1 ULB Tamin'ny taona fahadimy amby roapolon'ny fahababoanay tamin'ny fiandohan'ny taona tamin'ny andro fahafolon'ny volana, tamin'ny fahefatra ambin'ny folo taona taorian'ny nahababo ny tanàna—tamin'izany andro izany ihany, dia teo amiko ny tanan'i Yaveh ary naka ahy tany Izy. BSB BSB: In the twenty-fifth year of our exile, at the beginning of the year, on the tenth day of the month—in the fourteenth year after Jerusalem had been struck down—on that very day the hand of the LORD was upon me, and He took me there.
2 ULB Tao anatin'ny fahitana avy tamin'Andriamanitra no nitondrany ahy nankany amin'ny tanin'Israely. Nitondra ahy ho amin'ny fitsaharana tany amina tendrombohitra tena avo Izy; tany atsimo no nisehoan'ireo trano lehiben'ny tanàna. BSB BSB: In visions of God He took me to the land of Israel and set me on a very high mountain, on whose southern slope was a structure that resembled a city.
3 ULB Dia nentiny tany aho. Indro, lehilahy iray! Ny endriny dia niendrika varahina. Tady rongony fotsy sy volotara fandrefesana no teny an-tanany, ary nitsangana teo amin'ny vavahadin'ny tanàna izy. BSB BSB: So He took me there, and I saw a man whose appearance was like bronze. He was standing in the gateway with a linen cord and a measuring rod in his hand.
4 ULB Nilaza tamiko ilay lehilahy hoe: "Ry zanak'olona, mijere amin'ny masonao ary mihainoa amin'ny sofinao, ka atombeno amin'izay rehetra aborako aminao ny sainao, satria nentina taty ianao mba hahafahako mamboraka ireny aminao. Tatero amin'ny ankohonan'Israely ny zavatra rehetra izay ho hitanao." BSB BSB: “Son of man,” he said to me, “look with your eyes, hear with your ears, and pay attention to everything I am going to show you, for that is why you have been brought here. Report to the house of Israel everything you see.”
5 ULB Nisy rindrina nanodidina ny faritry ny tempoly. Ny halavan'ilay volotara fandrefesana teny an-tanan'ilay lehilahy dia enina hakiho, ny halavan'ny hakiho tsirairay dia hakiho iray sy vodivoam-pelantanana iray. Nandrefy ny rindrina izy; izany dia iray volotara fandrefesana ary iray volotara ny haavony. BSB BSB: And I saw a wall surrounding the temple area. Now the length of the measuring rod in the man’s hand was six long cubits (each measuring a cubit and a handbreadth), and he measured the wall to be one rod thick and one rod high.
6 ULB Avy eo dia nandeha nankany amin'ny vavahadin'ny tempoly izay nitodika niatsinanana izy. Niakatra tamin'ny ambaratongan'izany izy ary nandrefy ny tokonan'ny vavahady—iray volotara ny halaliny. BSB BSB: Then he came to the gate facing east and climbed its steps. He measured the threshold of the gate to be one rod deep.
7 ULB Ireo efitrano fiambenana dia iray volotara ny halavany ary iray volotara ny sakany; nisy dimy hakiho teo anelanelan'ireo efitrano roa, ary ny tokonam-bavahadin'ny tempoly teo akaikin'ny lavarangan'ny tempoly dia iray volotara ny halaliny. BSB BSB: Each gate chamber was one rod long and one rod wide, and there were five cubits between the gate chambers. The inner threshold of the gate by the portico facing inward was one rod deep.
8 ULB Norefesiny ny lavarangan'ilay vavahady; izany dia iray volotara ny halavany. BSB BSB: Then he measured the portico of the gateway inside;
9 ULB Nandrefy ny lavarangan'ny vavahady izy. Iray volotara ny halaliny. Ireo tolàna dia roa hakiho ny sakany. Ilay lavarangan'ny vavahady nanandrify ny tempoly izany. BSB BSB: it was eight cubits deep, and its jambs were two cubits thick. And the portico of the gateway faced the temple.
