1 ULB Tamin'ny taona fahatelopolo, ny volana fahefatra, ary andro fahadimin'ny volana, dia izao no nitranga raha mbola nonina teo amin'ireo babo teo akaikin'ny Lakan-drano Kebara aho. Nisokatra ny lanitra, ary nahita fahitana avy tamin'Andriamanitra aho. BSB BSB: In the thirtieth year, on the fifth day of the fourth month, while I was among the exiles by the River Kebar, the heavens opened and I saw visions of God.
2 ULB Tamin'ny andro fahadimin'izany volana izany— tamin'ny taona fahadimy nanaovana sesi-tany an'i Joiakima Mpanjaka— BSB BSB: On the fifth day of the month—it was the fifth year of the exile of King Jehoiachin—
3 ULB dia tonga tamin'i Ezekiela zanaka lahin'i Bozy ilay mpisorona ny tenin'i Yaveh, tao amin'ny tanin'ireo Kaldeana teo akaikin'ny Lakan-drano Kebara, ary ny tanan'i Yaveh dia teo aminy tao. BSB BSB: the word of the LORD came directly to Ezekiel the priest, the son of Buzi, in the land of the Chaldeans by the River Kebar. And there the LORD’s hand was upon him.
4 ULB Dia nijery aho, ary nisy tafio-drivotra avy any avaratra; nisy rahona lehibe misy afo mitselatselatra sy hazavana manodidina izany sy tao anatin'izany, ary ilay afo dia miloko volontany manopy mavo tao anatin'ilay rahona. BSB BSB: I looked and saw a whirlwind coming from the north, a great cloud with fire flashing back and forth and brilliant light all around it. In the center of the fire was a gleam like amber,
5 ULB Teo afovoany dia nisy endrika zava-manan'aina efatra. Izao no endrik'izy ireo: niendrika olona ireo, BSB BSB: and within it was the form of four living creatures. And this was their appearance: They had a human form,
6 ULB kanefa dia samy nanana tarehy efatra avy izy ireo, ary ireo zava-manan'aina tsirairay dia samy nanana elatra efatra avy. BSB BSB: but each had four faces and four wings.
7 ULB Nahitsy ny tongotr'izy ireo, fa ny faladiany dia tahaka ny kitron-janak'omby izay namiratra tahaka ny varahina mangirana. BSB BSB: Their legs were straight, and the soles of their feet were like the hooves of a calf, gleaming like polished bronze.
8 ULB Nefa nanana tanan'olombelona tao ambany elany izy ireo tamin'ny lafiny efatra rehetra. Tamin'izy efatra, dia tahaka izao ny tavany sy elany: BSB BSB: Under their wings on their four sides they had human hands. All four living creatures had faces and wings,
9 ULB ny elatr'izy ireo dia nifampikasika tamin'ny elatry ny zava-manan'aina teo an-kilany, ary tsy niherika izy ireo rehefa nandeha; fa kosa samy nandeha mahitsy. BSB BSB: and their wings were touching one another. They did not turn as they moved; each one went straight ahead.
10 ULB Ny endriky ny tavan'izy ireo dia tahaka ny endrik'olombelona. Ny ilany ankavanan'ny tavan'ny efatra tamin'izy ireo dia niendrika liona, ary ny ilany ankavian'ny tavan'ny efatra tamin'izy ireo dia niendrika omby. Izy efatra ireo ihany koa dia nanana endrika voromahery. BSB BSB: The form of their faces was that of a man, and each of the four had the face of a lion on the right side, the face of an ox on the left side, and also the face of an eagle.
11 ULB Tahaka izany ny endrik'izy ireo, ary ny elany dia nivelatra ambony ka samy nanana elatra roa avy ireo zava-manan'aina ireo izay nifampikasika tamin'ny elatry ny zava-manan'aina hafa, ary elatra roa ihany koa izay nandrakotra ny vatan'izy ireo. BSB BSB: Such were their faces. Their wings were spread upward; each had two wings touching the wings of the creature on either side, and two wings covering its body.
12 ULB Samy nizotra nankany aloha izy ireo, koa na taiza na taiza nitondran'ilay Fanahy azy ireo dia nalehany, nandeha tsy niherika izy ireo. BSB BSB: Each creature went straight ahead. Wherever the spirit would go, they would go, without turning as they moved.
13 ULB Raha ny endrik'ireo zava-manan'aina, dia tahaka ny vain'afo mandoro no fahitana azy, tahaka ny endriky ny fanilo; nisy afo mamirapiratra ihany koa nivoivoy isaky ny zava-manan'aina, ary nisy tselatra. BSB BSB: In the midst of the living creatures was the appearance of glowing coals of fire, or of torches. Fire moved back and forth between the living creatures; it was bright, and lightning flashed out of it.
14 ULB Ireo zava-manan'aina dia nikisaka mandroso mihemotra haingana dia haingana, ary nanana endrika tahaka ny tselatra izy ireo! BSB BSB: The creatures were darting back and forth as quickly as flashes of lightning.
15 ULB Ary nijery tany amin'ireo zava-manan'aina aho; nisy kodia iray teo amin'ny tany teo ankilan'ireo zava-manan'aina. BSB BSB: When I looked at the living creatures, I saw a wheel on the ground beside each creature with its four faces.
