1 ULB Dia nitondra ahy niverina tany amin'ny vavahady ivelan'ny fitoerana masina izay manatrika miatsinanana ilay lehilahy; nihidy mafy izany. BSB BSB: The man then brought me back to the outer gate of the sanctuary that faced east, but it was shut.
2 ULB Hoy Yaveh tamiko hoe: "Voatombo-kase io vavahady io; tsy ho voasokatra izany. Tsy hisy olona handalo eo amin'izany, satria Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely, no nandalo tamin'izany, ka dia voahidy mafy izany. BSB BSB: And the LORD said to me, “This gate is to remain shut. It shall not be opened, and no man shall enter through it, because the LORD, the God of Israel, has entered through it. Therefore it will remain shut.
3 ULB Ny mpanapak'Israely dia hipetraka amin'izany mba hihinan-kanina eo anoloan'i Yaveh. Hiditra amin'ny lalan'ny lavarangan'ny vavahady izy ary hivoaka amin'iny lalana iny ihany." BSB BSB: Only the prince himself may sit inside the gateway to eat in the presence of the LORD. He must enter by way of the portico of the gateway and go out the same way.”
4 ULB Avy eo dia nentiny tamin'ny lalan'ny vavahady avaratra izay manatrika ny trano aho. Ka nijery aho ary indro, ny voninahitr'i Yaveh nameno ny tranon'i Yaveh, ary nikarapoka niankohoka aho. BSB BSB: Then the man brought me to the front of the temple by way of the north gate. I looked and saw the glory of the LORD filling His temple, and I fell facedown.
5 ULB Dia hoy Yaveh tamiko hoe: "Ry zanak'olona, mandiniha tsara ary mijere amin'ny masonao ary mihainoa amin'ny sofinao ny amin'izay rehetra efa ambarako aminao, ny amin'ny lalàn'ny tranon'i Yaveh rehetra sy ny didy amam-pitsipik'izany rehetra. Saino ny momban'ny fidirana sy ny fivoahana ao amin'ilay trano. BSB BSB: The LORD said to me: “Son of man, pay attention; look carefully with your eyes and listen closely with your ears to everything I tell you concerning all the statutes and laws of the house of the LORD. Take careful note of the entrance to the temple, along with all the exits of the sanctuary.
6 ULB Ary lazao amin'ireo izay mpikomy, ny ankohonan'Israely hoe: 'Izao no lazain'ny Tompo Yaveh: Aoka ho ampy anareo ireo asa maharikorikonareo rehetra, ry ankohonan'Israely— BSB BSB: Tell the rebellious house of Israel that this is what the Lord GOD says: ‘I have had enough of all your abominations, O house of Israel.
7 ULB izay nitondranareo vahiny tsy mifora fo sy tsy mifora nofo mba ho ao amin'ny fitoerako masina, maniratsira ny tranoko, raha nanolotra sakafo ho Ahy ianareo, sabora sy rà—nanapaka ny fanekem-pihavanako tamin'ireo fihetsikareo maharikoriko rehetra ianareo. BSB BSB: In addition to all your other abominations, you brought in foreigners uncircumcised in both heart and flesh to occupy My sanctuary; you defiled My temple when you offered My food—the fat and the blood; you broke My covenant.
8 ULB Tsy nanatanteraka ireo adidinareo momban'ny zavatro masina ianareo, fa nanendry olon-kafa ianareo mba haka ireo adidinareo, ary nanendry azy ireo mba hikarakara ny fitoerako masina. BSB BSB: And you have not kept charge of My holy things, but have appointed others to keep charge of My sanctuary for you.’
9 ULB Hoy ny Tompo Yaveh hoe: Tsy misy vahiny, tsy voafora fo sy nofo, avy amin'izay monina eo amin'ny vahoakan'Israely, afaka hiditra eo amin'ny fitoerako masina. BSB BSB: This is what the Lord GOD says: No foreigner uncircumcised in heart and flesh may enter My sanctuary—not even a foreigner who lives among the Israelites.
10 ULB Ankehitriny dia nanalavitra Ahy ireo Levita—nirenireny niala tamiko izy ireo, manara-dia ireo sampiny—fa hanefa ny amin'ny fahotan'izy ireo izy ireo. BSB BSB: Surely the Levites who wandered away from Me when Israel went astray, and who wandered away from Me after their idols, will bear the consequences of their iniquity.
