1 ULB Tonga tamiko ny tenin'i Yaveh tamin'ny taona fahasivy, tamin'ny volana fahafolo, sy tamin'ny andro fahafolon'ny volana, nanao hoe: BSB BSB: In the ninth year, on the tenth day of the tenth month, the word of the LORD came to me, saying,
2 ULB "Ry zanak'olona, soraty ho an'ny tenanao ny anaran'ity andro ity, ity andro marina ity, fa tamin'ity andro marina ity no nanaovan'ny mpanjakan'i Babylona fahirano an'i Jerosalema. BSB BSB: “Son of man, write down today’s date, for on this very day the king of Babylon has laid siege to Jerusalem.
3 ULB Koa mitenena ohabolana manohitra ity taranaka mpikomy ity, fanoharana iray. Lazao amin'izy ireo hoe: "Izao no lazain'ny Tompo Yaveh: Apetraho ilay vilany fandrahoana. Apetraho izany ary raraho rano ao anatin'izany. BSB BSB: Now speak a parable to this rebellious house and tell them that this is what the Lord GOD says: ‘Put the pot on the fire; put it on and pour in the water.
4 ULB Manangòna vaingan-tsakafo ao anatin'izany, izay vaingany tsara rehetra—ny feny sy ny sorony—ary fenoy an'ireo taolana tsara indrindra izany. BSB BSB: Put in the pieces of meat, every good piece—thigh and shoulder—fill it with choice bones.
5 ULB Alaivo izay tsara indrindra amin'ireo ondry ary tohofy ao ambanin'izany ireo taolana. Ento amin'ny lovia boribory izany ary andrahoy ao anatin'izany ireo taolana. BSB BSB: Take the choicest of the flock and pile the fuel beneath it. Bring it to a boil and cook the bones in it.’
6 ULB Noho izany dia izao no lazain'ny Tompo Yaveh: Loza ho an'ny tanànan'ny rà, vilany fandrahoana izay harafesina ny ao anatiny ary tsy ho afaka izany harafesina izany. Alaivo tsikelikely izany, fa aza hanaovana filokana. BSB BSB: Therefore this is what the Lord GOD says: ‘Woe to the city of bloodshed, to the pot now rusted, whose rust will not come off! Empty it piece by piece; cast no lots for its contents.
7 ULB Fa ny ràny dia eo afovoany. Napetrany teo ambony vatolampy malama izany; tsy nararany teo amin'ny tany ho rakotry ny vovoka izany, BSB BSB: For the blood she shed is still within her; she poured it out on the bare rock; she did not pour it on the ground to cover it with dust.
8 ULB koa nampiakatra hatezerana ho amin'ny valifaty marina izany. Napetrako teo amin'ny vatolampy malama ny ràny mba tsy ho voasarona. BSB BSB: In order to stir up wrath and take vengeance, I have placed her blood on the bare rock, so that it would not be covered.’
9 ULB Noho izany, ny Tompo Yaveh dia milaza izao: Loza ho an'ilay tanànan'ny rà. Hanampy ny kitay ihany koa Aho. BSB BSB: Yes, this is what the Lord GOD says: ‘Woe to the city of bloodshed! I, too, will pile the kindling high.
10 ULB Hatohofy ny kitay ary areto ny afo. Andrahoy tsara ny sakafo ary afangaroy ireo hanitra ary avelao ho may ireo taolana. BSB BSB: Pile on the logs and kindle the fire; cook the meat well and mix in the spices; let the bones be burned.
11 ULB Avy eo ataovy tsy misy na inona na inona eo ambony afo ilay vilany, mba hampafana sy handoro ny varahiny, dia hifangaro ny loto ao anatiny, ho levona ny harafesiny.' BSB BSB: Set the empty pot on its coals until it becomes hot and its copper glows. Then its impurity will melt within; its rust will be consumed.
12 ULB Lasa reraka nohon'ny fisasarany izy, fa ny harafesiny dia tsy niala taminy tamin'ny afo. BSB BSB: It has frustrated every effort; its thick rust has not been removed, even by the fire.
13 ULB Ny fitondran-tenanao mahamenatra dia ao amin'ny fahalotoanao, satria nanadio anao Aho, kanefa tsy mbola nadio ianao. Tsy mbola ho afaka amin'ny fahalotoanao ianao mandra-pitsahatry ny hatezerako aminao. BSB BSB: Because of the indecency of your uncleanness I tried to cleanse you, but you would not be purified from your filthiness. You will not be pure again until My wrath against you has subsided.