10 ULB Nisy efitrano fiambenana telo teo amin'ny andaniny roan'ny vavahady atsinanana, ary nitovy refy ireo, ary ireo rindrina izay nanasaraka ireo dia nanana refy nitovy. BSB BSB: There were three gate chambers on each side of the east gate, each with the same measurements, and the gateposts on either side also had the same measurements.
11 ULB Avy eo dia nandrefy ny sakan'ny fidirana amin'ny vavahady ilay lehilahy—folo hakiho; ary nandrefy ny halavan'ny fidirana amin'ny vavahady—telo ambin'ny folo hakiho. BSB BSB: And he measured the width of the gateway entrance to be ten cubits, and its length was thirteen cubits.
12 ULB Nandrefy ny rindrina izay nanamorona ny anoloan'ireo efitrano izy—iray hakiho ny haavony. Ireo efitrano dia nirefy enina hakiho isan-dafiny. BSB BSB: In front of each gate chamber was a wall one cubit high, and the gate chambers were six cubits square.
13 ULB Dia nandrefy ny fidirana amin'ny vavahady teo amin'ny tafo ka hatramin'ny an'ny efitrano manaraka izy—dimy amby roapolo hakiho, teo amin'ny fidiran'ny efitrano voalohany hatrany amin'ny an'ny faharoa. BSB BSB: Then he measured the gateway from the roof of one gate chamber to the roof of the opposite one; the distance was twenty-five cubits from doorway to doorway.
14 ULB Nony avy eo dia norefesiny ny rindrina izay teo anelanelan'ireo efitrano fiambenana—enimpolo hakiho ny halavany; norefesiny hatrany amin'ny lavarangan'ny vavahady. BSB BSB: Next he measured the gateposts to be sixty cubits high. The gateway extended around to the gatepost of the courtyard.
15 ULB Ny fidirana avy teo anoloan'ny vavahady ka hatrany amin'ny faran'ny lavarangan'ny vavahady iray hafa dia dimampolo hakiho. BSB BSB: And the distance from the entrance of the gateway to the far end of its inner portico was fifty cubits.
16 ULB Nisy varavarankely nirindrina nankany amin'ireo efitrano sy nankany amin'ireo andrin'ireo tao amin'ny manodidina an'ireo vavahady rehetra; ary toy izany koa ho an'ireo lavarangana. Nisy varavarankely nanodidina ny tao anatiny, ary ny tsanganana tsirairay dia noravahana hazo rofia. BSB BSB: The gate chambers and their side pillars had beveled windows all around the inside of the gateway. The porticos also had windows all around on the inside. Each side pillar was decorated with palm trees.
17 ULB Dia nentin'ilay lehilahy tany amin'ny kianja ivelan'ny tempoly aho. Indro, nisy efitrano, ary nisy rarivato teo amin'ny kianja, niaraka tamina efitrano telopolo teo anilan'ilay rarivato. BSB BSB: Then he brought me into the outer court, and there were chambers and a pavement laid out all around the court. Thirty chambers faced the pavement,
18 ULB Niakatra nankany amin'ny ilan'ireo vavahady ilay rarivato, ary ny sakan'izany dia nitovy tamin'ny halavan'ireo vavahady. Izany no rarivato ambany. BSB BSB: which flanked the gateways and corresponded to the length of the gates; this was the lower pavement.
19 ULB Avy eo dia nandrefy ny elanelana teo amin'ny anoloan'ny vavahady ambany ka hatreo amin'ny anoloan'ny vavahady anatiny ilay lehilahy; zato hakiho ny tany atsinanana, ary toy izany koa ny tany avaratra. BSB BSB: Then he measured the distance from the front of the lower gateway to the outside of the inner court; it was a hundred cubits on the east side as well as on the north.