11 ULB Mpanompo ao amin'ny fitoerako masina izy ireo, miandry ny vavahadin'ny trano sy manompo ao amin'ny trano ary mamono ny fanatitra dorana sy ny soron'ny vahoaka izy ireo, ary hijoro manoloana ny vahoaka izy ireo ka hanompo azy ireo. BSB BSB: Yet they shall be ministers in My sanctuary, having charge of the gates of the temple and ministering there. They shall slaughter the burnt offerings and other sacrifices for the people and stand before them to minister to them.
12 ULB Nefa noho izy ireo efa nanatanteraka ny soron'izy ireo nanoloana ireo sampiny, dia tonga vato manafintohina eo anoloako nohon'ny ota tamin'ny vahoakan'Israely izy ireo. Noho izany dia hatsangako ny tanako hianiana fianianana hanohitra azy ireo—izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh—hitondra ny saziny izy ireo. BSB BSB: Because they ministered before their idols and became a stumbling block of iniquity to the house of Israel, therefore I swore with an uplifted hand concerning them that they would bear the consequences of their iniquity, declares the Lord GOD.
13 ULB Tsy hanatona akaiky Ahy mba hiasa toy ny mpisoroko na hanatona izay mety ho zavatro masina izy ireo, ireo zavatra masina indrindra. Fa kosa, hitondra ny fahafam-barakany sy ny heloky ny asa maharikoriko izay nataony izy ireo. BSB BSB: They must not approach Me to serve Me as priests or come near any of My holy things or the most holy things. They will bear the shame of the abominations they have committed.
14 ULB Fa hapetrako ho mpiambina ny asa ao amin'ny trano izy ireo, ny amin'ny adidin'izany rehetra sy izay rehetra atao anatin'izany. BSB BSB: Yet I will appoint them to keep charge of all the work for the temple and everything to be done in it.
15 ULB Ary ireo Levita mpisorona, dia ireo zanak'i Zadoka izay nanatanteraka ny adidin'ny fitoerako masina raha nirenireny niala tamiko ny vahoakan'Israely—hanatona akaiky Ahy izy ireo mba hanompo Ahy. Hitsangana manoloana Ahy izy ireo mba hanolotra ny sabora sy ny rà—izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh. BSB BSB: But the Levitical priests, who are descended from Zadok and who kept charge of My sanctuary when the Israelites went astray from Me, are to approach Me to minister before Me. They will stand before Me to offer Me fat and blood, declares the Lord GOD.
16 ULB Ho avy ao amin'ny fitoerako masina izy ireo; hanatona ny latabatro mba hanompo Ahy izy ireo ary hanatanteraka ireo adidiny Amiko. BSB BSB: They alone shall enter My sanctuary and draw near to My table to minister before Me. They will keep My charge.
17 ULB Noho izany rehefa manatona ny vavahadin'ny kianja anatiny izy ireo, dia mila mitafy lamba rongony fotsy, satria izy ireo tsy mahazo miditra miaraka amin'ny volon'ondry ao anatin'ny vavahadin'ny kianja anatiny sy ny tranon'izany. BSB BSB: When they enter the gates of the inner court, they are to wear linen garments; they must not wear anything made of wool when they minister at the gates of the inner court or inside the temple.
18 ULB Tokony hisy hamama rongony fotsy ny lohan'izy ireo ary atin'akanjo rongony fotsy eo amin'ny valahany. Aoka izy ireo tsy hitafy akanjo izay mampahatsemboka azy ireo. BSB BSB: They are to wear linen turbans on their heads and linen undergarments around their waists. They must not wear anything that makes them perspire.
19 ULB Rehefa mivoaka ho eo amin'ny kianja ivelany izy ireo, ho eo amin'ny kianja ivelany mba handeha ho any amin'ny vahoaka, dia aoka hanala ny akanjo izay nanaovany tamin'izy ireo nanompo; aoka ho esorin'izy ireo izany ary hapetrak'izy ireo ambany ao amin'ny efitra masina, ka tsy hamela olon-kafa ho masina amin'ny fikasohana ny akanjony miavaka izy ireo. BSB BSB: When they go out to the outer court, to the people, they are to take off the garments in which they have ministered, leave them in the holy chambers, and dress in other clothes so that they do not transmit holiness to the people with their garments.
