1 ULB Ary Yaveh niteny tamin'i Mosesy ary hoy izy hoe: BSB BSB: Then the LORD said to Moses,
2 ULB "Amin'ny andro voalohan'ny volana voalohan'ny taona vaovao dia tsy maintsy hatsanganao ny tabernakely, ny lay fihaonana. BSB BSB: “On the first day of the first month you are to set up the tabernacle, the Tent of Meeting.
3 ULB Apetraho ao amin'izany ny fiaran'ny vavolombelona, ary aoka harovanao amin'ny lamba ny fiara. BSB BSB: Put the ark of the Testimony in it and screen off the ark with the veil.
4 ULB Ento eo amin'ny latabatra ary alaharo ireo zavatra izay tokony ho amin'izany. Dia ento ny fanaovan-jiro ary apetraho ireo jiro. BSB BSB: Then bring in the table and set out its arrangement; bring in the lampstand as well, and set up its lamps.
5 ULB Apetraho manoloana ny fiaran'ny vavolombelona ny alitara volamena izay misy ny ditin-kazo manitra, ary apetraho ny lamba eo amin'ny fidiran'ny tabernakely. BSB BSB: Place the gold altar of incense in front of the ark of the Testimony, and hang the curtain at the entrance to the tabernacle.
6 ULB Apetraho eo anoloan'ny fidirana mankao amin'ny tabernakely, ilay lay fihaonana, ny alitaran'ny fanatitra dorana. BSB BSB: Place the altar of burnt offering in front of the entrance to the tabernacle, the Tent of Meeting.
7 ULB Apetraho eo anelanelan'ny lay fihaonana sy ny alitara ny koveta lehibe ary asio rano ao anatiny. BSB BSB: And place the basin between the Tent of Meeting and the altar, and put water in it.
8 ULB Atsangano manodidina izany ny kianja, ary ahantony eo amin'ny fidiran'ny kianja ny lamba. BSB BSB: Set up the surrounding courtyard and hang the curtain for the entrance to the courtyard.
9 ULB Ka alaivo ny diloilo fanosorana ary hosory ny tabernakely sy ny zavatra rehetra ao anatiny. Atokano ho Ahy izany sy ny fanaka rehetra, ka dia ho masina izany. BSB BSB: Take the anointing oil and anoint the tabernacle and everything in it; consecrate it along with all its furnishings, and it shall be holy.
10 ULB Hosory ny alitaran'ny fanatitra dorana sy fanak'izany rehetra. Atokano ho Ahy ny alitara ary tena ho masina ho Ahy izany. BSB BSB: Anoint the altar of burnt offering and all its utensils; consecrate the altar, and it shall be most holy.
11 ULB Hosory ny kovetabe varahina sy faladian'izany ary atokano ho Ahy. BSB BSB: Anoint the basin and its stand and consecrate them.
12 ULB Ho entinao i Arona sy ireo zanany lahy ho eo amin'ny fidiran'ny lay fihaonana ary sasao amin'ny rano izy ireo. BSB BSB: Then bring Aaron and his sons to the entrance to the Tent of Meeting and wash them with water.
13 ULB Ho tafinao amin'ireo ankajony izay natokana ho Ahy i Arona, hosory izy ary atokano mba hanompo ho mpisoroko. BSB BSB: And you are to clothe Aaron with the holy garments, anoint him, and consecrate him, so that he may serve Me as a priest.
14 ULB Ho entinao ireo zanany lahy ary ampiakanjoy akanjo lava izy ire. BSB BSB: Bring his sons forward and clothe them with tunics.
15 ULB Hosory tahaka nanosoranao ny rainy izy ireo mba hanompo Ahy ho mpisorona. Ny fanosorana azy ireo dia hahatonga azy ireo ho fisoronana maharitra hatramin'ireo taranany fara mandimby." BSB BSB: Anoint them just as you anointed their father, so that they may also serve Me as priests. Their anointing will qualify them for a permanent priesthood throughout their generations.”
16 ULB Izao no zavatra nataon'i Mosesy; narahiny avokoa izay efa nandidian'i Yaveh azy. Nataony izany zavatra rehetra izany. BSB BSB: Moses did everything just as the LORD had commanded him.
17 ULB Ary dia voatsangana tamin'ny andro voalohany volana voalohany tamin'ny taona faharoa ny tabernakely. BSB BSB: So the tabernacle was set up on the first day of the first month of the second year.
18 ULB Nananganana ny tabernakely i Mosesy, nametraka ny faladian'izany tamin'ny toerany, nanangana ny rafitr'izany, nampikambana ny barany, ary nanangana ireo andry sy ireo tsagantsangan'izany. BSB BSB: When Moses set up the tabernacle, he laid its bases, positioned its frames, inserted its crossbars, and set up its posts.
19 ULB Naeliny manerana ny tabernakely ny fandrakofana ary napetrany manerana izany ny lay, araka ny efa nadidian'i Yaveh azy. BSB BSB: Then he spread the tent over the tabernacle and put the covering over the tent, just as the LORD had commanded him.
20 ULB Nalainy ny didin'ny fanekena ary napetrany tao anatin'ny fiara ireo. Nametraka bao teo amin'ny fiara ihany koa izy, ary dia nametraka ny sarom-panavotana teo amin'izany. BSB BSB: Moses took the Testimony and placed it in the ark, attaching the poles to the ark; and he set the mercy seat atop the ark.
