1 ULB Ary tamin'ny taona fahiraika ambin'ny folo, tamin'ny andro voalohan'ny volana, dia tonga tamiko ny tenin'i Yaveh, nanao hoe: BSB BSB: In the eleventh month of the twelfth year, on the first day of the month, the word of the LORD came to me, saying,
2 ULB "Ry zanak'olona, satria Tyro niteny nanohitra an'i Jerosalema hoe: 'Hia! Potika ireo vavahadin'ny olona! Niala tamiko izy; dia ho feno Aho satria rava izy.' BSB BSB: “Son of man, because Tyre has said of Jerusalem, ‘Aha! The gate to the nations is broken; it has swung open to me; now that she lies in ruins I will be filled,’
3 ULB Noho izany ny Tompo Yaveh milaza izao: 'Indro! Manohitra anao Aho, ry Tyro, ary hanangana firenena maro hanohitra anao Aho toy ny ranomasina manainga ireo onjany. BSB BSB: therefore this is what the Lord GOD says: ‘Behold, O Tyre, I am against you, and I will raise up many nations against you, as the sea brings up its waves.
4 ULB Handrava ireo mandan'i Tyro izy ireo ary handrodana ireo tilikambony. Ho fafako hiala ireo vovony ary hanao azy toy ny vatolampy mangadihady Aho. BSB BSB: They will destroy the walls of Tyre and demolish her towers. I will scrape the soil from her and make her a bare rock.
5 ULB Ho tonga toerana fanahazana harato eo afovoan'ny ranomasina izy, fa Izaho no nanambara izany—izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh—ary ho lasa babo ho an'ireo firenena izy. BSB BSB: She will become a place to spread nets in the sea, for I have spoken, declares the Lord GOD. She will become plunder for the nations,
6 ULB Ireo zanany vavy izay any an-tsaha dia ho vonoina amin'ny sabatra, ary ho fantatr'izy ireo fa Izaho no Yaveh.' BSB BSB: and the villages on her mainland will be slain by the sword. Then they will know that I am the LORD.’
7 ULB Fa izao no lazain'i Yaveh: Indro, avy any avaratra no hitondrako an'i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona, mpanjakan'ny mpanjaka, hanohitra an'i Tyro, miaraka amin'ireo soavaly sy ireo kalesy, ary miaraka amin'ny mpitaingin-tsoavaly sy vahoaka maro be. BSB BSB: For this is what the Lord GOD says: ‘Behold, I will bring against Tyre from the north Nebuchadnezzar king of Babylon, king of kings, with horses and chariots, with cavalry and a great company of troops.
8 ULB Hamono ireo zanakao vavy any an-tsaha izy. Hanangana tovon-tany sy hamboatra fiakarana eo amin'ireo mandanao ary hanangana ampinga hanohitra anao izy. BSB BSB: He will slaughter the villages of your mainland with the sword; he will set up siege works against you, build a ramp to your walls, and raise his shields against you.
9 ULB Hapetrany hamely ireo mandanao ireo andry vy fandrodanany, ary ireo fitaovany no handrodana ireo tilikambonao. BSB BSB: He will direct the blows of his battering rams against your walls and tear down your towers with his axes.
10 ULB Ho maro tokoa ireo soavaliny ka handrakotra anao ny vovony. Ireo mandanao dia hihozongozona amin'ny feon'ny mpitaingin-tsoavaly, kodia, ary kalesy. Rehefa miditra ireo vavahadinao izy, dia hiditra toy ny olona izay tonga ao amin'ny tanàna izay efa noravaina ireo mandany. BSB BSB: His multitude of horses will cover you in their dust. When he enters your gates as an army entering a breached city, your walls will shake from the noise of cavalry, wagons, and chariots.
11 ULB Ireo kitron-tsoavaliny dia hanitsakitsaka ireo lalanao rehetra. Ho vonoiny amin'ny sabatra ireo olonao ary ireo andry vato mafinao dia hianjera amin'ny tany. BSB BSB: The hooves of his horses will trample all your streets. He will slaughter your people with the sword, and your mighty pillars will fall to the ground.
