1 ULB Dia hoy Izy tamiko hoe: "Ry zanak'olona, izay hitanao, dia hano. Hano ity horonan-taratasy ity, dia mandehana ka mitenena amin'ny ankohonan' Israely". BSB BSB: “Son of man,” He said to me, “eat what you find here. Eat this scroll, then go and speak to the house of Israel.”
2 ULB Koa nanokatra ny vavako aho, dia nofahanany an'izany horonan-taratasy izany. BSB BSB: So I opened my mouth, and He fed me the scroll.
3 ULB Hoy Izy tamiko hoe: "Ry zanak'olona, vokiso ny kibonao ary fenoy amin'ity horonan-taratasy izay nomeko anao ity ny vavoninao!" Ka dia nihinana izany aho, dia mamy tahaka ny tantely tao am-bavako izany. BSB BSB: “Son of man,” He said to me, “eat and fill your stomach with this scroll I am giving you.” So I ate, and it was as sweet as honey in my mouth.
4 ULB Dia hoy Izy tamiko hoe: "Ry zanak'olona, mandehana any amin'ny ankohonan'Israely ary lazao amin'izy ireo ny teniko. BSB BSB: Then He said to me, “Son of man, go now to the house of Israel and speak My words to them.
5 ULB Fa tsy halefa any amin'ny vahoaka hafa fiteny ianao na fiteny sarotra, fa any amin'ny ankohonan'Israely— BSB BSB: For you are not being sent to a people of unfamiliar speech or difficult language, but to the house of Israel—
6 ULB tsy any amin'ny firenena lehibe izay hafahafa fiteny sy sarotra fiteny izay tsy ho azonao ireo teniny! Raha nandefa anao tany amin'izy ireo Aho, dia ho nihaino anao izy ireo. BSB BSB: not to the many peoples of unfamiliar speech and difficult language whose words you cannot understand. Surely if I had sent you to them, they would have listened to you.
7 ULB Fa ny zanak'Israely dia tsy mba vonona ny hihaino anao, satria tsy vonon-kihaino Ahy izy ireo. Noho izany ny zanak'Israely rehetra dia mafy handrina sy mafy fo. BSB BSB: But the house of Israel will be unwilling to listen to you, since they are unwilling to listen to Me. For the whole house of Israel is hard-headed and hard-hearted.
8 ULB Indro! Efa nanamafy ny tavanao tahaka ireo tavany Aho ary ny handrinao ho mafy tahaka ny handrin'izy ireo. BSB BSB: Behold, I will make your face as hard as their faces, and your forehead as hard as their foreheads.
9 ULB Nataoko tahaka ny diamondra ny handrinao, mafy noho ny afovato! Aza matahotra azy ireo ianareo na hakivian'ny tarehiny, satria taranaka mpikomy izy ireo." BSB BSB: I will make your forehead like a diamond, harder than flint. Do not be afraid of them or dismayed at their presence, even though they are a rebellious house.”
10 ULB Dia niteny tamiko izy hoe: "Ry zanak'olona, ireo teny rehetra izay ambarako aminao—raiso ao am-ponao ireo ary hatongilano amin'ireo ny sofinao! BSB BSB: “Son of man,” He added, “listen carefully to all the words I speak to you, and take them to heart.
11 ULB Avy eo mankanesa any amin'ireo babo, any amin'ireo vahoakanao, ary mitenena amin'izy ireo. Lazao amin'izy ireo hoe: 'Izao no lazain'ny Tompo Yaveh,' na hihaino izy ireo na tsia." BSB BSB: Go to your people, the exiles; speak to them and tell them, ‘This is what the Lord GOD says,’ whether they listen or refuse to listen.”
12 ULB Dia nanainga ahy ny fanahy, dia naheno ny feon'ny horohoron-tany lehibe tao aoriako aho: "Hisaorana anie ny voninahitr'i Yaveh avy eo amin'ny fitoerany!" BSB BSB: Then the Spirit lifted me up, and I heard a great rumbling sound behind me: “Blessed be the glory of the LORD in His dwelling place!”
13 ULB Izany dia feon'ny elatr'ireo zava-manan'aina raha mifampikasoka izy ireo, sy feon'ireo kodia izay niaraka tamin'izy ireo, ary feona horohoron-tany lehibe. BSB BSB: It was the sound of the wings of the living creatures brushing against one another and the sound of the wheels beside them, a great rumbling sound.
14 ULB Nanainga ahy ny fanahy ary nitondra ahy, dia nandeha araka ny ngidin'ny hatezeran'ny fanahiko aho, fa ny tanan'i Yaveh dia nanindry ahy tamin-kery! BSB BSB: So the Spirit lifted me up and took me away, and I went in bitterness and in the anger of my spirit, with the strong hand of the LORD upon me.
15 ULB Koa nankany amin'ireo babo tany Telabiba izay nonina amin'ny moron'ny ony Kebara aho, ary nijanona tany teo amin'izy ireo nandritry ny fito andro, ka heniky ny fahatalanjonana aho. BSB BSB: I came to the exiles at Tel-abib who dwelt by the River Kebar. And for seven days I sat where they sat and remained there among them, overwhelmed.
