1 ULB Bezalila nanao ny alitara ho an'ny fanatitra dorana tamin'ny hazo akasia. Izany dia dimy hakiho ny halavany ary dimy hakiho ny halalany—efa-joro—ary telo hakiho ny haavony. BSB BSB: Bezalel constructed the altar of burnt offering from acacia wood. It was square, five cubits long, five cubits wide, and three cubits high.
2 ULB Ary nanitatra ireo zorony efatra hiendrika toy ny tandrok'omby izy. Ny tandroka dia natambatra iray tamin'ny alitara, ary nandrakotra izany tamin'ny varahina izy. BSB BSB: He made a horn at each of its four corners, so that the horns and altar were of one piece, and he overlaid the altar with bronze.
3 ULB Nanao ny fitaovana rehetra ho an'ny alitara izy—vilany ho an'ny lavenona, angady, kovetabe, sotro rovitra, ary vilany fitondrana afo. Nanao ireo fitaovana rehetra ireo tamin'ny varahina izy. BSB BSB: He made all the altar’s utensils of bronze—its pots, shovels, sprinkling bowls, meat forks, and firepans.
4 ULB Nanao makarakara ho an'ny alitara izy, tohi-vakana varahina mba hapetraka ao ambanin'ny rindrina, teo amin'ny fisasahany ka hatrany amin'ny farany ambany. BSB BSB: He made a grate of bronze mesh for the altar under its ledge, halfway up from the bottom.
5 ULB Nandrendrika mason-drojo efatra ho an'ireo zoro efatry ny makarakara varahina izy, ho fihazonana ireo bao. BSB BSB: At the four corners of the bronze grate he cast four rings as holders for the poles.
6 ULB Nanao bao tamin'ny hazo akasia ary nandrakotra ireo tamin'ny varahina i Bezalila. BSB BSB: And he made the poles of acacia wood and overlaid them with bronze.
7 ULB Nametaka ireo bao tamin'ny mason-drojo teo amin'ireo lafin'ny alitara izy, mba hilanjana izany. Nanao ny alitara poak'aty izy, tamin'ny hazo fisaka. BSB BSB: Then he inserted the poles into the rings on the sides of the altar for carrying it. He made the altar with boards so that it was hollow.
8 ULB Nanao koveta varahina lehibe miaraka amin'ny fitoerany varahina i Bezalila. Nanao ny koveta tamin'ny fitaratr'ireo vehivavy izay nanompo teo amin'ny fidirana mankany amin'ny lay fihaonana izy. BSB BSB: Next he made the bronze basin and its stand from the mirrors of the women who served at the entrance to the Tent of Meeting.
9 ULB Nanao ny kianja ihany koa izy. Ireo fefy lamba teo amin'ny lafiny avaratry ny kianja dia rongony fotsy madinika, zato hakiho ny halavany. BSB BSB: Then he constructed the courtyard. The south side of the courtyard was a hundred cubits long and had curtains of finely spun linen,
10 ULB Ireo fefy lamba dia nisy tsangatsangany roapolo, ary faladiany varahina roapolo. Nisy farango naraikitra tamin'ireo tsangatsangany, sy teo amin'ny fitohizana volafotsy. BSB BSB: with twenty posts and twenty bronze bases, and with silver hooks and bands on the posts.
11 ULB Toy izany koa nanaraka ny lafiny avaratra, dia nisy fefy lamba zato hakiho ny halavany miaraka amin'ny tsangatsangany roapolo, faladiany varahina roapolo, farango naraikitra tamin'ireo tsangatsangany, ary fitohizana volafotsy. BSB BSB: The north side was also a hundred cubits long, with twenty posts and twenty bronze bases. The hooks and bands of the posts were silver.
12 ULB Ireo fefy lamban'ny lafiny atsinanana dia dimampolo hakiho ny halavany, miaraka amin'ny tsangatsangany sy faladiany folo. Ireo farango sy fitohizan'ireo tsangatsangany dia volafotsy. BSB BSB: The west side was fifty cubits long and had curtains, with ten posts and ten bases. The hooks and bands of the posts were silver.
13 ULB Ny kianja ihany koa dia dimampolo hakiho ny halavany ao amin'ny lafiny atsinanana. BSB BSB: And the east side, toward the sunrise, was also fifty cubits long.
14 ULB Ireo fefy lamba ho an'ny ankilan'ny fidirana dia dimy ambin'ny folo hakiho ny halavany. Misy tsangatsangany telo miaraka amin'ny faladiany telo ireo. BSB BSB: The curtains on one side of the entrance were fifteen cubits long, with three posts and three bases.
15 ULB Teo amin'ny andanin'ny fidiran'ny kianja ihany koa dia nisy fefy lamba dimampolo hakiho ny halavany, miaraka amin'ny tsangatsangany telo sy faladiany telo. BSB BSB: And the curtains on the other side were also fifteen cubits long, with three posts and three bases as well.
16 ULB Ireo fefy lamba rehetra manodidina ny kianja dia natao tamin'ny rongony fotsy madinika. BSB BSB: All the curtains around the courtyard were made of finely spun linen.
17 ULB Ny faladian'ireo tsangantsangany dia natao tamin'ny varahina. Ireo farango sy ireo fitohizana ho an'ireo tsangatsangany dia natao tamin'ny volafotsy, ary ny fandrakofana ho an'ireo tendron'ny tsangatsangany ihany koa dia natao tamin'ny volafotsy. Ireo tsangatsangan'ny kianja rehetra dia norakofana tamin'ny volafotsy. BSB BSB: The bases for the posts were bronze, the hooks and bands were silver, and the plating for the tops of the posts was silver. So all the posts of the courtyard were banded with silver.