12 ULB Ho baboin'izy ireo ny harenao ary ho robainy ireo entam-barotrao. Harodany ireo mandanao ary ho ravainy ireo lapa soanao. Ireo vatonao, hazonao, ary ny vovoka dia ho arian'izy ireo any amin'ireo rano. BSB BSB: They will plunder your wealth and pillage your merchandise. They will demolish your walls, tear down your beautiful homes, and throw your stones and timber and soil into the water.
13 ULB Hatsahatro ny feon'ny hiranao. Tsy ho re intsony ny feon-dokanganao. BSB BSB: So I will silence the sound of your songs, and the music of your lyres will no longer be heard.
14 ULB Hataoko vatolampy mangadihady ianao, ho tonga toerana fanahazana harato ianao. Tsy hatsangana intsony ianao, fa Izaho, Tompo Yaveh no efa niteny—izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh. BSB BSB: I will make you a bare rock, and you will become a place to spread the fishing nets. You will never be rebuilt, for I, the LORD, have spoken, declares the Lord GOD.’
15 ULB Nilaza izao tamin'i Tyro ny Tompo Yaveh: 'Tsy hihorohoro ve ireo nosy amin'ny feon'ny faharavanao, sy amin'ny fisenton'ireo maratra raha eo afovoanao ny famonoana mahatsiravina? BSB BSB: This is what the Lord GOD says to Tyre: ‘Will not the coastlands quake at the sound of your downfall, when the wounded groan at the slaughter in your midst?
16 ULB Ary ireo andriandahin'ny ranomasina rehetra dia hiala amin'ireo seza fiandrianany ary hanala ny akanjon'izy ireo ka hamela ireo akanjo misy peta-kofehin'izy ireo. Hanafy ny tenan'izy ireo amin'ny fangovitana izy ireo, hipetraka eo amin'ny tany ary hangovitra isaky ny mihetsika, ary ho tohana nohon'ny aminao izy ireo. BSB BSB: All the princes of the sea will descend from their thrones, remove their robes, and strip off their embroidered garments. Clothed with terror, they will sit on the ground, trembling every moment, appalled over you.
17 ULB Hanandratra fitomaniana ho anao izy ireo ary hiteny aminao hoe: Amin'ny fomba ahoana, ianao izay nonenan'ireo tantsambo, no naharava anao. Ilay tanàna malaza izay tena natanjaka—lasa any an-dranomasina izany ankehitriny. Ireo izay nitoetra tao aminy fahiny dia manaparitaka horohoro momba azy ireo amin'izay rehetra nipetraka teo akaikin'izy ireo. BSB BSB: Then they will lament for you, saying, “How you have perished, O city of renown inhabited by seafaring men—she who was powerful on the sea, along with her people, who imposed terror on all peoples!
18 ULB Ankehitriny ireo moron-tsiraka dia mangovitra amin'ny andro faharavanao. Ireo nosy any an-dranomasina dia mihorohoro, satria maty ianao.' BSB BSB: Now the coastlands tremble on the day of your downfall; the islands in the sea are dismayed by your demise.”’
19 ULB Fa ny Tompo Yaveh milaza izao: Rehefa hataoko tanàna lao ianao, toy ireo tanàna hafa izay tsy misy mipetraka, rehefa manangana ny lalina hanohitra anao Aho, ka rehefa mandrakotra anao ny rano be, BSB BSB: For this is what the Lord GOD says: ‘When I make you a desolate city like other deserted cities, and when I raise up the deep against you so that the mighty waters cover you,
20 ULB dia ho entiko midina amin'ireo vahoaka taloha ianao, toy ireo hafa izay nidina tany an-davaka; fa hataoko mitoetra any amin'ireo faritra farany ambanin'ny tany ianao tahaka ny rava tamin'ireo fotoana taloha. Noho izany dia tsy hiverina intsony ianao ary tsy hitsangana eo amin'ny tanin'ny velona. BSB BSB: then I will bring you down with those who descend to the Pit, to the people of antiquity. I will make you dwell in the earth below like the ancient ruins, with those who descend to the Pit, so that you will no longer be inhabited or set in splendor in the land of the living.
21 ULB Hataoko eo aminao ny loza, ary tsy hisy intsony ianao mandrakizay. Dia ho tadiavina ianao, fa tsy ho hita intsony—izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh." BSB BSB: I will make you an object of horror, and you will be no more. You will be sought, but will never be found,’ declares the Lord GOD.”
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.