1 ULB Tonga tamiko ny tenin'i Yaveh, nanao hoe: BSB BSB: And the word of the LORD came to me, saying,
2 ULB "Ry zanak'olona, ataovy manatrika an'ireo tendrombohitr'Israely ny tavanao ary maminania amin'izy ireo. BSB BSB: “Son of man, set your face against the mountains of Israel and prophesy against them.
3 ULB Lazao hoe: 'Ry tendrombohitr' Israely, henoy ny tenin'ny Tompo Yaveh! Izao no lazain'ny Tompo Yaveh amin'ireo tendrombohitra sy amin'ireo havoana, amin'ireo lakan-drano, sy amin'ireo lohasaha: Indro! Mitondra sabatra manohitra anareo Aho, ary handrava ireo fitoerana avonareo. BSB BSB: You are to say: ‘O mountains of Israel, hear the word of the Lord GOD! This is what the Lord GOD says to the mountains and hills, to the ravines and valleys: I am about to bring a sword against you, and I will destroy your high places.
4 ULB Dia ho lao ireo alitaranareo ary ho rava ireo andrinareo, ary hariako manoloana ireo sampin'izy ireo ny fatinareo. BSB BSB: Your altars will be demolished and your incense altars will be smashed; and I will cast down your slain before your idols.
5 ULB Hametraka ny fatin'ny zanak'Israely eo anoloan'ny sampin'izy ireo Aho, ary hanaparitaka ny taolanareo manodidina ny alitaranareo. BSB BSB: I will lay the corpses of the Israelites before their idols and scatter your bones around your altars.
6 ULB Na aiza na aiza onenanareo, dia ho foana ireo tanàna ary haongana ireo fitoerana avo, koa ho foana ny alitaranareo ary ho lao. Dia ho potika izy ireo ary hanjavona, hazera ireo andrinareo ary ho fafana ireo asanareo. BSB BSB: Wherever you live, the cities will be laid waste and the high places will be demolished, so that your altars will be laid waste and desecrated, your idols smashed and obliterated, your incense altars cut down, and your works blotted out.
7 ULB Hianjera eo afovoanareo ny faty dia ho fantatrareo fa Izaho no Yaveh. BSB BSB: The slain will fall among you, and you will know that I am the LORD.
8 ULB Fa hihazona sisa eo aminareo Aho, ary hisy sasany ho tafatsoaka amin'ny sabatra eo amin'ireo firenena, rehefa miely eraky ny tanàna ianareo. BSB BSB: Yet I will leave a remnant, for some of you will escape the sword when you are scattered among the nations and throughout the lands.
9 ULB Avy eo ireo izay nitsoaka hieritreritra Ahy eo amin'ireo firenena izay hihazonana azy ireo ho babo, fa Izaho dia nalahelo tamin'ny fivadibadihan'ny fon'izy ireo izay niodina tamiko, ary tamin'ny mason'izy ireo izay nijangajanga nanaraka ireo sampin'izy ireo. Dia hampiseho rikoriko eny amin'ny tavan'izy ireo tamin'ny faharatsiana izay nataon'izy ireo niaraka tamin'ny fahavetavetany rehetra izy ireo. BSB BSB: Then in the nations to which they have been carried captive, your survivors will remember Me—how I have been grieved by their adulterous hearts that turned away from Me, and by their eyes that lusted after idols. So they will loathe themselves for the evil they have done and for all their abominations.
10 ULB Ka dia ho fantatr'izy ireo fa Izaho no Yaveh. Izany no antony nilazako fa hitondra ity ratsy ity eo amin'izy ireo Aho. BSB BSB: And they will know that I am the LORD; I did not declare in vain that I would bring this calamity upon them.
11 ULB Ny Tompo Yaveh milaza izao: Mitehafa ary ajadony ny tongotrareo! Lazao hoe: 'Indrisy!' nohon'ny fahavetavetana ratsin'ny ankohonan' Israely rehetra! Fa ho lavon'ny sabatra, mosary, ary areti-mandringana izy ireo. BSB BSB: This is what the Lord GOD says: Clap your hands, stomp your feet, and cry out “Alas!” because of all the wicked abominations of the house of Israel, who will fall by sword and famine and plague.
12 ULB Izay lavitra dia ho fatin'ny areti-mandringana, ary izay akaiky dia ho lavon'ny sabatra. Ireo izay sisa sy mbola velona dia ho fatin'ny mosary. Hanatanteraka ny hatezerako amin'izy ireo amin'ny lalany Aho. BSB BSB: He who is far off will die by the plague, he who is near will fall by the sword, and he who remains will die by famine. So I will vent My fury upon them.
13 ULB Dia ho fantatrareo fa Izaho no Yaveh, rehefa ny fatin'izy ireo no hiampatra eo amin'ny sampin'izy ireo, manodidina ny alitaran'izy ireo, eny amin'ny tany havoana rehetra— ambonin'ireo tendron'ny tendrombohitra rehetra, ary ambanin'ny hazo misandrahaka rehetra sy hazo terebinta matevina—ireo toerana izay nandoroan'izy ireo ditin-kazo manitra ho an'ireo sampin'izy ireo rehetra. BSB BSB: Then you will know that I am the LORD, when their slain lie among their idols around their altars, on every high hill, on all the mountaintops, and under every green tree and leafy oak—the places where they offered fragrant incense to all their idols.
14 ULB Hamely amin'ny tanako Aho ary hametraka ny tany ho lao sy foana, avy any amin'ny tany efitra ka hatrany Dibla, manerana ny toerana rehetra izay onenan'izy ireo. Dia ho fantatr'izy ireo fa Izaho no Yaveh." BSB BSB: I will stretch out My hand against them, and wherever they live I will make the land a desolate waste, from the wilderness to Diblah. Then they will know that I am the LORD.’”
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.