20 ULB Dia nandrefy ny halavany sy ny sakan'ny vavahady izay tao avaratry ny kianja ivelany izy. BSB BSB: He also measured the length and width of the gateway of the outer court facing north.
21 ULB Nisy efitrano telo teo amin'ny lafiny roa tamin'izany vavahady izany, ary ilay vavahady sy ny lavarangany dia nirefy nitovy tamin'ny vavahady lehibe—dimampolo hakiho ny fitambaran'ny halavany ary dimy amby roapolo hakiho ny sakany. BSB BSB: Its three gate chambers on each side, its side pillars, and its portico all had the same measurements as the first gate: fifty cubits long and twenty-five cubits wide.
22 ULB Ireo varavarakeliny, lavarangany, efitrano, ary ireo hazo rofia dia nifanaraka tamin'ny vavahady miatsinanana. Fito dingana no niakatra nankany amin'izany sy ny lavarangany. BSB BSB: Its windows, portico, and palm trees had the same measurements as those of the gate facing east. Seven steps led up to it, with its portico opposite them.
23 ULB Nisy vavahady tao amin'ny kianja anatiny teo anoloan'ny vavahady nitodika mianavaratra, tahaka izany ihany koa dia nisy vavahady tany atsinanana; nandrefy teo amin'ny vavahady iray ka hatrany amin'ny vavahady iray hafa ilay lehilahy—zato hakiho ny elanelany. BSB BSB: There was a gate to the inner court facing the north gate, just as there was on the east. He measured the distance from gateway to gateway to be a hundred cubits.
24 ULB Manarak'izany dia nentin'ilay lehilahy nankany amin'ny vavahady fidirana atsimo aho, ka nirefy nitovy tamin'ireo vavahady ivelany hafa ireo rindriny sy lavarangany. BSB BSB: Then he led me to the south side, and I saw a gateway facing south. He measured its side pillars and portico, and they had the same measurements as the others.
25 ULB Nisy varavarakely nirindrina tao amin'ny fidirana amin'ny vavahady ary ny lavarangany dia tahaka ny tao amin'izany vavahady izany. Ny vavahady atsimo sy ny lavarangany dia nirefy dimampolo hakiho ny halavany ary dimy amby roapolo hakiho ny sakany. BSB BSB: Both the gateway and its portico had windows all around, like the other windows. It was fifty cubits long and twenty-five cubits wide.
26 ULB Nisy dingana fito no niakatra nankany amin'ny vavahady sy ny lavarangany, ary nisy sary sokitra rofia tamin'ireo andaniny roa tamin'ny rindrina. BSB BSB: Seven steps led up to it, and its portico was opposite them; it had palm trees on its side pillars, one on each side.
27 ULB Nisy vavahady tao amin'ny kianja anatiny tany amin'ny lafiny atsimo, ka nandrefy teo amin'izany vavahady izany ka hatrany amin'ny vavahady fidirana atsimo ilay lehilahy—zato hakiho ny elanelany. BSB BSB: The inner court also had a gate facing south, and he measured the distance from gateway to gateway toward the south to be a hundred cubits.
28 ULB Avy eo dia nentin'ilay lehilahy nankao amin'ny kianja anatiny nanakaiky ny lalan'ny vavahady atsimo aho, izay nanana refy toy ny an'ireo vavahady hafa. BSB BSB: Next he brought me into the inner court through the south gate, and he measured the south gate; it had the same measurements as the others.
29 ULB Ireo efitranony, rindriny, sy ireo lavarangany nirefy nitovy tamin'ny an'ireo vavahady hafa; nisy varavarankely nanodidina ny lavarangana. Ny vavahady anatiny sy ny lavarangany dia nirefy dimampolo hakiho ny halavany ary dimy amby roapolo hakiho ny sakany. BSB BSB: Its gate chambers, side pillars, and portico had the same measurements as the others. Both the gateway and its portico had windows all around; it was fifty cubits long and twenty-five cubits wide.
