1 ULB "Ankehitriny ianao, ry zanak'olona, maminania hamely an'i Goga ka lazao hoe: 'Izao no lazain'ny Tompo Yaveh: Indro! Manohitra anao Aho, ry Goga, lehiben'i Meseka sy Tobala. BSB BSB: “As for you, O son of man, prophesy against Gog and declare that this is what the Lord GOD says: Behold, I am against you, O Gog, chief prince of Meshech and Tubal.
2 ULB Hampitodika anao Aho ka hitarika anao; ho entiko miakatra avy any avaratra alavitra ianao ary entiko any amin'ireo tendrombohitr'Israely. BSB BSB: I will turn you around, drive you along, bring you up from the far north, and send you against the mountains of Israel.
3 ULB Dia ho ataoko miala avy eo an-tanan-kavianao ny lefonao ary hataoko milatsaka avy eo amin'ny tananao havanana ny tsipika. BSB BSB: Then I will strike the bow from your left hand and dash down the arrows from your right hand.
4 ULB Hianjera ho faty eo amin'ny tendrombohitr'Israely ianao—ianao sy ny antokonao ary ireo miaramila izay miaraka aminao. Homeko an'ireo vorona mpihaza sy ireo bibidian'ny saha mba ho sakafo ianao. BSB BSB: On the mountains of Israel you will fall—you and all your troops and the nations with you. I will give you as food to every kind of ravenous bird and wild beast.
5 ULB Hianjera ho faty eo amin'ny saha ianao, fa Izaho mihitsy no manambara izany—izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh. BSB BSB: You will fall in the open field, for I have spoken, declares the Lord GOD.
6 ULB Dia handefa afo eo amin'i Magoga sy ireo izay monina tsy amin'ahiahy eny amoron-tsiraka Aho, ary ho fantatr'izy ireo fa Izaho no Yaveh. BSB BSB: I will send fire on Magog and on those who dwell securely in the coastlands, and they will know that I am the LORD.
7 ULB Fa hataoko fantatra eo anivon'Israely vahoakako ny anarako masina, ary tsy hamela ny anarako masina ho zimbazimbaina intsony Aho; dia ho fantatry ny firenena fa Izaho no Yaveh, ilay Iray Masina any Israely. BSB BSB: So I will make My holy name known among My people Israel and will no longer allow it to be profaned. Then the nations will know that I am the LORD, the Holy One in Israel.
8 ULB Indro! Ho avy ny andro, ary hitranga izany—izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh. BSB BSB: Yes, it is coming, and it will surely happen, declares the Lord GOD. This is the day of which I have spoken.
9 ULB Ireo izay monina ao amin'ny tanànan'Israely dia hivoaka ary hampiasa fiadiana mba hirehitra ka hahatonga afo handoro azy ireo—dia ampinga kely, ampinga be, lefom-pohy, tsipìka, langilangy sy lefona; hampirehitra afo amin'izy ireo mandritry ny fito taona ireo. BSB BSB: Then those who dwell in the cities of Israel will go out, kindle fires, and burn up the weapons—the bucklers and shields, the bows and arrows, the clubs and spears. For seven years they will use them for fuel.
10 ULB Tsy hanangona kitay avy eny an-tsaha izy ireo na hikapa hazo avy amin'ireo ala, satria ho doran'izy ireo ny fitaovam-piadiana; haka avy amin'ireo izay nitady haka tamin'izy ireo izy; hambabo ireo izay nitady hambabo azy ireo izy ireo—izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh." BSB BSB: They will not gather wood from the countryside or cut it from the forests, for they will use the weapons for fuel. They will loot those who looted them and plunder those who plundered them, declares the Lord GOD.
11 ULB Ary amin'izany andro izany dia hanamboatra toerana ho an'i Goga any Aho—fasana any Israely, lohasaha ho an'ireo izay manao dia ho any atsinanan'ny ranomasina. Hanakana an'ireo izay maniry ny hiampita izany. Any no handevenan'izy ireo an'i Goga miaraka amin'ny vahoakany rehetra. Ho antsoin'izy ireo hoe Lohasahan'i Hamona Goga izany. BSB BSB: And on that day I will give Gog a burial place in Israel, the Valley of the Travelers, east of the Sea. It will block those who travel through, because Gog and all his hordes will be buried there. So it will be called the Valley of Hamon-gog.
12 ULB Mandritry ny ny fito volana dia handevina azy ireo ny ankohonan'Israely mba hanadio ny tany. BSB BSB: For seven months the house of Israel will be burying them in order to cleanse the land.
13 ULB Satria handevina azy ireo ny vahoakan'ny tany rehetra; dia ho andro fahatsiarovana ho azy ireo izany rehefa omem-boninahitra Aho—izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh. BSB BSB: All the people of the land will bury them, and it will bring them renown on the day I display My glory, declares the Lord GOD.
14 ULB Dia hanendry olona hiampita ny tany hatrany izy ireo, mba hahitana ireo izay nandeha niampita, saingy maty ka nijanona teo amin'ny fanambonin'ny tany ny fatiny, mba hahafahan'izy ireo mandevina azy ireo, mba hanadiovana ny tany. Amin'ny faran'ny volana fahafito no hanombohan'izy ireo ny fikarohany. BSB BSB: And men will be employed to continually pass through the land to cleanse it by burying the invaders who remain on the ground. At the end of the seven months they will begin their search.
15 ULB Raha mandalo ny tany ireo lehilahy ireo, rehefa mahita taolan'olona izy ireo, dia hanisy marika eo akaikin'izany, ambara-pahatongan'ny mpihady fasana ka handevina izany eny amin'ny Lohasahan'i Hamona Goga. BSB BSB: As they pass through the land, anyone who sees a human bone will set up a pillar next to it, until the gravediggers have buried it in the Valley of Hamon-gog.
