1 ULB Dia nampiakatra ahy ny Fanahy ka nitondra ahy tany amin'ny vavahady atsinanan'ny tranon'i Yaveh, izay miantsinanana, ka indro, nisy lehilahy dimy amby roapolo teo amin'ny lalana mankany amin'ilay vavahady. Hitako teo amin'izy ireo i Jazania zanaka lahin'i Azora sy Pelatia zanaka lahin'i Benaia, mpitarika ny vahoaka. BSB BSB: Then the Spirit lifted me up and brought me to the gate of the house of the LORD that faces east. And there at the entrance of the gate were twenty-five men. Among them I saw Jaazaniah son of Azzur and Pelatiah son of Benaiah, who were leaders of the people.
2 ULB Hoy Andriamanitra tamiko hoe: "Ry zanak'olona, ireo no olona izay nihevi-dratsy, sy nanapa-kevitra hiteti-dratsy tamin'ity tanàna ity. BSB BSB: And the LORD said to me, “Son of man, these are the men who plot evil and give wicked counsel in this city.
3 ULB Hoy izy ireo hoe: 'Tsy fotoanan'ny fanorenana trano izao; ity tanàna ity no vilany, ary isika no hena.' BSB BSB: They are saying, ‘Is not the time near to build houses? The city is the cooking pot, and we are the meat.’
4 ULB Noho izany dia maminania hanohitra azy ireo. Maminania, ry zanak'olona." BSB BSB: Therefore prophesy against them; prophesy, O son of man!”
5 ULB Dia nidina tamiko ny Fanahin'i Yaveh ary hoy Izy tamiko: "Lazao hoe: Izao no lazain'i Yaveh: araka izay lazainareo, ry ankohonan'Israely; fa fantatro ny ao an-tsainareo. BSB BSB: And the Spirit of the LORD fell upon me and told me to declare that this is what the LORD says: “That is what you are thinking, O house of Israel; and I know the thoughts that arise in your minds.
6 ULB Efa nampitombo ny olona izay novonoinareo tamin'ity tanàna ity ianareo ary nameno ny lalambeny tamin'izany. BSB BSB: You have multiplied those you killed in this city and filled its streets with the dead.
7 ULB Noho izany, dia izao no lazain'ny Tompo Yaveh: Ny olona izay novonoinareo, izay nahampatrareo teo afovoan'i Jerosalema ny fatiny, no hena, ary ity tanàna ity no vilany. Kanefa ianareo dia entina miala eo afovoan'ity tanàna ity. BSB BSB: Therefore this is what the Lord GOD says: The slain you have laid within this city are the meat, and the city is the pot; but I will remove you from it.
8 ULB Natahotra ny sabatra ianareo, koa hitondra ny sabatra ho aminareo Aho—izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh. BSB BSB: You fear the sword, so I will bring the sword against you, declares the Lord GOD.
9 ULB Hitondra anareo hiala eo afovoan'ity tanàna ity Aho, ary hametraka anareo ho eo an-tanan'ireo hafa firenena, satria hitondra fitsarana hanohitra anareo Aho. BSB BSB: I will bring you out of the city and deliver you into the hands of foreigners, and I will execute judgments against you.
10 ULB Ho lavon-tsabatra ianareo. Ho tsaraiko ao amin'ny faritanin'Israely ianareo ka ho fantatrareo fa Izaho no Yaveh. BSB BSB: You will fall by the sword, and I will judge you even to the borders of Israel. Then you will know that I am the LORD.
11 ULB Ity tanàna ity dia tsy ho vilany fandrahonareo, na ho hena ao anatin'izany ianareo. Hitsara anareo ao amin'ireo faritanin'Israely Aho. BSB BSB: The city will not be a pot for you, nor will you be the meat within it. I will judge you even to the borders of Israel.
12 ULB Dia ho fantatrareo fa Izaho no Yaveh, Ilay iray izay tsy narahinareo ireo lalàny ary tsy notanterahinareo ireo didiny. Fa kosa, ny didin'ireo firenena izay manodidina anareo no notanterahinareo." BSB BSB: Then you will know that I am the LORD. For you have neither followed My statutes nor practiced My ordinances, but you have conformed to the ordinances of the nations around you.”
13 ULB Ary raha mbola naminany aho, dia maty i Pelatia zanaka lahin'i Benaia. Koa nikarapoka niankohoka aho ka nihiaka tamin'ny feo mafy ary nanao hoe: "Indrisy, ry Tompo Yaveh, moa ve handringana tanteraka ny sisa amin'Israely Ianao?" BSB BSB: Now as I was prophesying, Pelatiah son of Benaiah died. Then I fell facedown and cried out in a loud voice, “Oh, Lord GOD, will You bring the remnant of Israel to a complete end?”
