1 ULB "Avy eo ianao, ry zanak'olona, makà sabatra maranitra tahaka ny fanaratana volombava ho anao, ary hampandalovy eo amin'ny lohanao sy ny volombavanao ilay fanaratana, avy eo alaivo ny mizana mba handanjana sy hanasarahana ny volonao. BSB BSB: “As for you, son of man, take a sharp sword, use it as a barber’s razor, and shave your head and beard. Then take a set of scales and divide the hair.
2 ULB Dory amin'ny afo eo afovoan'ny tanàna ny ampahatelon'izany rehefa tanteraka ireo andron'ny fahirano, ary alaivo ny ampahatelon'ny volo ka tapaho amin'ny sabatra manodidina ny tanàna rehetra izany. Ary aparitaho amin'ny rivotra ny ampahatelon'izany, ary hamoaka sabatra henenjehana ireo vahoaka Aho. BSB BSB: When the days of the siege have ended, you are to burn up a third of the hair inside the city; you are also to take a third and slash it with the sword all around the city; and you are to scatter a third to the wind. For I will unleash a sword behind them.
3 ULB Fa makà isam-bolo kelikely amin'izy ireo ka fatory eo amin'ny sisin'akanjonao ireo. BSB BSB: But you are to take a few strands of hair and secure them in the folds of your garment.
4 ULB Avy eo dia makà volo maromaro kokoa ka atsipazo eo afovoan'ny afo izany; ary dory ao amin'ny afo izany; fa hisy afo hivoaka avy eo ho any amin'ny ankohonan'Israely rehetra." BSB BSB: Again, take a few of these, throw them into the fire, and burn them. From there a fire will spread to the whole house of Israel.
5 ULB Izao no lazain'ny Tompo Yaveh: "Ity no Jerosalema eo afovoan'ireo firenena, izay nametrahako azy, sy nanodidinako azy tamin'ny tany hafa. BSB BSB: This is what the Lord GOD says: ‘This is Jerusalem, which I have set in the center of the nations, with countries all around her.
6 ULB Kanefa nandà ny lalàko tamim-paharatsiana mihoatra izay ananan'ny firenena izy, ary ny didiko mihoatra ireo tanàna izay manodidina azy. Efa nandà ny fitsaràko ny vahoaka ary tsy nandeha tamin'ireo lalàko." BSB BSB: But she has rebelled against My ordinances more wickedly than the nations, and against My statutes worse than the countries around her. For her people have rejected My ordinances and have not walked in My statutes.’
7 ULB Noho izany dia izao no lazain'ny Tompo Yaveh: "Satria ianao manahirana kokoa noho ireo firenena izay manodidina anao ary tsy nandeha tamin'ny lalàko na niasa araka ny didiko, na niasa arak'ireo didin'ny firenena izay manodidina anao," BSB BSB: Therefore this is what the Lord GOD says: ‘You have been more insubordinate than the nations around you; you have not walked in My statutes or kept My ordinances, nor have you even conformed to the ordinances of the nations around you.’
8 ULB noho izany dia izao no lazain'ny Tompo Yaveh: "Indro! Hiasa hanohitra anao Aho. Hanatanteraka fitsaràna eo afovoanao Aho mba ho jeren'ireo firenena. BSB BSB: Therefore this is what the Lord GOD says: ‘Behold, I Myself am against you, Jerusalem, and I will execute judgments among you in the sight of the nations.
9 ULB Hataoko aminao izay tsy mbola nataoko ary ny mitovy amin'izany dia tsy hataoko intsony, noho ireo asa maharikorikonao rehetra. BSB BSB: Because of all your abominations, I will do to you what I have never done before and will never do again.
10 ULB Noho izany dia hihinana ny zanaka eo afovoanareo ny ray, ary ireo zanaka hihinana ny rainy, satria hanatanteraka fitsaràna eo aminareo Aho ary hampiely anareo rehetra izay tavela ho amin'ny lalana rehetra. BSB BSB: As a result, fathers among you will eat their sons, and sons will eat their fathers. I will execute judgments against you and scatter all your remnant to every wind.’
11 ULB Noho izany, raha mbola velona koa Aho—izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh—izany dia satria nandoto ny fitoerako masina tokoa ianao miaraka amin'ireo zavatra maharikoriko sy ireo asanareo maharikoriko rehetra, fa Izaho mihintsy no hampihena isa anareo; tsy hanana fiantrana aminareo ny masoko, ary tsy hitsitsy anareo Aho. BSB BSB: Therefore as surely as I live, declares the Lord GOD, because you have defiled My sanctuary with all your detestable idols and abominations, I Myself will withdraw My favor; I will not look upon you with pity, nor will I spare you.
12 ULB Ny ampahatelonareo dia ho fatin'ny areti-mandringana, ary ho fatin'ny mosary eo afovoanao izy ireo. Ny ampahatelony dia ho lavon'ny sabatra manodidina anao. Ary avy eo dia hanaparitaka ny ampahatelony eny amin'ny lalana rehetra Aho, ary hamoaka sabatra hanenjehana azy ireo ihany koa. BSB BSB: A third of your people will die by plague or be consumed by famine within you, a third will fall by the sword outside your walls, and a third I will scatter to every wind and unleash a sword behind them.
13 ULB Ary dia ho tanteraka ny fahatezerako, ary hahatonga ny fahatezerako eo amin'izy ireo Aho mba hitsahatra. Ho afa-po Aho, ary ho fantatr'izy ireo fa Izaho, Yaveh, dia efa niresaka tamim-pahatezerana rehefa nahatanteraka ny fahatezerako tamin'izy ireo Aho. BSB BSB: And when My anger is spent and I have vented My wrath against them, I will be appeased. And when I have spent My wrath on them, they will know that I, the LORD, in My zeal have spoken.
14 ULB Hataoko ho faharavana sy fahafaham-baraka eo amin'ny firenena izay manodidina anao ianao eo imason'ny olona rehetra izay mandalo. BSB BSB: I will make you a ruin and a disgrace among the nations around you, in the sight of all who pass by.
15 ULB Ka ho lasa zavatra fanamelohana sy fanitsiratsirana ho an'ny olona hafa i Jerosalema, fampitandremana sy fampihorohoroana ho an'ireo firenena izay manodidina anareo. Hanatanteraka ny fitsaràna hanohitra anao am-pahatezerana sy am-pahavinirana, sy am-pitenenana mafy Aho—Izaho, Yaveh dia efa nanambara izany! BSB BSB: So you will be a reproach and a taunt, a warning and a horror to the nations around you, when I execute judgments against you in anger, wrath, and raging fury. I, the LORD, have spoken.
16 ULB Handefa tsipìka mafin'ny mosary hanohitra anareo Aho izay ho lasa antony hanimbako anareo. Fa hampitombo ny mosary eo aminareo Aho ary hanapaka ny famatsiana mofonareo. BSB BSB: When I shower you with the deadly arrows of famine and destruction that I will send to destroy you, I will intensify the famine against you and cut off your supply of food.
17 ULB Handefa mosary sy loza hanohitra anareo Aho ka tsy hanan-janaka ianareo. Ny areti-mandringana sy ny rà dia handalo aminareo, ary hitondra ny sabatra hamely anareo Aho— Izaho, Yaveh, no efa nanambara izany." BSB BSB: I will send famine and wild beasts against you, and they will leave you childless. Plague and bloodshed will sweep through you, and I will bring a sword against you. I, the LORD, have spoken.”
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.