30 ULB Nisy lavarangana ihany koa nanodidina ny rindrina anatiny; Ireo dia dimy amby roapolo hakiho ny halavany ary dimy hakiho ny sakany. BSB BSB: (The porticoes around the inner court were twenty-five cubits long and five cubits deep.)
31 ULB Izany lavarangana izany dia nanatrika ny kianja ivelany niaraka tamin'ny sary sokitra hazo rofia teo amin'ny rindriny ary valo dingana no niakatra nankany amin'izany. BSB BSB: Its portico faced the outer court, and its side pillars were decorated with palm trees. Eight steps led up to it.
32 ULB Ary dia nentin'ilay lehilahy nankany amin'ny kianja anatiny nanakaiky ny lalana atsinanana aho ka nandrefy ny vavahady, izay nanana refy nitovy tamin'ireo vavahady hafa. BSB BSB: And he brought me to the inner court on the east side, and he measured the gateway; it had the same measurements as the others.
33 ULB Ireo efitranony, rindriny, sy ny lavarangany dia nirefy nitovy tamin'ireo vavahady hafa, ary nisy varavarakely nanodidina. Ny vavahady anatiny sy ny lavarangany dia nirefy dimampolo hakiho ny halavany ary dimy amby roapolo hakiho ny sakany. BSB BSB: Its gate chambers, side pillars, and portico had the same measurements as the others. Both the gateway and its portico had windows all around. It was fifty cubits long and twenty-five cubits wide.
34 ULB Ny lavarangany dia nanatrika ny kianja ivelany; nisy hazo rofia teo amin'ny andaniny roa tamin'izany ary valo dingana no fiakarana nankany amin'izany. BSB BSB: Its portico faced the outer court, and its side pillars were decorated with palm trees on each side. Eight steps led up to it.
35 ULB Manarak'izany dia nentin'ilay lehilahy nankany amin'ny vavahady avaratra aho ary norefesina izany; nirefy nitovy tamin'ireo vavahady hafa izany. BSB BSB: Then he brought me to the north gate and measured it. It had the same measurements as the others,
36 ULB Ireo efitranony, rindriny, sy ny lavarangany dia nirefy nitovy tamin'ireo vavahady hafa, ary nisy varavarakely nanodidina. Ny fidirana amin'ny vavahady sy ny lavarangany dia nirefy dimampolo hakiho ny halavany ary dimy amby roapolo ny sakany. BSB BSB: as did its gate chambers, side pillars, and portico. It also had windows all around. It was fifty cubits long and twenty-five cubits wide.
37 ULB Ny lavarangany dia nanatrika ny kianja ivelany; nisy hazo rofia teo amin'ny andaniny roa ary valo dingana no fiakarana nankany amin'izany. BSB BSB: Its portico faced the outer court, and its side pillars were decorated with palm trees on each side. Eight steps led up to it.
38 ULB Nisy efi-trano nisy varavarana teo anilan'ny fidirana amin'ny vavahady anatiny tsirairay. Teo no nanasan'izy ireo ny fanatitra dorana. BSB BSB: There was a chamber with a doorway by the portico in each of the inner gateways. There the burnt offering was to be washed.
39 ULB Nisy latabatra roa isaky ny andanin'ny lavarangana tsirairay, izay namonoana ny fanatitra dorana, ary koa ny fanatitra nohon'ny ota sy ny fanati-panonerana. BSB BSB: Inside the portico of the gateway were two tables on each side, on which the burnt offerings, sin offerings, and guilt offerings were to be slaughtered.
40 ULB Teo akaikin'ny rindrin'ny kianja, miakatra mankany amin'ny vavahady tany avaratra, dia nisy latabatra roa. Teo amin'ny andaniny iray hafa koa dia nisy latabatra roa teo amin'ny lavarangan'ny vavahady. BSB BSB: Outside, as one goes up to the entrance of the north gateway, there were two tables on one side and two more tables on the other side of the gate’s portico.
