1 ULB Tonga tamiko indray ny tenin'i Yaveh, nanao hoe: BSB BSB: Then the word of the LORD came to me, saying,
2 ULB "Ry zanak'olona, maminania manohitra ireo mpaminany izay maminany any Israely, ka lazao amin'ireo izay maminany araky ny eritreritr'izy ireo manokana hoe: 'Henoy ny tenin'i Yaveh. BSB BSB: “Son of man, prophesy against the prophets of Israel who are now prophesying. Tell those who prophesy out of their own imagination: Hear the word of the LORD!
3 ULB Izao no lazain'ny Tompo Yaveh: Loza ho an'ireo mpaminany adala izay manaraka ny fanahiny ihany, saingy tsy nahita na inona na inona! BSB BSB: This is what the Lord GOD says: Woe to the foolish prophets who follow their own spirit yet have seen nothing.
4 ULB Ry Israely, ireo mpaminaninao dia efa tahaka ny amboadia eny amin'ny tany ngazana. BSB BSB: Your prophets, O Israel, are like foxes among the ruins.
5 ULB Tsy nandeha namotika ny rindrina manodidina ny ankohonan'Israely ianao mba hanamboarana izany, mba hiharitra amin'ny ady amin'ny andron'i Yaveh. BSB BSB: You did not go up to the gaps or restore the wall around the house of Israel so that it would stand in the battle on the Day of the LORD.
6 ULB Manana fahitana diso ny vahoaka ary manao faminaniana sandoka, ireo izay miteny hoe: "Izao sy izao no fanambaran'i Yaveh." Tsy naniraka azy ireo i Yaveh, nefa na dia izany aza izy ireo dia nampanantena ny vahoaka fa ho tanteraka ireo hafatr'izy ireo. BSB BSB: They see false visions and speak lying divinations. They claim, ‘Thus declares the LORD,’ when the LORD did not send them; yet they wait for the fulfillment of their message.
7 ULB Moa tsy mba efa nanana fahitana diso ianao ary nanao faminaniana sandoka, ianao ilay miteny hoe: "Izao sy izao no fanambaran'i Yaveh" nefa Izaho tenako ary tsy niteny?' BSB BSB: Haven’t you seen a false vision and spoken a lying divination when you proclaim, ‘Thus declares the LORD,’ even though I have not spoken?
8 ULB Noho izany dia izao no lazain'ny Tompo Yaveh: 'Satria ianareo efa nanana fahitana diso sy nilaza lainga—noho izany dia izao no fanambaran'ny Tompo Yaveh manohitra anareo: BSB BSB: Therefore this is what the Lord GOD says: Because you have uttered vain words and seen false visions, I am against you, declares the Lord GOD.
9 ULB Hamely ireo mpaminany izay manana fahitana mandainga sy izay manao faminaniana sandoka ny tanako. Tsy ho ao amin'ny fiangonan'ny vahoakako, na ho soratana anarana ao amin'ny firaketan'ny ankohonan'Israely izy ireo; tsy mba handeha any amin'ny tanin'Israely izy ireny. Fa ho fantatrareo fa Izaho no Tompo Yaveh! BSB BSB: My hand will be against the prophets who see false visions and speak lying divinations. They will not belong to the council of My people or be recorded in the register of the house of Israel, nor will they enter the land of Israel. Then you will know that I am the Lord GOD.
10 ULB Noho izany, ary satria izy ireo nitarika ny vahoakako tany amin'ny lalan-diso ka niteny hoe: "Fiadanana!" nefa tsy nisy fiadanana akory, dia manorina rindrina izay ho lalorin'izy ireo amin'ny loko fotsy izy ireo.' BSB BSB: Because they have led My people astray, saying, ‘Peace,’ when there is no peace, and whitewashing any flimsy wall that is built,
11 ULB Lazao amin'ireo izay mandalotra ny rindrina hoe: 'Hianjera izany; hisy latsak'orambe, ary handefa havandra Aho mba hampienjera izany, ary tafio-drivotra mba handrodana izany. BSB BSB: tell those whitewashing the wall that it will fall. Rain will come in torrents, I will send hailstones plunging down, and a windstorm will burst forth.
12 ULB Indro, hianjera ny rindrina. Moa ve tsy niteny taminareo ny hafa hoe: "Aiza ny lalotra fotsy izay nataonareo tamin'ity?" BSB BSB: Surely when the wall has fallen, you will not be asked, ‘Where is the whitewash with which you covered it?’
13 ULB Noho izany dia izao no lazain'ny Tompo Yaveh: Hitondra tafio-drivotra amin'ny hatezerako Aho, ary hisy tondra-drano amin'ny fahavinirako! Ny havandra no hamotika tanteraka izany amin'ny hatezerako. BSB BSB: Therefore this is what the Lord GOD says: In My wrath I will release a windstorm, and in My anger torrents of rain and hail will fall with destructive fury.