14 ULB Izaho, Yaveh, dia nanambara izany, ary ho ataoko izany. Tsy hitsahatra Aho na hiantra. Araka ireo lalanareo, sy araka ireo asanareo, dia hitsara anareo ireny! —izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh." BSB BSB: I, the LORD, have spoken; the time is coming, and I will act. I will not refrain or show pity, nor will I relent. I will judge you according to your ways and deeds,’ declares the Lord GOD.”
15 ULB Avy eo tonga tamiko ny tenin'i Yaveh, nanao hoe: BSB BSB: Then the word of the LORD came to me, saying,
17 ULB Aoka hisento mangina ianao. Aza manao fandevenana ho an'ny maty. Fehezo ny hamamanao ary asio kapa ny tongotrao, fa aza saronana voaly ny volombavanao na mihinana ny mofon'ny olona izay misaona nohon'ny fahaverezana ny vadin'izy ireo ianao." BSB BSB: Groan quietly; do not mourn for the dead. Put on your turban and strap your sandals on your feet; do not cover your lips or eat the bread of mourners.”
18 ULB Koa niteny tamin'ny olona aho ny maraina, ary maty ny vadiko ny hariva. Ny maraina aho dia nanao izay nandidiana ahy ho atao. BSB BSB: So I spoke to the people in the morning, and in the evening my wife died. And the next morning I did as I had been commanded.
19 ULB Nanontany ahy ny vahoaka hoe: "Tsy hilaza aminay ny dikan'ireo zavatra ireo ve ianao, ireo zavatra izay ataonao?" BSB BSB: Then the people asked me, “Won’t you tell us what these things you are doing mean to us?”
20 ULB Koa hoy aho tamin'izy ireo hoe: "Tonga tamiko ny tenin'i Yaveh, nanao hoe: BSB BSB: So I answered them, “The word of the LORD came to me, saying:
21 ULB 'Lazao amin'ny taranak'Israely, izao no lazain'i Yaveh: Indro! Ho zimbazimbaiko ny fitoerako masina—ny reharehan'ny herinareo, ny sitraky ny masonareo, sy ny fanirian'ny fanahinareo, ary ho lavo amin'ny sabatra ireo zanaka lahy sy zanaka vavinareo izay navelanareo. BSB BSB: Tell the house of Israel that this is what the Lord GOD says: ‘I am about to desecrate My sanctuary, the pride of your power, the desire of your eyes, and the delight of your soul. And the sons and daughters you left behind will fall by the sword.’
22 ULB Ary dia hanao mitovy tahaka izay efa nataoko ianareo: tsy hanarona ny volombavanareo ianareo, na hihinana ny mofon'ny olona! BSB BSB: Then you will do as I have done: You will not cover your lips or eat the bread of mourners.
23 ULB Fa kosa ho eo an-dohanareo ny satrokareo, ary ny kapanareo ho eo an-tongotrareo; tsy hisaona ianareo na hitomany, fa ho ketraka amin'ireo helokareo ianareo, ary ny olona tsirairay dia hisento ho an'ny rahalahiny. BSB BSB: Your turbans will remain on your heads and your sandals on your feet. You will not mourn or weep, but you will waste away because of your sins, and you will groan among yourselves.
24 ULB Koa ho famantarana ho anareo i Ezekiela, ary araka izay rehetra nataony no ho ataonareo rehefa tonga izany. Avy eo dia ho fantatrareo fa Izaho no Tompo Yaveh!'" BSB BSB: ‘Thus Ezekiel will be a sign for you; you will do everything that he has done. When this happens, you will know that I am the Lord GOD.’
25 ULB "Fa ianao, ry zanak'olona, amin'ny andro izay hahazoako ny tempolin'izy ireo, izay hafalian'izy ireo, reharehan'izy ireo, sy izay hitan'izy ireo sy iriany—ary rehefa alaiko ireo zanany lahy sy vavy— BSB BSB: And you, son of man, know that on the day I take away their stronghold, their pride and joy—the desire of their eyes which uplifted their souls—and their sons and daughters as well,
26 ULB amin'izany andro izany, dia hisy mpitsoa-ponenana ho tonga eo aminao mba hanome anao ireo vaovao! BSB BSB: on that day a fugitive will come and tell you the news.
27 ULB Amin'izany andro izany dia hisokatra amin'izany mpitsoa-ponenana izany ny vavanao ary hiteny ianao—tsy hangina intsony ianao. Ho famantarana ho azy ireo ianao mba ho fantatr'izy ireo fa Izaho no Yaveh." BSB BSB: On that day your mouth will be opened to him who has escaped; you will speak and no longer be mute. So you will be a sign to them, and they will know that I am the LORD.”
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.