18 ULB Ny lamba teo amin'ny vavahadin'ny kianja dia roapolo hakiho ny halavany. Ny lamba dia natao tamin'ny manga, volomparasy, sy rongony jaky, rongony fotsy madinika voatenona, ary roapolo hakiho ny halavany. Izany dia roapolo hakiho ny halavany ary dimy hakiho ny sakany, tahaka ireo lamban'ny kianja. BSB BSB: The curtain for the entrance to the courtyard was embroidered with blue, purple, and scarlet yarn, and finely spun linen. It was twenty cubits long and, like the curtains of the courtyard, five cubits high,
19 ULB Nisy faladiany varahina efatra sy farango volafotsy izany. Ny fandrakofana ho an'ireo tendrony sy ny fitohizan'izany dia natao tamin'ny volafotsy. BSB BSB: with four posts and four bronze bases. Their hooks were silver, as well as the bands and the plating of their tops.
20 ULB Ny fihantonan'ny lay rehetra ho an'ny tabernakely sy ny kianja dia natao tamin'ny varahina. BSB BSB: All the tent pegs for the tabernacle and for the surrounding courtyard were bronze.
21 ULB Izao no lisitry ny momba ny tabernakely, ny tabernakelin'ny lalàn'ny fanekena, nalaina araka ireo toromarik'i Mosesy izany. Izany dia asan'ireo Levita teo ambany fitarihan'i Itamara zanaka lahin'i Arona mpisorona. BSB BSB: This is the inventory for the tabernacle, the tabernacle of the Testimony, as recorded at Moses’ command by the Levites under the direction of Ithamar son of Aaron the priest.
22 ULB Bezalila zanaka lahin'i Ory zanaka lahin'i Hora, avy ao amin'ny fokon'i Joda, dia nanao ny zavatra rehetra izay nandidian'i Yaveh an'i Mosesy. BSB BSB: Bezalel son of Uri, the son of Hur, of the tribe of Judah, made everything that the LORD had commanded Moses.
23 ULB Oholiaba zanaka lahin'i Ahisamaka, avy ao amin'ny fokon'i Dana, dia niasa niaraka tamin'i Bezalila ho mpanao sokitra, ho mpiasa tena mahay, ary ho mpanao tenona amin'ny manga, volomparasy, sy volon'ondry jaky, ary rongony fotsy madinika. BSB BSB: With him was Oholiab son of Ahisamach, of the tribe of Dan, an engraver, designer, and embroiderer in blue, purple, and scarlet yarn and fine linen.
24 ULB Ny volamena rehetra izay nampiasaina tamin'ny tetik'asa, tamin'ny asa rehetra nifandray tamin'ny toerana masina—ny volamena avy amin'ny fanatitra ahevaheva—dia talenta sivy amby roapolo sy sekely 730, voarefy tamin'ny fenitry ny sekely masina. BSB BSB: All the gold from the wave offering used for the work on the sanctuary totaled 29 talents and 730 shekels, according to the sanctuary shekel.
25 ULB Ny volafotsy nomen'ny fiangonana dia nilanja talenta zato ary sekely 1. 775, araka ny sekely masina, BSB BSB: The silver from those numbered among the congregation totaled 100 talents and 1,775 shekels, according to the sanctuary shekel—
26 ULB na beka iray isan'olona, izay antsasaky ny sekely, voarefy tamin'ny sekely masina. Ireo tarehimarika ireo dia nahakasika ny fototry ny olona tsirairay izay voaisa tamin'ny fanisam-bahoaka, ireo roapolo taona no ho miakatra—dia lehilahy 603. 350 ny fitambarany. BSB BSB: a beka per person, that is, half a shekel, according to the sanctuary shekel, from everyone twenty years of age or older who had crossed over to be numbered, a total of 603,550 men.
27 ULB Talenta volafotsy zato no narendrika ho an'ireo faladian'ny toerana masina sy ireo faladian'ny lamba: faladiany zato, ary talenta iray isaky ny faladiany tsirairay avy. BSB BSB: The hundred talents of silver were used to cast the bases of the sanctuary and the bases of the veil—100 bases from the 100 talents, one talent per base.
28 ULB Tamin'ny ambin'ny sekely volafotsy 1. 775, dia nanao farango ho an'ireo tsangatsangany i Bezalila, nandrakotra ny tendron'ireo tsangatsangany, ary nanao fitohizana ho an'ireo. BSB BSB: With the 1,775 shekels of silver he made the hooks for the posts, overlaid their tops, and supplied bands for them.
29 ULB Ny varahina avy amin'ny fanatitra ahevaheva dia nilanja talenta 70 ary sekely 2. 400. BSB BSB: The bronze from the wave offering totaled 70 talents and 2,400 shekels.
30 ULB Tamin'izany no nanaovany ireo faladiany ho an'ny fidirana mankany amin'ny lay fihaonana, ny alitara varahina, ny makarakara varahin'izany, ny fitaovana rehetra ho an'ny alitara, BSB BSB: He used it to make the bases for the entrance to the Tent of Meeting, the bronze altar and its bronze grating, all the utensils for the altar,
31 ULB ireo faladiany ho an'ny kianja, ireo faladiany ho an'ny fidiran'ny kianja, ireo fihantonan'ny lay rehetra ho an'ny tabernakely, ary ireo fihantonan'ny lay rehetra ho an'ny kianja. BSB BSB: the bases for the surrounding courtyard and its gate, and all the tent pegs for the tabernacle and its surrounding courtyard.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.