41 ULB Nisy latabatra efatra teo amin'ny andaniny roa akaikin'ny vavahady; namonoan'izy ireo biby teo ambonin'ireo latabatra valo. BSB BSB: So there were four tables inside the gateway and four outside—eight tables in all—on which the sacrifices were to be slaughtered.
42 ULB Nisy latabatra vato tapaka efatra ho an'ny fanatitra dorana, iray hakiho sy sasany ny halavany, iray hakiho sy sasany ny sakany, ary iray hakiho ny haavony. Teo amin'ireo no nametrahan'izy ireo ny fitaovana izay namonoan'izy ireo ny fanatitra dorana ho amin'ny sorona. BSB BSB: There were also four tables of dressed stone for the burnt offering, each a cubit and a half long, a cubit and a half wide, and a cubit high. On these were placed the utensils used to slaughter the burnt offerings and the other sacrifices.
43 ULB Fihantonan-javatra roa iray vodivoam-pelantanana ny halavany no namehy ny lavarangana manodidina, ary ny nofon'ireo fanatitra dia napetraka teo ambonin'ireo latabatra. BSB BSB: The double-pronged hooks, each a handbreadth long, were fastened all around the inside of the room, and the flesh of the offering was to be placed on the tables.
44 ULB Teo akaikin'ny vavahady anatiny, tao anatin'ny kianja anatiny no nisy ny efitranon'ireo mpihira. Ny iray tamin'ireo efitrano ireo dia tany avaratra, ary iray tany atsimo. BSB BSB: Outside the inner gate, within the inner court, were two chambers, one beside the north gate and facing south, and another beside the south gate and facing north.
45 ULB Koa dia hoy ilay lehilahy tamiko hoe: "Ity efitrano manatrika any atsimo ity dia ho an'ireo mpisorona izay miadidy ao an-tempoly. BSB BSB: Then the man said to me: “The chamber that faces south is for the priests who keep charge of the temple,
46 ULB Ilay efitrano mitodika any avaratra kosa dia ho an'ireo mpisorona niadidy tao amin'ny alitara. Ireo dia zanaka lahin'i Zadoka izay manatona akaiky an'i Yaveh mba hanompo Azy; izy ireo dia isan'ireo zanaka lahin'i Levy." BSB BSB: and the chamber that faces north is for the priests who keep charge of the altar. These are the sons of Zadok, the only Levites who may approach the LORD to minister before Him.”
47 ULB Avy eo izy nandrefy ny kianja—zato hakiho ny halavany ary zato hakiho ny sakany amina efa-joro, niaraka tamin'ny alitara teo anoloan'ilay trano. BSB BSB: Next he measured the court. It was square, a hundred cubits long and a hundred cubits wide. And the altar was in front of the temple.
48 ULB Avy eo nentin'ilay lehilahy nankany amin'ny lavarangan'ny trano aho ka norefesina ny tolàm-baravaran'izany—dimy hakiho isaky ny andaniny ny hatevin'ireo. Ny fidirana dia efatra ambin'ny folo hakiho ny sakany, ary ireo rindrina isan-dafin'izany dia telo hakiho ny sakany. BSB BSB: Then he brought me to the portico of the temple and measured the side pillars of the portico to be five cubits on each side. The width of the gateway was fourteen cubits and its sidewalls were three cubits on either side.
49 ULB Ny halavan'ny lavarangana dia roapolo hakiho, ary ny halaliny dia iraika ambin'ny folo hakiho. Nisy zana-tohatra niakatra nankany amin'izany ary tsanganana nijoro teo amin'ny andaniny roan'izany. BSB BSB: The portico was twenty cubits wide and twelve cubits deep, and ten steps led up to it. There were columns by the side pillars, one on each side.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.