatra. BSB BSB: He made the poles of acacia wood for carrying the table and overlaid them with gold.
16 ULB Nanao ireo fanaka izay hapetraka eo ambonin'ny latabatra izy—ireo lovia, sotro, lovia jobo, sy ireo fitoeran-divay mba hampiasaina handrarahana ireo fanatitra. Nataony tamin'ny volamena tsy miharo ireo. BSB BSB: He also made the utensils for the table out of pure gold: its plates and dishes, as well as its bowls and pitchers for pouring drink offerings.
17 ULB Nataony tamin'ny volamena tsy miharo ilay fitoeran-jiro. Nataony niaraka tamin'ny faladiany sy ny tahony ny fitoeran-jiro. Ny kapoakany, ny kiboriny, ary ny voninkazony dia natao ampahany iray miaraka aminy. BSB BSB: Then he made the lampstand out of pure hammered gold, all of one piece: its base and shaft, its cups, and its buds and petals.
18 ULB Nisy sampana enina nivoaka avy tamin'ireo sisiny—sampana telo nivoaka tamin'ny sisiny iray, ary sampana telo hafa no nivoaka amin'ireo sisiny amin'ny fitoeran-jiro. Ny sampany voalohany dia nanana kapoaka telo vita tahaka ny felan'ny amandia mamelana, miaraka amin'ny kibory iray sy voninkazo iray. BSB BSB: Six branches extended from the sides, three on one side and three on the other.
19 ULB Ary kapoaka telo natao toy ny amandia mamelana tamin'ny sampany iray hafa, miaraka amin'ny kibory iray, sy voninkazo iray. Dia toy izany avokoa ho an'ireo sampana enina nivoaka avy amin'ny fitoeran-jiro. BSB BSB: There were three cups shaped like almond blossoms on the first branch, each with buds and petals, three on the next branch, and the same for all six branches that extended from the lampstand.
20 ULB Eo amin'ny fitoeran-jiro, teo amin'ny tahony afovoany, dia nisy kapoaka efatra natao toy ny amandia mamelana, niaraka tamin'ny kiborin'izy ireo sy ireo voninkaz. BSB BSB: And on the lampstand were four cups shaped like almond blossoms with buds and petals.
21 ULB Nisy kibory iray tao ambanin'ny sampana roa voalohany—izay natao iray aminy, ary kibory iray tao ambanin'ny sampana roa faharoa—natao iray aminy ihany koa izany. Tamin'ny fomba mitovy dia nisy kibory iray tao ambanin'ny sampana roa fahatelo, natao iray aminy. Ary toy izany koa ireo sampana enina nivoaka tao amin'ny fitoeran-jiro. BSB BSB: A bud was under the first pair of branches that extended from the lampstand, a bud under the second pair, and a bud under the third pair.
22 ULB Ny kibory sy ny sampan'izy ireo dia iray aminy, sombin'asam-bolamena tsy miharo iray. BSB BSB: The buds and branches were all of one piece with the lampstand, hammered out of pure gold.
23 ULB Bezalila nanao ny fitoeran-jiro sy ny jiro fiton'ireo, ny hetin-jiro sy fitoeran-davenona volamena tsy miharon'ireo. BSB BSB: He also made its seven lamps, its wick trimmers, and trays of pure gold.
24 ULB Nanao ny fitoeran-jiro sy ireo fitaovana miaraka tamin'ny talenta volamena iray tsy miharo izy. BSB BSB: He made the lampstand and all its utensils from a talent of pure gold.
25 ULB Bezalila nanao ny alitaran'ny ditin-kazo manitra. Nanao izany tamin'ny hazo akasia izy. Iray hakiho ny halavany, ary iray hakiho ny velarany. Efa-joro izany, ary roa hakiho ny hahavony. Ny tandrony dia natao toy iray aminy. BSB BSB: He made the altar of incense out of acacia wood. It was square, a cubit long, a cubit wide, and two cubits high. Its horns were of one piece.
26 ULB Nandrakotra ny alitaran'ny ditin-kazo manitra tamin'ny volamena madio izy—ny tampony, ireo sisiny, ary ireo tandrony. Nanao sisim-bolamena nanodidina ho an'izany ihany koa izy. BSB BSB: And he overlaid with pure gold the top and all the sides and horns. Then he made a molding of gold around it.
27 ULB Nanao mason-drojo volamena roa izy mba hamatorana izany ao ambanin'ny sisiny eo amin'ny sisiny roa mifanandrify aminy. Ireo mason-drojo dia natao hitazona ireo bao mba hilanjana ny alitara. BSB BSB: He made two gold rings below the molding on opposite sides to hold the poles used to carry it.
28 ULB Nataony tamin'ny hazo akasia ireo bao, ary nandrakotra ireo tamin'ny volamena izy. BSB BSB: And he made the poles of acacia wood and overlaid them with gold.
29 ULB Izy dia nanamboatra ny menaka fanosorana masina sy ny fofona tsy miharon'ny ditin-kazo manitra, izay asan'ny mpanao zava-manitra. BSB BSB: He also made the sacred anointing oil and the pure, fragrant incense, the work of a perfumer.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.