1 ULB Tonga tamiko ny tenin'i Yaveh, nanao hoe: BSB BSB: Then the word of the LORD came to me, saying,
2 ULB "Ry zanak'olona, ianao dia monina eo anivon'ny taranaka mpikomy, izay manana maso hijerena fa tsy mijery; ary manana sofina handrenesana fa tsy mihaino, satria taranaka mpikomy izy ireo. BSB BSB: “Son of man, you are living in a rebellious house. They have eyes to see but do not see, and ears to hear but do not hear, for they are a rebellious house.
3 ULB Noho izany raha ny aminao, ry zanak'olona, dia homano ireo entanao ho amin'ny sesitany, ary manomboha mivoaka imason'izy ireo amin'ny andro mazava, fa Izaho dia hambabo anao eo imason'izy ireo avy eo amin'ny toeranao mankany amin'ny toerana hafa. Angamba mety hanomboka hahita izy ireo, na dia taranaka mpikomy aza. BSB BSB: Therefore, son of man, pack your bags for exile. In broad daylight, set out from your place and go to another as they watch. Perhaps they will understand, though they are a rebellious house.
4 ULB Ho entinao imason'izy ireo amin'ny andro mazava ireo entanao ho amin'ny sesitany; mivoaha imason'izy ireo amin'ny hariva amin'ny fomba fandehan'ny olona ho any amin'ny sesitany. BSB BSB: Bring out your baggage for exile by day, as they watch. Then in the evening, as they watch, go out like those who go into exile.
5 ULB Mandavaha lavaka eo amin'ny rindrina eo imason'izy ireo, ary mandehana eo amin'izany. BSB BSB: As they watch, dig through the wall and carry your belongings out through it.
6 ULB Eo imason'izy ireo, hampiakaro ho eo an-tsorokao ny entanao, ary ento amin'ny maizina ireo. Saromy ny tavanao, fa tsy tokony hahita ilay tany ianao, satria napetrako ho famantarana ho an'ny ankohonan'Israely ianao." BSB BSB: And as they watch, lift your bags to your shoulder and take them out at dusk; cover your face so that you cannot see the land. For I have made you a sign to the house of Israel.”
7 ULB Koa dia nataoko izany, araka ny nandidina ahy. Nentiko nivoaka tamin'ny andro mazava ireo entako ho amin'ny sesitany, ary ny hariva dia nandavaka lavaka teo amin'ny rindrina tamin'ny tanana aho. Nentiko tamin'ny aizina ireo entako, ary nampiakariko teo an-tsoroko teo imason'izy ireo izany. BSB BSB: So I did as I was commanded. I brought out my bags for exile by day, and in the evening I dug through the wall by hand. I took my belongings out at dusk, carrying them on my shoulder as they watched.
8 ULB Avy eo tonga tamiko ny tenin'i Yaveh ny maraina, nanao hoe: BSB BSB: And in the morning the word of the LORD came to me, saying,
9 ULB "Ry zanak'olona, moa ny ankohonan'Israely, izany taranaka mpikomy izany, tsy nanontany hoe: 'Inona ity ataonao?' BSB BSB: “Son of man, hasn’t the rebellious house of Israel asked you, ‘What are you doing?’
10 ULB Lazao azy ireo hoe: 'Izao no ambaran'ny Tompo Yaveh: ity asa faminaniana ity dia mahakasika ny andriandahin'i Jerosalema, sy ny ankohonan'Israely rehetra izay eo anivon'izy ireo.' BSB BSB: Tell them that this is what the Lord GOD says: ‘This burden concerns the prince in Jerusalem and all the house of Israel who are there.’
11 ULB Lazao hoe: 'Famantarana ho anareo Aho. Araka izay efa nataoko no ho atao amin'izy ireo; ho any an-tsesitany sy fahababoana izy ireo. BSB BSB: You are to say, ‘I am a sign to you.’ Just as it happened here, so will it be done to them; they will go into exile as captives.
12 ULB Ny andriandahy izay eo amin'izy ireo dia hampiakatra ireo entany eo an-tsorony amin'ny maizina, ary handeha eo amin'ny manda. Handavaka eo amin'ny rindrina izy ireo ary hitondra ny entan'izy ireo hivoaka. Hanarona ny tavany izy, ka tsy hahita ilay tany amin'ny masony. BSB BSB: And at dusk the prince among them will lift his bags to his shoulder and go out. They will dig through the wall to bring him out. He will cover his face so he cannot see the land.
13 ULB Haparitako aminy ny haratoko ary ho tratra ao amin'ny fandriko izy; avy eo ho entiko any Babylona, ilay tanin'ireo Kaldeana izy, fa tsy hahita izany. Ho faty any izy. BSB BSB: But I will spread My net over him, and he will be caught in My snare. I will bring him to Babylon, the land of the Chaldeans; yet he will not see it, and there he will die.
14 ULB Haparitako amin'ny lalana rehetra ihany koa ireo rehetra manodidina azy dia izay manatrika azy sy ny tafiny rehetra, ary handefa sabatra hanenjika azy ireo Aho. BSB BSB: And I will scatter to every wind all the attendants around him and all his troops, and I will draw a sword to chase after them.
