1 ULB Tonga tamiko ny tenin'i Yaveh, manao hoe: BSB BSB: And the word of the LORD came to me, saying,
2 ULB "Ry zanak'olona, ampanatreho an'i Goga, ilay tanin'i Magoga, ilay lehiben'ny andriandahin'i Meseka sy Tobala ny tavanao; ary maminania manohitra azy. BSB BSB: “Son of man, set your face against Gog of the land of Magog, the chief prince of Meshech and Tubal. Prophesy against him
3 ULB Lazao hoe: 'Izao no lazain'ny Tompo Yaveh: Indro! Manohitra anao Aho, ry Goga, lehiben'ny andriandahin'i Meseka sy Tobala. BSB BSB: and declare that this is what the Lord GOD says: Behold, I am against you, O Gog, chief prince of Meshech and Tubal.
4 ULB Koa ho ataoko mihodikodina ianao ary ho asiako faraingo ny valanoranonao; ho alefako miaraka aminao ireo tafikao rehetra, ireo soavaly, ary ireo mpitaingin-tsoavaly, izy rehetra manao fiarovana avokoa, antoko lehibe miaraka amin'ny ampinga lehibe sy ampinga kely, izy rehetra mitàna sabatra avokoa! BSB BSB: I will turn you around, put hooks in your jaws, and bring you out with all your army—your horses, your horsemen in full armor, and a great company armed with shields and bucklers, all brandishing their swords.
5 ULB Persia, Kosa, ary Lybia dia miaraka amin'izy ireo, izy rehetra miaraka amin'ny ampingan'izy ireo sy ny fiarovan-dohan'izy ireo! BSB BSB: Persia, Cush, and Put will accompany them, all with shields and helmets,
6 ULB Gomera sy ireo tafiny rehetra, ary Beta-togarma, avy amin'ny faritra lavitra any andrefana, ary ireo tafiny rehetra! Maro ireo olona no miaraka aminao! BSB BSB: as well as Gomer with all its troops, and Beth-togarmah from the far north with all its troops—the many nations with you.
7 ULB Mivonona! Eny, homano ny tenanao sy ireo tafikao miaraka aminao, ary aoka ianao ho mpifehy azy ireo. BSB BSB: Get ready; prepare yourself, you and all your company gathered around you; you will be their guard.
8 ULB Ho voaantso ianao aorian'ny andro maro, ary afaka taona vitsy ianao dia handeha any amin'ny tany izay sitrana tamin'ny sabatra sy nangonina avy tamin'ireo vahoaka maro, nangonina hiverina amin'ny tendrombohitr'Israely izay faharavana hatrizay. Fa ny tanin'ireo vahoaka dia ho alàna avy eo amin'ireo vahoaka, ary hitoetra tsy amin'ny ahiahy izy ireo, izy rehetra! BSB BSB: After a long time you will be summoned. In the latter years you will enter a land that has recovered from war, whose people were gathered from many nations to the mountains of Israel, which had long been desolate. They had been brought out from the nations, and all now dwell securely.
9 ULB Koa hiakatra tahaka ny fandehan'ny tafido-drivotra ianao; ho tahaka ny rahona manarona ny tany ianao, ianao sy ireo tafikao rehetra, ireo miaramila maro rehetra miaraka aminao. BSB BSB: You and all your troops, and many peoples with you will go up, advancing like a thunderstorm; you will be like a cloud covering the land.
10 ULB Izao no lazain'ny Tompo Yaveh: Ary amin'izany andro izany dia hisy eritreritra hiforona ao am-ponao, ary hihevitra teti-dratsy ianao.' BSB BSB: This is what the Lord GOD says: On that day, thoughts will arise in your mind, and you will devise an evil plan.
11 ULB Dia hilaza ianao hoe: 'Hiakatra ho any amin'ny tany malalaka aho; ho any amin'ireo vahoaka mangina mitoetra tsy amin'ahiahy aho, izy rehetra dia mitoetra any amin'izay tsy misy manda na hidy, ary any amin'izay tsy misy vavahadin-tanàna. BSB BSB: You will say, ‘I will go up against a land of unwalled villages; I will come against a quiet people who dwell securely, all of them living without walls or bars or gates—
12 ULB Hisambotra ireo babo aho ary hangalatra babo, mba hitondrako ny tanako eo amin'ireo rava izay efa azo hitoerana indray, ary amin'ireo vahoaka nangonina avy amin'ireo firenena, ny vahoaka izay mahazo biby fiompy sy fananana, ary ireo izay monina ao amin'ny ivon'ny tany.' BSB BSB: in order to seize the spoil and carry off the plunder, to turn a hand against the desolate places now inhabited and against a people gathered from the nations, who have acquired livestock and possessions and who live at the center of the land.’
