1 ULB "Fa ianao, ry zanak'olona, makà biriky ho anao ary apetraho eo anoloanao izany. Avy eo dia ataovy sokitra eo amin'izany ny tanànan'i Jerosalema. BSB BSB: “Now you, son of man, take a brick, place it before you, and draw on it the city of Jerusalem.
2 ULB Dia manaova fahirano hamelezana izany, ary manorena manda hanohitra izany. Manangàna tovon-tany fanafihana hamely izany ary mametraha toby manodidina azy. Ametraho andry vy fandravana manodidina izany. BSB BSB: Then lay siege against it: Construct a siege wall, build a ramp to it, set up camps against it, and place battering rams around it on all sides.
3 ULB Avy eo dia makà lapoaly vy ho anao ary ampiasao ho tahaka ny manda vy eo anelanelanao sy ny tanàna izany ary ampanatreho izany ny tavanao, fa hatao fahirano izany, ary ianao no hanao fahirano izany. Izany no ho famantarana amin'ny ankohonan'Israely. BSB BSB: Then take an iron plate and set it up as an iron wall between yourself and the city. Turn your face toward it so that it is under siege, and besiege it. This will be a sign to the house of Israel.
5 ULB Izaho mihitsy no manendry andro iray mba hanehoana ny taona tsirairain'ny famaizana azy ireo ho anao: 390 andro! Izany fomba izany, no hitondranao ny fahotan'ny ankohonan'Israely. BSB BSB: For I have assigned to you 390 days, according to the number of years of their iniquity. So you shall bear the iniquity of the house of Israel.
6 ULB Rehefa fenonao ireo andro ireo, dia mandria fanindroany amin'ny ilanao havanana, fa hitondra ny fahotan'ny ankohonan'i Joda mandritry ny efapolo andro ianao. Manondro andro iray ho an'ny taona tsirairay ho anao Aho. BSB BSB: When you have completed these days, lie down again, but on your right side, and bear the iniquity of the house of Judah. I have assigned to you 40 days, a day for each year.
7 ULB Atodiho manatrika an'i Jerosalema izay atao fahirano ny tavanao, ary maminania hanohitra azy amin'ny sandrinao tsy misarona. BSB BSB: You must turn your face toward the siege of Jerusalem with your arm bared, and prophesy against it.
8 ULB Fa indro! Mametraka fatorana aminao Aho mba tsy hivadibadihanao amin'ny ilany iray ho amin'ny hafa ambara-pahafenonao ny andron'ny fahiranonao. BSB BSB: Now behold, I will tie you up with ropes so you cannot turn from side to side until you have finished the days of your siege.
9 ULB Makà varim-bazaha, vary hordea, tsaramaso, tsiasisa, apemba, ary spelta ho anao; apetraho ao anaty fasiana iray ihany ireo ary manaova mofo ho anao araka ny isan'ny andro izay handrianao amin'ny ilanao. Mandritry ny 390 andro no hihinananao izany. BSB BSB: But take wheat, barley, beans, lentils, millet, and spelt; put them in a single container and make them into bread for yourself. This is what you are to eat during the 390 days you lie on your side.
10 ULB Ny hanina izay hohaninao dia ho lanjan'ny sekely roapolo isan'andro, ary hohaninao amin'ny fotoana voatondro isan'andro avy izany. BSB BSB: You are to weigh out twenty shekels of food to eat each day, and you are to eat it at set times.
11 ULB Dia hisotro rano ianao, izay nafàtra tamin'ny ampahenin'ny hina, ary ho sotroinao amin'ny fotoana voatondro ihany koa izany. BSB BSB: You are also to measure out a sixth of a hin of water to drink, and you are to drink it at set times.
12 ULB Hohaninao tahaka ny mofomamy vita amin'ny vary hordea izany, saingy ho endasinao amin'ny kitay dikin'olona eo imason'izy ireo!" BSB BSB: And you shall eat the food as you would a barley cake, after you bake it over dried human excrement in the sight of the people.”
13 ULB Fa hoy Yaveh hoe: "Midika izany fa ny mofo izay hohanin'ny vahoakan'Israely dia haloto, any amin'ireo firenena izay handroahako azy ireo." BSB BSB: Then the LORD said, “This is how the Israelites will eat their defiled bread among the nations to which I will banish them.”
14 ULB Fa hoy aho hoe: "Indrisy, ry Tompo Yaveh! Tsy mbola naloto mihitsy aho! Tsy mbola nihinana na zavatra maty na zavatra matin'ny biby, nanomboka tamin'ny fahatanorako ka hatramin'izao aho, ary tsy mbola niditra ny vavako ny hena maloto!" BSB BSB: “Ah, Lord GOD,” I said, “I have never defiled myself. From my youth until now I have not eaten anything found dead or mauled by wild beasts. No unclean meat has ever entered my mouth.”
15 ULB Koa hoy Izy tamiko hoe: "Indro! Nomeko tain'omby ianao ho solon'ny dikin'olona mba hahafahanao mikarakara ny mofonao eo amin'izany." BSB BSB: “Look,” He replied, “I will let you use cow dung instead of human excrement, and you may bake your bread over that.”
16 ULB Hoy ihany koa Izy tamiko hoe: "Ry zanak'olona! Indro! Tapahiko ny famatsiana mofo ao Jerosalema, ary hihinana mofo eo am-pizarana izany amin'ny tebiteby izy ireo ary hisotro rano eo am-pizarana izany amin'ny fangovitana. BSB BSB: Then He told me, “Son of man, I am going to cut off the supply of food in Jerusalem. They will anxiously eat bread rationed by weight, and in despair they will drink water by measure.
17 ULB Satria ho ory mofo sy rano izy ireo, dia hihorohoro amin'ny rahalahiny ny olona rehetra ary hihalevona nohon'ny helok'izy ireo." BSB BSB: So they will lack food and water; they will be appalled at the sight of one another wasting away in their iniquity.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.