15 ULB Avy eo ho fantatr'izy ireo fa Izaho no Yaveh, rehefa haparitako eo amin'ireo firenena izy ireo ary haeliko manerana ireo tany. BSB BSB: And they will know that I am the LORD, when I disperse them among the nations and scatter them throughout the countries.
16 ULB Fa hamindra fo olona vitsy eo amin'izy ireo Aho amin'ny sabatra, mosary, sy areti-mandringana, mba hitahiry ny fahavetavetan'izy ireo rehetra eo amin'ireo tany izay hangalako azy izy ireo, ka ho fantatr'izy ireo fa Izaho no Yaveh.'" BSB BSB: But I will spare a few of them from sword and famine and plague, so that in the nations to which they go, they can recount all their abominations. Then they will know that I am the LORD.”
17 ULB Tonga tamiko ny tenin'i Yaveh, nanao hoe: BSB BSB: Moreover, the word of the LORD came to me, saying,
18 ULB "Ry zanak'olona, hano am-pangovitana ny mofonao, ary sotroy am-pangovitana sy tahotra ny ranonao. BSB BSB: “Son of man, eat your bread with trembling, and drink your water with quivering and anxiety.
19 ULB Avy eo lazao amin'ireo vahoakan'ny tany hoe: 'Ny Tompo Yaveh dia milaza izao mahakasika an'ireo mponin'i Jerosalema, sy ny tanin'Israely: Hihinana ny mofony am-pangovitana izy ireo ary hisotro ny ranon'izy ireo eo am-pangovitana, satria ho foana amin'ny fahafenoany ny tany nohon'ny herisetran'ireo rehetra monina ao. BSB BSB: Then tell the people of the land that this is what the Lord GOD says about those living in Jerusalem and in the land of Israel: ‘They will eat their bread with anxiety and drink their water in dread, for their land will be stripped of everything in it because of the violence of all who dwell in it.
20 ULB Koa ho lao ireo tanàna izay tsy nisy mponina, ary ho ngazana ilay tany; dia ho fantatrareo fa Izaho no Yaveh.'" BSB BSB: The inhabited cities will be laid waste, and the land will become desolate. Then you will know that I am the LORD.’”
21 ULB Tonga tamiko indray ny tenin'i Yaveh, nanao hoe: BSB BSB: Again the word of the LORD came to me, saying,
22 ULB "Ry zanak'olona, inona ity ohabolana izay anananareo eo amin'ny tanin'Israely ity izay manao hoe: 'Mihalava ny andro, ary tsy mahomby ny fahitana rehetra'? BSB BSB: “Son of man, what is this proverb that you have in the land of Israel: ‘The days go by, and every vision fails’?
23 ULB Noho izany, lazao azy ireo hoe: 'Ny Tompo Yaveh dia milaza izao: Ho faranako ity ohabolana ity, ary tsy hampiasa izany intsony ny vahoakan'Israely.' Lazao azy ireo hoe: 'Manakaiky ny andro rehefa ho tanteraka ny fahitana rehetra. BSB BSB: Therefore tell them that this is what the Lord GOD says: ‘I will put an end to this proverb, and in Israel they will no longer recite it.’ But say to them: ‘The days are at hand when every vision will be fulfilled.
24 ULB Fa tsy hisy fahitana diso intsony na sikidy tsara ao amin'ny ankohonan'Israely. BSB BSB: For there will be no more false visions or flattering divinations within the house of Israel,
25 ULB Fa Izaho no Yaveh! Miteny Aho, ary manao ireo teny izay teneniko. Tsy ho tara intsony ireo izay nolazaiko. Fa hiteny izany teny izany Aho amin'ny andronareo, ry taranaka mpikomy, ary hanao izany! —izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh.'" BSB BSB: because I, the LORD, will speak whatever word I speak, and it will be fulfilled without delay. For in your days, O rebellious house, I will speak a message and bring it to pass, declares the Lord GOD.’”
26 ULB Tonga tamiko indray ny tenin'i Yaveh, nanao hoe: BSB BSB: Furthermore, the word of the LORD came to me, saying,
27 ULB "Ry zanak'olona! Indro, ny ankohonan' Israely dia niteny hoe: 'Ny fahitana izay hitany dia ho amin'ny andro maro manomboka ankehitriny, ary maminany ny amin'ny fotoana mbola lavitra izy.' BSB BSB: “Son of man, take note that the house of Israel is saying, ‘The vision that he sees is for many years from now; he prophesies about the distant future.’
28 ULB Noho izany dia lazao azy ireo hoe: 'Ny Tompo Yaveh dia milaza izao: Ireo teniko dia tsy ho tara intsony, fa ny teny izay nolazaiko dia ho atao—izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh.'" BSB BSB: Therefore tell them that this is what the Lord GOD says: ‘None of My words will be delayed any longer. The message I speak will be fulfilled, declares the Lord GOD.’”
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.