1 ULB Avy eo ilay lehilahy nitondra ahy teo amin'ny vavahady izay nisokatra niatsinanana. BSB BSB: Then the man brought me back to the gate that faces east,
2 ULB Indro! Tonga avy any atsinanana ny voninahitr'ilay Andriamanitr' Israely; tahaka ny feon'ny rano maro ny feony, ary namiratry ny voninahiny ny tany. BSB BSB: and I saw the glory of the God of Israel coming from the east. His voice was like the roar of many waters, and the earth shone with His glory.
3 ULB Izany dia araka ny fisehoan'ny fahitana izay hitako, araka ny fahitana izay hitako raha tonga handrava ny tanàna Izy, ary ireo fahitana dia tahaka ny fahitana izay hitako tao amin'ny Lakan-dranon'i Kebara—ary niankohoka tamin'ny tavako aho.. BSB BSB: The vision I saw was like the vision I had seen when He came to destroy the city and like the visions I had seen by the River Kebar. I fell facedown,
4 ULB Koa tonga tao an-trano tamin'ny lalana mankany am-bavahady izay nisokatra niatsinanana ny voninahitr'i Yaveh. BSB BSB: and the glory of the LORD entered the temple through the gate facing east.
5 ULB Dia nanainga ahy ny Fanahy ary nitondra ahy tao anatin'ny kianja. Indro! Nameno ny trano ny voninahitr'i Yaveh. BSB BSB: Then the Spirit lifted me up and brought me into the inner court, and the glory of the LORD filled the temple.
6 ULB Nijoro teo akaikiko ilay lehilahy, ary nandre olon-kafa niresaka tamiko avy tao an-trano aho. BSB BSB: While the man was standing beside me, I heard someone speaking to me from inside the temple,
7 ULB Hoy Izy tamiko: "Ry zanak'olona, ity no fitoeran'ny seza fiandrianako sy fitoeran'ny faladian-tongotro, izay hipetrahako eo afovoan'ny vahoakan'Israely mandrakizay. Tsy hanimbazimba ny anarako masina intsony ny ankohonan'Israely—izy ireo na ny mpanjakan'izy ireo—amin'ny tsy finoana na amin'ny fatin'ireo mpanjakany teo amin'ireo toerana avony. BSB BSB: and He said to me, “Son of man, this is the place of My throne and the place for the soles of My feet, where I will dwell among the Israelites forever. The house of Israel will never again defile My holy name—neither they nor their kings—by their prostitution and by the funeral offerings for their kings at their deaths.
8 ULB Tsy hanimbazimba ny anarako masina amin'ny fametrahana ny tokonam-baravaran'izy ireo akaikin'ny tokonam-baravarako intsony izy ireo, ary ireo tsanganam-bavahadin'izy ireo akaikin'ny tsanganam-bavahadiko, na amin'ny inona na inona afa-tsy manda iray eo anelanelako sy izy ireo. Nanimbazimba ny anarako masina tamin'ireo asa maharikorikony izy ireo, koa handevona azy ireo amin'ny fahatezerako Aho. BSB BSB: When they placed their threshold next to My threshold and their doorposts beside My doorposts, with only a wall between Me and them, they defiled My holy name by the abominations they committed. Therefore I have consumed them in My anger.
9 ULB Ankehitriny aoka izy ireo hanala ny tsy finoan'izy ireo sy ireo fatin'ny mpanjakany eo anoloako, dia hipetraka eo afovoan'izy ireo mandrakizay Aho. BSB BSB: Now let them remove far from Me their prostitution and the funeral offerings for their kings, and I will dwell among them forever.
10 ULB Ry zanak'olona, ianao mihitsy no aoka hilaza momba izany trano izany amin'ny ankohonan'Israely mba ho menatra noho ireo helony izy ireo. Tokony hihevitra momba izany famaritana izany izy ireo. BSB BSB: As for you, son of man, describe the temple to the people of Israel, so that they may be ashamed of their iniquities. Let them measure the plan,
11 ULB Fa raha menatra noho izay rehetra nataony izy ireo, dia ambarao amin'izy ireo ny sarin-trano, ny antsipirihany, ny fivoahany, ny fidirany, sy ny sariny rehetra, ary ny didy aman-dalàny rehetra. Dia soraty eo imason'izy ireo izany mba hitandremany ny sarin'izany sy ny didin'izany rehetra, ka hankato ireny. BSB BSB: and if they are ashamed of all they have done, then make known to them the design of the temple—its arrangement and its exits and entrances—its whole design along with all its statutes, forms, and laws. Write it down in their sight, so that they may keep its complete design and all its statutes and may carry them out.
12 ULB Izao no fitsipika ho an'ny trano: Hatreny amin'ny tampon'ny havoana manodidina ny faritra rehetra manodidina izany, dia ho masina indrindra. Indro! Izany no ho fitsipika ho an'ny trano. BSB BSB: This is the law of the temple: All its surrounding territory on top of the mountain will be most holy. Yes, this is the law of the temple.
13 ULB Ireto no ho refin'ny alitara amin'ny hakiho—izany hakiho izany dia ho hakiho mahazatra ary vodivoam-pelatanana amin'ny halavany. Koa ny fantsona manodidina ny alitara dia ho hakiho lalina, ary ny sakany dia ho hakiho iray ihany koa. Ny faritra manodidina ny sisiny manodidina dia ho irain-jehy. Izany no ho fototry ny alitara. BSB BSB: These are the measurements of the altar in long cubits (a cubit and a handbreadth): Its gutter shall be a cubit deep and a cubit wide, with a rim of one span around its edge. And this is the height of the altar:
14 ULB Avy eo amin'ny fantsona miakatra any amin'ny rindrina avo amin'ny alitara dia roa hakiho, ary ny rindrina dia iray hakiho ny sakany. Ary avy eo amin'ny rindrina kely miakatra amin'ny velaran'ny sisin'ny alitara, dia efatra hakiho izany, ary ny velaran'ny sisiny dia iray hakiho ny sakany. BSB BSB: The space from the gutter on the ground to the lower ledge shall be two cubits, and the ledge one cubit wide. The space from the smaller ledge to the larger ledge shall be four cubits, and the ledge one cubit wide.
