1 ULB Nanatona ahy ny sasany tamin'ireo loholon'Israely ary nipetraka teo anoloako. BSB BSB: Then some of the elders of Israel came and sat down before me.
2 ULB Ary tonga tamiko ny tenin'i Yaveh, nanao hoe: BSB BSB: And the word of the LORD came to me, saying,
3 ULB "Ry zanak'olona, ireo lehilahy ireo dia nandray tao am-pony ireo sampin'izy ireo ary nametraka ny vato fanafintohinana ny helok'izy ireo teo anatrehan'ny tavan'izy ireo. Tokony anontanian'izy ireo amiko ve izany rehetra izany? BSB BSB: “Son of man, these men have set up idols in their hearts and put wicked stumbling blocks before their faces. Should I consult with them in any way?
4 ULB Noho izany dia ambarao amin'izy ireo izany ary lazao amin'izy ireo hoe: 'Izao no ambaran'ny Tompo Yaveh: Ny olona rehetra ao amin'ny ankohonan' Israely izay maka ao am-pony ny sampiny, na mametraka vato fanafintohinana ny helony eo anoloan'ny tavany, ary avy eo manatona mpaminany—Izaho, Yaveh, dia hamaly azy araka ny isan'ny sampiny. BSB BSB: Therefore speak to them and tell them that this is what the Lord GOD says: ‘When any Israelite sets up idols in his heart and puts a wicked stumbling block before his face, and then comes to the prophet, I the LORD will answer him according to his great idolatry,
5 ULB Ho ataoko izany mba hamerenako ny ankohonan'Israely ao am-pon'izy ireo izay noesorina lavitra teo amiko tamin'ny alalan'ireo sampin'izy ireo.' BSB BSB: so that I may take hold of the hearts of the people of Israel. For because of their idols, they are all estranged from Me.’
6 ULB Noho izany ambarao amin'ny ankohonan'Israely hoe: 'Izao no ambaran'ny Tompo Yaveh: Mibebaha ary mialà amin'ny sampinareo! Omeo lamosina ny fahavetavetanareo rehetra. BSB BSB: Therefore tell the house of Israel that this is what the Lord GOD says: ‘Repent and turn away from your idols; turn your faces away from all your abominations.
7 ULB Ho an'ny olon-drehetra avy amin'ny ankohonan' Israely sy ny vahiny rehetra mijanona ao Israely izay mivadika amiko, izay mandray ao am-pony ireo sampiny ka mametraka vato fanafintohinana ny helony eo anoloan'ny tavany, ary manatona mpaminany avy eo mba hitady Ahy—Izaho, Yaveh, mihitsy no hamaly azy. BSB BSB: For when any Israelite or any foreigner dwelling in Israel separates himself from Me, sets up idols in his heart, and puts a wicked stumbling block before his face, and then comes to the prophet to inquire of Me, I the LORD will answer him Myself.
8 ULB Koa hanandrina izany olona izany ny tavako ary hanao azy ho famantarana sy ohabolana, satria ho fongorako tsy ho eo amin'ny vahoakako izy, ary ho fantatrareo fa Izaho no Yaveh. BSB BSB: I will set My face against that man and make him a sign and a proverb; I will cut him off from among My people. Then you will know that I am the LORD.
9 ULB Raha misy mpaminany voafitaka ary milaza hafatra, dia Izaho, Yaveh, no hamitaka izany mpaminany izany; haninjitra ny tanako aminy Aho ary hamotika azy eo amin'Israely vahoakako. BSB BSB: But if the prophet is enticed to speak a message, then it was I the LORD who enticed him, and I will stretch out My hand against him and destroy him from among My people Israel.
10 ULB Hizaka ny helony ihany izy ireo; ny heloky ny mpaminany dia hitovy amin'ny helok'izay manontany azy. BSB BSB: They will bear their punishment—the punishment of the inquirer will be the same as that of the prophet—
11 ULB Noho izany, dia tsy hisintaka amin'ny fanarahana Ahy intsony ny ankohonan' Israely na handoto ny tenan'izy ireo amin'ireo fandikan-dalàna rehetra intsony. Ho vahoakako izy ireo, ary ho Andriamanitr'izy ireo Aho—izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh.'" BSB BSB: in order that the house of Israel may no longer stray from Me and no longer defile themselves with all their transgressions. Then they will be My people and I will be their God, declares the Lord GOD.’”