16 ULB Dia tonga tamiko ny tenin'i Yaveh taorian'ny hafitoana, manao hoe: BSB BSB: At the end of seven days the word of the LORD came to me, saying,
17 ULB "Ry zanak'olona, nataoko ho mpiambina ho an'ny ankohonan'Israely ianao, ka mihainoa ny teny avy amin'ny vavako, ary omeo azy ireo ny fampitandremako. BSB BSB: “Son of man, I have made you a watchman for the house of Israel. Whenever you hear a word from My mouth, give them a warning from Me.
18 ULB Rehefa miteny amin'ny ratsy fanahy aho hoe: 'Ho faty tokoa ianao' ary tsy mampitandrina na milaza fampitandremana ny ratsy fanahy momban'ireo asa ratsiny mba ahafahany miaina ianao—dia ho faty nohon'ny fahotany ilay ratsy fanahy, fa ho takiako amin'ny tananao ny ràny. BSB BSB: If I say to the wicked man, ‘You will surely die,’ but you do not warn him or speak out to warn him from his wicked way to save his life, that wicked man will die in his iniquity, and I will hold you responsible for his blood.
19 ULB Fa raha mampitandrina ny ratsy fanahy ianao, ka tsy miala amin'ny faharatsiany na amin'ireo asa ratsiny izy, dia ho faty amin'ny fahotany izy, fa hahavonjy ny ainao ihany ianao. BSB BSB: But if you warn a wicked man and he does not turn from his wickedness and his wicked way, he will die in his iniquity, but you will have saved yourself.
20 ULB Raha mivadika amin'ny fahamarinany ny olo-marina iray ary manao ny tsy rariny, ary hametrahako vato fanafintohina eo anoloany, dia ho faty izy. Satria tsy nampitandrina azy ianao, dia ho faty ao amin'ny fahotany izy, ary tsy ho tsaroiko ireo asa marina izay notanterahiny, fa takiko amin'ny tananao ny ràny. BSB BSB: Now if a righteous man turns from his righteousness and commits iniquity, and I put a stumbling block before him, he will die. If you did not warn him, he will die in his sin, and the righteous acts he did will not be remembered. And I will hold you responsible for his blood.
21 ULB Fa raha mampitandrina ny olo-marina ianao mba hitsahatra amin'ny fanotana ka tsy hanota intsony izy, dia hiaina tokoa izy satria nampitandremana; ary hahavonjy ny ainao ihany ianao." BSB BSB: But if you warn the righteous man not to sin, and he does not sin, he will indeed live because he heeded your warning, and you will have saved yourself.”
22 ULB Ka teo amiko ny tanan'i Yaveh, ary hoy izy tamiko hoe: "Mitsangàna! Mandehana mivoaka any amin'ny lohasaha, dia hiresaka aminao any Aho!" BSB BSB: And there the hand of the LORD was upon me, and He said to me, “Get up, go out to the plain, and there I will speak with you.”
23 ULB Nitsangana aho ary nandeha nivoaka tany amin'ny lohasaha, dia nitoetra teo ny voninahitr'i Yaveh, tahaka ny voninahitra izay hitako teo akaikin'ny Lakan-drano Kebara; koa nanondrika ny tavako aho. BSB BSB: So I got up and went out to the plain, and behold, the glory of the LORD was present there, like the glory I had seen by the River Kebar, and I fell facedown.
24 ULB Nanatona ahy ny fanahy ka nampitsangana ahy tamin'ny tongotro; ary niresaka tamiko izy, nilaza tamiko hoe: "Mandehana ary hidio ao an-tranonao ny tenanao, BSB BSB: Then the Spirit entered me and set me on my feet. He spoke with me and said, “Go, shut yourself inside your house.
25 ULB fa ankehitriny, ry zanak'olona, hametraka tady eo aminao izy ireo ary hamatotra anao ka tsy afaka ny hivoaka ao amin'izy ireo ianao. BSB BSB: And you, son of man, they will tie with ropes, and you will be bound so that you cannot go out among the people.
26 ULB Hampiraiketiko amin'ny lanilaninao ny lelanao, ka ho lasa moana ianao, ka tsy afaka ny hiteny mafy azy ireo, satria taranaka mpikomy izy ireo. BSB BSB: I will make your tongue stick to the roof of your mouth, and you will be silent and unable to rebuke them, though they are a rebellious house.
27 ULB Fa rehefa miresaka aminao Aho, dia ho sokafako ny vavanao ka hiteny amin'izy ireo ianao hoe: "Izao no lazain'ny Tompo Yaveh: 'Ny iray izay maheno dia haheno; ny iray izay tsy mihaino dia tsy hihaino, satria taranaka mpikomy izy ireo!" BSB BSB: But when I speak with you, I will open your mouth, and you are to tell them, ‘This is what the Lord GOD says.’ Whoever listens, let him listen; and whoever refuses, let him refuse, for they are a rebellious house.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.