15 ULB Ny fatana eo amin'ny alitara ho an'ny fanatitra dorana dia efatra hakiho ny halavany, ary misy tandroka efatra manondro miakatra eo amin'ny fatana. BSB BSB: The altar hearth shall be four cubits high, and four horns shall project upward from the hearth.
16 ULB Ny fatana dia roa ambin'ny folo hakiho ny halavany ary roa ambin'ny folo hakiho ny sakany, efa-joro. BSB BSB: The altar hearth shall be square at its four corners, twelve cubits long and twelve cubits wide.
17 ULB Ny faritr'izany dia efatra ambin'ny folo hakiho ny halavany ary efatra ambin'ny folo ny sakany amin'ny lafiny efatra tsirairay avy, ary ny morony dia antsasa-hakiho. Ny fantsona dia iray hakiho ny sakany manodidina rehetra ary ireo zana-tohatr'izany dia mitodika any atsinanana." BSB BSB: The ledge shall also be square, fourteen cubits long and fourteen cubits wide, with a rim of half a cubit and a gutter of a cubit all around it. The steps of the altar shall face east.”
18 ULB Manarak'izany dia hoy Izy tamiko hoe: "Ry zanak'olona, izao no lazain'ny Tompo Yaveh: Ireto no fitsipika ho an'ny alitara amin' ny andro anaovan'izy ireo izany, ho an'ny fanandratana ny fanatitra dorana ao anatin'izany, ary ho an'ny famafazan-drà eo amin'izany. BSB BSB: Then He said to me: “Son of man, this is what the Lord GOD says: ‘These are the statutes for the altar on the day it is constructed, so that burnt offerings may be sacrificed on it and blood may be splattered on it:
19 ULB Hanolotra omby lahy avy amin'ny biby fiompy ho fanatitra nohon'ny ota ho an'ireo mpisorona Levita izay taranak'i Zadoka ianao, dia ireo izay nanakaiky Ahy mba hanompo Ahy—izany ny fanambaran'ny Tompo Yaveh. BSB BSB: You are to give a young bull from the herd as a sin offering to the Levitical priests who are of the family of Zadok, who approach Me to minister before Me, declares the Lord GOD.
20 ULB Avy eo ianao haka ny sasany amin'ny ràn'izany ary hametraka izany eo amin'ny alitaran'ny tandroka efatra sy ny lafy efatry ny sisiny ary eo amin'ny morony manodidina; hanadio izany ianao ka hanao fanavotana ho an'izany. BSB BSB: You are to take some of its blood and put it on the four horns of the altar, on the four corners of the ledge, and all around the rim; thus you will cleanse the altar and make atonement for it.
21 ULB Dia makà omby lahy ho fanatitra nohon'ny ota ka dory eo amin'ny faritra voatendry ao amin'ny faritry ny tempoly ivelan'ny fitoerana masina izany. BSB BSB: Then you are to take away the bull for the sin offering and burn it in the appointed part of the temple area outside the sanctuary.
22 ULB Ary amin'ny andro faharoa ianao dia hanolotra osy lahy tsy misy kilema avy amin'ireo osy ho fanatitra nohon'ny ota; hanadio ny alitara tahaka ny nanadiovany izany tamin'ny omby lahy ireo mpisorona. BSB BSB: On the second day you are to present an unblemished male goat as a sin offering, and the altar is to be cleansed as it was with the bull.
23 ULB Rehefa vitanao ny fanadiovana izany, dia manolora omby lahy tsy misy kilema avy amin'ny biby fiompy ary ondry lahy tsy misy kilema avy amin'ny ondry aman'osy. BSB BSB: When you have finished the purification, you are to present a young, unblemished bull and an unblemished ram from the flock.
24 ULB Atolory eo anatrehan'i Yaveh ireo; dia handraraka sira eo amin'ireo ny mpisorona ka hanandratra ireo ho fanatitra dorana ho an'i Yaveh. BSB BSB: You must present them before the LORD; the priests are to sprinkle salt on them and sacrifice them as a burnt offering to the LORD.
25 ULB Manomàna ianao osy lahy ho fanatitra nohon'ny ota isan'andro mandritry ny hafitoana, ary aoka ireo mpisorona hanomana omby lahy tsy misy kilema amin'ny biby fiompy ary ondry lahy tsy misy kilema avy amin'ny ondry aman'osy ihany koa. BSB BSB: For seven days you are to provide a male goat daily for a sin offering; you are also to provide a young bull and a ram from the flock, both unblemished.
26 ULB Aoka izy ireo hanonitra ny alitara hateloana ka hanadio izany, ary amin'izany fomba izany no hanamasinan'izy ireo izany. BSB BSB: For seven days the priests are to make atonement for the altar and cleanse it; so they shall consecrate it.
27 ULB Aoka hameno ireo andro ireo izy ireo, ary amin'ny andro fahavalo sy manaraka izany dia hanomana ny fanatitra doranareo sy ny fanati-pihavananareo eo amin'ny alitara ireo mpisorona, dia hankasitraka anareo Aho—izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh." BSB BSB: At the end of these days, from the eighth day on, the priests are to present your burnt offerings and peace offerings on the altar. Then I will accept you, declares the Lord GOD.’”
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.