12 ULB Dia tonga tamiko ny tenin'i Yaveh, nanao hoe: BSB BSB: And the word of the LORD came to me, saying,
13 ULB "Ry zanak'olona, raha manota Amiko ny tany iray amin'ny fanaovana izay mahadiso dia haninjitra ny tanako eo amin'izany Aho ary hanapaka ny tehin'ny mofony, ary handefa mosary eo amin'izany sy handringana ny olona sy ny biby eo amin'ilay tany; BSB BSB: “Son of man, if a land sins against Me by acting unfaithfully, and I stretch out My hand against it to cut off its supply of food, to send famine upon it, and to cut off from it both man and beast,
14 ULB ary na ireto lehilahy telo ireto aza—Noa, Daniela, sy Joba—no eo afovoan'ilay tany, dia tsy afaka ny hanavotra afa-tsy ny ainy ihany izy ireo amin'ny fahamarinan'izy ireo—izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh. BSB BSB: then even if these three men—Noah, Daniel, and Job—were in it, their righteousness could deliver only themselves, declares the Lord GOD.
15 ULB Raha mandefa bibidia masiaka manerana ilay tany Aho ka mandringana izany mba ho lasa tany lao izay tsy afaka dinganin'ny olona noho ireo biby, BSB BSB: Or if I send wild beasts through the land to leave it childless and desolate, with no man passing through it for fear of the beasts,
16 ULB dia na ao amin'izany aza ireo lehilahy telo ireo—raha mbola velona Aho, hoy ny Tompo Yaveh—dia tsy ho afaka ny hanavotra izy ireo na dia ireo zanany lahy sy ireo zanany vavy aza; ny ain'izy ireo ihany no ho avotra, fa ilay tany dia ho lasa tany lao. BSB BSB: then as surely as I live, declares the Lord GOD, even if these three men were in it, they could not deliver their own sons or daughters. They alone would be delivered, but the land would be desolate.
17 ULB Na raha mitondra sabatra amin'izany tany izany Aho ka miteny hoe: 'Ry sabatra, mandehana manerana ilay tany ary haringano hiala ao amin'izany ny olona sy ny bibidia', BSB BSB: Or if I bring a sword against that land and say, ‘Let a sword pass through it,’ so that I cut off from it both man and beast,
18 ULB dia na dia eo afovoan'ilay tany aza ireo lehilahy telo ireo—raha mbola velona Aho, hoy ny Tompo Yaveh—dia tsy ho afaka ny hanavotra izy ireo na dia ireo zanany lahy sy ireo zanany vavy aza; ny ain'izy ireo ihany no ho avotra. BSB BSB: then as surely as I live, declares the Lord GOD, even if these three men were in it, they could not deliver their own sons or daughters. They alone would be delivered.
19 ULB Na raha mandefa areti-mandringana amin'io tany io Aho ary mandraraka ny hatezerako eo amin'izany amin'ny alalan'ny fandatsahan-drà, mba handringanana ny olona sy ny bibidia, BSB BSB: Or if I send a plague into that land and pour out My wrath upon it through bloodshed, cutting off from it both man and beast,
20 ULB dia na dia ao amin'izany tany izany aza i Noa, Daniela, ary Joba—dia tsy ho afaka ny hanavotra izy ireo na dia ireo zanany lahy sy ireo zanany vavy aza; ny ain'izy ireo ihany no ho avotra nohon'ny fahamarinan'izy ireo. BSB BSB: then as surely as I live, declares the Lord GOD, even if Noah, Daniel, and Job were in it, they could not deliver their own sons or daughters. Their righteousness could deliver only themselves.
21 ULB Fa izao no ambaran'ny Tompo Yaveh: Azo antoka fa ho ataoko miharatsy ny toe-javatra amin'ny alalan'ny fandefasako ny famaizako efatra—mosary, sabatra, bibidia, ary areti-mandringana—amin'i Jerosalema mba handringanana ny olona sy ny bibidia eo aminy. BSB BSB: For this is what the Lord GOD says: ‘How much worse will it be when I send against Jerusalem My four dire judgments—sword, famine, wild beasts, and plague—in order to cut off from it both man and beast?
22 ULB Kanefa, indro! Hisy ho tavela ao aminy, ireo sisa velona izay hivoaka miaraka amin'ireo zanaka lahy sy ireo zanaka vavy. Indro! Hivoaka ho any aminao izy ireo, ary hahita ireo fomba sy fihetsik'izy ireo ianao ka hionona mahakasika ny famaizana izay efa nalefako tany Jerosalema, sy momban'ireo zavatra hafa rehetra izay nalefako teo amin'ilay tany. BSB BSB: Yet, behold, some survivors will be left in it—sons and daughters who will be brought out. They will come out to you, and when you see their conduct and actions, you will be comforted regarding the disaster I have brought upon Jerusalem—all that I have brought upon it.
23 ULB Ireo sisa velona dia hampionona anareo rehefa hitanareo ireo fomba sy fihetsik'izy ireo, koa dia ho fantatrareo ireo zavatra rehetra efa vitako taminy, fa tsy nataoko zava-poana ireo! —izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh." BSB BSB: They will bring you consolation when you see their conduct and actions, and you will know that it was not without cause that I have done all these things within it,’ declares the Lord GOD.”
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.