1 ULB Hoy Izy tamiko hoe: "Ry zanak'olona, mitsangàna; ary dia hiteny aminao Aho." BSB BSB: “Son of man,” He said to me, “stand up on your feet and I will speak to you.”
2 ULB Taorian'izay, raha mbola niteny tamiko Izy, dia niditra tao anatiko ny Fanahy ka nampitsangana ahy, ary reko Izy miteny amiko. BSB BSB: And as He spoke to me, the Spirit entered me and set me on my feet, and I heard Him speaking to me.
3 ULB Hoy Izy tamiko hoe: "Ry zanak'olona, mandefa anao ho any amin'ny vahoakan'Israely Aho, any amin'ireo firenena mpikomy izay nikomy tamiko—na izy ireo na ireo razambeny dia samy efa nanota tamiko mandrak'ankehitriny! BSB BSB: “Son of man,” He said to me, “I am sending you to the Israelites, to a rebellious nation that has rebelled against Me. To this very day they and their fathers have rebelled against Me.
4 ULB Manana endrika mafiloha sy mafy fo ireo taranak'izy ireo. Maniraka anao ho any amin'izy ireo Aho, ary hiteny amin'izy ireo ianao hoe: 'Izao no lazain'ny Tompo Yaveh'. BSB BSB: They are obstinate and stubborn children. I am sending you to them, and you are to say to them, ‘This is what the Lord GOD says.’
5 ULB Na izy ireo hihaino na izy ireo tsy hihaino. Taranaka mpikomy izy ireo, nefa farafahakeliny izy ireo hahalala fa mpaminany no teo amin'izy ireo. BSB BSB: And whether they listen or refuse to listen—for they are a rebellious house—they will know that a prophet has been among them.
6 ULB Ianao, ry zanak'olona, aza matahotra azy ireo na ny tenin'izy ireo. Aza matahotra, na dia misy tsilo aza ianao ary na dia miaina miaraka amin'ny maingoka aza ianao. Aza mifezaka amin'ny tenin'izy ireo na raiki-tahotra amin'ny tavan'izy ireo, satria taranaka mpikomy izy ireo. BSB BSB: But you, son of man, do not be afraid of them or their words. Do not be afraid, though briers and thorns surround you, and you dwell among scorpions. Do not be afraid of their words or dismayed by their presence, though they are a rebellious house.
7 ULB Nefa ianao hiteny amin'izy ireo ny teniko, na hihaino izy ireo na tsia, satria mpikomy indrindra izy ireo. BSB BSB: But speak My words to them, whether they listen or refuse to listen, for they are rebellious.
8 ULB Fa ianao, ry zanak'olona, henoy izay lazaiko anao. Aza mba mpikomy tahaka ireny taranaka mpikomy ireny. Sokafy ny vavanao ary hano izay efa omeko anao!" BSB BSB: And you, son of man, listen to what I tell you. Do not be rebellious like that rebellious house. Open your mouth and eat what I give you.”
9 ULB Avy eo dia nijery aho, ary nisy tanana nitsotra teo amiko; nisy horonan-taratasy voasoratra tao anatin'izany. BSB BSB: Then I looked and saw a hand reaching out to me, and in it was a scroll,
10 ULB Novelariny teo anatrehako izany; samy voasoratra avokoa na ny anoloana na ny ambadika, ary ny voasoratra teo amin'izany dia fitarainana, fisaonana, ary loza. BSB BSB: which He unrolled before me. And written on the front and back of it were words of lamentation, mourning, and woe.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.