14 ULB Fa hamotipotika ny rindrina izay nosaronanareo tamin'ny lalotra fotsy Aho, ary handrodana izany amin'ny tany sy hampiharihary ny fanambaniny. Ka dia hianjera izany, ary ianareo rehetra ho ringana eo afovoan'izany. Ary dia ho fantatrareo fa Izaho no Yaveh. BSB BSB: I will tear down the wall you whitewashed and level it to the ground, so that its foundation is exposed. The city will fall, and you will be destroyed within it. Then you will know that I am the LORD.
15 ULB Fa Izaho handringana ny rindrina amin'ny hatezerako sy ireo rehetra nandalotra izany. Hilaza aminareo Aho hoe: "Tsy misy intsony ny rindrina, na ny olona izay nandalotra izany— BSB BSB: And after I have vented My wrath against the wall and against those who whitewashed it, I will say to you: ‘The wall is gone, and so are those who whitewashed it—
16 ULB ireo mpaminanin'Israely izay naminany momban'i Jerosalema sy nanana fahitana fiadanana ho azy. Kanefa tsy misy fiadanana! —izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh."' BSB BSB: those prophets of Israel who prophesied to Jerusalem and saw a vision of peace for her when there was no peace, declares the Lord GOD.’
17 ULB Koa ianao, ry zanak'olona, hampanatreho ny zanaka vavin'ny vahoakanao izay maminany araky ny eritreritr'izy ireo manokana ny tavanao, ka maminania manohitra azy ireo. BSB BSB: Now, O son of man, set your face against the daughters of your people who prophesy out of their own imagination. Prophesy against them
18 ULB Lazao hoe: 'Izao no lazain'ny Tompo Yaveh: Loza ho an'ireo vehivavy izay manjaitra ody mahatsara vintana eo amin'ny faritry ny tanany rehetra ary manao voaly araka ny habe samihafa ho amin'ny lohan'izy ireo, ampiasaina hihazàna olona. Hihaza ny oloko ve ianareo mba hanavotana ny ainareo? BSB BSB: and tell them that this is what the Lord GOD says: Woe to the women who sew magic charms on their wrists and make veils for the heads of people of every height, in order to ensnare their souls. Will you ensnare the souls of My people but preserve your own?
19 ULB Efa naniratsira Ahy tamin'ny vahoakako tamin'ny vary hordea iray tanana sy sombintsombi-mofo ianareo, mba hamonoana olona izay tsy tokony ho faty, ary hihazonana ny ain'ireo izay tsy tokony hanohy hiaina intsony, noho ireo lainganareo tamin'ny oloko izay nandre anareo. BSB BSB: You have profaned Me among My people for handfuls of barley and scraps of bread. By lying to My people who would listen, you have killed those who should not have died and spared those who should not have lived.
20 ULB Noho izany dia izao no lazain'ny Tompo Yaveh: Izaho dia manohitra ireo ody mahatsara vintana izay nampiasainareo hamandrihana ny ain'olona toy ny hoe vorona ireny izy ireo. Hamotipotika ireny avy eo an-tananareo Aho; ary ny olona izay voafandrikareo tahaka ny vorona—hamela azy ireo handeha malalaka Aho. BSB BSB: Therefore this is what the Lord GOD says: See, I am against the magic charms with which you ensnare souls like birds, and I will tear them from your arms. So I will free the souls you have ensnared like birds.
21 ULB Hanendaka ireo voalinareo Aho ka hamonjy ny vahoakako eo an-tananareo, mba tsy ho voafandrika eo an-tananareo intsony izy ireo. Ho fantatrareo fa Izaho no Yaveh. BSB BSB: I will also tear off your veils and deliver My people from your hands, so that they will no longer be prey in your hands. Then you will know that I am the LORD.
22 ULB Satria ianareo manakivy ny fon'ny olo-marina amin'ny lainga, na dia tsy naniry ny fahakiviany aza Aho, ary satria nampahery ireo fihetsiky ny olona ratsy fanahy ianareo ho setrin'izany mba tsy hiviliany amin'ny fombany mba hanavotany ny ainy— BSB BSB: Because you have disheartened the righteous with your lies, even though I have caused them no grief, and because you have encouraged the wicked not to turn from their evil ways to save their lives,
23 ULB noho izany dia tsy hanana fahitana diso ianareo na hanohy hanao faminaniana sandoka intsony, satria hamonjy ireo oloko hivoaka eo an-tananareo Aho. Ho fantatrareo fa Izaho no Yaveh.'" BSB BSB: therefore you will no longer see false visions or practice divination. I will deliver My people from your hands. Then you will know that I am the LORD.”
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.