14 ULB Tonga tamiko ny tenin'i Yaveh, nanao hoe: BSB BSB: Then the word of the LORD came to me, saying,
15 ULB "Ry zanak'olona, ireo rahalahinao! Ireo rahalahinao! Ireo lehilahin'ny fokonao sy ny ankohonan'Israely rehetra! Izy rehetra ireo no nilazan'ireo nipetraka tany Jerosalema hoe: 'Lavitra an'i Yaveh izy ireo! Ity tany ity dia nomena anay ho fanananay.' BSB BSB: “Son of man, your brothers—your relatives, your fellow exiles, and the whole house of Israel—are those of whom the people of Jerusalem have said, ‘They are far away from the LORD; this land has been given to us as a possession.’
16 ULB Noho izany lazao hoe: 'Izao no lazain'ny Tompo Yaveh: Na dia efa nanala azy ireo lavitr'ireo firenena aza Aho, ary na dia efa nampiely azy ireo teo amin'ny tany aza Aho, nefa dia fitoerana masina ho azy ireo nandritry ny fotoana vitsy tany amin'ny tany izay nandehanan'izy ireo Aho.' BSB BSB: Therefore declare that this is what the Lord GOD says: ‘Although I sent them far away among the nations and scattered them among the countries, yet for a little while I have been a sanctuary for them in the countries to which they have gone.’
17 ULB Noho izany lazao hoe: 'Izao no lazain'ny Tompo Yaveh: Ho voriako avy amin'ireo vahoaka ianareo, ary hangoniko avy amin'ireo tany izay nielezanareo ianareo, ka homeko anareo ny tanin'Israely.' BSB BSB: Therefore declare that this is what the Lord GOD says: ‘I will gather you from the peoples and assemble you from the countries to which you have been scattered, and I will give back to you the land of Israel.’
18 ULB Dia handeha any izy ireo ka hanala ny zavatra maharikoriko rehetra sy ny fahavetavetana rehetra amin'izany toerana izany. BSB BSB: When they return to it, they will remove all its detestable things and all its abominations.
19 ULB Hanome azy ireo fo iray Aho, ary hametraka fanahy vaovao ao amin'izy ireo. Ho esoriko ao amin'ny nofon'izy ireo ny fo vato ka homeko fo nofo izy ireo, BSB BSB: And I will give them singleness of heart and put a new spirit within them; I will remove their heart of stone and give them a heart of flesh,
20 ULB mba hanarahan'izy ireo ny lalàko, hanatanterahan'izy ireo ny didiko sy hanaovan'izy ireo izany. Dia ho vahoakako izy ireo, ary ho Andriamanitr'izy ireo Aho. BSB BSB: so that they may follow My statutes, keep My ordinances, and practice them. Then they will be My people, and I will be their God.
21 ULB Nefa ho an'ireo izay mandeha am-pitiavana mankany amin'ireo zavatra maharikorikony sy ireo fahetavetany, dia ho entiko ho eo an-dohan'izy ireo ihany ny fitondrantenany—izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh." BSB BSB: But as for those whose hearts pursue detestable things and abominations, I will bring their conduct down upon their own heads, declares the Lord GOD.”
22 ULB Nanandratra ny elany sy kodiarany izay teo anilan'izy ireo ny kerobima, ary teo ambonin'ireo ny voninahitr'ilay Andriamanitr'Israely. BSB BSB: Then the cherubim, with the wheels beside them, spread their wings, and the glory of the God of Israel was above them.
23 ULB Dia niakatra avy ao afovoan'ny tanàna sy nitsangana teo an-tendrombohitra teo atsinanan'ny tanàna ny voninahitr'i Yaveh. BSB BSB: And the glory of the LORD rose up from within the city and stood over the mountain east of the city.
24 ULB Nanandratra ahy ny Fanahy ka nitondra ahy tany Kaldea, tany amin'ireo voasesitany, tamin'ny fahitana avy amin'ny Fanahin'Andriamanitra, sy ny fahitana izay hitako niakatra avy teo amiko. BSB BSB: And the Spirit lifted me up and carried me back to Chaldea, to the exiles in the vision given by the Spirit of God. After the vision had gone up from me,
25 ULB Dia nanambara tamin'ireo voasesitany ny zavatr'i Yaveh rehetra izay hitako aho. BSB BSB: I told the exiles everything the LORD had shown me.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.