13 ULB Sheba sy Dedana, ary ireo mpivarotr'i Tarsisy miaraka amin'ireo mpiadiny tanora rehetra dia hiteny aminao hoe: 'Tonga mba hambabo ve ianao? Namory ireo tafikao mba hanala ireo rava, mba haka ireo volafotsy sy volamena, mba haka ny biby fiompin'izy ireo sy ny fananana ary mba hahazo babo betsaka ve ianao?' BSB BSB: Sheba and Dedan and the merchants of Tarshish with all its villages will ask, ‘Have you come to capture the plunder? Have you assembled your hordes to carry away loot, to make off with silver and gold, to take cattle and goods, to seize great spoil?’
14 ULB Noho izany maminania, ry zanak'olona, ary milazà amin'i Goga hoe: 'Izao no lazain'ny Tompo Yaveh: Amin'izany andro izany, rehefa mitoetra tsy amin'ahiahy ny Israely oloko, dia tsy hamantatra ny momba azy ireo ve ianao? BSB BSB: Therefore prophesy, son of man, and tell Gog that this is what the Lord GOD says: On that day when My people Israel are dwelling securely, will you not take notice of this?
15 ULB Ho tonga avy amin'ny toeranao avy lavitra any avaratra miaraka amin'ny tafika lehibe ianao, izy rehetra mitaingin-tsoavaly, antoko lehibe, tafika lehibe. BSB BSB: And you will come from your place out of the far north—you and many peoples with you, all riding horses—a mighty horde, a huge army.
16 ULB Hanafika an'Israely vahoakako tahaka ny rahona izay manarona ny tany ianao. Amin'ireo andro farany dia hitondra anao hanohitra ny taniko Aho, ka mety hahafantatra Ahy ireo firenena rehefa haneho ny tenako amin'ny alalanao Aho, ry Goga, mba ho masina eo imason'izy ireo. BSB BSB: You will advance against My people Israel like a cloud covering the land. It will happen in the latter days, O Gog, that I will bring you against My land, so that the nations may know Me when I show Myself holy in you before their eyes.
17 ULB Izao no lazain'ny Tompo Yaveh: Tsy ianao ve ilay iray izay nitenenako tamin'ireo andro taloha tamin'ny alalan'ny tanan'ireo mpanompoko, ireo mpaminanin'Israely, izay naminany tamin'ny fotoan'izy ireo manokana nandritry ny taona fa hitondra anao hanohitra azy ireo Aho? BSB BSB: This is what the Lord GOD says: Are you the one of whom I have spoken in former days through My servants, the prophets of Israel, who in those times prophesied for years that I would bring you against them?
18 ULB Ka ho tonga ny andro izay hanafihan'i Goga ny tanin'Israely—izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh—hiakatra amin'ny fahatezerako ny fahavinirako. BSB BSB: Now on that day when Gog comes against the land of Israel, declares the Lord GOD, My wrath will flare up.
19 ULB Amin'ny zotom-poko sy amin'ny afon'ny hatezerako, no hanambarako fa amin'izany andro izany dia hisy horohorontany lehibe ao amin'ny tanin'Israely. BSB BSB: In My zeal and fiery rage I proclaim that on that day there will be a great earthquake in the land of Israel.
20 ULB Hiozongozona eto anatrehako izy ireo—dia ny trondron-dranomasina sy ireo voron'ny lanitra, ireo bibidian'ny saha, ary ireo zava-manan'aina rehetra izay mandady amin'ny tany, sy ny olon-drehetra izay eto ambonin'ny tany. Hianjera ireo tendrombohitra ary hihotsaka ireo hantsana, mandra-pianjeran'ireo manda rehetra eo amin'ny tany. BSB BSB: The fish of the sea, the birds of the air, the beasts of the field, every creature that crawls upon the ground, and all mankind on the face of the earth will tremble at My presence. The mountains will be thrown down, the cliffs will collapse, and every wall will fall to the ground.
21 ULB Hiantso sabatra hanohitra anao eo amin'ireo tendrombohitro rehetra Aho—izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh—ny sabatry ny olona tsirairay dia hanohitra ny rahalahiny. BSB BSB: And I will summon a sword against Gog on all My mountains, declares the Lord GOD, and every man’s sword will be against his brother.
22 ULB Avy eo dia hitsara azy amin'ny areti-mandoza sy rà Aho; ary orana manafotra sy havandra ary solifara mirehitra no ho arotsako eo amboniny sy ireo tafiny ary ireo firenena maro izay miaraka aminy. BSB BSB: I will execute judgment upon him with plague and bloodshed. I will pour out torrents of rain, hailstones, fire, and sulfur on him and on his troops and on the many nations with him.
23 ULB Fa haneho ny halehibeko sy ny fahamasinako Aho ary hampahafantatra ny tenako eo imason'ireo firenena maro, ka hahafantatra izy ireo fa Izaho no Yaveh."' BSB BSB: I will magnify and sanctify Myself, and I will reveal Myself in the sight of many nations. Then they will know that I am the LORD.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.