16 ULB Hisy tanàna araka ny anaran'i Hamona any. Amin'izany fomba izany no hanadiovan'izy ireo ny tany. BSB BSB: (Even the city will be named Hamonah.) And so they will cleanse the land.
17 ULB Ary ho anao, ry zanak'olona, izao no lazain'ny Tompo Yaveh: Lazao amin'ireo vorona manan'elatra rehetra sy ireo bibidia any an-tsaha hoe: 'Miaraha-miangona ka avia. Miangòna avy any amin'ny manodidina rehetra ho eo amin'ny sorona izay izaho mihitsy no manao azy ho anao, dia sorona lehibe eo amin'ny tendrombohitr'Israely, mba hahafahanao mihinana nofo sy misotro rà. BSB BSB: And as for you, son of man, this is what the Lord GOD says: Call out to every kind of bird and to every beast of the field: ‘Assemble and come together from all around to the sacrificial feast that I am preparing for you, a great feast on the mountains of Israel. There you will eat flesh and drink blood.
18 ULB Ho haninao ny nofon'ireo mpiady ary ho sotroinao ny ràn'ireo andriandahin'ny tany; ho ondry, zanak'ondry, osy lahy, ary omby lahy izy ireo, natavezina tao Basana izy ireo. BSB BSB: You will eat the flesh of the mighty and drink the blood of the princes of the earth as though they were rams, lambs, goats, and bulls—all the fattened animals of Bashan.
19 ULB Dia hihinana tavy ianao mandra-pahavokinao; hisotro rà ianao mandra-pahamamo; izany no sorona ho vonoiko ho anareo. BSB BSB: At the sacrifice I am preparing, you will eat fat until you are gorged and drink blood until you are drunk.
20 ULB Ho voky eo an-databatro amin'ny soavaly, kalesy, mpiady, ary ireo lehilahin'ady rehetra ianareo—izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh.' BSB BSB: And at My table you will eat your fill of horses and riders, of mighty men and warriors of every kind,’ declares the Lord GOD.
21 ULB Hapetrako eo amin'ireo firenena ny voninahitro, ary ho hitan'ireo firenena ny fitsaràko izay tanterahako ary ny tanako izay napetrako hamely azy ireo. BSB BSB: I will display My glory among the nations, and all the nations will see the judgment that I execute and the hand that I lay upon them.
22 ULB Ho fantatry ny ankohonan'Israely fa Izaho no Yaveh Andriamanitr'izy ireo manomboka amin'izany andro izany mankany. BSB BSB: From that day forward the house of Israel will know that I am the LORD their God.
23 ULB Ho fantatr'ireo firenena fa ny ankohonan'Israely dia lasan-ko babo nohon'ny helok'izy ireo izay namadihany Ahy, koa dia nanafina ny tavako tamin'izy ireo Aho ary nanolotra azy ireo ho eo an-tanan'ireo fahavalony hany ka lavon'ny sabatra izy rehetra. BSB BSB: And the nations will know that the house of Israel went into exile for their iniquity, because they were unfaithful to Me. So I hid My face from them and delivered them into the hands of their enemies, so that they all fell by the sword.
24 ULB Nataoko tamin'izy ireo araka ny fahalotoany sy ny fahotany ihany, rehefa nanafina ny tavako tamin'izy ireo Aho. BSB BSB: I dealt with them according to their uncleanness and transgressions, and I hid My face from them.
25 ULB Noho izany dia izao no lazain'ny Tompo Yaveh: Ankehitriny dia hamerina ny haren'i Jakoba Aho, ary hangoraka ny ankohonan'Israely rehetra, rehefa miasa amin-jotom-po nohon'ny anarako masina Aho. BSB BSB: Therefore this is what the Lord GOD says: Now I will restore Jacob from captivity and will have compassion on the whole house of Israel, and I will be jealous for My holy name.
26 ULB Dia hitondra ny henatr'izy ireo sy ny famadihana rehetra izay namadihany Ahy izy ireo. Ho adinon'izy ireo izany rehetra izany rehefa mitoetra tsy amin'ahiahy ao amin'ny taniny izy ireo, tsy misy na iza na iza mampihorohoro azy ireo. BSB BSB: They will forget their disgrace and all the treachery they committed against Me, when they dwell securely in their land, with no one to frighten them.
27 ULB Rehefa mamerina azy ireo avy amin'ny vahoaka Aho ary manangona azy ireo avy ao amin'ny tanin'ny fahavalon'izy ireo, dia hampiseho ny tenako ho masina eo imason'ny firenena maro Aho. BSB BSB: When I bring them back from the peoples and gather them out of the lands of their enemies, I will show My holiness in them in the sight of many nations.
28 ULB Dia ho fantatr'izy ireo fa Izaho no Yaveh Andriamanitr'izy ireo, satria nandefa azy ireo ho babo teo amin'ireo firenena Aho, saingy avy eo Aho hanangona azy ireo hiverina any amin'ny taniny. Tsy handao na dia iray amin'izy ireo eo amin'ireo firenena Aho. BSB BSB: Then they will know that I am the LORD their God, when I regather them to their own land, not leaving any of them behind after their exile among the nations.
29 ULB Tsy hanafina ny tavako amin'izy ireo intsony Aho rehefa mandatsaka ny Fanahiko eo amin'ny ankohonan'Israely—izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh." BSB BSB: And I will no longer hide My face from them, for I will pour out My Spirit on the house of Israel, declares the Lord GOD.”
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.