20 ULB Ary koa aoka izy ireo tsy hanaratra ny lohan'izy ireo na hamela ny volon'izy ireo hiraviravy an-kalalahana, fa aoka izy ireo hikarakara ny volon-dohan'izy ireo. BSB BSB: They must not shave their heads or let their hair grow long, but must carefully trim their hair.
21 ULB Tsy tokony hisy mpisorona hisotro divay raha mankeo amin'ny kianja anatiny, BSB BSB: No priest may drink wine before he enters the inner court.
22 ULB na haka mpitondratena na vehivavy nisara-bady ho vadiny, fa virijiny avy amin'ny ankohonan'Israely ihany na mpitondratena izay nanambady mpisorona teo aloha. BSB BSB: And they shall not marry a widow or a divorced woman, but must marry a virgin of the descendants of the house of Israel, or a widow of a priest.
23 ULB Fa hampianatra ny oloko ny fahasamihafana eo amin'ny masina sy tsy masina izy ireo; hampahafantatra azy ireo ny maloto amin'ny madio izy ireo. BSB BSB: They are to teach My people the difference between the holy and the common and show them how to discern between the clean and the unclean.
24 ULB Amin'ny fifandirana no hitsanganan'izy ireo hitsara miaraka amin'ireo didiko; aoka ho marina izy ireo. Hitandrina ny lalàko sy ireo didiko izy ireo amin'ny fanasana rehetra, ary hankalaza ny Sabatako masina izy ireo. BSB BSB: In any dispute, they shall officiate as judges and judge according to My ordinances. They must keep My laws and statutes regarding all My appointed feasts, and they must keep My Sabbaths holy.
25 ULB Tsy handeha any amin'ny fatin'olona mba ho lasa maloto izy ireo, raha tsy hoe ray na renin'izy ireo izany, zanaka lahy na zanaka vavy, rahalahy na anabavy izay tsy mbola niara-nandry tamin'ny lehilahy; raha tsy izany, hanjary maloto izy ireo. BSB BSB: A priest must not defile himself by going near a dead person. However, for a father, a mother, a son, a daughter, a brother, or an unmarried sister, he may do so,
26 ULB Aorian'ny mampaloto ny mpisorona, dia hanisa hafitoana ho azy izy. BSB BSB: and after he is cleansed, he must count off seven days for himself.
27 ULB Amin'ny andro izay idirany ao amin'ny toerana masina, ao amin'ny kianja anatiny mba hanompo ao amin'ny toerana masina, dia aoka hitondra fanatitra nohon'ny ota ho azy izy—izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh. BSB BSB: And on the day he goes into the sanctuary, into the inner court, to minister in the sanctuary, he must present his sin offering, declares the Lord GOD.
28 ULB Izao no ho lovan'izy ireo: Izaho no lovan'izy ireo, ary aoka ianareo tsy hanome fananana eo amin'Israely ho azy ireo; Izaho no ho fananan'izy ireo! BSB BSB: In regard to their inheritance, I am their inheritance. You are to give them no possession in Israel, for I am their possession.
29 ULB Hihinana ny fanatitra hohanina izy ireo, ny fanatitra nohon'ny ota, ny fanatitra nohon'ny heloka, ary izay rehetra feno fanoloran-tena ho an'i Yaveh ao Israely, dia ho azy ireo. BSB BSB: They shall eat the grain offerings, the sin offerings, and the guilt offerings. Everything in Israel devoted to the LORD will belong to them.
30 ULB Ny tsara indrindra amin'ireo voaloham-bokatra amin'ny zavatra rehetra sy ny fandraisana anjara rehetra, na inona na inona avy amin'ny fandraisanareo anjara rehetra dia ho an'ny mpisorona, ary hanome ny tsara indrindra amin'ny fanatitra sakafonareo ho an'ny mpisorona ianareo mba hitoeran'ny fitahiana ao an-tranonareo. BSB BSB: The best of all the firstfruits and of every contribution from all your offerings will belong to the priests. You are to give your first batch of dough to the priest, so that a blessing may rest upon your homes.
31 ULB Ireo mpisorona dia tsy hihinana fatim-biby na biby voaviravira, na vorona na biby. BSB BSB: The priests may not eat any bird or animal found dead or torn by wild beasts.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.