16 ULB Izao no fahitana sy firafitr'ireo kodia: samy tahaka ny krysolita ireo kodia, ary samy nanana endrika mitovy izy efatra; ny endrik'izy ireo sy ny firafiny dia tahaka ny kodia mifampiditra. BSB BSB: The workmanship of the wheels looked like the gleam of beryl, and all four had the same likeness. Their workmanship looked like a wheel within a wheel.
17 ULB Rehefa nikisaka ireo kodia, dia nandeha tsy nivily tamin'ny lalan-kizorana izay natrehan'ireo zava-manan'aina izy ireo. BSB BSB: As they moved, they went in any of the four directions, without pivoting as they moved.
18 ULB Raha ny amin'ny sisiny, dia avo sy mampatahotra izy ireo, satria feno maso manodidina. BSB BSB: Their rims were high and awesome, and all four rims were full of eyes all around.
19 ULB Isaky ny mikisaka ireo zava-manan'aina dia mikisaka akaiky azy ireo kodia. Rehefa niainga tamin'ny tany ireo zava-manan'aina dia niainga ihany koa ireo kodia. BSB BSB: So as the living creatures moved, the wheels moved beside them, and when the creatures rose from the ground, the wheels also rose.
20 ULB Na aiza na aiza tian'ilay Fanahy haleha, dia nalehan'izy ireo, ary niainga teo amin'izy ireo ny kodia, satria ny fanahin'ireo zava-manan'aina dia tao amin'ireo kodia. BSB BSB: Wherever the spirit would go, they would go, and the wheels would rise alongside them, because the spirit of the living creatures was in the wheels.
21 ULB Rehefa nikisaka ireo zava-manan'aina dia nikisaka ihany koa ireo kodia; ary rehefa mbola nijoro ireo zava-manan'aina, dia nijoro ireo kodia; rehefa niainga tamin'ny tany ireo zava-manan'aina, dia niainga teo anilan'ireo ihany koa ireo kodia, satria ny fanahin'ireo zava-manan'aina no tao amin'ireo kodia. BSB BSB: When the creatures moved, the wheels moved; when the creatures stood still, the wheels stood still; and when the creatures rose from the ground, the wheels rose alongside them, because the spirit of the living creatures was in the wheels.
22 ULB Teo ambonin'ny lohan'ireo zava-manan'aina dia nisy endrika eloelo midadasika; miendrika tahaka ny volon'ny krystaly mahatalanjona mivelatra eo ambonin'ny lohan'izy ireo izany. BSB BSB: Spread out above the heads of the living creatures was the likeness of an awesome expanse, gleaming like crystal.
23 ULB Teo ambanin'ilay eloelo dia samy nivelatra mahitsy ny elatr'ireo zava-manan'aina tsirairay ary nifampikasika tamin'ny elatry ny zava-manan'aina hafa. Ireo zava-manan'aina dia samy nanana elatra roa nandrakotra ny tenany; samy nanana roa mba handrakofana ny vatany. BSB BSB: And under the expanse, their wings stretched out toward one another. Each one also had two wings covering its body.
24 ULB Avy eo dia naheno ny fikopakopaky ny elatr'izy ireo aho. Tahaka ny firaondraon'ny rano mandeha. Tahaka ny feon'ilay Tsitoha isak'izay nihetsika izy ireo. Tahaka ny feon'ny kotrok'orana. Tahaka ny feon-tafika. Isaky ny nijoro izy ireo, dia nampidina ny elany. BSB BSB: When the creatures moved, I heard the sound of their wings like the roar of many waters, like the voice of the Almighty, like the tumult of an army. When they stood still, they lowered their wings.
25 ULB Nisy feo nivoaka avy tao amin'ilay eloelo teo ambonin'ny lohan'izy ireo raha mbola nitsangana sy nampidina ny elany izy ireo. BSB BSB: And there came a voice from above the expanse over their heads as they stood still with their wings lowered.
26 ULB Teo ambonin'ilay eloelo teo ambonin'ny lohan'izy ireo dia nisy endrika seza fiandrianana izay toy ny vato safira ny fahitana azy, ary teo amin'ilay niendrika seza fiandrianana dia nisy tahaka ny lehilahy ny fahitana azy. BSB BSB: Above the expanse over their heads was the likeness of a throne with the appearance of sapphire, and on the throne high above was a figure like that of a man.
27 ULB Nahita sary miendrika metaly mamirapiratra misy afo tao anatiny nanomboka teo amin'ny valahany no ho miakatra aho; nahita endrika afo sy hazavana teo amin'ny valahany no ho midina aho. BSB BSB: From what seemed to be His waist up, I saw a gleam like amber, with what looked like fire within it all around. And from what seemed to be His waist down, I saw what looked like fire; and brilliant light surrounded Him.
28 ULB Tahaka ny endrika avana ao anaty rahona amin'ny andro avy orana no fahitana ilay jiro mazava manodidina izany. Endriky ny voninahitr'i Yaveh izany. Rehefa nahita izany aho, dia nikarapoka niankohoka, ary nahare feo niteny. BSB BSB: The appearance of the brilliant light all around Him was like that of a rainbow in a cloud on a rainy day. This was the appearance of the likeness of the glory of the LORD. And when I saw it, I fell facedown and heard a voice speaking.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.