21 ULB Nanangana lamba ho an'izany izy mba hiaro ny fiaran'ny vavolombelona, araka ny nandidian'i Yaveh azy. BSB BSB: Then he brought the ark into the tabernacle, put up the veil for the screen, and shielded off the ark of the Testimony, just as the LORD had commanded him.
22 ULB Napetrany tao anatin'ilay lay fihaonana ny latabatra, dia teo amin'ny ilany avatr'ilay tabernakely, ivelan'ny lamba. BSB BSB: Moses placed the table in the Tent of Meeting on the north side of the tabernacle, outside the veil.
23 ULB Nalahany teo ambony latabatra teo anoloan'i Yaveh ny mofo, araka ny efa nandidian'i Yaveh azy. BSB BSB: He arranged the bread on it before the LORD, just as the LORD had commanded him.
24 ULB Napetrany tao anaty lay fihaonana ny fanaovan-jiro, tandrifin'ny latabatra, teo amin'ny lafiny atsimon'ny tabernakely. BSB BSB: He also placed the lampstand in the Tent of Meeting opposite the table on the south side of the tabernacle
25 ULB Nampirehitra ny jiro teo anatrehan'i Yaveh izy, araka ny efa nandidian'i Yaveh azy. BSB BSB: and set up the lamps before the LORD, just as the LORD had commanded him.
26 ULB Napetrany tao amin'ny lay fihaonana manoloana ny lamba ny alitara volamena misy ditin-kazo manitra. BSB BSB: Moses placed the gold altar in the Tent of Meeting, in front of the veil,
27 ULB Nandoro ditin-kazo manitra teo amin'izany izy, araka efa nandidian'i Yaveh azy. BSB BSB: and he burned fragrant incense on it, just as the LORD had commanded him.
28 ULB Nahantony teo amin'ny fidirana teo amin'ny tabernakely ny lamba. BSB BSB: Then he put up the curtain at the entrance to the tabernacle.
29 ULB Napetrany teo amin'ny fidirana ny tabernakely, ilay lay fihaonana, ny alitaran'ny fanatitra dorana. Nanolotra fanatitra dorana sy vary ho fanatitra teo amin'izany izy, araka ny efa nandidian'i Yaveh azy. BSB BSB: He placed the altar of burnt offering near the entrance to the tabernacle, the Tent of Meeting, and offered on it the burnt offering and the grain offering, just as the LORD had commanded him.
30 ULB Napetrany teo anelanelan'ny lay fihaonana sy ny alitara ny kovetabe, ary nasiany rano tao anatin'izany mba hisasana. BSB BSB: He placed the basin between the Tent of Meeting and the altar and put water in it for washing;
31 ULB Mosesy, Arona sy ireo zanany lahy nanasa ny tanany sy ny tongontr'izy ireo tao amin'ny kovetabe BSB BSB: and from it Moses, Aaron, and his sons washed their hands and feet.
32 ULB na oviana na oviana handehanan'izy ireo ao amin'ilay lay fihaonana, ary na oviana na oviana hiakaran'izy reo eo amin'ny alitara. Nanasa ny tenany izy ireo, araka ny efa nandidian'i Yaveh an'i Mosesy. BSB BSB: They washed whenever they entered the Tent of Meeting or approached the altar, just as the LORD had commanded Moses.
33 ULB Nanangana ny kianja nanodidina ny tabernakely sy ny alitara i Mosesy. Nanangana ny lamba teo amin'ny fidiran'ny kianja izy. Izany ny fomba nahavitan'i Mosesy ny asa. BSB BSB: And Moses set up the courtyard around the tabernacle and the altar, and he hung the curtain for the entrance to the courtyard. So Moses finished the work.
34 ULB Dia ny rahona nandrakotra ny lay fihaonana, ary ny voninahitr'i Yaveh nanenika ny tabernakely. BSB BSB: Then the cloud covered the Tent of Meeting, and the glory of the LORD filled the tabernacle.
35 ULB Tsy afaka nitsofoka tao amin'ilay lay fihaonana i Mosesy satria ny rahona efa nitoetra tao amin'izany, ary satria ny voninahitr'i Yaveh nanenika ny tabernakely. BSB BSB: Moses was unable to enter the Tent of Meeting because the cloud had settled on it, and the glory of the LORD filled the tabernacle.
36 ULB Na oviana na oviana no niakaran'ny rahona avy ao amin'ny tabernakely, ny vahoakan'Israely dia nianga tamin'ny dian'izy ireo. BSB BSB: Whenever the cloud was lifted from above the tabernacle, the Israelites would set out through all the stages of their journey.
37 ULB Fa raha tsy niakatra avy ao amin'ny tabernakely ny rahona, dia tsy nandeha ny vahoaka. Nijanona teo izy ireo hatramin'ny andro izay nisandratan'izany. BSB BSB: If the cloud was not lifted, they would not set out until the day it was taken up.
38 ULB Fa ny rahon'i Yaveh dia teo ambonin'ny tabernakely ny andro, ary ny afony teo amin'izany nony ny alina, teo imason'ny vahoakan'Israely rehetra nandritra ny dian'izy ireo. BSB BSB: For the cloud of the LORD was over the tabernacle by day, and fire was in the cloud by night, in the sight of all the house of Israel through all their journeys.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.